Hezekiah Purifies the Temple

1. Hezekiah began to reign when he was five and twenty years old, and he reigned nine and twenty years in Jerusalem. And his mother's name was Abijah, the daughter of Zechariah.
1. Ézéchias devint roi à l`âge de vingt-cinq ans, et il régna vingt-neuf ans à Jérusalem. Sa mère s`appelait Abija, fille de Zacharie.
1. Dimy amby roapolo taona Hezekia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Abia, zanakavavin' i Zakaria.
2. And he did that which was right in the sight of the LORD, according to all that David his father had done.
2. Il fit ce qui est droit aux yeux de l`Éternel, entièrement comme avait fait David, son père.
2. Ary nanao izay mahitsy eo imason' i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon' i Davida rainy.
3. He in the first year of his reign, in the first month, opened the doors of the house of the LORD, and repaired them.
3. La première année de son règne, au premier mois, il ouvrit les portes de la maison de l`Éternel, et il les répara.
3. Tamin' ny volana voalohany tamin' ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran' ny tranon' i Jehovah izy ka namboatra azy.
4. And he brought in the priests and the Levites, and gathered them together into the east street,
4. Il fit venir les sacrificateurs et les Lévites, qu`il assembla dans la place orientale,
4. Ary dia nampidiriny tao ny mpisorona sy ny Levita ka nangoniny teo an-dalambe atsinanana.
5. And said unto them, Hear me, ye Levites, sanctify now yourselves, and sanctify the house of the LORD God of your fathers, and carry forth the filthiness out of the holy place.
5. et il leur dit: Écoutez-moi, Lévites! Maintenant sanctifiez-vous, sanctifiez la maison de l`Éternel, le Dieu de vos pères, et mettez ce qui est impur hors du sanctuaire.
5. Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa ny tranon' i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin' ny fitoerana masina ny loto.
6. For our fathers have trespassed, and done that which was evil in the eyes of the LORD our God, and have forsaken him, and have turned away their faces from the habitation of the LORD, and turned their backs.
6. Car nos pères ont péché, ils ont fait ce qui est mal aux yeux de l`Éternel, notre Dieu, ils l`ont abandonné, ils ont détourné leurs regards du tabernacle de l`Éternel et lui ont tourné le dos.
6. Fa ny razantsika nanao fahadisoana sy nanao ratsy teo imason' i Jehovah Andriamanitsika ary nahafoy Azy sy nihodina ka niamboho ny fonenan' i Jehovah.
7. Also they have shut up the doors of the porch, and put out the lamps, and have not burned incense nor offered burnt offerings in the holy place unto the God of Israel.
7. Ils ont même fermé les portes du portique et éteint les lampes, et ils n`ont offert au Dieu d`Israël ni parfums ni holocaustes dans le sanctuaire.
7. Ary narindriny ny varavarana amin' ny lavarangana fidirana, ka novonoiny ny jiro, sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary ny fanatitra dorana tsy nateriny tao amin' ny fitoerana masina ho an' Andriamanitry ny Isiraely.
8. Wherefore the wrath of the LORD was upon Judah and Jerusalem, and he hath delivered them to trouble, to astonishment, and to hissing, as ye see with your eyes.
8. Aussi la colère de l`Éternel a été sur Juda et sur Jérusalem, et il les a livrés au trouble, à la désolation et à la moquerie, comme vous le voyez de vos yeux.
8. Ka dia nihatra tamin' ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran' i Jehovah, ka nanolotra azy ho amin' ny fahoriana Izy sy ho figagana ary ho zavatra mampisitrisitra toy izao hitan' ny masonareo izao.
9. For, lo, our fathers have fallen by the sword, and our sons and our daughters and our wives are in captivity for this.
9. Et voici, à cause de cela nos pères sont tombés par l`épée, et nos fils, nos filles et nos femmes sont en captivité.
9. Fa he! lavon' ny sabatra ny razantsika, ary ny zanakalahin-tsika sy ny zanakavavintsika sy ny vadintsika dia efa babo noho izany.
10. Now it is in mine heart to make a covenant with the LORD God of Israel, that his fierce wrath may turn away from us.
10. J`ai donc l`intention de faire alliance avec l`Éternel, le Dieu d`Israël, pour que son ardente colère se détourne de nous.
10. Ka dia efa mby ato am-poko ny hanao fanekena amin' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra.
11. My sons, be not now negligent: for the LORD hath chosen you to stand before him, to serve him, and that ye should minister unto him, and burn incense.
11. "Maintenant, mes fils, cessez d`être négligents; car vous avez été choisis par l`Éternel pour vous tenir à son service devant lui, pour être ses serviteurs, et pour lui offrir des parfums."
11. Ry zanako, aza manao tsirambina ianareo, fa Jehovah no efa nifidy anareo hijanona eo anatrehany hanompo Azy, ka hanao ny asa fanompoana sy handoro ditin-kazo manitra.
12. Then the Levites arose, Mahath the son of Amasai, and Joel the son of Azariah, of the sons of the Kohathites: and of the sons of Merari, Kish the son of Abdi, and Azariah the son of Jehalelel: and of the Gershonites; Joah the son of Zimmah, and Eden the son of Joah:
12. "Et les Lévites se levèrent: Machath, fils d`Amasaï, Joël, fils d`Azaria, des fils des Kehathites; et des fils des Merarites, Kis, fils d`Abdi, Azaria, fils de Jehalléleel; et des Guerschonites, Joach, fils de Zimma, Éden, fils de Joach;"
12. "Dia nitsangana ny Levita, dia Mahata, zanak' i Amasay, sy Joela, zanak' i Azaria, tamin' ny taranak' i Kehata; ary tamin' ny taranak' i Merary dia Kisy, zanak' i Abdia, sy Azaria, zanak' i Jehalalila; ary tamin' ny Gersonita dia Joa, zanak' i Zima, sy Edena, zanak' i Joa;"
13. And of the sons of Elizaphan; Shimri, and Jeiel: and of the sons of Asaph; Zechariah, and Mattaniah:
13. "et des fils d`Élitsaphan, Schimri et Jeïel; et des fils d`Asaph, Zacharie et Matthania;"
13. "Ary tamin' ny taranak' i Elizafana dia Simry sy Jeiela; ary tamin' ny taranak' i Asafa dia Zakaria sy Matania;"
14. And of the sons of Heman; Jehiel, and Shimei: and of the sons of Jeduthun; Shemaiah, and Uzziel.
14. "et des fils d`Héman, Jehiel et Schimeï; et des fils de Jeduthun, Schemaeja et Uzziel."
14. "Ary tamin' ny taranak' i Hemana dia Jehiela sy Simey; ary tamin' ny taranak' i Jedotona dia Semaia sy Oziela."
15. And they gathered their brethren, and sanctified themselves, and came, according to the commandment of the king, by the words of the LORD, to cleanse the house of the LORD.
15. Ils réunirent leurs frères, et, après s`être sanctifiés, ils vinrent pour purifier la maison de l`Éternel, selon l`ordre du roi et d`après les paroles de l`Éternel.
15. Ary namory ny rahalahiny izy, ka dia samy nanamasina ny tenany avy, dia tonga araka ny didin' ny mpanjaka noho ny tenin' i Jehovah mba hanadio ny tranon' i Jehovah.
16. And the priests went into the inner part of the house of the LORD, to cleanse it, and brought out all the uncleanness that they found in the temple of the LORD into the court of the house of the LORD. And the Levites took it, to carry it out abroad into the brook Kidron.
16. "Les sacrificateurs entrèrent dans l`intérieur de la maison de l`Éternel pour la purifier; ils sortirent toutes les impuretés qu`ils trouvèrent dans le temple de l`Éternel et les mirent dans le parvis de la maison de l`Éternel, où les Lévites les reçurent pour les emporter dehors au torrent de Cédron."
16. Ary niditra tao amin' ny efitra anatiny amin' ny tranon' i Jehovah ny mpisorona mba hanadio azy, ka navoakany ny loto rehetra hitany tao an-tempolin' i Jehovah ho eo an-kianjan' ny tranon' i Jehovah. Ary nalain' ny Levita izany ka nentiny any ivelany any amin' ny sakelidranon' i Kidrona.
17. Now they began on the first day of the first month to sanctify, and on the eighth day of the month came they to the porch of the LORD: so they sanctified the house of the LORD in eight days; and in the sixteenth day of the first month they made an end.
17. "Ils commencèrent ces purifications le premier jour du premier mois; le huitième jour du mois, ils entrèrent dans le portique de l`Éternel, et ils mirent huit jours à purifier la maison de l`Éternel; le seizième jour du premier mois, ils avaient achevé."
17. "Ary tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana voalohany no nanomboka ny fanamasinana izy, ary tamin' ny andro fahavalo tamin' io volana io dia niditra teo amin' ny lavarangana fidirana an' i Jehovah izy; ka dia nanamasina ny tranon' i Jehovah tamin' ny havaloana izy; ary tamin' ny andro fahenina ambin' ny folo tamin' ny volana voalohany no nahavitany azy."
18. Then they went in to Hezekiah the king, and said, We have cleansed all the house of the LORD, and the altar of burnt offering, with all the vessels thereof, and the shewbread table, with all the vessels thereof.
18. Ils se rendirent ensuite chez le roi Ézéchias, et dirent: Nous avons purifié toute la maison de l`Éternel, l`autel des holocaustes et tous ses ustensiles, et la table des pains de proposition et tous ses ustensiles.
18. Dia niditra tao amin' i Hezekia mpanjaka izy ka nanao hoe: Efa voadionay avokoa ny tranon' i Jehovah sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin' ny fanaka rehetra momba azy ary ny latabatry ny mofo aseho mbamin' ny fanaka rehetra momba azy.
19. Moreover all the vessels, which king Ahaz in his reign did cast away in his transgression, have we prepared and sanctified, and, behold, they are before the altar of the LORD.
19. Nous avons remis en état et purifié tous les ustensiles que le roi Achaz avait profanés pendant son règne, lors de ses transgressions: ils sont devant l`autel de l`Éternel.
19. Ary koa ny fanaka rehetra izay narian' i Ahaza mpanjaka tamin' ny nivadihany, fony izy nanjaka, dia efa namboarinay sy nohamasininay, koa, indreo, eo anoloan' ny alitaran' i Jehovah ireo.
20. Then Hezekiah the king rose early, and gathered the rulers of the city, and went up to the house of the LORD.
20. Le roi Ézéchias se leva de bon matin, assembla les chefs de la ville, et monta à la maison de l`Éternel.
20. Dia nifoha maraina koa Hezekia mpanjaka ka namory ny mpanapaka ny tanàna, dia niakatra ho ao an-tranon' i Jehovah.
21. And they brought seven bullocks, and seven rams, and seven lambs, and seven he goats, for a sin offering for the kingdom, and for the sanctuary, and for Judah. And he commanded the priests the sons of Aaron to offer them on the altar of the LORD.
21. Ils offrirent sept taureaux, sept béliers, sept agneaux et sept boucs, en sacrifice d`expiation pour le royaume, pour le sanctuaire, et pour Juda. Le roi ordonna aux sacrificateurs, fils d`Aaron, de les offrir sur l`autel de l`Éternel.
21. Ary nitondra vantotr' ombilahy fito sy ondrilahy fito sy zanak' ondry fito izy ary osilahy fito ho fanatitra noho ny ota ho an' ny fanjakana sy ho an' ny fitoerana masina ary ho an' ny Joda. Ary ny mpisorona, taranak' i Arona, dia nasainy nanatitra ireo teo ambonin' ny alitaran' i Jehovah.
22. So they killed the bullocks, and the priests received the blood, and sprinkled it on the altar: likewise, when they had killed the rams, they sprinkled the blood upon the altar: they killed also the lambs, and they sprinkled the blood upon the altar.
22. "Les sacrificateurs égorgèrent les boeufs, et reçurent le sang, qu`ils répandirent sur l`autel; ils égorgèrent les béliers, et répandirent le sang sur l`autel; ils égorgèrent les agneaux, et répandirent le sang sur l`autel."
22. "Dia novonoiny ny vantotr' ombilahy, ary noraisin' ny mpisorona ny rà ka natopiny tamin' ny alitara; ary novonoiny koa ny ondrilahy, dia natopiny tamin' ny alitara ny rany, ary novonoiny koa ny zanak' ondry, dia natopiny tamin' ny alitara ny rany."
23. And they brought forth the he goats for the sin offering before the king and the congregation; and they laid their hands upon them:
23. On amena ensuite les boucs expiatoires devant le roi et devant l`assemblée, qui posèrent leurs mains sur eux.
23. "Ary ny osilahy ho fanatitra noho ny ota dia nentiny teo anatrehan' ny mpanjaka sy ny fiangonana ka nametrahany tanana;"
24. And the priests killed them, and they made reconciliation with their blood upon the altar, to make an atonement for all Israel: for the king commanded that the burnt offering and the sin offering should be made for all Israel.
24. "Les sacrificateurs les égorgèrent, et répandirent leur sang au pied de l`autel en expiation pour les péchés de tout Israël; car c`était pour tout Israël que le roi avait ordonné l`holocauste et le sacrifice d`expiation."
24. "Dia novonoin' ny mpisorona ireo, ka ny rany nataony teo amin' ny alitara mba hanaovana fampihavanana ho fanavotana ho an' ny Isiraely rehetra; fa ho an' ny Isiraely rehetra no nandidian' ny mpanjaka hanaovana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota."
25. And he set the Levites in the house of the LORD with cymbals, with psalteries, and with harps, according to the commandment of David, and of Gad the king's seer, and Nathan the prophet: for so was the commandment of the LORD by his prophets.
25. "Il fit placer les Lévites dans la maison de l`Éternel avec des cymbales, des luths et des harpes, selon l`ordre de David, de Gad le voyant du roi, et de Nathan, le prophète; car c`était un ordre de l`Éternel, transmis par ses prophètes."
25. "Ary nametraka ny Levita tao an-tranon' i Jehovah ny mpanjaka hitondra kipantsona sy valiha sy harpa araka ny didin' i Davida mpanjaka sy Gada mpahitan' ny mpanjaka, ary Natana mpaminany; fa izany no didin' i Jehovah nampitondrainy ny mpaminaniny."
26. And the Levites stood with the instruments of David, and the priests with the trumpets.
26. Les Lévites prirent place avec les instruments de David, et les sacrificateurs avec les trompettes.
26. Ary ny Levita nitsangana teo nitondra ny zava-manenon' i Davida, ary ny mpisorona koa nitondra ny trompetra.
27. And Hezekiah commanded to offer the burnt offering upon the altar. And when the burnt offering began, the song of the LORD began also with the trumpets, and with the instruments ordained by David king of Israel.
27. "Ézéchias ordonna d`offrir l`holocauste sur l`autel; et au moment où commença l`holocauste, commença aussi le chant de l`Éternel, au son des trompettes et avec accompagnement des instruments de David, roi d`Israël."
27. Ary nasain' i Hezekia naterina teo ambonin' ny alitara ny fanatitra dorana. Ary raha vao natomboka ny fanatitra dorana, dia natomboka koa ny fihirana ho an' i Jehovah miaraka amin' ny trompetra sy ny zava-maneno izay notendren' i Davida mpanjakan' ny Isiraely.
28. And all the congregation worshipped, and the singers sang, and the trumpeters sounded: and all this continued until the burnt offering was finished.
28. Toute l`assemblée se prosterna, on chanta le cantique, et l`on sonna des trompettes, le tout jusqu`à ce que l`holocauste fût achevé.
28. Ary ny fiangonana rehetra niankohoka, ary ny mpihira nihira, ary ny mpitsoka trompetra nitsoka, ary izany rehetra izany dia nitohy mandra-pahavitan' ny fanatitra dorana.
29. And when they had made an end of offering, the king and all that were present with him bowed themselves, and worshipped.
29. Et quand on eut achevé d`offrir l`holocauste, le roi et tous ceux qui étaient avec lui fléchirent le genou et se prosternèrent.
29. Ary nony efa nitsahatra ny nanaterana izany, dia niankohoka sy nivavaka ny mpanjaka mbamin' izay rehetra teo aminy.
30. Moreover Hezekiah the king and the princes commanded the Levites to sing praise unto the LORD with the words of David, and of Asaph the seer. And they sang praises with gladness, and they bowed their heads and worshipped.
30. "Puis le roi Ézéchias et les chefs dirent aux Lévites de célébrer l`Éternel avec les paroles de David et du prophète Asaph; et ils le célébrèrent avec des transports de joie, et ils s`inclinèrent et se prosternèrent."
30. Ary Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny Levita hidera an' i Jehovah tamin' ny teny namboarin' i Davida sy Asafa mpihira. Ary nihira fiderana tamin' ny hafaliana izy, dia nanondrika ny lohany ka nivavaka.
31. Then Hezekiah answered and said, Now ye have consecrated yourselves unto the LORD, come near and bring sacrifices and thank offerings into the house of the LORD. And the congregation brought in sacrifices and thank offerings; and as many as were of a free heart burnt offerings.
31. Ézéchias prit alors la parole, et dit: Maintenant que vous vous êtes consacrés à l`Éternel, approchez-vous, amenez des victimes et offrez en sacrifices d`actions de grâces à la maison de l`Éternel. Et l`assemblée amena des victimes et offrit des sacrifices d`actions de grâces, et tous ceux dont le coeur était bien disposé offrirent des holocaustes.
31. Ary Hezekia namaly ka nanao hoe: Efa nanokana ny tenanareo ho an' i Jehovah ianareo izao, koa manatòna ka mitondrà fanatitra sy fanati-pisaorana ho ao an-tranon' i Jehovah. Dia nitondra fanatitra sy fanati-pisaorana ny fiangonana, ary izay rehetra malala-tanana dia nitondra fanatitra dorana.
32. And the number of the burnt offerings, which the congregation brought, was threescore and ten bullocks, an hundred rams, and two hundred lambs: all these were for a burnt offering to the LORD.
32. "Le nombre des holocaustes offerts par l`assemblée fut de soixante-dix boeufs, cent béliers, et deux cents agneaux; toutes ces victimes furent immolées en holocauste à l`Éternel."
32. "Ary ny isan' ny fanatitra dorana izay nentin' ny fiangonana dia omby fitopolo sy ondrilahy zato ary zanak' ondry roanjato; natao fanatitra dorana ho an' i Jehovah ireo rehetra ireo."
33. And the consecrated things were six hundred oxen and three thousand sheep.
33. Et l`on consacra encore six cents boeufs et trois mille brebis.
33. Ary ny zavatra nohamasinina dia omby eninjato sy ondry aman' osy telo arivo.
34. But the priests were too few, so that they could not flay all the burnt offerings: wherefore their brethren the Levites did help them, till the work was ended, and until the other priests had sanctified themselves: for the Levites were more upright in heart to sanctify themselves than the priests.
34. "Mais les sacrificateurs étaient en petit nombre, et ils ne purent dépouiller tous les holocaustes; leurs frères, les Lévites, les aidèrent jusqu`à ce que l`ouvrage fût fini, et jusqu`à ce que les autres sacrificateurs se fussent sanctifiés, car les Lévites avaient eu plus à coeur de se sanctifier que les sacrificateurs."
34. "Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana rehetra, ka dia nanampy azy ny Levita rahalahiny mandra-pahavitan' ny raharaha sy ny nanamasinan' ny mpisorona sasany ny tenany koa; fa ny Levita nahitsy fo kokoa hanamasina ny tenany noho ny mpisorona."
35. And also the burnt offerings were in abundance, with the fat of the peace offerings, and the drink offerings for every burnt offering. So the service of the house of the LORD was set in order.
35. Il y avait d`ailleurs beaucoup d`holocaustes, avec les graisses des sacrifices d`actions de grâces, et avec les libations des holocaustes. Ainsi fut rétabli le service de la maison de l`Éternel.
35. Ary be koa ny fanatitra dorana sy ny saboran' ny fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina momba ny fanatitra dorana rehetra. Dia izany no nandaminana ny fanompoana tao an-tranon' i Jehovah.
36. And Hezekiah rejoiced, and all the people, that God had prepared the people: for the thing was done suddenly.
36. Ézéchias et tout le peuple se réjouirent de ce que Dieu avait bien disposé le peuple, car la chose se fit subitement.
36. Ary nifaly Hezekia sy ny vahoaka rehetra fa efa nanomana ny olona Andriamanitra satria natao tampoka izany zavatra izany.
<
>