David's Victories

1. And after this it came to pass that David smote the Philistines, and subdued them: and David took Methegammah out of the hand of the Philistines.
1. Après cela, David battit les Philistins et les humilia, et il enleva de la main des Philistins les rênes de leur capitale.
1. "Ary taorian' izany, dia izao no niseho, namely ny Filistina Davida ka nampietry azy; ary Metegama dia nalain' i Davida tamin' ny tanan' ny Filistina."
2. And he smote Moab, and measured them with a line, casting them down to the ground; even with two lines measured he to put to death, and with one full line to keep alive. And so the Moabites became David's servants, and brought gifts.
2. "Il battit les Moabites, et il les mesura avec un cordeau, en les faisant coucher par terre; il en mesura deux cordeaux pour les livrer à la mort, et un plein cordeau pour leur laisser la vie. Et les Moabites furent assujettis à David, et lui payèrent un tribut."
2. Ary namely ny Moabita izy, ka nampandriny tamin' ny tany ireo, ary nohariny tamin' ny kofehy, ka izay indroan' ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy. Noho izany dia tonga mpanompon' i Davida ny Moabita ka nitondra fanomezana.
3. David smote also Hadadezer, the son of Rehob, king of Zobah, as he went to recover his border at the river Euphrates.
3. David battit Hadadézer, fils de Rehob, roi de Tsoba, lorsqu`il alla rétablir sa domination sur le fleuve de l`Euphrate.
3. Dia nasian' i Davida koa Hadadezera, zanak' i Rehoba, mpanjakan' i Zoba, tamin' izy lasa nampody ny faritaniny teo amoron' ny ony Eofrata.
4. And David took from him a thousand chariots, and seven hundred horsemen, and twenty thousand footmen: and David houghed all the chariot horses, but reserved of them for an hundred chariots.
4. "David lui prit mille sept cents cavaliers et vingt mille hommes de pied; il coupa les jarrets à tous les chevaux de trait, et ne conserva que cent attelages."
4. "Ary nahazo kalesy arivo avy taminy i Davida sy mpitaingin-tsoavaly fitonjato, ary miaramila mandeha an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin' i Davida avokoa ny soavalin-kalesiny rehetra, fa ny ho an' ny kalesy zato ihany no navelany."
5. And when the Syrians of Damascus came to succour Hadadezer king of Zobah, David slew of the Syrians two and twenty thousand men.
5. Les Syriens de Damas vinrent au secours d`Hadadézer, roi de Tsoba, et David battit vingt-deux mille Syriens.
5. Ary rehefa tonga ny Syriana avy any Damaskosy hanampy an' i Hadadezera mpanjakan' i Zoba, dia nahafatesan' i Davida olona roa arivo sy roa alina ny Syriana.
6. Then David put garrisons in Syria of Damascus: and the Syrians became servants to David, and brought gifts. And the LORD preserved David whithersoever he went.
6. David mit des garnisons dans la Syrie de Damas. Et les Syriens furent assujettis à David, et lui payèrent un tribut. L`Éternel protégeait David partout où il allait.
6. "Ary nametrahan' i Davida miaramila tany Syria any Damaskosy; dia tonga mpanompon' i Davida ny Syriana ka nitondra fanomezana. Ary Jehovah niaro an' i Davida teny amin' izay rehetra nalehany."
7. And David took the shields of gold that were on the servants of Hadadezer, and brought them to Jerusalem.
7. Et David prit les boucliers d`or qu`avaient les serviteurs d`Hadadézer, et les apporta à Jérusalem.
7. Ary nalain' i Davida ny ampinga volamena izay teny amin' ny mpanompon' i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema.
8. And from Betah, and from Berothai, cities of Hadadezer, king David took exceeding much brass.
8. Le roi David prit encore une grande quantité d`airain à Béthach et à Bérothaï, villes d`Hadadézer.
8. Ary avy tao Beta sy Berotahy, tanànan' i Hadadezera, no nahazoan' i Davida mpanjaka varahina be dia be.
9. When Toi king of Hamath heard that David had smitten all the host of Hadadezer,
9. Thoï, roi de Hamath, apprit que David avait battu toute l`armée d`Hadadézer,
9. Nony ren' i Toy, mpanjakan' i Hamata fa efa namely ny miaramilan' i Hadadezera rehetra i Davida,
10. Then Toi sent Joram his son unto king David, to salute him, and to bless him, because he had fought against Hadadezer, and smitten him: for Hadadezer had wars with Toi. And Joram brought with him vessels of silver, and vessels of gold, and vessels of brass:
10. et il envoya Joram, son fils, vers le roi David, pour le saluer, et pour le féliciter d`avoir attaqué Hadadézer et de l`avoir battu. Car Thoï était en guerre avec Hadadézer. Joram apporta des vases d`argent, des vases d`or, et des vases d`airain.
10. "Dia nirahin' i Toy i Jorama zanany hankany amin' i Davida mpanjaka hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin' i Hadadezera sy ny namelezany azy; fa i Hadadezera dia efa niady tamin' i Toy; Ary Jorama nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina;"
11. Which also king David did dedicate unto the LORD, with the silver and gold that he had dedicated of all nations which he subdued;
11. Le roi David les consacra à l`Éternel, comme il avait déjà consacré l`argent et l`or pris sur toutes les nations qu`il avait vaincues,
11. Izay nohamasinin' i Davida mpanjaka koa ho an' i Jehovah mbamin' ny volafotsy sy ny volamena izay efa natokany avy tamin' ny firenena rehetra izay resiny.
12. Of Syria, and of Moab, and of the children of Ammon, and of the Philistines, and of Amalek, and of the spoil of Hadadezer, son of Rehob, king of Zobah.
12. sur la Syrie, sur Moab, sur les fils d`Ammon, sur les Philistins, sur Amalek, et sur le butin d`Hadadézer, fils de Rehob, roi de Tsoba.
12. Dia tamin' i Syria sy Moaba sy ny taranak' i Amona sy ny Filistina sy ny Amalekita ary ny babo azony tamin' i Hadadezera, zanak' i Rehoba, mpanjakan' i Zoba.
13. And David gat him a name when he returned from smiting of the Syrians in the valley of salt, being eighteen thousand men.
13. Au retour de sa victoire sur les Syriens, David se fit encore un nom, en battant dans la vallée du sel dix-huit mille Édomites.
13. Ary nahazo laza i Davida nony niverina avy nandresy ny Syriana valo arivo sy iray alina teo amin' ny Lohasahan-tsira.
14. And he put garrisons in Edom; throughout all Edom put he garrisons, and all they of Edom became David's servants. And the LORD preserved David whithersoever he went.
14. Il mit des garnisons dans Édom, il mit des garnisons dans tout Édom. Et tout Édom fut assujetti à David. L`Éternel protégeait David partout où il allait.
14. "Ary nametrahany miaramila tany Edoma; nametrahany miaramila avokoa manerana an' i Edoma rehetra, ary ny mponina rehetra tany Edoma dia tonga mpanompon' i Davida. Ary Jehovah niaro an' i Davida teny amin' izay rehetra nalehany."

David's Officials

15. And David reigned over all Israel; and David executed judgment and justice unto all his people.
15. David régna sur Israël, et il faisait droit et justice à tout son peuple.
15. Ary Davida nanjaka tamin' ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra marina ny vahoakany rehetra.
16. And Joab the son of Zeruiah was over the host; and Jehoshaphat the son of Ahilud was recorder;
16. "Joab, fils de Tseruja, commandait l`armée; Josaphat, fils d`Achilud, était archiviste;"
16. "Ary Joaba, zanak' i Zeroia, no komandin' ny miaramila; ary Josafata, zanak' i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;"
17. And Zadok the son of Ahitub, and Ahimelech the son of Abiathar, were the priests; and Seraiah was the scribe;
17. "Tsadok, fils d`Achithub, et Achimélec, fils d`Abiathar, étaient sacrificateurs; Seraja était secrétaire;"
17. "Ary Zadoka, zanak' i Ahitoba sy Ahimeleka, zanak' i Abiatara, no mpisorona ; ary Seraia no mpanoratra;"
18. And Benaiah the son of Jehoiada was over both the Cherethites and the Pelethites; and David's sons were chief rulers.
18. "Benaja, fils de Jehojada, était chef des Kéréthiens et des Péléthiens; et les fils de David étaient ministres d`état."
18. "Ary Benaia, zanak' i Joiada, no mpifehy ny Keretita sy ny Peletita; ary ny zanakalahin' i Davida no lehiben' ny mpanapaka."
<
>