Manasseh King of Judah
1. Manasseh was twelve years old when he began to reign, and he reigned fifty and five years in Jerusalem:
1. Manassé avait douze ans lorsqu`il devint roi, et il régna cinquante-cinq ans à Jérusalem.
1. Roa ambin' ny folo taona Manase fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimampolo taona no nanjakany tany Jerosalema.
2. But did that which was evil in the sight of the LORD, like unto the abominations of the heathen, whom the LORD had cast out before the children of Israel.
2. Il fit ce qui est mal aux yeux de l`Éternel, selon les abominations des nations que l`Éternel avait chassées devant les enfants d`Israël.
2. Fa nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan' ny jentilisa izay noroahin' i Jehovah tsy ho eo anoloan' ny Zanak' Isiraely.
3. For he built again the high places which Hezekiah his father had broken down, and he reared up altars for Baalim, and made groves, and worshipped all the host of heaven, and served them.
3. "Il rebâtit les hauts lieux qu`Ézéchias, son père, avait renversés; il éleva des autels aux Baals, il fit des idoles d`Astarté, et il se prosterna devant toute l`armée des cieux et la servit."
3. Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay efa noravan' i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an' ireo Bala izy sady nanao Aseraha sy niankohoka teo anatrehan' izay rehetra eny amin' ny lanitra ka nanompo azy,
4. Also he built altars in the house of the LORD, whereof the LORD had said, In Jerusalem shall my name be for ever.
4. Il bâtit des autels dans la maison de l`Éternel, quoique l`Éternel eût dit: C`est dans Jérusalem que sera mon nom à perpétuité.
4. Sady nanorina alitara tao an-tranon' i Jehovah koa izy, dia tao amin' ilay nolazain' i Jehovah hoe: any Jerosalema no hitoeran' ny anarako mandrakizay.
5. And he built altars for all the host of heaven in the two courts of the house of the LORD.
5. Il bâtit des autels à toute l`armée des cieux dans les deux parvis de la maison de l`Éternel.
5. Ary nanao alitara teo anatin' ny kianja roa amin' ny tranon' i Jehovah izy ho an' izay rehetra eny amin' ny lanitra.
6. And he caused his children to pass through the fire in the valley of the son of Hinnom: also he observed times, and used enchantments, and used witchcraft, and dealt with a familiar spirit, and with wizards: he wrought much evil in the sight of the LORD, to provoke him to anger.
6. "Il fit passer ses fils par le feu dans la vallée des fils de Hinnom; il observait les nuages et les serpents pour en tirer des pronostics, il s`adonnait à la magie, et il établit des gens qui évoquaient les esprits et qui prédisaient l`avenir. Il fit de plus en plus ce qui est mal aux yeux de l`Éternel, afin de l`irriter."
6. "Ary ny zanany nampamakiny ny afo teo an-dohasahan' ny taranak' i Hinoma; ary izy koa dia nanandro sy nanao sikidy sy nanao ody ratsy ary nifampikasoka tamin' ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao majia, dia nahery nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy."
7. And he set a carved image, the idol which he had made, in the house of God, of which God had said to David and to Solomon his son, In this house, and in Jerusalem, which I have chosen before all the tribes of Israel, will I put my name for ever:
7. Il plaça l`image taillée de l`idole qu`il avait faite dans la maison de Dieu, de laquelle Dieu avait dit à David et à Salomon, son fils: C`est dans cette maison, et c`est dans Jérusalem que j`ai choisie parmi toutes les tribus d`Israël, que je veux à toujours placer mon nom.
7. "Ary nametraka sarin-javatra voasokitra izy, dia sampy izay nataony tao an-tranon' Andriamanitra, ilay nolazain' Andriamanitra tamin' i Davida sy Solomona zanany hoe: Eto amin' ity trano ity sy eto Jerosalema izay nofidiko tamin' ireo fokon' ny Isiraely rehetra no hasiako ny anarako mandrakizay;"
8. Neither will I any more remove the foot of Israel from out of the land which I have appointed for your fathers; so that they will take heed to do all that I have commanded them, according to the whole law and the statutes and the ordinances by the hand of Moses.
8. Je ne ferai plus sortir Israël du pays que j`ai destiné à vos pères, pourvu seulement qu`ils aient soin de mettre en pratique tout ce que je leur ai commandé, selon toute la loi, les préceptes et les ordonnances prescrits par Moïse.
8. Ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin' ny tany izay efa notendreko ho an' ny razanareo Aho, raha mba hitandrina koa izy ka hanao araka izay rehetra nandidiako azy, dia araka ny lalàna rehetra sy ny didy ary ny fitsipika izay nampilazaina an' i Mosesy.
9. So Manasseh made Judah and the inhabitants of Jerusalem to err, and to do worse than the heathen, whom the LORD had destroyed before the children of Israel.
9. Mais Manassé fut cause que Juda et les habitants de Jérusalem s`égarèrent et firent le mal plus que les nations que l`Éternel avait détruites devant les enfants d`Israël.
9. Kanjo nampivily ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema i Manase mba hanao ratsy mihoatra noho ny jentilisa izay naringan' i Jehovah tsy ho eo anoloan' ny zanak' Isiraely.
10. And the LORD spake to Manasseh, and to his people: but they would not hearken.
10. L`Éternel parla à Manassé et à son peuple, et ils n`y firent point attention.
10. Ary Jehovah niteny tamin' i Manase sy ny vahoakany, nefa tsy nety nihaino izy.
11. Wherefore the LORD brought upon them the captains of the host of the king of Assyria, which took Manasseh among the thorns, and bound him with fetters, and carried him to Babylon.
11. "Alors l`Éternel fit venir contre eux les chefs de l`armée du roi d`Assyrie, qui saisirent Manassé et le mirent dans les fers; ils le lièrent avec des chaînes d`airain, et le menèrent à Babylone."
11. Dia nentin' i Jehovah hamely azy ny komandin' ny miaramilan' ny mpanjakan' i Asyria, dia nosamborin' ireo Manase ka nasiany masom-by sady nogadrainy gadra varahina ary nentiny ho any Babylona.
12. And when he was in affliction, he besought the LORD his God, and humbled himself greatly before the God of his fathers,
12. Lorsqu`il fut dans la détresse, il implora l`Éternel, son Dieu, et il s`humilia profondément devant le Dieu de ses pères.
12. Ary nony azom-pahoriana mafy izy, dia nifona tamin' i Jehovah Andriamaniny sady nanetry tena indrindra teo anatrehan' Andriamanitry ny razany,
13. And prayed unto him: and he was intreated of him, and heard his supplication, and brought him again to Jerusalem into his kingdom. Then Manasseh knew that the LORD he was God.
13. "Il lui adressa ses prières; et l`Éternel, se laissant fléchir, exauça ses supplications, et le ramena à Jérusalem dans son royaume. Et Manassé reconnut que l`Éternel est Dieu."
13. "Ka nivavaka taminy ; ary Jehovah nanaiky ka nihaino ny fifonany, dia nampody azy ho any Jerosalema indray ho any amin' ny fanjakany. Ka dia fantatr' i Manase fa Jehovah no Andriamanitra."
14. Now after this he built a wall without the city of David, on the west side of Gihon, in the valley, even to the entering in at the fish gate, and compassed about Ophel, and raised it up a very great height, and put captains of war in all the fenced cities of Judah.
14. "Après cela, il bâtit en dehors de la ville de David, à l`occident, vers Guihon dans la vallée, un mur qui se prolongeait jusqu`à la porte des poissons et dont il entoura la colline, et il s`éleva à une grande hauteur; il mit aussi des chefs militaires dans toutes les villes fortes de Juda."
14. "Ary rehefa afaka izany dia nanao manda teo ivelan' ny Tanànan' i Davida izy, dia teo andrefan' i Gihona, eo an-dohasaha amin' ny fidirana eo amin' ny vavahadin-kazandrano, ary nataony manodidina an' i Ofela sady nataony avo dia avo; ary nanendry komandin' ny miaramila ho amin' ny tanàna mimanda rehetra any Joda izy."
15. And he took away the strange gods, and the idol out of the house of the LORD, and all the altars that he had built in the mount of the house of the LORD, and in Jerusalem, and cast them out of the city.
15. "Il fit disparaître de la maison de l`Éternel les dieux étrangers et l`idole, et il renversa tous les autels qu`il avait bâtis sur la montagne de la maison de l`Éternel et à Jérusalem; et il les jeta hors de la ville."
15. Dia nesoriny ireo andriamani-kafa sy ny sampy tao an-tranon' i Jehovah mbamin' ny alitara rehetra izay efa naoriny teo an-tendrombohitry ny tranon' i Jehovah sy tany Jerosalema ka nariany teny ivelan' ny tanàna.
16. And he repaired the altar of the LORD, and sacrificed thereon peace offerings and thank offerings, and commanded Judah to serve the LORD God of Israel.
16. Il rétablit l`autel de l`Éternel et y offrit des sacrifices d`actions de grâces et de reconnaissance, et il ordonna à Juda de servir l`Éternel, le Dieu d`Israël.
16. Ary nanorina indray ny alitaran' i Jehovah izy ka namono zavatra hatao fanati-pihavanana sy fanati-pisaorana teo amboniny, dia nandidy ny Joda hanompo an' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
17. Nevertheless the people did sacrifice still in the high places, yet unto the LORD their God only.
17. Le peuple sacrifiait bien encore sur les hauts lieux, mais seulement à l`Éternel, son Dieu.
17. Fa ny olona mbola nanao fanatitra teny amin' ny fitoerana avo ihany, kanefa kosa ho an' i Jehovah Andriamaniny ihany.
18. Now the rest of the acts of Manasseh, and his prayer unto his God, and the words of the seers that spake to him in the name of the LORD God of Israel, behold, they are written in the book of the kings of Israel.
18. Le reste des actions de Manassé, sa prière à son Dieu, et les paroles des prophètes qui lui parlèrent au nom de l`Éternel, le Dieu d`Israël, cela est écrit dans les actes des rois d`Israël.
18. Ary ny asan' i Manase sisa mbamin' ny vavaka nataony tamin' Andriamaniny sy ny tenin' ireo mpahita izay niteny taminy tamin' ny anaran' i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, indro, efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny mpanjakan' ny Isiraely ireo.
19. His prayer also, and how God was intreated of him, and all his sins, and his trespass, and the places wherein he built high places, and set up groves and graven images, before he was humbled: behold, they are written among the sayings of the seers.
19. Sa prière et la manière dont Dieu l`exauça, ses péchés et ses infidélités, les places où il bâtit des hauts lieux et dressa des idoles et des images taillées avant de s`être humilié, cela est écrit dans le livre de Hozaï.
19. "Ary koa ny vavaka nataony sy ny naneken' Andriamanitra izany ary ny fahotany sy ny fahadisoany rehetra mbamin' ny toerana izay nanorenany fitoerana avo sy nananganany Aseraha sy sarin-javatra voasokitra, talohan' ny nanetreny tena; indreo efa voasoratra ao amin' ny tenin' ny mpahita ireo."
20. So Manasseh slept with his fathers, and they buried him in his own house: and Amon his son reigned in his stead.
20. Manassé se coucha avec ses pères, et on l`enterra dans sa maison. Et Amon, son fils, régna à sa place.
20. "Ary Manase lasa nodimandry any amin' ny razany, dia nalevina tao an-tranony; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy."
Amon king of Judah
21. Amon was two and twenty years old when he began to reign, and reigned two years in Jerusalem.
21. Amon avait vingt-deux ans lorsqu`il devint roi, et il régna deux ans à Jérusalem.
21. Roa amby roapolo taona Amona, fony izy vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema.
22. But he did that which was evil in the sight of the LORD, as did Manasseh his father: for Amon sacrificed unto all the carved images which Manasseh his father had made, and served them;
22. "Il fit ce qui est mal aux yeux de l`Éternel, comme avait fait Manassé, son père; il sacrifia à toutes les images taillées qu`avait faites Manassé, son père, et il les servit;"
22. "Fa nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah tahaka ny nataon' i Manase rainy ihany izy; fa ny sarin-javatra voasokitra rehetra nataon' i Manase rainy, dia nanaovan' i Amona fanatitra ka notompoiny."
23. And humbled not himself before the LORD, as Manasseh his father had humbled himself; but Amon trespassed more and more.
23. et il ne s`humilia pas devant l`Éternel, comme s`était humilié Manassé, son père, car lui, Amon, se rendit de plus en plus coupable.
23. Ary tsy nanetry tena teo anatrehan' i Jehovah tahaka ny nanetren' i Manase rainy ny tenany izy, fa Amona dia nanota bebe kokoa.
24. And his servants conspired against him, and slew him in his own house.
24. Ses serviteurs conspirèrent contre lui, et le firent mourir dans sa maison.
24. Dia nikomy taminy ny mpanompony ka namono azy tao an-tranony.
25. But the people of the land slew all them that had conspired against king Amon; and the people of the land made Josiah his son king in his stead.
25. "Mais le peuple du pays frappa tous ceux qui avaient conspiré contre le roi Amon; et le peuple du pays établit roi Josias, son fils, à sa place."
25. "Fa ny vahoaka kosa namono izay rehetra efa nikomy tamin' i Amona mpanjaka; dia nampanjaka an' i Josia zanany hisolo azy ny vahoaka amin' ny tany."