1. Now when all this was finished, all Israel that were present went out to the cities of Judah, and brake the images in pieces, and cut down the groves, and threw down the high places and the altars out of all Judah and Benjamin, in Ephraim also and Manasseh, until they had utterly destroyed them all. Then all the children of Israel returned, every man to his possession, into their own cities.
1. Lorsque tout cela fut terminé, tous ceux d`Israël qui étaient présents partirent pour les villes de Juda, et ils brisèrent les statues, abattirent les idoles, et renversèrent entièrement les hauts lieux et les autels dans tout Juda et Benjamin et dans Éphraïm et Manassé. Puis tous les enfants d`Israël retournèrent dans leurs villes, chacun dans sa propriété.
1. Ary nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany an-tanànan' ny Joda ny Isiraely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangambaton-tsampy sy nikapa ny Aseraha ary nandrava ny fitoerana avo sy ny alitara eran' i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Dia samy nody ho any amin' ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak' Isiraely rehetra.

Contributions for Worship

2. And Hezekiah appointed the courses of the priests and the Levites after their courses, every man according to his service, the priests and Levites for burnt offerings and for peace offerings, to minister, and to give thanks, and to praise in the gates of the tents of the LORD.
2. Ézéchias rétablit les classes des sacrificateurs et des Lévites d`après leurs divisions, chacun selon ses fonctions, sacrificateurs et Lévites, pour les holocaustes et les sacrifices d`actions de grâces, pour le service, pour les chants et les louanges, aux portes du camp de l`Éternel.
2. Ary Hezekia nanendry ny antokon' ny mpisorona sy ny Levita araka ny antokony avy, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita ho amin' ny fanatitra dorana sy fanati-pihavanana, hanao ny asa fanompoana sy hisaotra ary hidera eny amin' ny vavahadin' ny tobin' i Jehovah.
3. He appointed also the king's portion of his substance for the burnt offerings, to wit, for the morning and evening burnt offerings, and the burnt offerings for the sabbaths, and for the new moons, and for the set feasts, as it is written in the law of the LORD.
3. Le roi donna une portion de ses biens pour les holocaustes, pour les holocaustes du matin et du soir, et pour les holocaustes des sabbats, des nouvelles lunes et des fêtes, comme il est écrit dans la loi de l`Éternel.
3. Notendreny koa ny anjaran' ny mpanjaka avy tamin' ny fananany ho amin' ny fanatitra dorana, dia ny amin' ny fanatitra dorana maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana atao amin' ireo sabata sy amin' ny voaloham-bolana sy ny andro firavoravoana voatendry, araka ny voasoratra ao amin' ny lalàn' i Jehovah.
4. Moreover he commanded the people that dwelt in Jerusalem to give the portion of the priests and the Levites, that they might be encouraged in the law of the LORD.
4. Et il dit au peuple, aux habitants de Jérusalem, de donner la portion des sacrificateurs et des Lévites, afin qu`ils observassent fidèlement la loi de l`Éternel.
4. Ary ny olona izay nonina tany Jerosalema koa dia nasainy nandoa ny anjaran' ny mpisorona sy ny Levita, mba hampaherezina ao amin' ny lalàn' i Jehovah ireo.
5. And as soon as the commandment came abroad, the children of Israel brought in abundance the firstfruits of corn, wine, and oil, and honey, and of all the increase of the field; and the tithe of all things brought they in abundantly.
5. "Lorsque la chose fut répandue, les enfants d`Israël donnèrent en abondance les prémices du blé, du moût, de l`huile, du miel, et de tous les produits des champs; ils apportèrent aussi en abondance la dîme de tout."
5. Ary raha vao niely izany didy izany dia nitondra be dia be ny voaloham-bokatra ny Zanak' Isiraely, dia ny varimbazaha sy ny divay sy ny diloilo sy ny tantely ary ny vokatry ny saha rehetra ary ny ampahafolon' ny zavatra rehetra dia betsaka koa no nentiny.
6. And concerning the children of Israel and Judah, that dwelt in the cities of Judah, they also brought in the tithe of oxen and sheep, and the tithe of holy things which were consecrated unto the LORD their God, and laid them by heaps.
6. De même, les enfants d`Israël et de Juda qui demeuraient dans les villes de Juda donnèrent la dîme du gros et du menu bétail, et la dîme des choses saintes qui étaient consacrées à l`Éternel, leur Dieu, et dont on fit plusieurs tas.
6. Ary ny amin' ny taranak' Isiraely sy ny Joda, izay nonina tany an-tanànan' ny Joda, dia nitondra ny ampahafolon' ny omby sy ny ondry koa, ary ny ampahafolon' ny zavatra masina izay nohamasinina ho an' i Jehovah Andriamaniny, ary navosany nitokotoko maro ireny.
7. In the third month they began to lay the foundation of the heaps, and finished them in the seventh month.
7. On commença à former les tas au troisième mois, et l`on acheva au septième mois.
7. Tamin' ny volana fahatelo no nanomboka nanokotoko azy izy, ary tamin' ny volana fahafito no nahavitany azy.
8. And when Hezekiah and the princes came and saw the heaps, they blessed the LORD, and his people Israel.
8. Ézéchias et les chefs vinrent voir les tas, et ils bénirent l`Éternel et son peuple d`Israël.
8. Ary nony avy Hezekia sy ny mpanapaka ka nahita ireo antontany ireo dia nisaotra an' i Jehovah sy ny Isiraely olony izy.
9. Then Hezekiah questioned with the priests and the Levites concerning the heaps.
9. Et Ézéchias interrogea les sacrificateurs et les Lévites au sujet de ces tas.
9. Ary nanontany ny mpisorona sy ny Levita i Hezekia ny amin' ireo antontany ireo.
10. And Azariah the chief priest of the house of Zadok answered him, and said, Since the people began to bring the offerings into the house of the LORD, we have had enough to eat, and have left plenty: for the LORD hath blessed his people; and that which is left is this great store.
10. "Alors le souverain sacrificateur Azaria, de la maison de Tsadok, lui répondit: Depuis qu`on a commencé d`apporter les offrandes dans la maison de l`Éternel, nous avons mangé, nous nous sommes rassasiés, et nous en avons beaucoup laissé, car l`Éternel a béni son peuple; et voici la grande quantité qu`il y a de reste."
10. "Ary Azaria mpisoronabe, taranak' i Zadoka namaly azy ka nanao hoe: Hatramin' ny niandohan' ny nitondran' ny olona ny fanatitra ho ao an-tranon' i Jehovah dia nihinana izahay ka voky, ary be ny sisa; fa Jehovah nitahy ny olony; ary ny sisa dia ireo betsaka ireo."
11. Then Hezekiah commanded to prepare chambers in the house of the LORD; and they prepared them,
11. "Ézéchias donna l`ordre de préparer des chambres dans la maison de l`Éternel; et on les prépara."
11. Dia nasain' i Hezekia nanamboarana trano fitahirizana tao an-tranon' i Jehovah, ka nanamboatra izany ireo.
12. And brought in the offerings and the tithes and the dedicated things faithfully: over which Cononiah the Levite was ruler, and Shimei his brother was the next.
12. On y apporta fidèlement les offrandes, la dîme, et les choses saintes. Le Lévite Conania en eut l`intendance, et son frère Schimeï était en second.
12. "Ary tamin' ny fahamarinana no nampidirany ny fanatitra sy ny ampahafolony sy ny zavatra nohamasinina; ary Konania Levita no mpitahiry ireny, ary Simey rahalahiny no manarakaraka."
13. And Jehiel, and Azaziah, and Nahath, and Asahel, and Jerimoth, and Jozabad, and Eliel, and Ismachiah, and Mahath, and Benaiah, were overseers under the hand of Cononiah and Shimei his brother, at the commandment of Hezekiah the king, and Azariah the ruler of the house of God.
13. Jehiel, Azazia, Nachath, Asaël, Jerimoth, Jozabad, Éliel, Jismakia, Machath et Benaja étaient employés sous la direction de Conania et de son frère Schimeï, d`après l`ordre du roi Ézéchias, et d`Azaria, chef de la maison de Dieu.
13. Ary Jehiela sy Azaria sy Nahata sy Asahela sy Jerimota sy ny Jozabada sy Eliala sy Jismakia sy Mahata ary Benaia, dia mpanaramaso teo ambany fitantanan' i Konania sy Simey rahalahiny, araka ny didin' i Hezekia, mpanjaka sy Azaria mpanapaka ny tranon' Andriamanitra.
14. And Kore the son of Imnah the Levite, the porter toward the east, was over the freewill offerings of God, to distribute the oblations of the LORD, and the most holy things.
14. Le Lévite Koré, fils de Jimna, portier de l`orient, avait l`intendance des dons volontaires faits à Dieu, pour distribuer ce qui était présenté à l`Éternel par élévation et les choses très saintes.
14. Ary Kore Levita, zanak' i Jimna, mpiandry varavarana tao atsinanana, no tonian' ny fanati-tsitrapo ho an' Andriamanitra, hizara ny fanatitra asandratra ho an' i Jehovah sy ny zava-masina indrindra.
15. And next him were Eden, and Miniamin, and Jeshua, and Shemaiah, Amariah, and Shecaniah, in the cities of the priests, in their set office, to give to their brethren by courses, as well to the great as to the small:
15. Dans les villes sacerdotales, Éden, Minjamin, Josué, Schemaeja, Amaria et Schecania étaient placés sous sa direction pour faire fidèlement les distributions à leurs frères, grands et petits, selon leurs divisions:
15. "Ary manarakaraka azy dia Edena sy Miniamina sy Jesoa sy Semaia sy Amaria ary Sekania tao amin' ny tanànan' ny mpisorona; ary adidin' ireo ny hizara ho an' ny rahalahiny araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely."
16. Beside their genealogy of males, from three years old and upward, even unto every one that entereth into the house of the LORD, his daily portion for their service in their charges according to their courses;
16. "aux mâles enregistrés depuis l`âge de trois ans et au-dessus; à tous ceux qui entraient journellement dans la maison de l`Éternel pour faire leur service selon leurs fonctions et selon leurs divisions;"
16. Afa-tsy ny lehilahy voasoratra hatramin' ny telo taona no ho miakatra, dia izay rehetra miditra ao an-tranon' i Jehovah handray ny anjarany isan' andro noho ny fanompoany amin' ny anjara-raharahany araka ny antokony avy.
17. Both to the genealogy of the priests by the house of their fathers, and the Levites from twenty years old and upward, in their charges by their courses;
17. "aux sacrificateurs enregistrés d`après leurs maisons paternelles, et aux Lévites de vingt ans et au-dessus, selon leurs fonctions et selon leurs divisions;"
17. Ary ny amin' ny fanoratana ny mpisorona koa, dia nosoratana araka ny fianakaviany avy, ary ny Levita koa hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny anjara-raharahany sy ny antokony avy.
18. And to the genealogy of all their little ones, their wives, and their sons, and their daughters, through all the congregation: for in their set office they sanctified themselves in holiness:
18. à ceux de toute l`assemblée enregistrés avec tous leurs petits enfants, leurs femmes, leurs fils et leurs filles, car ils se consacraient fidèlement au service du sanctuaire.
18. "Ary nomena koa ny zaza madinika rehetra, izay voasoratra, dia ny vadiny mbamin' ny zanany lahy sy ny zanany vavy, teo amin' ny fiangonana rehetra; fa tamin' ny fahamasinana no nanamasinany ny tenany teo amin' ny raharahany."
19. Also of the sons of Aaron the priests, which were in the fields of the suburbs of their cities, in every several city, the men that were expressed by name, to give portions to all the males among the priests, and to all that were reckoned by genealogies among the Levites.
19. Et pour les fils d`Aaron, les sacrificateurs, qui demeuraient à la campagne dans les banlieues de leurs villes, il y avait dans chaque ville des hommes désignés par leurs noms pour distribuer les portions à tous les mâles des sacrificateurs et à tous les Lévites enregistrés.
19. Ary ho an' ny mpisorona, zanak' i Arona koa, izay teny an-tsaha tany amin' ny zana-bohitry ny tanànany, amin' ny tanànany rehetra, dia ny lehilahy voatonona anarana no manome anjara ny lehilahy rehetra amin' ny mpisorona sy izay rehetra voasoratra ho anisan' ny Levita.
20. And thus did Hezekiah throughout all Judah, and wrought that which was good and right and truth before the LORD his God.
20. "Voilà ce que fit Ézéchias dans tout Juda; il fit ce qui est bien, ce qui est droit, ce qui est vrai, devant l`Éternel, son Dieu."
20. "Ary toy izany no nataon' i Hezekia eran' ny Joda rehetra; fa nanao izay tsara sy mety ary marina eo anatrehan' i Jehovah Andriamaniny izy."
21. And in every work that he began in the service of the house of God, and in the law, and in the commandments, to seek his God, he did it with all his heart, and prospered.
21. Il agit de tout son coeur, et il réussit dans tout ce qu`il entreprit, en recherchant son Dieu, pour le service de la maison de Dieu, pour la loi et pour les commandements.
21. Ary ny raharaha rehetra izay natombony ny amin' ny fanompoana ao an-tranon' Andriamanitra sy ny lalàna ary ny didy hitadiavana an' Andriamaniny dia nataony tamin' ny fony rehetra, ka nambinina izy.
<
>