Moses and the Burning Bush
1. Now Moses kept the flock of Jethro his father in law, the priest of Midian: and he led the flock to the backside of the desert, and came to the mountain of God, even to Horeb.
1. "Moïse faisait paître le troupeau de Jéthro, son beau-père, sacrificateur de Madian; et il mena le troupeau derrière le désert, et vint à la montagne de Dieu, à Horeb."
1. Ary Mosesy niandry ny biby fiompin' i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny biby fiompy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr' Andriamanitra.
2. And the angel of the LORD appeared unto him in a flame of fire out of the midst of a bush: and he looked, and, behold, the bush burned with fire, and the bush was not consumed.
2. "L`ange de l`Éternel lui apparut dans une flamme de feu, au milieu d`un buisson. Moïse regarda; et voici, le buisson était tout en feu, et le buisson ne se consumait point."
2. "Ary Ilay Anjelin' i Jehovah niseho taminy tao amin' ny lelafo tao afovoan' ny roimemy iray; dia nijery izy, ka indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy levona ilay roimemy."
3. And Moses said, I will now turn aside, and see this great sight, why the bush is not burnt.
3. Moïse dit: Je veux me détourner pour voir quelle est cette grande vision, et pourquoi le buisson ne se consume point.
3. Ary hoy Mosesy: Hivily kely aho ka hizaha io fahitana lehibe io, nahoana no tsy ahalevonan' ny roimemy.
4. And when the LORD saw that he turned aside to see, God called unto him out of the midst of the bush, and said, Moses, Moses. And he said, Here am I.
4. "L`Éternel vit qu`il se détournait pour voir; et Dieu l`appela du milieu du buisson, et dit: Moïse! Moïse! Et il répondit: Me voici!"
4. Ary rehefa hitan' i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan' ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho.
5. And he said, Draw not nigh hither: put off thy shoes from off thy feet, for the place whereon thou standest is holy ground.
5. Dieu dit: N`approche pas d`ici, ôte tes souliers de tes pieds, car le lieu sur lequel tu te tiens est une terre sainte.
5. "Ary hoy Izy: Aza manakaiky ety; esory ny kapanao amin' ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io."
6. Moreover he said, I am the God of thy father, the God of Abraham, the God of Isaac, and the God of Jacob. And Moses hid his face; for he was afraid to look upon God.
6. Et il ajouta: Je suis le Dieu de ton père, le Dieu d`Abraham, le Dieu d`Isaac et le Dieu de Jacob. Moïse se cacha le visage, car il craignait de regarder Dieu.
6. Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr' i Abrahama sy Andriamanitr' Isaka ary Andriamanitr' i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an' Andriamanitra izy.
7. And the LORD said, I have surely seen the affliction of my people which are in Egypt, and have heard their cry by reason of their taskmasters; for I know their sorrows;
7. L`Éternel dit: J`ai vu la souffrance de mon peuple qui est en Égypte, et j`ai entendu les cris que lui font pousser ses oppresseurs, car je connais ses douleurs.
7. "Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian' ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon' ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony;"
8. And I am come down to deliver them out of the hand of the Egyptians, and to bring them up out of that land unto a good land and a large, unto a land flowing with milk and honey; unto the place of the Canaanites, and the Hittites, and the Amorites, and the Perizzites, and the Hivites, and the Jebusites.
8. Je suis descendu pour le délivrer de la main des Égyptiens, et pour le faire monter de ce pays dans un bon et vaste pays, dans un pays où coulent le lait et le miel, dans les lieux qu`habitent les Cananéens, les Héthiens, les Amoréens, les Phéréziens, les Héviens et les Jébusiens.
8. Dia efa nidina Aho hanafaka azy amin' ny tanan' ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin' izany tany izany ho any amin' izay tany soa sy malalaka, dia any amin' izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin' ny tanin' ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
9. Now therefore, behold, the cry of the children of Israel is come unto me: and I have also seen the oppression wherewith the Egyptians oppress them.
9. Voici, les cris d`Israël sont venus jusqu`à moi, et j`ai vu l`oppression que leur font souffrir les Égyptiens.
9. Ary ankehitriny, indro, ny fitarainan' ny Zanak' Isiraely dia efa mby aty amiko, sady efa hitako koa ny fampahoriana izay ampahorian' ny Egyptiana azy.
10. Come now therefore, and I will send thee unto Pharaoh, that thou mayest bring forth my people the children of Israel out of Egypt.
10. Maintenant, va, je t`enverrai auprès de Pharaon, et tu feras sortir d`Égypte mon peuple, les enfants d`Israël.
10. Koa avia ankehitriny, dia hirahiko ho any amin' i Farao ianao hitondra ny Zanak' Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta.
11. And Moses said unto God, Who am I, that I should go unto Pharaoh, and that I should bring forth the children of Israel out of Egypt?
11. Moïse dit à Dieu: Qui suis-je, pour aller vers Pharaon, et pour faire sortir d`Égypte les enfants d`Israël?
11. Fa hoy Mosesy tamin' Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin' i Farao sy hitondra ny Zanak' Isiraely hivoaka avy any Egypta?
12. And he said, Certainly I will be with thee; and this shall be a token unto thee, that I have sent thee: When thou hast brought forth the people out of Egypt, ye shall serve God upon this mountain.
12. "Dieu dit: Je serai avec toi; et ceci sera pour toi le signe que c`est moi qui t`envoie: quand tu auras fait sortir d`Égypte le peuple, vous servirez Dieu sur cette montagne."
12. "Ary hoy Izy : Homba anao tokoa Aho; ary izao no ho famantarana ho anao, fa Izaho no efa naniraka anao; rehefa entinao mivoaka avy any Egypta ny olona, dia hanompo an' Andriamanitra eto amin' ity tendrombohitra ity ianareo."
13. And Moses said unto God, Behold, when I come unto the children of Israel, and shall say unto them, The God of your fathers hath sent me unto you; and they shall say to me, What is his name? what shall I say unto them?
13. Moïse dit à Dieu: J`irai donc vers les enfants d`Israël, et je leur dirai: Le Dieu de vos pères m`envoie vers vous. Mais, s`ils me demandent quel est son nom, que leur répondrai-je?
13. Ary hoy Mosesy tamin' Andriamanitra: Indro rehefa tonga any amin' ny Zanak' Isiraely aho ka hanao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho aty aminareo, ary hanao amiko kosa ireo hoe: Iza moa no anarany? Dia ahoana no havaliko azy?
14. And God said unto Moses, I AM THAT I AM: and he said, Thus shalt thou say unto the children of Israel, I AM hath sent me unto you.
14. Dieu dit à Moïse: Je suis celui qui suis. Et il ajouta: C`est ainsi que tu répondras aux enfants d`Israël: Celui qui s`appelle `je suis`m`a envoyé vers vous.
14. "Ary hoy Andriamanitra tamin' i Mosesy: IZAHO NO IZAHO; ary hoy koa izy: Izao no holazainao amin' ny Zanak' Isiraely: IZAHO no efa naniraka ahy ho aty aminareo."
15. And God said moreover unto Moses, Thus shalt thou say unto the children of Israel, The LORD God of your fathers, the God of Abraham, the God of Isaac, and the God of Jacob, hath sent me unto you: this is my name for ever, and this is my memorial unto all generations.
15. Dieu dit encore à Moïse: Tu parleras ainsi aux enfants d`Israël: L`Éternel, le Dieu de vos pères, le Dieu d`Abraham, le Dieu d`Isaac et le Dieu de Jacob, m`envoie vers vous. Voilà mon nom pour l`éternité, voilà mon nom de génération en génération.
15. "Ary hoy koa Andriamanitra tamin' i Mosesy: Izao no holazainao amin' ny zanak' Isiraely: Jehovah Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr' i Abrahama sy Andriamanitr' i Isaka ary Andriamanitr' i Jakoba, no efa naniraka ahy ho aty aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy amin' ny taranaka rehetra."
16. Go, and gather the elders of Israel together, and say unto them, The LORD God of your fathers, the God of Abraham, of Isaac, and of Jacob, appeared unto me, saying, I have surely visited you, and seen that which is done to you in Egypt:
16. Va, rassemble les anciens d`Israël, et dis-leur: L`Éternel, le Dieu de vos pères, m`est apparu, le Dieu d`Abraham, d`Isaac et de Jacob. Il a dit: Je vous ai vus, et j`ai vu ce qu`on vous fait en Égypte,
16. "Mandehana, dia angony ny loholon' ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo aty Egypta;"
17. And I have said, I will bring you up out of the affliction of Egypt unto the land of the Canaanites, and the Hittites, and the Amorites, and the Perizzites, and the Hivites, and the Jebusites, unto a land flowing with milk and honey.
17. et j`ai dit: Je vous ferai monter de l`Égypte, où vous souffrez, dans le pays des Cananéens, des Héthiens, des Amoréens, des Phéréziens, des Héviens et des Jébusiens, dans un pays où coulent le lait et le miel.
17. Ary hoy Aho: Hitondra anareo hiakatra Aho ho afaka amin' ny fahoriana aty Egypta ho any amin' ny tanin' ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ho any amin' ny tany tondra-dronono sy tantely.
18. And they shall hearken to thy voice: and thou shalt come, thou and the elders of Israel, unto the king of Egypt, and ye shall say unto him, The LORD God of the Hebrews hath met with us: and now let us go, we beseech thee, three days' journey into the wilderness, that we may sacrifice to the LORD our God.
18. "Ils écouteront ta voix; et tu iras, toi et les anciens d`Israël, auprès du roi d`Égypte, et vous lui direz: L`Éternel, le Dieu des Hébreux, nous est apparu. Permets-nous de faire trois journées de marche dans le désert, pour offrir des sacrifices à l`Éternel, notre Dieu."
18. "Dia hihaino ny feonao ireo; ary hankao amin' ny mpanjakan' i Egypta ianao sy ny loholon' ny Isiraely ka hilaza aminy hoe: Jehovah Andriamanitry ny Hebreo efa nihaona taminay; ary ankehitriny, trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an' efitra izahay mba hanaovanay fanatitra ho an' i Jehovah Andriamanitray."
19. And I am sure that the king of Egypt will not let you go, no, not by a mighty hand.
19. Je sais que le roi d`Égypte ne vous laissera point aller, si ce n`est par une main puissante.
19. Kanefa azoko antoka fa tsy havelan' ny mpanjakan' i Egypta handeha ianareo, tsia, na dia amin' ny tanana mahery aza.
20. And I will stretch out my hand, and smite Egypt with all my wonders which I will do in the midst thereof: and after that he will let you go.
20. J`étendrai ma main, et je frapperai l`Égypte par toutes sortes de prodiges que je ferai au milieu d`elle. Après quoi, il vous laissera aller.
20. "Dia haninjitra ny tanako Aho ka hamely an' i Egypta amin' ny fahagagana rehetra izay hataoko eo afovoany; ary rehefa afaka izany, vao handefa anareo izy."
21. And I will give this people favour in the sight of the Egyptians: and it shall come to pass, that, when ye go, ye shall not go empty:
21. Je ferai même trouver grâce à ce peuple aux yeux des Égyptiens, et quand vous partirez, vous ne partirez point à vide.
21. "Ary hataoko mahita fitia eo imason' ny Egyptiana ity firenena ity; ary izao no hiseho, raha handeha ianareo, dia tsy handeha maina."
22. But every woman shall borrow of her neighbour, and of her that sojourneth in her house, jewels of silver, and jewels of gold, and raiment: and ye shall put them upon your sons, and upon your daughters; and ye shall spoil the Egyptians.
22. Chaque femme demandera à sa voisine et à celle qui demeure dans sa maison des vases d`argent, des vases d`or, et des vêtements, que vous mettrez sur vos fils et vos filles. Et vous dépouillerez les Égyptiens.
22. "Fa ny vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin' ny miray monina aminy sy amin' izay mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin' ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana."