Dinah and the Shechemites
1. And Dinah the daughter of Leah, which she bare unto Jacob, went out to see the daughters of the land.
1. Dina, la fille que Léa avait enfantée à Jacob, sortit pour voir les filles du pays.
1. Dia nivoaka Dina, zanakavavin' i Lea, izay naterany tamin' i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy tompon-tany.
2. And when Shechem the son of Hamor the Hivite, prince of the country, saw her, he took her, and lay with her, and defiled her.
2. Elle fut aperçue de Sichem, fils de Hamor, prince du pays. Il l`enleva, coucha avec elle, et la déshonora.
2. Ary raha nahita azy Sekema, zanakalahin' i Hamora Hivita, andriana tamin' izany tany izany, dia naka azy, ary nandry taminy ka nampietry azy.
3. And his soul clave unto Dinah the daughter of Jacob, and he loved the damsel, and spake kindly unto the damsel.
3. "Son coeur s`attacha à Dina, fille de Jacob; il aima la jeune fille, et sut parler à son coeur."
3. Ary ny fanahiny raiki-pitia tamin' i Dina zanakavavin' i Jakoba, ka tiany razazavavy, dia nanao teny malefaka mahafinaritra tamin-drazazavavy izy.
4. And Shechem spake unto his father Hamor, saying, Get me this damsel to wife.
4. Et Sichem dit à Hamor, son père: Donne-moi cette jeune fille pour femme.
4. Ary Sekema dia niteny tamin' i Hamora rainy ka nanao hoe: Alao io zazavavy io ho vadiko.
5. And Jacob heard that he had defiled Dinah his daughter: now his sons were with his cattle in the field: and Jacob held his peace until they were come.
5. "Jacob apprit qu`il avait déshonoré Dina, sa fille; et, comme ses fils étaient aux champs avec son troupeau, Jacob garda le silence jusqu`à leur retour."
5. "Ary ren' i Jakoba fa efa nandoto an'i Dina zanany vavy izy; fa ny zanany lahy mbola niandry ny biby fiompiny tany an-tsaha; ka dia nangina Jakoba mandra-pahatongan' ireo."
6. And Hamor the father of Shechem went out unto Jacob to commune with him.
6. Hamor, père de Sichem, se rendit auprès de Jacob pour lui parler.
6. Dia nivoaka Hamora, rain' i Sekema, nankany amin' i Jakoba mba hidinika taminy.
7. And the sons of Jacob came out of the field when they heard it: and the men were grieved, and they were very wroth, because he had wrought folly in Israel in lying with Jacob's daughter; which thing ought not to be done.
7. "Et les fils de Jacob revenaient des champs, lorsqu`ils apprirent la chose; ces hommes furent irrités et se mirent dans une grande colère, parce que Sichem avait commis une infamie en Israël, en couchant avec la fille de Jacob, ce qui n`aurait pas dû se faire."
7. "Ary ny zanakalahin' i Jakoba dia tonga avy tany an-tsaha rehefa nandre izany; ary nalahelo ireo, sady tezitra indrindra, satria efa nanao fahadalana teo amin' ny Isiraely izy noho ny nandriany tamin' ny zanakavavin' i Jakoba, izay zavatra tsy tokony ho natao."
8. And Hamor communed with them, saying, The soul of my son Shechem longeth for your daughter: I pray you give her him to wife.
8. "Hamor leur adressa ainsi la parole: Le coeur de Sichem, mon fils, s`est attaché à votre fille; donnez-la-lui pour femme, je vous prie."
8. "Ary nidinika tamin' ireo Hamora ka nanao hoe: Ny fanahin' i Sekema zanako lahy dia raiki-pitia amin' ny zanakareo vavy; masìna ianareo, omeo azy izy ho vadiny."
9. And make ye marriages with us, and give your daughters unto us, and take our daughters unto you.
9. "Alliez-vous avec nous; vous nous donnerez vos filles, et vous prendrez pour vous les nôtres."
9. Ary manaova fanambadiana aminay ianareo, ka omeo anay ny zanakavavinareo, dia alao ho anareo ny zanakay vavy.
10. And ye shall dwell with us: and the land shall be before you; dwell and trade ye therein, and get you possessions therein.
10. "Vous habiterez avec nous, et le pays sera à votre disposition; restez, pour y trafiquer et y acquérir des propriétés."
10. "Dia hiara-monina aminay ianareo; ka ny tany dia eo anoloanareo: oneno, dia manaova varotra ao, ary aoka hahazo fananana ao ianareo."
11. And Shechem said unto her father and unto her brethren, Let me find grace in your eyes, and what ye shall say unto me I will give.
11. Sichem dit au père et aux frères de Dina: Que je trouve grâce à vos yeux, et je donnerai ce que vous me direz.
11. Ary hoy Sekema tamin' ny rain' i Dina sy ny anadahiny: Aoka mba hahita fitia eto imasonareo aho, ary izay lazainareo amiko dia homeko:
12. Ask me never so much dowry and gift, and I will give according as ye shall say unto me: but give me the damsel to wife.
12. "Exigez de moi une forte dot et beaucoup de présents, et je donnerai ce que vous me direz; mais accordez-moi pour femme la jeune fille."
12. "Na dia harena sy fanomezana be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany izany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko."
13. And the sons of Jacob answered Shechem and Hamor his father deceitfully, and said, because he had defiled Dinah their sister:
13. Les fils de Jacob répondirent et parlèrent avec ruse à Sichem et à Hamor, son père, parce que Sichem avait déshonoré Dina, leur soeur.
13. "Ary ny zanakalahin' i Jakoba namaly an' i Sekema sy Hamora rainy tamin' ny fitaka ka nisaroro azy noho ny nandotoany an' i Dina anabaviny;"
14. And they said unto them, We cannot do this thing, to give our sister to one that is uncircumcised; for that were a reproach unto us:
14. "Ils leur dirent: C`est une chose que nous ne pouvons pas faire, que de donner notre soeur à un homme incirconcis; car ce serait un opprobre pour nous."
14. Ary hoy izy taminy: Tsy azonay atao izany zavatra izany, dia ny hanome ny anabavinay ho an' izay lehilahy tsy mifora: Fa fahafaham-baràka aminay izany.
15. But in this will we consent unto you: If ye will be as we be, that every male of you be circumcised;
15. Nous ne consentirons à votre désir qu`à la condition que vous deveniez comme nous, et que tout mâle parmi vous soit circoncis.
15. Fa izao ihany no hanekenay anareo: Raha ho tahaka anay ianareo, ka hoforana ny lehilahy rehetra aminareo.
16. Then will we give our daughters unto you, and we will take your daughters to us, and we will dwell with you, and we will become one people.
16. "Nous vous donnerons alors nos filles, et nous prendrons pour nous les vôtres; nous habiterons avec vous, et nous formerons un seul peuple."
16. Dia homenay anareo ny zanakay vavy, ary ny zanakareo vavy kosa halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay, ka ho firenena iray isika.
17. But if ye will not hearken unto us, to be circumcised; then will we take our daughter, and we will be gone.
17. Mais si vous ne voulez pas nous écouter et vous faire circoncire, nous prendrons notre fille, et nous nous en irons.
17. "Fa raha tsy hihaino anay ianareo ka hoforana; dia halainay ny zanakay vavy ka handeha izahay."
18. And their words pleased Hamor, and Shechem Hamor's son.
18. Leurs paroles eurent l`assentiment de Hamor et de Sichem, fils de Hamor.
18. Dia sitrak' i Hamora sy Sekema zanany izany teniny izany.
19. And the young man deferred not to do the thing, because he had delight in Jacob's daughter: and he was more honourable than all the house of his father.
19. Le jeune homme ne tarda pas à faire la chose, car il aimait la fille de Jacob. Il était considéré de tous dans la maison de son père.
19. "Ary tsy nitaredretra ilay zatovo hanao izany zavatra izany satria efa tia ny zanakavavin' i Jakoba izy; ary izy no malaza kokoa noho izay rehetra ao an-tranon' ny rainy."
20. And Hamor and Shechem his son came unto the gate of their city, and communed with the men of their city, saying,
20. Hamor et Sichem, son fils, se rendirent à la porte de leur ville, et ils parlèrent ainsi aux gens de leur ville:
20. Ary Hamora sy Sekema zanany lahy nankeo amin' ny vavahadin' ny tanànany, dia niteny tamin' ny mponina tao an-tanànany ka nanao hoe:
21. These men are peaceable with us; therefore let them dwell in the land, and trade therein; for the land, behold, it is large enough for them; let us take their daughters to us for wives, and let us give them our daughters.
21. "Ces hommes sont paisibles à notre égard; qu`ils restent dans le pays, et qu`ils y trafiquent; le pays est assez vaste pour eux. Nous prendrons pour femmes leurs filles, et nous leur donnerons nos filles."
21. "Ireo olona ireo mipetraka tsara eto amintsika; noho izany aoka honina eto amin' ny tany izy, ka hanao varotra eto; fa, indro, ny tany dia malalaka ho azy ireo; ny zanany vavy dia aoka halaintsika ho vadintsika, ary ny zanatsika vavy dia aoka homentsika azy."
22. Only herein will the men consent unto us for to dwell with us, to be one people, if every male among us be circumcised, as they are circumcised.
22. Mais ces hommes ne consentiront à habiter avec nous, pour former un seul peuple, qu`à la condition que tout mâle parmi nous soit circoncis, comme ils sont eux-mêmes circoncis.
22. Nefa izao ihany no hanaovan' ireo olona ireo fanekena amintsika mba honenany miaraka amintsika ho firenena iray: Raha hoforana ny lehilahy rehetra amintsika tahaka izay namorana azy ireo.
23. Shall not their cattle and their substance and every beast of theirs be ours? only let us consent unto them, and they will dwell with us.
23. Leurs troupeaux, leurs biens et tout leur bétail, ne seront-ils pas à nous? Acceptons seulement leur condition, pour qu`ils restent avec nous.
23. Tsy ho antsika va ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin' ny bibiny rehetra? Aoka hifanaiky aminy fotsiny isika, dia hiara-monina amintsika izy.
24. And unto Hamor and unto Shechem his son hearkened all that went out of the gate of his city; and every male was circumcised, all that went out of the gate of his city.
24. "Tous ceux qui étaient venus à la porte de la ville écoutèrent Hamor et Sichem, son fils; et tous les mâles se firent circoncire, tous ceux qui étaient venus à la porte de la ville."
24. "Ary izay rehetra nivoaka tamin' ny vavahadin' ny tanànany dia nihaino an' i Hamora sy Sekema zanany; ary noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin' ny vavahadin' ny tanànany."
25. And it came to pass on the third day, when they were sore, that two of the sons of Jacob, Simeon and Levi, Dinah's brethren, took each man his sword, and came upon the city boldly, and slew all the males.
25. Le troisième jour, pendant qu`ils étaient souffrants, les deux fils de Jacob, Siméon et Lévi, frères de Dina, prirent chacun leur épée, tombèrent sur la ville qui se croyait en sécurité, et tuèrent tous les mâles.
25. Ary izao no niseho tamin' ny andro fahatelo, rehefa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak' i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin' i Dina, ka niakatra tamim-pahasahiana tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra.
26. And they slew Hamor and Shechem his son with the edge of the sword, and took Dinah out of Shechem's house, and went out.
26. "Ils passèrent aussi au fil de l`épée Hamor et Sichem, son fils; ils enlevèrent Dina de la maison de Sichem, et sortirent."
26. "Ary Hamora sy Sekema zanany lahy dia novonoiny tamin' ny lelan-tsabatra; dia naka an' i Dina tao an-tranon' i Sekema izy ka lasa nandeha."
27. The sons of Jacob came upon the slain, and spoiled the city, because they had defiled their sister.
27. Les fils de Jacob se jetèrent sur les morts, et pillèrent la ville, parce qu`on avait déshonoré leur soeur.
27. Nankeny amin' ny faty ny zanakalahin' i Jakoba ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny anabaviny.
28. They took their sheep, and their oxen, and their asses, and that which was in the city, and that which was in the field,
28. "Ils prirent leurs troupeaux, leurs boeufs et leurs ânes, ce qui était dans la ville et ce qui était dans les champs;"
28. Ny ondriny rehetra sy ny ombiny, sy ny borikiny, ary izay tao an-tanàna, sy izay tany an-tsaha dia nalainy avokoa.
29. And all their wealth, and all their little ones, and their wives took they captive, and spoiled even all that was in the house.
29. ils emmenèrent comme butin toutes leurs richesses, leurs enfants et leurs femmes, et tout ce qui se trouvait dans les maisons.
29. Ary ny fananany rehetra sy ireo zanany madinika ary ny vadiny izay nentina ho babo, mbamin' izay rehetra ao an-tranony dia nofaohiny avokoa.
30. And Jacob said to Simeon and Levi, Ye have troubled me to make me to stink among the inhabitants of the land, among the Canaanites and the Perizzites: and I being few in number, they shall gather themselves together against me, and slay me; and I shall be destroyed, I and my house.
30. "Alors Jacob dit à Siméon et à Lévi: Vous me troublez, en me rendant odieux aux habitants du pays, aux Cananéens et aux Phérésiens. Je n`ai qu`un petit nombre d`hommes; et ils se rassembleront contre moi, ils me frapperont, et je serai détruit, moi et ma maison."
30. "Ary hoy Jakoba tamin' i Simeona sy Levy: Efa nahatonga fahoriana tamiko ianareo fa nomaimbonareo eto amin' ny mponina amin' ny tany aho, dia amin' ny Kananita sy ny Perizita: fa olom-bitsy aho, ka hiangona hamely ahy izy ireo, dia hamono ahy; dia ho fongotra aho sy ny ankohonako."
31. And they said, Should he deal with our sister as with an harlot?
31. Ils répondirent: Traitera-t-on notre soeur comme une prostituée?
31. Ary hoy izy ireo: Moa ve ny anabavinay havela ataony toy ny vehivavy janga?