Jacob Prepares to Meet Esau
1. And Jacob went on his way, and the angels of God met him.
1. "Jacob poursuivit son chemin; et des anges de Dieu le rencontrèrent."
1. Ary nizotra tamin' ny lalan-kalehany Jakoba ka nitsena azy ny anjelin' Andriamanitra.
2. And when Jacob saw them, he said, This is God's host: and he called the name of that place Mahanaim.
2. En les voyant, Jacob dit: C`est le camp de Dieu! Et il donna à ce lieu le nom de Mahanaïm.
2. "Ary hoy Jakoba, raha nahita ireo: Tobin' Andriamanitra ity; ary nataony hoe: Mahanaima ny anaran' izany toerana izany."
3. And Jacob sent messengers before him to Esau his brother unto the land of Seir, the country of Edom.
3. Jacob envoya devant lui des messagers à Ésaü, son frère, au pays de Séir, dans le territoire d`Édom.
3. Ary nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin' i Esao rahalahiny, ho any Seïra, tanin' i Edoma.
4. And he commanded them, saying, Thus shall ye speak unto my lord Esau; Thy servant Jacob saith thus, I have sojourned with Laban, and stayed there until now:
4. "Il leur donna cet ordre: Voici ce que vous direz à mon seigneur Ésaü: Ainsi parle ton serviteur Jacob: J`ai séjourné chez Laban, et j`y suis resté jusqu`à présent;"
4. Ary nandidy azy ireo izy ka nanao hoe: Izao no hambaranareo amin' i Esao tompoko: Izao no lazain' i Jakoba mpanomponao: Efa nivahiny tany amin' i Labana aho ka nitoetra tany mandraka ankehitriny.
5. And I have oxen, and asses, flocks, and menservants, and womenservants: and I have sent to tell my lord, that I may find grace in thy sight.
5. j`ai des boeufs, des ânes, des brebis, des serviteurs et des servantes, et j`envoie l`annoncer à mon seigneur, pour trouver grâce à tes yeux.
5. "Ary manana omby sy boriky sy ondry aman' osy mbamin' ny mpanompolahy sy mpanompovavy aho; dia efa naniraka hanambara amin' ny tompoko aho mba hahitako fitia eo imasonao."
6. And the messengers returned to Jacob, saying, We came to thy brother Esau, and also he cometh to meet thee, and four hundred men with him.
6. "Les messagers revinrent auprès de Jacob, en disant: Nous sommes allés vers ton frère Ésaü; et il marche à ta rencontre, avec quatre cents hommes."
6. Dia niverina tany amin' i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tonga tany amin' i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao miaraka amin' ny efajato lahy.
7. Then Jacob was greatly afraid and distressed: and he divided the people that was with him, and the flocks, and herds, and the camels, into two bands;
7. "Jacob fut très effrayé, et saisi d`angoisse. Il partagea en deux camps les gens qui étaient avec lui, les brebis, les boeufs et les chameaux;"
7. "Dia natahotra indrindra Jakoba ka ory dia ory; dia nozarainy roa toko ny olona izay nomba azy, mbamin' ny ondry aman' osy sy ny omby ary ny rameva;"
8. And said, If Esau come to the one company, and smite it, then the other company which is left shall escape.
8. et il dit: Si Ésaü vient contre l`un des camps et le bat, le camp qui restera pourra se sauver.
8. Dia hoy izy: Raha manatona ny antoko iray Esao ka mamely azy, dia handositra kosa ny antoko iray izay tavela.
9. And Jacob said, O God of my father Abraham, and God of my father Isaac, the LORD which saidst unto me, Return unto thy country, and to thy kindred, and I will deal well with thee:
9. Jacob dit: Dieu de mon père Abraham, Dieu de mon père Isaac, Éternel, qui m`as dit: Retourne dans ton pays et dans ton lieu de naissance, et je te ferai du bien!
9. "Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr' i Abrahama raiko, sady Andriamanitr' Isaka raiko, dia Jehovah izay nanao tamiko hoe: Miverena any amin' ny taninao sy any amin' ny fianakavianao, dia hanao soa aminao Aho;"
10. I am not worthy of the least of all the mercies, and of all the truth, which thou hast shewed unto thy servant; for with my staff I passed over this Jordan; and now I am become two bands.
10. "Je suis trop petit pour toutes les grâces et pour toute la fidélité dont tu as usé envers ton serviteur; car j`ai passé ce Jourdain avec mon bâton, et maintenant je forme deux camps."
10. "Tsy mendrika na kely akory aza aho ny amin' ny famindrampo rehetra, sy ny fahamarinana izay nasehonao tamin' ny mpanomponao; fa nita ity Jordana ity niaraka amin' ny tehiko aho; ary ankehitriny efa tonga toby roa aho."
11. Deliver me, I pray thee, from the hand of my brother, from the hand of Esau: for I fear him, lest he will come and smite me, and the mother with the children.
11. Délivre-moi, je te prie, de la main de mon frère, de la main d`Ésaü! car je crains qu`il ne vienne, et qu`il ne me frappe, avec la mère et les enfants.
11. "Masìna ianao, afaho amin' ny tanan' ny rahalahiko aho, fa matahotra azy aho; fandrao ho avy izy ka hamono ahy mbamin' ny reny sy ny zaza."
12. And thou saidst, I will surely do thee good, and make thy seed as the sand of the sea, which cannot be numbered for multitude.
12. Et toi, tu as dit: Je te ferai du bien, et je rendrai ta postérité comme le sable de la mer, si abondant qu`on ne saurait le compter.
12. Fa hoy Ianao: Hanisy soa anao tokoa Aho, ary hataoko toy ny fasika eny amin' ny ranomasina ny taranakao izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.
13. And he lodged there that same night; and took of that which came to his hand a present for Esau his brother;
13. C`est dans ce lieu-là que Jacob passa la nuit. Il prit de ce qu`il avait sous la main, pour faire un présent à Ésaü, son frère:
13. "Dia nitoetra teo izy tamin' iny alina iny; dia naka tamin' izay teo an-tanany izy mba hanomezana ho an' i Esao rahalahiny;"
14. Two hundred she goats, and twenty he goats, two hundred ewes, and twenty rams,
14. deux cents chèvres et vingt boucs, deux cents brebis et vingt béliers,
14. Dia osivavy roanjato sy osilahy roapolo, ondrivavy roanjato sy ondrilahy roapolo,
15. Thirty milch camels with their colts, forty kine, and ten bulls, twenty she asses, and ten foals.
15. trente femelles de chameaux avec leurs petits qu`elles allaitaient, quarante vaches et dix taureaux, vingt ânesses et dix ânes.
15. Rameva telopolo ampianahany, vantotr' ombivavy efapolo sy vantotr' ombilahy folo, borikivavy roapolo, ary zanaboriky folo.
16. And he delivered them into the hand of his servants, every drove by themselves; and said unto his servants, Pass over before me, and put a space betwixt drove and drove.
16. Il les remit à ses serviteurs, troupeau par troupeau séparément, et il dit à ses serviteurs: Passez devant moi, et mettez un intervalle entre chaque troupeau.
16. "Dia natolony teo an-tanan' ny mpanompony ireny, mitokantokana isan-toko; ary hoy izy tamin' ny mpanompony: Mandehana eo alohako, ary asio elanelany eo amin' ny isan-toko."
17. And he commanded the foremost, saying, When Esau my brother meeteth thee, and asketh thee, saying, Whose art thou? and whither goest thou? and whose are these before thee?
17. Il donna cet ordre au premier: Quand Ésaü, mon frère, te rencontrera, et te demandera: A qui es-tu? où vas-tu? et à qui appartient ce troupeau devant toi?
17. Dia nanome teny ny voalohany izy ka nanao hoe: Raha mifanena aminao Esao rahalahiko ka manontany anao hoe: An' iza ianao? ary hankaiza moa? Ary an' iza ireo alohanao ireo?
18. Then thou shalt say, They be thy servant Jacob's; it is a present sent unto my lord Esau: and, behold, also he is behind us.
18. "tu répondras: A ton serviteur Jacob; c`est un présent envoyé à mon seigneur Ésaü; et voici, il vient lui-même derrière nous."
18. "Dia lazaonao hoe: An' i Jakoba mpanomponao ireo, dia fanomezana nampanaterina ho an' i Esao tompoko; ary indro koa izy ao aorianay."
19. And so commanded he the second, and the third, and all that followed the droves, saying, On this manner shall ye speak unto Esau, when ye find him.
19. Il donna le même ordre au second, au troisième, et à tous ceux qui suivaient les troupeaux: C`est ainsi que vous parlerez à mon seigneur Ésaü, quand vous le rencontrerez.
19. Ary nanome teny ny faharoa sy ny fahatelo koa izy, ary izay rehetra nandeha nanaraka ny isan-toko, ka nanao hoe: Araka izany teny izany no lazaonareo amin' i Esao, raha hitanareo izy.
20. And say ye moreover, Behold, thy servant Jacob is behind us. For he said, I will appease him with the present that goeth before me, and afterward I will see his face; peradventure he will accept of me.
20. "Vous direz: Voici, ton serviteur Jacob vient aussi derrière nous. Car il se disait: Je l`apaiserai par ce présent qui va devant moi; ensuite je le verrai en face, et peut-être m`accueillera-t-il favorablement."
20. Ary lazao koa hoe: Indro, Jakoba mpanomponao dia ao aorianay.Fa hoy izy: Hampionona ny hatezerany aho amin' ireo zavatra nampialohaviko ireo, ary rehefa afaka izany, dia vao hahita ny tavany aho: angamba hahita fitia aminy aho.
21. So went the present over before him: and himself lodged that night in the company.
21. "Le présent passa devant lui; et il resta cette nuit-là dans le camp."
21. Ary dia lasa nialoha azy ny fanomezana fa izy mbola nitoetra teo amin' ny toby tamin' iny alina iny.
Jacob Wrestles With God
22. And he rose up that night, and took his two wives, and his two womenservants, and his eleven sons, and passed over the ford Jabbok.
22. Il se leva la même nuit, prit ses deux femmes, ses deux servantes, et ses onze enfants, et passa le gué de Jabbok.
22. Dia nitsangana tamin' izany alina izany izy, ka nitondra ny vadiny anankiroa sy ny mpanompovaviny roa ary ny zanany lahy iraika ambin' ny folo, dia nita tamin' ny fitàna tao Jaboka izy.
23. And he took them, and sent them over the brook, and sent over that he had.
23. Il les prit, leur fit passer le torrent, et le fit passer à tout ce qui lui appartenait.
23. Ary naka azy ireo izy, dia nampita azy tamin' ny sakeli-drano, ary nampita ny fananany.
24. And Jacob was left alone; and there wrestled a man with him until the breaking of the day.
24. Jacob demeura seul. Alors un homme lutta avec lui jusqu`au lever de l`aurore.
24. "Ary Jakoba irery no tavela; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin' ny andro."
25. And when he saw that he prevailed not against him, he touched the hollow of his thigh; and the hollow of Jacob's thigh was out of joint, as he wrestled with him.
25. "Voyant qu`il ne pouvait le vaincre, cet homme le frappa à l`emboîture de la hanche; et l`emboîture de la hanche de Jacob se démit pendant qu`il luttait avec lui."
25. "Ary rehefa hitany fa tsy naharesy azy Izy, dia notendreny ny foto-peny; ka dia nivika ny foto-pen' i Jakoba, raha nitolona taminy izy."
26. And he said, Let me go, for the day breaketh. And he said, I will not let thee go, except thou bless me.
26. Il dit: Laisse-moi aller, car l`aurore se lève. Et Jacob répondit: Je ne te laisserai point aller, que tu ne m`aies béni.
26. Ary hoy Izy: Avelao Aho handeha, fa efa mazavaratsy ny andro.Dia hoy Jakoba: Tsy havelako handeha Ianao, raha tsy tahianao aho.
27. And he said unto him, What is thy name? And he said, Jacob.
27. Il lui dit: Quel est ton nom? Et il répondit: Jacob.
27. Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Jakoba.
28. And he said, Thy name shall be called no more Jacob, but Israel: for as a prince hast thou power with God and with men, and hast prevailed.
28. "Il dit encore: ton nom ne sera plus Jacob, mais tu seras appelé Israël; car tu as lutté avec Dieu et avec des hommes, et tu as été vainqueur."
28. "Ary hoy Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; fa nitolona tamin' Andriamanitra sy tamin' ny olona toy ny mpanapaka ianao ka nahery."
29. And Jacob asked him, and said, Tell me, I pray thee, thy name. And he said, Wherefore is it that thou dost ask after my name? And he blessed him there.
29. Jacob l`interrogea, en disant: Fais-moi je te prie, connaître ton nom. Il répondit: Pourquoi demandes-tu mon nom? Et il le bénit là.
29. Dia nanontany Azy Jakoba ka nanao hoe: Masìna Ianao, lazao ahy ny anaranao. Ary hoy Izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy.
30. And Jacob called the name of the place Peniel: for I have seen God face to face, and my life is preserved.
30. Jacob appela ce lieu du nom de Peniel: car, dit-il, j`ai vu Dieu face à face, et mon âme a été sauvée.
30. "Ary nataon' i Jakoba hoe: Peniela ny anaran' ilay toerana; fa efa nahita an' Andriamanitra nifanatrika aho, ka voaro ny aiko."
31. And as he passed over Penuel the sun rose upon him, and he halted upon his thigh.
31. Le soleil se levait, lorsqu`il passa Peniel. Jacob boitait de la hanche.
31. Ary raha niala teo Peniela izy, dia niposaka taminy ny masoandro, ary nitolitsika izy noho ny feny.
32. Therefore the children of Israel eat not of the sinew which shrank, which is upon the hollow of the thigh, unto this day: because he touched the hollow of Jacob's thigh in the sinew that shrank.
32. "C`est pourquoi jusqu`à ce jour, les enfants d`Israël ne mangent point le tendon qui est à l`emboîture de la hanche; car Dieu frappa Jacob à l`emboîture de la hanche, au tendon."
32. Izany no tsy ihinanan' ny Zanak' Isiraely ny ozatry ny atodiakanga mandraka androany: satria nanendry ny foto-pen' i Jakoba teo amin' ny ozatry ny atodiakanga Izy.