1. Now these are the judgments which thou shalt set before them.
1. Voici les lois que tu leur présenteras.
1. Ary izao no lalàna izay hataonao eo anatrehany:
Hebrew Servants
2. If thou buy an Hebrew servant, six years he shall serve: and in the seventh he shall go out free for nothing.
2. "Si tu achètes un esclave hébreu, il servira six années; mais la septième, il sortira libre, sans rien payer."
2. Raha mividy mpanompo hebreo ianao, dia enin-taona no hanompoany, ary amin' ny taona fahafito dia hiala ho afaka fotsiny izy.
3. If he came in by himself, he shall go out by himself: if he were married, then his wife shall go out with him.
3. "S`il est entré seul, il sortira seul; s`il avait une femme, sa femme sortira avec lui."
3. "Raha izy ihany no niditra, dia izy ihany no hiala; raha nanambady izy, dia hiala miaraka aminy koa ny vadiny."
4. If his master have given him a wife, and she have born him sons or daughters; the wife and her children shall be her master's, and he shall go out by himself.
4. Si c`est son maître qui lui a donné une femme, et qu`il en ait eu des fils ou des filles, la femme et ses enfants seront à son maître, et il sortira seul.
4. Raha nanome vady azy ny tompony, ka niteraka zazalahy, na zazavavy taminy ravehivavy, dia ho an' ny tompony ny vadiny sy ny zanany, fa izy ihany no hiala.
5. And if the servant shall plainly say, I love my master, my wife, and my children; I will not go out free:
5. Si l`esclave dit: J`aime mon maître, ma femme et mes enfants, je ne veux pas sortir libre, -
5. "Fa raha hilaza am-pahatsorana ilay mpanompo hoe: Tiako ny tompoko, ny vadiko, sy ny zanako; tsy te-hiala ho afaka aho;"
6. Then his master shall bring him unto the judges; he shall also bring him to the door, or unto the door post; and his master shall bore his ear through with an aul; and he shall serve him for ever.
6. alors son maître le conduira devant Dieu, et le fera approcher de la porte ou du poteau, et son maître lui percera l`oreille avec un poinçon, et l`esclave sera pour toujours à son service.
6. "Dia hoentin' ny tompony eo amin' ny mpitsara izy; hoentiny eo amin' ny varavarana koa, na ho eo amin' ny tolam-baravarana, ka hotevehin' ny tompony amin' ny haolo ny sofiny; dia hanompo azy mandrakizay izy."
7. And if a man sell his daughter to be a maidservant, she shall not go out as the menservants do.
7. Si un homme vend sa fille pour être esclave, elle ne sortira point comme sortent les esclaves.
7. Ary raha misy lehilahy mivarotra ny zanany vavy ho mpanompovavy, dia tsy hiala toy ny fialan' ny mpanompolahy izy.
8. If she please not her master, who hath betrothed her to himself, then shall he let her be redeemed: to sell her unto a strange nation he shall have no power, seeing he hath dealt deceitfully with her.
8. "Si elle déplaît à son maître, qui s`était proposé de la prendre pour femme, il facilitera son rachat; mais il n`aura pas le pouvoir de la vendre à des étrangers, après lui avoir été infidèle."
8. "Raha tsy ankasitrahan' ny tompony izay nifofo azy ho vady izy, dia avelany havotana ihany ravehivavy; tsy hanampahefana hivarotra azy amin' ny firenen-kafa izy, satria efa namitaka azy."
9. And if he have betrothed her unto his son, he shall deal with her after the manner of daughters.
9. S`il la destine à son fils, il agira envers elle selon le droit des filles.
9. Ary raha namofo azy ho vadin' ny zanany lahy izy, dia araka ny fitondra zanakavavy no hataony aminy.
10. If he take him another wife; her food, her raiment, and her duty of marriage, shall he not diminish.
10. S`il prend une autre femme, il ne retranchera rien pour la première à la nourriture, au vêtement, et au droit conjugal.
10. Ary raha manambady vehivavy hafa izy, dia tsy hahenany ny haniny, ny fitafiany ary ny fombam-panambadiany.
11. And if he do not these three unto her, then shall she go out free without money.
11. Et s`il ne fait pas pour elle ces trois choses, elle pourra sortir sans rien payer, sans donner de l`argent.
11. Ary raha tsy ataony aminy ireo telo ireo, dia hiala ho afaka fotsiny tsy mandoa vola ravehivavy.
Personal Injuries
12. He that smiteth a man, so that he die, shall be surely put to death.
12. Celui qui frappera un homme mortellement sera puni de mort.
12. "Izay mamely olona ka mahafaty azy dia hatao maty tokoa;"
13. And if a man lie not in wait, but God deliver him into his hand; then I will appoint thee a place whither he shall flee.
13. S`il ne lui a point dressé d`embûches, et que Dieu l`ait fait tomber sous sa main, je t`établirai un lieu où il pourra se réfugier.
13. Fa izay tsy manotrika, fa Andriamanitra no manolotra azy eo an-tanany, dia hanendry ho anao fitoerana izay handosirany Aho.
14. But if a man come presumptuously upon his neighbour, to slay him with guile; thou shalt take him from mine altar, that he may die.
14. Mais si quelqu`un agit méchamment contre son prochain, en employant la ruse pour le tuer, tu l`arracheras même de mon autel, pour le faire mourir.
14. Fa raha misy olona avy sahisahy amin' ny namany hamono azy am-pitaka, dia hoesorinao eo amin' ny alitarako izy mba hahafaty azy.
15. And he that smiteth his father, or his mother, shall be surely put to death.
15. Celui qui frappera son père ou sa mère sera puni de mort.
15. Ary izay mamely ny rainy, na ny reniny dia hatao maty tokoa.
16. And he that stealeth a man, and selleth him, or if he be found in his hand, he shall surely be put to death.
16. Celui qui dérobera un homme, et qui l`aura vendu ou retenu entre ses mains, sera puni de mort.
16. Ary izay mangalatra olona ka mivarotra azy, na hita eo an-tanany izy, dia hatao maty tokoa.
17. And he that curseth his father, or his mother, shall surely be put to death.
17. Celui qui maudira son père ou sa mère sera puni de mort.
17. Ary izay manozona ny rainy, na ny reniny dia hatao maty tokoa.
18. And if men strive together, and one smite another with a stone, or with his fist, and he die not, but keepeth his bed:
18. Si des hommes se querellent, et que l`un d`eux frappe l`autre avec une pierre ou avec le poing, sans causer sa mort, mais en l`obligeant à garder le lit,
18. Ary raha misy olona mifanditra, ka ny iray mamely ny ankilany amin' ny vato, na amin' ny totohondriny, ka tsy maty izy fa mandamaka eo am-pandriany,
19. If he rise again, and walk abroad upon his staff, then shall he that smote him be quit: only he shall pay for the loss of his time, and shall cause him to be thoroughly healed.
19. celui qui aura frappé ne sera point puni, dans le cas où l`autre viendrait à se lever et à se promener dehors avec son bâton. Seulement, il le dédommagera de son interruption de travail, et il le fera soigner jusqu`à sa guérison.
19. "Raha mitsangana indray izy ka mandeha eny ala-trano mitondra tehina, dia ho afa-tsiny ilay namely azy; kanefa handoa ny fotoanany very izy, ary hanao izay hahasitrana azy tanteraka."
20. And if a man smite his servant, or his maid, with a rod, and he die under his hand; he shall be surely punished.
20. Si un homme frappe du bâton son esclave, homme ou femme, et que l`esclave meure sous sa main, le maître sera puni.
20. "Ary raha misy mamely ny mpanompolahiny, na ny mpanompovaviny amin' ny tsorakazo, ka maty eo an-tanany izy; dia hofaizina tokoa izy."
21. Notwithstanding, if he continue a day or two, he shall not be punished: for he is his money.
21. "Mais s`il survit un jour ou deux, le maître ne sera point puni; car c`est son argent."
21. Kanefa raha naharitra iray na roa andro izy, dia tsy hofaizina izy fa volany ihany.
22. If men strive, and hurt a woman with child, so that her fruit depart from her, and yet no mischief follow: he shall be surely punished, according as the woman's husband will lay upon him; and he shall pay as the judges determine.
22. Si des hommes se querellent, et qu`ils heurtent une femme enceinte, et la fasse accoucher, sans autre accident, ils seront punis d`une amende imposée par le mari de la femme, et qu`ils paieront devant les juges.
22. "Raha misy olona mifanditra, ka mandratra vehivavy bevohoka, ka afa-jaza ravehivavy fa tsy misy voina manaraka, hofaizina tokoa izy araka izay ataon' ny vadin-dravehivavy aminy; dia handoa araka izay feran' ny mpitsara izy."
23. And if any mischief follow, then thou shalt give life for life,
23. Mais s`il y a un accident, tu donneras vie pour vie,
23. Fa raha misy voina manaraka, dia hanome aina solon' ny aina ianao,
24. Eye for eye, tooth for tooth, hand for hand, foot for foot,
24. oeil pour oeil, dent pour dent, main pour main, pied pour pied,
24. Maso solon' ny maso, nify solon' ny nify, tanana solon' ny tanana, tongotra solon' ny tongotra,
25. Burning for burning, wound for wound, stripe for stripe.
25. brûlure pour brûlure, blessure pour blessure, meurtrissure pour meurtrissure.
25. May solon' ny may, ratra solon' ny ratra, mivatra solon' ny mivatra.
26. And if a man smite the eye of his servant, or the eye of his maid, that it perish; he shall let him go free for his eye's sake.
26. Si un homme frappe l`oeil de son esclave, homme ou femme, et qu`il lui fasse perdre l`oeil, il le mettra en liberté, pour prix de son oeil.
26. Ary raha misy olona mamely ny mason' ny mpanompolahiny, na ny mason' ny mpanompovaviny, ka simba izany, dia halefany ho afaka izy noho ny masony.
27. And if he smite out his manservant's tooth, or his maidservant's tooth; he shall let him go free for his tooth's sake.
27. Et s`il fait tomber une dent à son esclave, homme ou femme, il le mettra en liberté, pour prix de sa dent.
27. Ary raha mampitsoaka ny nifin' ny mpanompolahiny izy, na ny nifin' ny mpanompovaviny dia halefany ho afaka izy noho ny nifiny.
28. If an ox gore a man or a woman, that they die: then the ox shall be surely stoned, and his flesh shall not be eaten; but the owner of the ox shall be quit.
28. Si un boeuf frappe de ses cornes un homme ou une femme, et que la mort en soit la suite, le boeuf sera lapidé, sa chair ne sera point mangée, et le maître du boeuf ne sera point puni.
28. "Ary raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy, dia hotoraham-bato tokoa ny omby, ary tsy hohanina ny henany; ary ny tompon' ilay omby dia ho afa-tsiny."
29. But if the ox were wont to push with his horn in time past, and it hath been testified to his owner, and he hath not kept him in, but that he hath killed a man or a woman; the ox shall be stoned, and his owner also shall be put to death.
29. Mais si le boeuf était auparavant sujet à frapper, et qu`on en ait averti le maître, qui ne l`a point surveillé, le boeuf sera lapidé, dans le cas où il tuerait un homme ou une femme, et son maître sera puni de mort.
29. Fa raha efa zatra nanoto teo aloha ny omby, ary efa nambara tamin' ny tompony izany, nefa tsy niaro azy izy, ka nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby, ary ny tompony koa hovonoina.
30. If there be laid on him a sum of money, then he shall give for the ransom of his life whatsoever is laid upon him.
30. Si on impose au maître un prix pour le rachat de sa vie, il paiera tout ce qui lui sera imposé.
30. Raha takiana handoa vola izy, dia hanome ho avotry ny ainy na inona na inona takiana aminy.
31. Whether he have gored a son, or have gored a daughter, according to this judgment shall it be done unto him.
31. "Lorsque le boeuf frappera un fils ou une fille, cette loi recevra son application;"
31. Na nanoto zanakalahy izy, na nanoto zanakavavy, dia araka io lalàna io no hatao aminy.
32. If the ox shall push a manservant or a maidservant; he shall give unto their master thirty shekels of silver, and the ox shall be stoned.
32. mais si le boeuf frappe un esclave, homme ou femme, on donnera trente sicles d`argent au maître de l`esclave, et le boeuf sera lapidé.
32. Raha manoto mpanompolahy, na mpanompovavy ilay omby, dia homeny sekely volafotsy telopolo ny tompon' ireo, ary ny omby hotoraham-bato.
33. And if a man shall open a pit, or if a man shall dig a pit, and not cover it, and an ox or an ass fall therein;
33. Si un homme met à découvert une citerne, ou si un homme en creuse une et ne la couvre pas, et qu`il y tombe un boeuf ou un âne,
33. Ary raha misy olona manokatra lavaka, na raha misy olona mihady lavaka, ka tsy rakofany, ary misy omby, na boriky latsaka ao,
34. The owner of the pit shall make it good, and give money unto the owner of them; and the dead beast shall be his.
34. le possesseur de la citerne paiera au maître la valeur de l`animal en argent, et aura pour lui l`animal mort.
34. "Dia hanonitra azy ny tompon' ny lavaka, ka hanome vola ny tompon' ireo; ary ny biby maty dia ho azy."
35. And if one man's ox hurt another's, that he die; then they shall sell the live ox, and divide the money of it; and the dead ox also they shall divide.
35. "Si le boeuf d`un homme frappe de ses cornes le boeuf d`un autre homme, et que la mort en soit la suite, ils vendront le boeuf vivant et en partageront le prix; ils partageront aussi le boeuf mort."
35. "Ary raha misy ombin' olona mandratra ny ombin' ny hafa, ka maty izany, dia hamidiny ny omby velona ka hozaraina ny vola vidiny; ary hozarainy koa ny omby maty."
36. Or if it be known that the ox hath used to push in time past, and his owner hath not kept him in; he shall surely pay ox for ox; and the dead shall be his own.
36. Mais s`il est connu que le boeuf était auparavant sujet à frapper, et que son maître ne l`ait point surveillé, ce maître rendra boeuf pour boeuf, et aura pour lui le boeuf mort.
36. "Fa raha fantatra fa efa zatra nanoto teo aloha ilay omby, nefa tsy niaro azy ny tompony, dia handoa omby ho solon' ny omby tokoa izy; ary ny maty dia ho azy."