Renewal of the Covenant
1. These are the words of the covenant, which the LORD commanded Moses to make with the children of Israel in the land of Moab, beside the covenant which he made with them in Horeb.
1. Voici les paroles de l`alliance que l`Éternel ordonna à Moïse de traiter avec les enfants d`Israël au pays de Moab, outre l`alliance qu`il avait traitée avec eux à Horeb.
1. Izao no tenin' ny fanekena izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy hatao amin' ny Zanak' Isiraely tany amin' ny tany Moaba, ankoatra ilay fanekena nataony taminy tao Horeba.
2. And Moses called unto all Israel, and said unto them, Ye have seen all that the LORD did before your eyes in the land of Egypt unto Pharaoh, and unto all his servants, and unto all his land;
2. Moïse convoqua tout Israël, et leur dit: Vous avez vu tout ce que l`Éternel a fait sous vos yeux, dans le pays d`Égypte, à Pharaon, à tous ses serviteurs, et à tout son pays,
2. Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: Ianareo efa nahita izay nataon' i Jehovah teo imasonareo tany amin' ny tany Egypta tamin' i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra,
3. The great temptations which thine eyes have seen, the signs, and those great miracles:
3. les grandes épreuves que tes yeux ont vues, ces miracles et ces grands prodiges.
3. Dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan' ny masonao, dia ireny famantarana sy fahagagana lehibe ireny.
4. Yet the LORD hath not given you an heart to perceive, and eyes to see, and ears to hear, unto this day.
4. Mais, jusqu`à ce jour, l`Éternel ne vous a pas donné un coeur pour comprendre, des yeux pour voir, des oreilles pour entendre.
4. Nefa tsy nomen' i Jehovah fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka androany.
5. And I have led you forty years in the wilderness: your clothes are not waxen old upon you, and thy shoe is not waxen old upon thy foot.
5. "Je t`ai conduit pendant quarante années dans le désert; tes vêtements ne se sont point usés sur toi, et ton soulier ne s`est point usé à ton pied;"
5. "Dia nitarika anareo tany an' efitra efapolo taona aho; tsy tonta teny aminareo ny fitafianareo, ary tsy tonta teo amin' ny tongotrao ny kapanao."
6. Ye have not eaten bread, neither have ye drunk wine or strong drink: that ye might know that I am the LORD your God.
6. vous n`avez point mangé de pain, et vous n`avez bu ni vin ni liqueur forte, afin que vous connussiez que je suis l`Éternel, votre Dieu.
6. Tsy mofo no fihinanareo, ary tsy divay na toaka no fisotronareo, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
7. And when ye came unto this place, Sihon the king of Heshbon, and Og the king of Bashan, came out against us unto battle, and we smote them:
7. "Vous êtes arrivés dans ce lieu; Sihon, roi de Hesbon, et Og, roi de Basan, sont sortis à notre rencontre, pour nous combattre, et nous les avons battus."
7. Ary nony tonga tamin' ity toerana ity ianareo, dia nivoaka Sihona, mpanjakan' i Hesbona sy Oga, mpanjakan' i Basana, hiady amintsika, ka nasiantsika izy ireo.
8. And we took their land, and gave it for an inheritance unto the Reubenites, and to the Gadites, and to the half tribe of Manasseh.
8. Nous avons pris leur pays, et nous l`avons donné en propriété aux Rubénites, aux Gadites et à la moitié de la tribu des Manassites.
8. Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho lovan' ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon' i Manase.
9. Keep therefore the words of this covenant, and do them, that ye may prosper in all that ye do.
9. Vous observerez donc les paroles de cette alliance, et vous les mettrez en pratique, afin de réussir dans tout ce que vous ferez.
9. Koa tandremo ny tenin' izao fanekena izao, ka ataovy izany, mba hambinina ianareo amin' izay rehetra ataonareo.
10. Ye stand this day all of you before the LORD your God; your captains of your tribes, your elders, and your officers, with all the men of Israel,
10. Vous vous présentez aujourd`hui devant l`Éternel, votre Dieu, vous tous, vos chefs de tribus, vos anciens, vos officiers, tous les hommes d`Israël,
10. Mijoro eto anatrehan' i Jehovah Andriamanitrareo ianareo rehetra anio, dia ny lehiben' ny fokonareo, ny loholonareo sy ny mpifehy anareo mbamin' ny lehilahy rehetra amin' ny Isiraely,
11. Your little ones, your wives, and thy stranger that is in thy camp, from the hewer of thy wood unto the drawer of thy water:
11. vos enfants, vos femmes, et l`étranger qui est au milieu de ton camp, depuis celui qui coupe ton bois jusqu`à celui qui puise ton eau.
11. "Ny zanakareo madinika sy ny vadinareo ary ny vahininao eo amin' ny tobinao hatramin' ny mpikapa hazonao sy ny mpantsaka ranonao;"
12. That thou shouldest enter into covenant with the LORD thy God, and into his oath, which the LORD thy God maketh with thee this day:
12. Tu te présentes pour entrer dans l`alliance de l`Éternel, ton Dieu, dans cette alliance contractée avec serment, et que l`Éternel, ton Dieu, traite en ce jour avec toi,
12. "Mba hidiranao amin' ny faneken' i Jehovah Andriamanitrao sy ny fianianany izay ataon' i Jehovah Andriamanitrao aminao anio;"
13. That he may establish thee to day for a people unto himself, and that he may be unto thee a God, as he hath said unto thee, and as he hath sworn unto thy fathers, to Abraham, to Isaac, and to Jacob.
13. afin de t`établir aujourd`hui pour son peuple et d`être lui-même ton Dieu, comme il te l`a dit, et comme il l`a juré à tes pères, Abraham, Isaac et Jacob.
13. Hampiorenany anao anio ho firenena ho azy, ary mba ho Andriamanitrao Izy, araka izay nolazainy taminao sy araka izay nianianany tamin' ny razanao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
14. Neither with you only do I make this covenant and this oath;
14. Ce n`est point avec vous seuls que je traite cette alliance, cette alliance contractée avec serment.
14. Ary tsy aminareo ihany no anaovako izao fanekena sy fianianana izao,
15. But with him that standeth here with us this day before the LORD our God, and also with him that is not here with us this day:
15. Mais c`est avec ceux qui sont ici parmi nous, présents en ce jour devant l`Éternel, notre Dieu, et avec ceux qui ne sont point ici parmi nous en ce jour.
15. "Fa amin' izay mijoro eto amintsika anio, eto anatrehan' i Jehovah Andriamanitsika sy amin' izay tsy miaraka amintsika eto koa anio;"
16. (For ye know how we have dwelt in the land of Egypt; and how we came through the nations which ye passed by;
16. Vous savez de quelle manière nous avons habité dans le pays d`Égypte, et comment nous avons passé au milieu des nations que vous avez traversées.
16. "(Fa fantatrareo izay nitoerantsika tany amin' ny tany Egypta sy nandehanantsika namaky ny firenena izay nandalovanareo;"
17. And ye have seen their abominations, and their idols, wood and stone, silver and gold, which were among them:)
17. Vous avez vu leurs abominations et leurs idoles, le bois et la pierre, l`argent et l`or, qui sont chez elles.
17. "Ary efa hitanareo ny fahavetavetany sy ny sampiny hazo sy vato sy volafotsy ary volamena, izay teo aminy);"
18. Lest there should be among you man, or woman, or family, or tribe, whose heart turneth away this day from the LORD our God, to go and serve the gods of these nations; lest there should be among you a root that beareth gall and wormwood;
18. Qu`il n`y ait parmi vous ni homme, ni femme, ni famille, ni tribu, dont le coeur se détourne aujourd`hui de l`Éternel, notre Dieu, pour aller servir les dieux de ces nations-là. Qu`il n`y ait point parmi vous de racine qui produise du poison et de l`absinthe.
18. "Fandrao hisy lehilahy na vehivavy, na mpianakavy, na foko eo aminareo, izay manana fo miala amin' i Jehovah Andriamanitsika anio, handehanany hanompo ny andriamanitr' ireny firenena ireny; fandrao hisy faka eo aminareo izay miteraka afero sy zava-mangidy mahafaty;"
19. And it come to pass, when he heareth the words of this curse, that he bless himself in his heart, saying, I shall have peace, though I walk in the imagination of mine heart, to add drunkenness to thirst:
19. Que personne, après avoir entendu les paroles de cette alliance contractée avec serment, ne se glorifie dans son coeur et ne dise: J`aurai la paix, quand même je suivrai les penchants de mon coeur, et que j`ajouterai l`ivresse à la soif.
19. "Ary izao no hiseho raha reny ny tenin' izao fanozonana izao, dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hanao hoe: Hanam-piadanana aho, na dia mandeha amin' ny fisainan' ny foko aza, hanampiana fahamamoana amin' ny hetaheta;"
20. The LORD will not spare him, but then the anger of the LORD and his jealousy shall smoke against that man, and all the curses that are written in this book shall lie upon him, and the LORD shall blot out his name from under heaven.
20. L`Éternel ne voudra point lui pardonner. Mais alors la colère et la jalousie de l`Éternel s`enflammeront contre cet homme, toutes les malédictions écrites dans ce livre reposeront sur lui, et l`Éternel effacera son nom de dessous les cieux.
20. Tsy hiantra azy Jehovah, fa hanetroka amin' izany lehilahy izany ny fahatezeran' i Jehovah sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin' ity boky ity, ka hovonoin' i Jehovah tsy ho eo ambanin' ny lanitra ny anarany.
21. And the LORD shall separate him unto evil out of all the tribes of Israel, according to all the curses of the covenant that are written in this book of the law:
21. L`Éternel le séparera, pour son malheur, de toutes les tribus d`Israël, selon toutes les malédictions de l`alliance écrite dans ce livre de la loi.
21. "Dia hosarahan' i Jehovah amin' ny fokon' Isiraely rehetra ho amin' ny loza izy araka ny fanozonana rehetra amin' ny fanekena izay voasoratra amin' ity bokin' ny lalàna ity;"
22. So that the generation to come of your children that shall rise up after you, and the stranger that shall come from a far land, shall say, when they see the plagues of that land, and the sicknesses which the LORD hath laid upon it;
22. Les générations à venir, vos enfants qui naîtront après vous et l`étranger qui viendra d`une terre lointaine, -à la vue des plaies et des maladies dont l`Éternel aura frappé ce pays, à la vue du soufre, du sel,
22. "Ary hiteny ny taranaka ho avy amin' ny zanakareo izay hitsangana handimby anareo sy ny vahiny avy amin' ny tany lavitra, raha mahita ny loza eo amin' izany tany izany sy ny aretina izay nataon' i Jehovah teo aminy;"
23. And that the whole land thereof is brimstone, and salt, and burning, that it is not sown, nor beareth, nor any grass groweth therein, like the overthrow of Sodom, and Gomorrah, Admah, and Zeboim, which the LORD overthrew in his anger, and in his wrath:
23. de l`embrasement de toute la contrée, où il n`y aura ni semence, ni produit, ni aucune herbe qui croisse, comme au bouleversement de Sodome, de Gomorrhe, d`Adma et de Tseboïm, que l`Éternel détruisit dans sa colère et dans sa fureur, -
23. "Fa ho solifara sy sira ary fahamaizana ny tany rehetra eo: tsy hofafazana izy, na hanirian-javatra, sady tsy hisy ahitra akory hitrebona ao, tahaka ny nandravana an' i Sodoma sy Adma ary Zeboima, izay noravan' i Jehovah tamin' ny fahavinirany sy ny fahatezerany;"
24. Even all nations shall say, Wherefore hath the LORD done thus unto this land? what meaneth the heat of this great anger?
24. toutes les nations diront: Pourquoi l`Éternel a-t-il ainsi traité ce pays? pourquoi cette ardente, cette grande colère?
24. Dia hiteny ny firenena rehetra hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao toy izany tamin' ity tany ity? Inona no hevitry ny firehetan' izao fahatezerana lehibe izao?
25. Then men shall say, Because they have forsaken the covenant of the LORD God of their fathers, which he made with them when he brought them forth out of the land of Egypt:
25. "Et l`on répondra: C`est parce qu`ils ont abandonné l`alliance contractée avec eux par l`Éternel, le Dieu de leurs pères, lorsqu`il les fit sortir du pays d`Égypte;"
25. Dia hiteny ny vahoaka ka hanao hoe: Satria nahafoy ny faneken' i Jehovah, Andriamanitry ny razany izy, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta.
26. For they went and served other gods, and worshipped them, gods whom they knew not, and whom he had not given unto them:
26. c`est parce qu`ils sont allés servir d`autres dieux et se prosterner devant eux, des dieux qu`ils ne connaissaient point et que l`Éternel ne leur avait point donnés en partage.
26. "Fa nandeha izy ka nanompo andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany, dia andriamanitra izay tsy fantany sady tsy nomeny azy;"
27. And the anger of the LORD was kindled against this land, to bring upon it all the curses that are written in this book:
27. Alors la colère de l`Éternel s`est enflammée contre ce pays, et il a fait venir sur lui toutes les malédictions écrites dans ce livre.
27. Dia nirehitra tamin' ity tany ity ny fahatezeran' i Jehovah, ka nataony tonga taminy avokoa ny fanozonana rehetra izay voasoratra eto amin' ity boky ity.
28. And the LORD rooted them out of their land in anger, and in wrath, and in great indignation, and cast them into another land, as it is this day.
28. L`Éternel les a arrachés de leur pays avec colère, avec fureur, avec une grande indignation, et il les a jetés sur un autre pays, comme on le voit aujourd`hui.
28. Ary tamin' ny fahatezerana sy fahavinirana ary fahasosorana lehibe no nanongotan' i Jehovah azy tsy ho eo amin' ny taniny ka nandroahany azy ho any amin' ny tany hafa tahaka ny amin' izao anio izao.
29. The secret things belong unto the LORD our God: but those things which are revealed belong unto us and to our children for ever, that we may do all the words of this law.
29. "Les choses cachées sont à l`Éternel, notre Dieu; les choses révélées sont à nous et à nos enfants, à perpétuité, afin que nous mettions en pratique toutes les paroles de cette loi."
29. "An' i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara, hankatoavantsika ny teny rehetra amin' ity lalàna ity."