The Dedication of the Temple

1. Now when Solomon had made an end of praying, the fire came down from heaven, and consumed the burnt offering and the sacrifices; and the glory of the LORD filled the house.
1. Lorsque Salomon eut achevé de prier, le feu descendit du ciel et consuma l`holocauste et les sacrifices, et la gloire de l`Éternel remplit la maison.
1. Ary rehefa vita ny vavak' i Solomona dia nisy afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy ireo fanatitra, ary nameno ny trano ny voninahitr' i Jehovah.
2. And the priests could not enter into the house of the LORD, because the glory of the LORD had filled the LORD's house.
2. Les sacrificateurs ne pouvaient entrer dans la maison de l`Éternel, car la gloire de l`Éternel remplissait la maison de l`Éternel.
2. Ary tsy afaka niditra tao an-tranon' i Jehovah ny mpisorona, fa nameno ny tranon' i Jehovah ny voninahitr' i Jehovah.
3. And when all the children of Israel saw how the fire came down, and the glory of the LORD upon the house, they bowed themselves with their faces to the ground upon the pavement, and worshipped, and praised the LORD, saying, For he is good; for his mercy endureth for ever.
3. "Tous les enfants d`Israël virent descendre le feu et la gloire de l`Éternel sur la maison; ils s`inclinèrent le visage contre terre sur le pavé, se prosternèrent et louèrent l`Éternel, en disant: Car il est bon, car sa miséricorde dure à toujours!"
3. Ary nony hitan' ny Zanak' Isiraely rehetra ny nilatsahan' ny afo sy ny voninahitr' i Jehovah teo ambonin' ny trano, dia niankohoka tamin' ny tany sy nivavaka sy nidera an' i Jehovah izy, nanao hoe: Fa tsara Izy ary maharitra mandrakizay ny famindrampony.
4. Then the king and all the people offered sacrifices before the LORD.
4. Le roi et tout le peuple offrirent des sacrifices devant l`Éternel.
4. Ary ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra dia nanolotra fanatitra teo anatrehan' i Jehovah.
5. And king Solomon offered a sacrifice of twenty and two thousand oxen, and an hundred and twenty thousand sheep: so the king and all the people dedicated the house of God.
5. Le roi Salomon immola vingt-deux mille boeufs et cent vingt mille brebis. Ainsi le roi et tout le peuple firent la dédicace de la maison de Dieu.
5. Ary Solomona mpanjaka nanolotra fanatitra, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry roa alina amby iray hetsy. Dia nitokana ny tranon' Andriamanitra ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra.
6. And the priests waited on their offices: the Levites also with instruments of musick of the LORD, which David the king had made to praise the LORD, because his mercy endureth for ever, when David praised by their ministry; and the priests sounded trumpets before them, and all Israel stood.
6. Les sacrificateurs se tenaient à leur poste, et les Lévites aussi avec les instruments faits en l`honneur de l`Éternel par le roi David pour le chant des louanges de l`Éternel, lorsque David les chargea de célébrer l`Éternel en disant: Car sa miséricorde dure à toujours! Les sacrificateurs sonnaient des trompettes vis-à-vis d`eux. Et tout Israël était là.
6. "Ary ny mpisorona nitsangana hanao ny anjara-raharahany avy; ny Levita koa niaraka amin' ny zava-manenon' i Jehovah, izay nataon' i Davida mpanjaka hiderana an' i Jehovah, fa mandrakizay ny famindrampony, raha nasain' i Davida hidera izy amin' ny asa fanompoany; ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra teo anoloany, ary nitsangana ny Isiraely rehetra."
7. Moreover Solomon hallowed the middle of the court that was before the house of the LORD: for there he offered burnt offerings, and the fat of the peace offerings, because the brasen altar which Solomon had made was not able to receive the burnt offerings, and the meat offerings, and the fat.
7. "Salomon consacra le milieu du parvis, qui est devant la maison de l`Éternel; car il offrit là les holocaustes et les graisses des sacrifices d`actions de grâces, parce que l`autel d`airain qu`avait fait Salomon ne pouvait contenir les holocaustes, les offrandes et les graisses."
7. "Ary koa nohamasinin' i Solomona ny afovoan' ny kianja izay teo anoloan' ny tranon' i Jehovah fa tao no nanolorany fanatitra dorana sy ny saboran' ny fanati-pihavanana; fa ny alitara varahina izay nataon' i Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny sabora."
8. Also at the same time Solomon kept the feast seven days, and all Israel with him, a very great congregation, from the entering in of Hamath unto the river of Egypt.
8. "Salomon célébra la fête en ce temps-là pendant sept jours, et tout Israël avec lui; une grande multitude était venue depuis les environs de Hamath jusqu`au torrent d`Égypte."
8. Ary tamin' izany fotoana izany ihany koa Solomona sy ny Isiraely rehetra izay teo aminy, izay fiangonana lehibe tokoa hatrany amin' ny fidirana Hamata ka hatramin' ny reniranon' i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana hafitoana.
9. And in the eighth day they made a solemn assembly: for they kept the dedication of the altar seven days, and the feast seven days.
9. "Le huitième jour, ils eurent une assemblée solennelle; car ils firent la dédicace de l`autel pendant sept jours, et la fête pendant sept jours."
9. "Ary tamin' ny andro fahavalo dia nanao fivoriana masina izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana ny andro firavoravoana."
10. And on the three and twentieth day of the seventh month he sent the people away into their tents, glad and merry in heart for the goodness that the LORD had shewed unto David, and to Solomon, and to Israel his people.
10. Le vingt-troisième jour du septième mois, Salomon renvoya dans ses tentes le peuple joyeux et content pour le bien que l`Éternel avait fait à David, à Salomon, et à Israël, son peuple.
10. Ary tamin' ny andro fahatelo amby roapolo tamin' ny volana fahafito dia nampodiny ho any an-dainy avy ny olona, ary faly sy ravoravo am-po noho ny soa izay nasehon' i Jehovah tamin' i Davida sy Solomona, ary ny Isiraely olony.

The LORD Appears to Solomon

11. Thus Solomon finished the house of the LORD, and the king's house: and all that came into Solomon's heart to make in the house of the LORD, and in his own house, he prosperously effected.
11. Lorsque Salomon eut achevé la maison de l`Éternel et la maison du roi, et qu`il eut réussi dans tout ce qu`il s`était proposé de faire dans la maison de l`Éternel et dans la maison du roi,
11. "Toy izany no nahavitan' i Solomona ny tranon' i Jehovah sy ny tranon' ny mpanjaka; ary nataon' i Solomona lavorary avokoa izay rehetra noheveriny tao am-pony hanaovana ny tranon' i Jehovah sy ny tranony."
12. And the LORD appeared to Solomon by night, and said unto him, I have heard thy prayer, and have chosen this place to myself for an house of sacrifice.
12. l`Éternel apparut à Salomon pendant la nuit, et lui dit: J`exauce ta prière, et je choisis ce lieu comme la maison où l`on devra m`offrir des sacrifices.
12. Ary niseho tamin' i solomona nony alina Jehovah ka nanao taminy hoe: Efa reko ny vavakao, ary efa nofidiko ho Ahy ity fitoerana ity ho trano fanateram-panatitra.
13. If I shut up heaven that there be no rain, or if I command the locusts to devour the land, or if I send pestilence among my people;
13. "Quand je fermerai le ciel et qu`il n`y aura point de pluie, quand j`ordonnerai aux sauterelles de consumer le pays, quand j`enverrai la peste parmi mon peuple;"
13. "Raha mampihantona ny andro Aho, ka tsy misy ranonorana, na asaiko mandany ny tany ny valala, na raha anaterako areti-mandringana ny oloko;"
14. If my people, which are called by my name, shall humble themselves, and pray, and seek my face, and turn from their wicked ways; then will I hear from heaven, and will forgive their sin, and will heal their land.
14. si mon peuple sur qui est invoqué mon nom s`humilie, prie, et cherche ma face, et s`il se détourne de ses mauvaises voies, -je l`exaucerai des cieux, je lui pardonnerai son péché, et je guérirai son pays.
14. Raha ny oloko izay antsoina amin' ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako, ary hiala amin' ny lalany ratsy, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny fahotany ary hahasitrany ny taniny.
15. Now mine eyes shall be open, and mine ears attent unto the prayer that is made in this place.
15. Mes yeux seront ouverts désormais, et mes oreilles seront attentives à la prière faite en ce lieu.
15. "Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino ny vavaka izay atao amin' ity fitoerana ity;"
16. For now have I chosen and sanctified this house, that my name may be there for ever: and mine eyes and mine heart shall be there perpetually.
16. Maintenant, je choisis et je sanctifie cette maison pour que mon nom y réside à jamais, et j`aurai toujours là mes yeux et mon coeur.
16. Fa efa nofidiko sy nohamasiniko ity trano ity mba hitoeran' ny anarako mandrakizay, ary ny masoko sy ny foko ho ao mandrakariva.
17. And as for thee, if thou wilt walk before me, as David thy father walked, and do according to all that I have commanded thee, and shalt observe my statutes and my judgments;
17. Et toi, si tu marches en ma présence comme a marché David, ton père, faisant tout ce que je t`ai commandé, et si tu observes mes lois et mes ordonnances,
17. Ary ny aminao, raha handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan' i Davida rainao ianao ka hanao araka izay rehetra andidiako anao sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,
18. Then will I stablish the throne of thy kingdom, according as I have covenanted with David thy father, saying, There shall not fail thee a man to be ruler in Israel.
18. j`affermirai le trône de ton royaume, comme je l`ai promis à David, ton père, en disant: Tu ne manqueras jamais d`un successeur qui règne en Israël.
18. Dia hampitoeriko ny sezafiandrianan' ny fanjakanao araka ny fanekeko tamin' i Davida rainao hoe: Tsy ho diso lehilahy ho mpanapaka amin' ny Isiraely ianao.
19. But if ye turn away, and forsake my statutes and my commandments, which I have set before you, and shall go and serve other gods, and worship them;
19. Mais si vous vous détournez, si vous abandonnez mes lois et mes commandements que je vous ai prescrits, et si vous allez servir d`autres dieux et vous prosterner devant eux,
19. Fa raha mivily kosa ianareo ka mahafoy ny didiko sy ny lalàko, izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany,
20. Then will I pluck them up by the roots out of my land which I have given them; and this house, which I have sanctified for my name, will I cast out of my sight, and will make it to be a proverb and a byword among all nations.
20. je vous arracherai de mon pays que je vous ai donné, je rejetterai loin de moi cette maison que j`ai consacrée à mon nom, et j`en ferai un sujet de sarcasme et de raillerie parmi tous les peuples.
20. Dia hongotako amin' ny tany izay nomeko azy izy ireo, ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an' ny anarako ity sady hataoko ho ohabolana sy ambentinteny any amin' ny firenena rehetra.
21. And this house, which is high, shall be an astonishment to every one that passeth by it; so that he shall say, Why hath the LORD done thus unto this land, and unto this house?
21. Et si haut placée qu`ait été cette maison, quiconque passera près d`elle sera dans l`étonnement, et dira: Pourquoi l`Éternel a-t-il ainsi traité ce pays et cette maison?
21. Ary ity trano, izay avo ity, dia ho fitalanjonan' izay rehetra mandalo azy ka hataony hoe: Naninona re no dia nataon' i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?
22. And it shall be answered, Because they forsook the LORD God of their fathers, which brought them forth out of the land of Egypt, and laid hold on other gods, and worshipped them, and served them: therefore hath he brought all this evil upon them.
22. "Et l`on répondra: Parce qu`ils ont abandonné l`Éternel, le Dieu de leurs pères, qui les a fait sortir du pays d`Égypte, parce qu`ils se sont attachés à d`autres dieux, se sont prosternés devant eux et les ont servis; voilà pourquoi il a fait venir sur eux tous ces maux."
22. Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy an' i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta izy, ka nikikitra tamin' andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy.
<
>