1. And I saw another mighty angel come down from heaven, clothed with a cloud: and a rainbow was upon his head, and his face was as it were the sun, and his feet as pillars of fire:
1. "Je vis un autre ange puissant, qui descendait du ciel, enveloppé d`une nuée; au-dessus de sa tête était l`arc-en-ciel, et son visage était comme le soleil, et ses pieds comme des colonnes de feu."
1. "Ary hitako fa, indro nisy anjely mahery anankiray koa, nidina avy tany an-danitra sady nitafy rahona; ary ny avana dia teo amin’ny lohany, ary ny tavany dia tahaka ny masoandro, ary ny tongony tahaka ny andry afo."
2. And he had in his hand a little book open: and he set his right foot upon the sea, and his left foot on the earth,
2. "Il tenait dans sa main un petit livre ouvert. Il posa son pied droit sur la mer, et son pied gauche sur la terre;"
2. "Ary nitana boky kely nivelatra teny an-tanany izy; ary napetrany tamin' ny ranomasina ny tongony ankavanana, ary tamin' ny tany ny tongony ankavia;"
3. And cried with a loud voice, as when a lion roareth: and when he had cried, seven thunders uttered their voices.
3. et il cria d`une voix forte, comme rugit un lion. Quand il cria, les sept tonnerres firent entendre leurs voix.
3. "Ary niantso tamin’ny feo mahery izy, tahaka ny fieron’ny liona; ary nony niantso izy, dia nanonona ny feony ny kotroka fito."
4. And when the seven thunders had uttered their voices, I was about to write: and I heard a voice from heaven saying unto me, Seal up those things which the seven thunders uttered, and write them not.
4. "Et quand les sept tonnerres eurent fait entendre leurs voix, j`allais écrire; et j`entendis du ciel une voix qui disait: Scelle ce qu`ont dit les sept tonnerres, et ne l`écris pas."
4. Ary rehefa nanonona ny feony ny kotroka fito, dia efa hanoratra aho, kanjo nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Asio tombo-kase ireo zavatra efa notononin’ny kotroka fito, fa aza soratana.
5. And the angel which I saw stand upon the sea and upon the earth lifted up his hand to heaven,
5. Et l`ange, que je voyais debout sur la mer et sur la terre, leva sa main droite vers le ciel,
5. Ary ny anjely, izay efa hitako nitsangana teo ambonin’ny ranomasina sy teo ambonin’ny tany, dia nanangana ny tanany ankavanana ho amin’ny lanitra,
6. And sware by him that liveth for ever and ever, who created heaven, and the things that therein are, and the earth, and the things that therein are, and the sea, and the things which are therein, that there should be time no longer:
6. et jura par celui qui vit aux siècles des siècles, qui a créé le ciel et les choses qui y sont, la terre et les choses qui y sont, et la mer et les choses qui y sont, qu`il n`y aurait plus de temps,
6. "Ka nianiana tamin’Izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy, fa tsy hisy fotoana intsony;"
7. But in the days of the voice of the seventh angel, when he shall begin to sound, the mystery of God should be finished, as he hath declared to his servants the prophets.
7. mais qu`aux jours de la voix du septième ange, quand il sonnerait de la trompette, le mystère de Dieu s`accomplirait, comme il l`a annoncé à ses serviteurs, les prophètes.
7. Fa amin’ny andro hitsofan’ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an’Andriamanitra, araka ny teny nambarany tamin’ny mpaminany mpanompony.
8. And the voice which I heard from heaven spake unto me again, and said, Go and take the little book which is open in the hand of the angel which standeth upon the sea and upon the earth.
8. Et la voix, que j`avais entendue du ciel, me parla de nouveau, et dit: Va, prends le petit livre ouvert dans la main de l`ange qui se tient debout sur la mer et sur la terre.
8. Ary ny feo izay efa reko avy tany an-danitra dia niteny tamiko indray hoe: Mandehana, raiso ilay boky kely mivelatra eny an-tanan’ny anjely mitsangana eo ambonin’ny ranomasina sy eo ambonin’ny tany.
9. And I went unto the angel, and said unto him, Give me the little book. And he said unto me, Take it, and eat it up; and it shall make thy belly bitter, but it shall be in thy mouth sweet as honey.
9. "Et j`allai vers l`ange, en lui disant de me donner le petit livre. Et il me dit: Prends-le, et avale-le; il sera amer à tes entrailles, mais dans ta bouche il sera doux comme du miel."
9. "Dia nankany amin’ny anjely aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy iny boky kely iny. Ary hoy izy tamiko: Raiso ka hano avokoa io; dia hampangidy ny kibonao izy, nefa eo am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely."
10. And I took the little book out of the angel's hand, and ate it up; and it was in my mouth sweet as honey: and as soon as I had eaten it, my belly was bitter.
10. "Je pris le petit livre de la main de l`ange, et je l`avalai; il fut dans ma bouche doux comme du miel, mais quand je l`eus avalé, mes entrailles furent remplies d`amertume."
10. "Dia noraisiko ilay boky kely teny an-tanan' ny anjely ka nohaniko avokoa; ary raha mbola teo am-bavako izy, dia mamy tahaka ny tantely, kanjo nony voateliko dia nangidy ny kiboko."
11. And he said unto me, Thou must prophesy again before many peoples, and nations, and tongues, and kings.
11. Puis on me dit: Il faut que tu prophétises de nouveau sur beaucoup de peuples, de nations, de langues, et de rois.
11. Ary hoy izy tamiko: Tsy maintsy maminany indray ianao eo anatrehan’ny olona maro sy ny firenena maro, sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro.