The Living Creatures and the Glory of the LORD
1. Now it came to pass in the thirtieth year, in the fourth month, in the fifth day of the month, as I was among the captives by the river of Chebar, that the heavens were opened, and I saw visions of God.
1. La trentième année, le cinquième jour du quatrième mois, comme j`étais parmi les captifs du fleuve du Kebar, les cieux s`ouvrirent, et j`eus des visions divines.
1. Ary izao no niseho, tamin' ny andro fahadimy tamin' ny volana fahefatra tamin' ny taona fahatelopolo, raha teo amin' ny babo teo amoron' ny ony Kebara aho dia nisokatra ny lanitra ka nahita fahitana avy tamin' Andriamanitra aho.
2. In the fifth day of the month, which was the fifth year of king Jehoiachin's captivity,
2. Le cinquième jour du mois, c`était la cinquième année de la captivité du roi Jojakin, -
2. Tamin' ny andro fahadimy tamin' ny volana dia ny taona fahadimy namaboana an' i Joiakina mpanjaka,
3. The word of the LORD came expressly unto Ezekiel the priest, the son of Buzi, in the land of the Chaldeans by the river Chebar; and the hand of the LORD was there upon him.
3. "la parole de l`Éternel fut adressée à Ézéchiel, fils de Buzi, le sacrificateur, dans le pays des Chaldéens, près du fleuve du Kebar; et c`est là que la main de l`Éternel fut sur lui."
3. "Dia tonga mazava tsara tamin' i Ezekiela mpisorona, zanak' i Bozy, ny tenin' i Jehovah tany amin' ny tanin' ny Kaldeana teo amoron' ny ony Kebara; ary ny tanan' i Jehovah dia taminy teo."
4. And I looked, and, behold, a whirlwind came out of the north, a great cloud, and a fire infolding itself, and a brightness was about it, and out of the midst thereof as the colour of amber, out of the midst of the fire.
4. Je regardai, et voici, il vint du septentrion un vent impétueux, une grosse nuée, et une gerbe de feu, qui répandait de tous côtés une lumière éclatante, au centre de laquelle brillait comme de l`airain poli, sortant du milieu du feu.
4. Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy ary avy teo amin' ny afo dia nisy toy ny volon' ny metaly mamirapiratra.
5. Also out of the midst thereof came the likeness of four living creatures. And this was their appearance; they had the likeness of a man.
5. Au centre encore, apparaissaient quatre animaux, dont l`aspect avait une ressemblance humaine.
5. Ary avy teo afovoany koa nisy toa endriky ny zava-manan' aina efatra. Ary ny fijery azy dia ohatra ny endrik' olona.
6. And every one had four faces, and every one had four wings.
6. Chacun d`eux avait quatre faces, et chacun avait quatre ailes.
6. Ary samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy,
7. And their feet were straight feet; and the sole of their feet was like the sole of a calf's foot: and they sparkled like the colour of burnished brass.
7. Leurs pieds étaient droits, et la plante de leurs pieds était comme celle du pied d`un veau, ils étincelaient comme de l`airain poli.
7. "Ary nahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny faladian' ny ombilahy kely; ary namirapiratra toy ny volon' ny varahina manganohano izy."
8. And they had the hands of a man under their wings on their four sides; and they four had their faces and their wings.
8. "Ils avaient des mains d`homme sous les ailes à leurs quatre côtés; et tous les quatre avaient leurs faces et leurs ailes."
8. Ary nisy tanan' olona teo ambanin' ny elany teo amin' ny lafiny efatra ary samy nanana ny tarehiny sy ny elany avy izy efatra.
9. Their wings were joined one to another; they turned not when they went; they went every one straight forward.
9. "Leurs ailes étaient jointes l`une à l`autre; ils ne se tournaient point en marchant, mais chacun marchait droit devant soi."
9. "Nifanendry ny elany; tsy niherika izy, raha nandeha, fa samy nizotra tamin' izay hitsiny avy izy rehetra."
10. As for the likeness of their faces, they four had the face of a man, and the face of a lion, on the right side: and they four had the face of an ox on the left side; they four also had the face of an eagle.
10. Quand à la figure de leurs faces, ils avaient tous une face d`homme, tous quatre une face de lion à droite, tous quatre une face de boeuf à gauche, et tous quatre une face d`aigle.
10. "Ary ny amin' ny toetry ny tarehiny, izy efatra dia nanana tarehin' olona, sy tarehin' ny liona tamin' ny ankavanana; ary izy efatra nanana tarehin' ny omby tamin' ny ankavia: izy efatra koa nanana tarehin' ny voromahery."
11. Thus were their faces: and their wings were stretched upward; two wings of every one were joined one to another, and two covered their bodies.
11. "Leurs faces et leurs ailes étaient séparées par le haut; deux de leurs ailes étaient jointes l`une à l`autre, et deux couvraient leurs corps."
11. "Toa izany ny endrik' ireo: ary ny elany nivelatra ambony; ny elatra roa an' ny tsirairay nifampikambana ary ny roa nanarona ny tenany."
12. And they went every one straight forward: whither the spirit was to go, they went; and they turned not when they went.
12. "Chacun marchait droit devant soi; ils allaient où l`esprit les poussait à aller, et ils ne se tournaient point dans leur marche."
12. Dia samy nizotra tamin' izay hitsiny avy izy, ka na aiza na aiza no tian' ny fanahy ho nalehany dia nalehany: tsy niherika izy raha nandeha.
13. As for the likeness of the living creatures, their appearance was like burning coals of fire, and like the appearance of lamps: it went up and down among the living creatures; and the fire was bright, and out of the fire went forth lightning.
13. "L`aspect de ces animaux ressemblait à des charbons de feu ardents, c`était comme l`aspect des flambeaux, et ce feu circulait entre les animaux; il jetait une lumière éclatante, et il en sortait des éclairs."
13. "Ary tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zava-manan' aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan' ny zava-manan' aina ny afo; ary namirapiratra ny afo, sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy."
14. And the living creatures ran and returned as the appearance of a flash of lightning.
14. Et les animaux couraient et revenaient comme la foudre.
14. Ary ny zava-manan' aina nifanaretsaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka.
15. Now as I beheld the living creatures, behold one wheel upon the earth by the living creatures, with his four faces.
15. "Je regardais ces animaux; et voici, il y avait une roue sur la terre, près des animaux, devant leurs quatre faces."
15. Ary raha nijery ny zava-manan' aina aho dia indro nisy kodia iray avy teo ambonin' ny tany, teo anilan' ny zava-manan' aina teo anoloan' ny tarehiny efatra.
16. The appearance of the wheels and their work was like unto the colour of a beryl: and they four had one likeness: and their appearance and their work was as it were a wheel in the middle of a wheel.
16. "A leur aspect et à leur structure, ces roues semblaient être en chrysolithe, et toutes les quatre avaient la même forme; leur aspect et leur structure étaient tels que chaque roue paraissait être au milieu d`une autre roue."
16. Ny tarehin' ny kodia sy ny rafiny dia tahaka ny volon' ny beryla, ary nitovy endrika izy efatra, ary ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia anatin' ny kodia.
17. When they went, they went upon their four sides: and they turned not when they went.
17. En cheminant, elles allaient de leurs quatre côtés, et elles ne se tournaient point dans leur marche.
17. Raha nandeha izy dia nandeha tamin' izay hitsin' ny lafiny efatra: tsy niherika izy raha nandeha.
18. As for their rings, they were so high that they were dreadful; and their rings were full of eyes round about them four.
18. Elles avaient une circonférence et une hauteur effrayantes, et à leur circonférence les quatre roues étaient remplies d`yeux tout autour.
18. Ary ny boriboriny manodidina azy dia avo loatra ka mahatahotra, sady feno maso manodidina izy efatra.
19. And when the living creatures went, the wheels went by them: and when the living creatures were lifted up from the earth, the wheels were lifted up.
19. "Quand les animaux marchaient, les roues cheminaient à côté d`eux; et quand les animaux s`élevaient de terre, les roues s`élevaient aussi."
19. "Ary raha nandeha ny zava-manan' aina dia nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha niainga tsy nipaka tamin' ny tany ireo zava-manan' aina dia mba niainga koa ny kodia."
20. Whithersoever the spirit was to go, they went, thither was their spirit to go; and the wheels were lifted up over against them: for the spirit of the living creature was in the wheels.
20. "Ils allaient où l`esprit les poussait à aller; et les roues s`élevaient avec eux, car l`esprit des animaux était dans les roues."
20. "Na aiza na aiza no tian' ny fanahy ho naleha dia nalehan' ireo koa; fa any no tian' ny fanahiny haleha, ary ny kodia dia niainga teo anilany; fa teo amin' ny kodia ny fanahin' ny zava-manan' aina."
21. When those went, these went; and when those stood, these stood; and when those were lifted up from the earth, the wheels were lifted up over against them: for the spirit of the living creature was in the wheels.
21. "Quand ils marchaient, elles marchaient; quand ils s`arrêtaient, elles s`arrêtaient; quand ils s`élevaient de terre, les roues s`élevaient avec eux, car l`esprit des animaux était dans les roues."
21. "Raha nandeha ireny, dia mba nandeha koa ireto; ary raha nijanona ireny, dia mba nijanona koa ireto; ary raha niainga tsy nipaka tamin' ny tany ireny, dia mba niainga teo anilany koa ny kodia; fa ny fanahin' ny zava-manan' aina dia tao amin' ny kodia."
22. And the likeness of the firmament upon the heads of the living creature was as the colour of the terrible crystal, stretched forth over their heads above.
22. Au-dessus des têtes des animaux, il y avait comme un ciel de cristal resplendissant, qui s`étendait sur leurs têtes dans le haut.
22. Ary teo ambonin' ny lohan' ny zava-manan' aina dia nisy toa endriky ny eloelo, toy ny volon' ny krystaly mahatahotra, mivelatra eo ambonin' ny lohany.
23. And under the firmament were their wings straight, the one toward the other: every one had two, which covered on this side, and every one had two, which covered on that side, their bodies.
23. Sous ce ciel, leurs ailes étaient droites l`une contre l`autre, et ils en avaient chacun deux qui les couvraient, chacun deux qui couvraient leurs corps.
23. Ary nivelatra mahitsy sady nifanendry ny elany teo ambanin' ny eloelo: samy nanan-droa avy izy rehetra izay nanaronany ny tenany.
24. And when they went, I heard the noise of their wings, like the noise of great waters, as the voice of the Almighty, the voice of speech, as the noise of an host: when they stood, they let down their wings.
24. "J`entendis le bruit de leurs ailes, quand ils marchaient, pareil au bruit de grosses eaux, ou à la voix du Tout Puissant; c`était un bruit tumultueux, comme celui d`une armée; quand ils s`arrêtaient, ils laissaient tomber leurs ailes."
24. "Ary raha nandeha izy, dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon' ny rano be, dia tahaka ny feon' ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon' ny miaramila mitoby; raha nijanona izy, dia namihina ny elany."
25. And there was a voice from the firmament that was over their heads, when they stood, and had let down their wings.
25. Et il se faisait un bruit qui partait du ciel étendu sur leurs têtes, lorsqu`ils s`arrêtaient et laissaient tomber leurs ailes.
25. "Ary nisy feo avy teo ambonin' ny eloelo izay teo ambonin' ny lohany; nony nijanona izy, dia namihina ny elany."
26. And above the firmament that was over their heads was the likeness of a throne, as the appearance of a sapphire stone: and upon the likeness of the throne was the likeness as the appearance of a man above upon it.
26. "Au-dessus du ciel qui était sur leurs têtes, il y avait quelque chose de semblable à une pierre de saphir, en forme de trône; et sur cette forme de trône apparaissait comme une figure d`homme placé dessus en haut."
26. "Ary teo ambonin' ny eloelo, izay teo ambonin' ny lohany, dia nisy endriky ny sezafiandrianana mitovy volo amin' ny vato safira; ary teo ambonin' ny endriky ny sezafiandrianana dia nisy ohatra ny endrik' olona."
27. And I saw as the colour of amber, as the appearance of fire round about within it, from the appearance of his loins even upward, and from the appearance of his loins even downward, I saw as it were the appearance of fire, and it had brightness round about.
27. "Je vis encore comme de l`airain poli, comme du feu, au dedans duquel était cet homme, et qui rayonnait tout autour; depuis la forme de ses reins jusqu`en haut, et depuis la forme de ses reins jusqu`en bas, je vis comme du feu, et comme une lumière éclatante, dont il était environné."
27. "Ary nahita toy ny volon' ny metaly mamirapiratra aho, dia ohatra ny tarehin' ny afo manodidina azy; ary hatramin' ny valahany no ho miakatra ka hatramin' ny valahany no ho midina dia hitako tahaka ny afo ka nisy namirapiratra manodidina azy."
28. As the appearance of the bow that is in the cloud in the day of rain, so was the appearance of the brightness round about. This was the appearance of the likeness of the glory of the LORD. And when I saw it, I fell upon my face, and I heard a voice of one that spake.
28. Tel l`aspect de l`arc qui est dans la nue en un jour de pluie, ainsi était l`aspect de cette lumière éclatante, qui l`entourait: c`était une image de la gloire de l`Éternel. A cette vue, je tombai sur ma face, et j`entendis la voix de quelqu`un qui parlait.
28. Toy ny tarehin' avana amin' ny rahona amin' ny andro misy ranonorana no tarehin' ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr' i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon' ny anankiray niteny.