The Altar on Mount Ebal
1. And Moses with the elders of Israel commanded the people, saying, Keep all the commandments which I command you this day.
1. Moïse et les anciens d`Israël donnèrent cet ordre au peuple: Observez tous les commandements que je vous prescris aujourd`hui.
1. Ary Mosesy sy ny loholon' ny Isiraely dia nandidy ny vahoaka ka nanao hoe: Tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anareo anio.
2. And it shall be on the day when ye shall pass over Jordan unto the land which the LORD thy God giveth thee, that thou shalt set thee up great stones, and plaister them with plaister:
2. Lorsque vous aurez passé le Jourdain, pour entrer dans le pays que l`Éternel, ton Dieu, te donne, tu dresseras de grandes pierres, et tu les enduiras de chaux.
2. "Ary amin' ny andro izay hitànareo an' i Jordana ho any amin' ny tany izay omen' i Jehovah Andriamanitrao anao, dia manangàna vato lehibe ho anao ka lalory sokay;"
3. And thou shalt write upon them all the words of this law, when thou art passed over, that thou mayest go in unto the land which the LORD thy God giveth thee, a land that floweth with milk and honey; as the LORD God of thy fathers hath promised thee.
3. Tu écriras sur ces pierres toutes les paroles de cette loi, lorsque tu auras passé le Jourdain, pour entrer dans le pays que l`Éternel, ton Dieu, te donne, pays où coulent le lait et le miel, comme te l`a dit l`Éternel, le Dieu de tes pères.
3. Dia soraty eo aminy ny teny rehetra amin' ity lalàna ity, rehefa tafita ianao mba hahazoana miditra ao amin' ny tany izay omen' i Jehovah Andriamanitrao anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nampanantenain' i Jehovah Andriamanitry ny razanao anao.
4. Therefore it shall be when ye be gone over Jordan, that ye shall set up these stones, which I command you this day, in mount Ebal, and thou shalt plaister them with plaister.
4. Lorsque vous aurez passé le Jourdain, vous dresserez sur le mont Ébal ces pierres que je vous ordonne aujourd`hui de dresser, et tu les enduiras de chaux.
4. Noho izany, rehefa tafita an' i Jordana ianareo dia atsangano ao an-tendrombohitra Ebala ireo vato ireo, izay nandidiako anareo androany, ka lalory sokay.
5. And there shalt thou build an altar unto the LORD thy God, an altar of stones: thou shalt not lift up any iron tool upon them.
5. "Là, tu bâtiras un autel à l`Éternel, ton Dieu, un autel de pierres, sur lesquelles tu ne porteras point le fer;"
5. "Ary manorena alitara ao ho an' i Jehovah Andriamanitrao, dia alitara vato; nefa aza pehim-by izany."
6. Thou shalt build the altar of the LORD thy God of whole stones: and thou shalt offer burnt offerings thereon unto the LORD thy God:
6. "tu bâtiras en pierres brutes l`autel de l`Éternel, ton Dieu. Tu offriras sur cet autel des holocaustes à l`Éternel, ton Dieu;"
6. "Vato tsy voapaika no hataonao alitaran' i Jehovah Andriamanitrao; ka manatera fanatitra dorana eo amboniny ho an' i Jehovah Andriamanitrao;"
7. And thou shalt offer peace offerings, and shalt eat there, and rejoice before the LORD thy God.
7. tu offriras des sacrifices d`actions de grâces, et tu mangeras là et te réjouiras devant l`Éternel, ton Dieu.
7. Ary manatera koa fanati-pihavanana, ka mihinàna eo sy mifalia eo anatrehan' i Jehovah Andriamanitrao.
8. And thou shalt write upon the stones all the words of this law very plainly.
8. Tu écriras sur ces pierres toutes les paroles de cette loi, en les gravant bien nettement.
8. Ary soraty mazava tsara amin' ireo vato ireo ny teny rehetra amin' ity lalàna ity.
Curses From Mount Ebal
9. And Moses and the priests the Levites spake unto all Israel, saying, Take heed, and hearken, O Israel; this day thou art become the people of the LORD thy God.
9. Moïse et les sacrificateurs, les Lévites, parlèrent à tout Israël, et dirent: Israël, sois attentif et écoute! Aujourd`hui, tu es devenu le peuple de l`Éternel, ton Dieu.
9. Dia niteny tamin' ny Isiraely rehetra Mosesy sy ny Levita mpisorona ka nanao hoe: Mitandrema, ka mihainoa, ry Isiraely ô: Androany no efa tonga firenen' i Jehovah Andriamanitrao ianao.
10. Thou shalt therefore obey the voice of the LORD thy God, and do his commandments and his statutes, which I command thee this day.
10. Tu obéiras à la voix de l`Éternel, ton Dieu, et tu mettras en pratique ses commandements et ses lois que je le prescris aujourd`hui.
10. Koa ankatoavy ny feon' i Jehovah Andriamanitrao, ary tanteraho ny didiny sy ny lalàny, izay andidiako anao anio.
11. And Moses charged the people the same day, saying,
11. Le même jour, Moïse donna cet ordre au peuple:
11. Dia nandidy ny vahoaka tamin' izany andro izany Mosesy ka nanao hoe:
12. These shall stand upon mount Gerizim to bless the people, when ye are come over Jordan; Simeon, and Levi, and Judah, and Issachar, and Joseph, and Benjamin:
12. "Lorsque vous aurez passé le Jourdain, Siméon, Lévi, Juda, Issacar, Joseph et Benjamin, se tiendront sur le mont Garizim, pour bénir le peuple;"
12. "Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitsodrano ny vahoaka, rehefa tafita an' i Jordana ianareo; dia Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara sy Josefa ary Benjamina."
13. And these shall stand upon mount Ebal to curse; Reuben, Gad, and Asher, and Zebulun, Dan, and Naphtali.
13. et Ruben, Gad, Aser, Zabulon, Dan et Nephthali, se tiendront sur le mont Ébal, pour prononcer la malédiction.
13. Ary ireto kosa no hijanona eo an-tendrombohitra Ebala hanozona: dia Robena sy Gada sy Asera sy Zebolona sy Dana ary Naftaly.
14. And the Levites shall speak, and say unto all the men of Israel with a loud voice,
14. Et les lévites prendront la parole, et diront d`une voix haute à tout Israël:
14. Dia hiteny ny Levita ka hanao amin' ny Isiraely rehetra amin' ny feo mahery hoe:
15. Cursed be the man that maketh any graven or molten image, an abomination unto the LORD, the work of the hands of the craftsman, and putteth it in a secret place. And all the people shall answer and say, Amen.
15. Maudit soit l`homme qui fait une image taillée ou une image en fonte, abomination de l`Éternel, oeuvre des mains d`un artisan, et qui la place dans un lieu secret! Et tout le peuple répondra, et dira: Amen!
15. Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra an' idina, izay fahavetavetana amin' i Jehovah, asan-tanan' ny mahay taozavatra, ka mametraka azy ao amin' ny toerana takona. dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amena.
16. Cursed be he that setteth light by his father or his mother. And all the people shall say, Amen.
16. Maudit soit celui qui méprise son père et sa mère! -Et tout le peuple dira: Amen!
16. Hozonina izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
17. Cursed be he that removeth his neighbour's landmark. And all the people shall say, Amen.
17. Maudit soit celui qui déplace les bornes de son prochain! -Et tout le peuple dira: Amen!
17. Hozonina izay mamindra ny fari-tanin' ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
18. Cursed be he that maketh the blind to wander out of the way. And all the people shall say, Amen.
18. Maudit soit celui qui fait égarer un aveugle dans le chemin! Et tout le peuple dira: Amen!
18. Hozonina izay mampivily lalana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
19. Cursed be he that perverteth the judgment of the stranger, fatherless, and widow. And all the people shall say, Amen.
19. Maudit soit celui qui porte atteinte au droit de l`étranger, de l`orphelin et de la veuve! -Et tout le peuple dira: Amen!
19. Hozonina izay manao fitsarana miangatra amin' ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
20. Cursed be he that lieth with his father's wife; because he uncovereth his father's skirt. And all the people shall say, Amen.
20. Maudit soit celui qui couche avec la femme de son père, car il soulève la couverture de son père! -Et tout le peuple dira: Amen!
20. Hozonina izay mandry amin' ny vadin-drainy, fa efa nahita ny fitanjahan-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
21. Cursed be he that lieth with any manner of beast. And all the people shall say, Amen.
21. Maudit soit celui qui couche avec une bête quelconque! -Et tout le peuple dira: Amen!
21. Hozonina izay mandry amin' ny biby. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
22. Cursed be he that lieth with his sister, the daughter of his father, or the daughter of his mother. And all the people shall say, Amen.
22. Maudit soit celui qui couche avec sa soeur, fille de son père ou fille de sa mère! -Et tout le peuple dira: Amen!
22. Hozonina izay mandry amin' ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy, na ny zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
23. Cursed be he that lieth with his mother in law. And all the people shall say, Amen.
23. Maudit soit celui qui couche avec sa belle-mère! -Et tout le peuple dira: Amen!
23. Hozonina izay mandry amin' ny rafozany vavy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
24. Cursed be he that smiteth his neighbour secretly. And all the people shall say, Amen.
24. Maudit soit celui qui frappe son prochain en secret! -Et tout le peuple dira: Amen!
24. Hozonina izay mamely ny namany amin' ny takona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
25. Cursed be he that taketh reward to slay an innocent person. And all the people shall say, Amen.
25. Maudit soit celui qui reçoit un présent pour répandre le sang de l`innocent! -Et tout le peuple dira: Amen!
25. Hozonina izay mandray tamby hahafaty ny tsy manan-tsiny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
26. Cursed be he that confirmeth not all the words of this law to do them. And all the people shall say, Amen.
26. Maudit soit celui qui n`accomplit point les paroles de cette loi, et qui ne les met point en pratique! -Et tout le peuple dira: Amen!
26. Hozonina izay tsy mankatò ny tenin' ity lalàna ity mba hanatanteraka izany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.