David Becomes King Over Israel
1. Then came all the tribes of Israel to David unto Hebron, and spake, saying, Behold, we are thy bone and thy flesh.
1. Toutes les tribus d`Israël vinrent auprès de David, à Hébron, et dirent: Voici, nous sommes tes os et ta chair.
1. Dia tonga tao amin' i Davida tao Hebrona ny fokon' Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao.
2. Also in time past, when Saul was king over us, thou wast he that leddest out and broughtest in Israel: and the LORD said to thee, Thou shalt feed my people Israel, and thou shalt be a captain over Israel.
2. Autrefois déjà, lorsque Saül était notre roi, c`était toi qui conduisais et qui ramenais Israël. L`Éternel t`a dit: Tu paîtras mon peuple d`Israël, et tu seras le chef d`Israël.
2. "Fa hatry ny fony fahiny ihany koa, fony mbola nanjaka taminay aza i Saoly, dia ianao no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Ianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka ny Isiraely."
3. So all the elders of Israel came to the king to Hebron; and king David made a league with them in Hebron before the LORD: and they anointed David king over Israel.
3. Ainsi tous les anciens d`Israël vinrent auprès du roi à Hébron, et le roi David fit alliance avec eux à Hébron, devant l`Éternel. Ils oignirent David pour roi sur Israël.
3. "Koa tonga tao amin' ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon' ny Isiraely rehetra, ary Davida mpanjaka nanao fanekena tamin' izy ireo tao Hebrona teo anatrehan' i Jehovah; ary dia nanosotra an' i Davida ho mpanjakan' ny Isiraely izy ireo."
4. David was thirty years old when he began to reign, and he reigned forty years.
4. David était âgé de trente ans lorsqu`il devint roi, et il régna quarante ans.
4. Telopolo taona Davida fony izy vao nanjaka, ary nanjaka efapolo taona izy.
5. In Hebron he reigned over Judah seven years and six months: and in Jerusalem he reigned thirty and three years over all Israel and Judah.
5. A Hébron il régna sur Juda sept ans et six mois, et à Jérusalem il régna trente-trois ans sur tout Israël et Juda.
5. "Tao Hebrona no nanjakany tamin' ny Joda fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema no nanjakany tamin' ny Isiraely sy ny Joda telo amby telopolo taona."
David Conquers Jerusalem
6. And the king and his men went to Jerusalem unto the Jebusites, the inhabitants of the land: which spake unto David, saying, Except thou take away the blind and the lame, thou shalt not come in hither: thinking, David cannot come in hither.
6. Le roi marcha avec ses gens sur Jérusalem contre les Jébusiens, habitants du pays. Ils dirent à David: Tu n`entreras point ici, car les aveugles mêmes et les boiteux te repousseront! Ce qui voulait dire: David n`entrera point ici.
6. "Ary ny mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hankany amin' ny Jebosita mponina tao amin' ny tany, izay niteny tamin' i Davida hoe: Raha tsy esorinao ny jamba sy ny malemy, dia tsy ho tafiditra eto ianao ; satria noheveriny fa tsy ho afaka hiditra ao i Davida."
7. Nevertheless David took the strong hold of Zion: the same is the city of David.
7. Mais David s`empara de la forteresse de Sion: c`est la cité de David.
7. Kanjo azon' i Davida ny batery fiarovana an' i Ziona: dia ny tanànan' i Davida.
8. And David said on that day, Whosoever getteth up to the gutter, and smiteth the Jebusites, and the lame and the blind, that are hated of David's soul, he shall be chief and captain. Wherefore they said, The blind and the lame shall not come into the house.
8. David avait dit en ce jour: Quiconque battra les Jébusiens et atteindra le canal, quiconque frappera ces boiteux et ces aveugles qui sont les ennemis de David... -C`est pourquoi l`on dit: L`aveugle et le boiteux n`entreront point dans la maison.
8. Ary hoy Davida tamin' izany andro izany: Izay tafakatra ny lakan-drano ka mamely ny Jebosita sy ny mandringa ary ny jamba, izay halan' ny fanahin' i Davida, dia izy no ho lehibe sy komandy. Koa izany no nilazana hoe: ny jamba sy ny mandringa tsy ho tafiditra ao an-trano.
9. So David dwelt in the fort, and called it the city of David. And David built round about from Millo and inward.
9. David s`établit dans la forteresse, qu`il appela cité de David. Il fit de tous côtés des constructions, en dehors et en dedans de Millo.
9. Dia nitoetra tao anatin' ny batery fiarovana i Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan' i Davida. Ary narafitr' i Davida ny manodidina hatrany Milo mbamin' ny ao anatiny.
10. And David went on, and grew great, and the LORD God of hosts was with him.
10. David devenait de plus en plus grand, et l`Éternel, le Dieu des armées, était avec lui.
10. Koa dia nandroso sy nihalehibe i Davida, fa Jehovah, Andriamanitry ny maro, no nomba azy.
11. And Hiram king of Tyre sent messengers to David, and cedar trees, and carpenters, and masons: and they built David an house.
11. Hiram, roi de Tyr, envoya des messagers à David, et du bois de cèdre, et des charpentiers et des tailleurs de pierres, qui bâtirent une maison pour David.
11. "Ary Hirama, mpanjakan' i Tyro, nandefa iraka tany amin' i Davida, mbamin' ny hazo sedera sy mpandrafitra sy tambato; dia nanao trano ho an' i Davida izy ireo."
12. And David perceived that the LORD had established him king over Israel, and that he had exalted his kingdom for his people Israel's sake.
12. David reconnut que l`Éternel l`affermissait comme roi d`Israël, et qu`il élevait son royaume à cause de son peuple d`Israël.
12. Dia fantatr' i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan' ny Isiraely ka nanandratra ny fanjakany noho ny amin' ny Isiraely olony.
13. And David took him more concubines and wives out of Jerusalem, after he was come from Hebron: and there were yet sons and daughters born to David.
13. David prit encore des concubines et des femmes de Jérusalem, après qu`il fut venu d`Hébron, et il lui naquit encore des fils et des filles.
13. "Ary Davida naka vaditsindrano sy vady maro kokoa tany Jerosalema, rehefa tonga avy tany Hebrona izy; ary dia mbola nisy koa zanakalahy sy zanakavavy naterak' i Davida."
14. And these be the names of those that were born unto him in Jerusalem; Shammuah, and Shobab, and Nathan, and Solomon,
14. Voici les noms de ceux qui lui naquirent à Jérusalem: Schammua, Schobab, Nathan, Salomon,
14. Ary izao no anaran' ny naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona,
15. Ibhar also, and Elishua, and Nepheg, and Japhia,
15. Jibhar, Élischua, Népheg, Japhia,
15. Sy Jibara koa, sy Elisoa sy Nafega sy Jafia,
16. And Elishama, and Eliada, and Eliphalet.
16. Élischama, Éliada et Éliphéleth.
16. Sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta.
David Defeats the Philistines
17. But when the Philistines heard that they had anointed David king over Israel, all the Philistines came up to seek David; and David heard of it, and went down to the hold.
17. Les Philistins apprirent qu`on avait oint David pour roi sur Israël, et ils montèrent tous à sa recherche. David, qui en fut informé, descendit à la forteresse.
17. "Fa nony ren' ny Filistina fa efa nohosoran' ny olona ho mpanjakan' ny Isiraely rehetra i Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa raha ren' i Davida izany, dia nidina tao amin' ny batery fiarovana izy."
18. The Philistines also came and spread themselves in the valley of Rephaim.
18. Les Philistins arrivèrent, et se répandirent dans la vallée des Rephaïm.
18. Ary dia tonga koa ny Filistina ka nihahakahaka teny amin' ny Lohasahan' ny Refaïta.
19. And David enquired of the LORD, saying, Shall I go up to the Philistines? wilt thou deliver them into mine hand? And the LORD said unto David, Go up: for I will doubtless deliver the Philistines into thine hand.
19. David consulta l`Éternel, en disant: Monterai-je contre les Philistins? Les livreras-tu entre mes mains? Et l`Éternel dit à David: Monte, car je livrerai les Philistins entre tes mains.
19. Ary Davida nanontany an' i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin' i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina.
20. And David came to Baalperazim, and David smote them there, and said, The LORD hath broken forth upon mine enemies before me, as the breach of waters. Therefore he called the name of that place Baalperazim.
20. David vint à Baal Peratsim, où il les battit. Puis il dit: L`Éternel a dispersé mes ennemis devant moi, comme des eaux qui s`écoulent. C`est pourquoi l`on a donné à ce lieu le nom de Baal Peratsim.
20. "Ary tonga tao Bala-perazima i Davida, dia namely ireo tao i Davida ka nanao hoe: Jehovah no efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran' izany tany izany hoe Bala-perazima."
21. And there they left their images, and David and his men burned them.
21. Ils laissèrent là leurs idoles, et David et ses gens les emportèrent.
21. Ary nilaozany tao ireo sarin-javany ka nodoran' i Davida sy ny olony ireny.
22. And the Philistines came up yet again, and spread themselves in the valley of Rephaim.
22. Les Philistins montèrent de nouveau, et se répandirent dans la vallée des Rephaïm.
22. Ary niakatra indray ny Filistina ka nihahakahaka teny amin' ny Lohasahan' ny Refaïta.
23. And when David enquired of the LORD, he said, Thou shalt not go up; but fetch a compass behind them, and come upon them over against the mulberry trees.
23. "David consulta l`Éternel. Et l`Éternel dit: Tu ne monteras pas; tourne-les par derrière, et tu arriveras sur eux vis-à-vis des mûriers."
23. "Ary rehefa nanontany tamin' i Jehovah i Davida, dia novaliany hoe: Aza miakatra; fa hodidino avy eo aoriany izy, ka ho tonga eo aminy ianao, eo amin' ny tandrifin' ny voaroihazo."
24. And let it be, when thou hearest the sound of a going in the tops of the mulberry trees, that then thou shalt bestir thyself: for then shall the LORD go out before thee, to smite the host of the Philistines.
24. Quand tu entendras un bruit de pas dans les cimes des mûriers, alors hâte-toi, car c`est l`Éternel qui marche devant toi pour battre l`armée des Philistins.
24. Ary raha mahare ny fingadongadon' olona eny an-tendron' ny voaroihazo ianao, dia faingàna fa amin' izay no mialoha anao Jehovah hamely ny miaramilan' ny Filistina.
25. And David did so, as the LORD had commanded him; and smote the Philistines from Geba until thou come to Gazer.
25. David fit ce que l`Éternel lui avait ordonné, et il battit les Philistins depuis Guéba jusqu`à Guézer.
25. "Ary dia nanao araka ny nandidian' i Jehovah azy Davida; ka dia namely ny Filistina hatrany Geba ka hatrao akaikin' i Gazera izy."