Sheba Rebels Against David
1. And there happened to be there a man of Belial, whose name was Sheba, the son of Bichri, a Benjamite: and he blew a trumpet, and said, We have no part in David, neither have we inheritance in the son of Jesse: every man to his tents, O Israel.
1. Il se trouvait là un méchant homme, nommé Schéba, fils de Bicri, Benjamite. Il sonna de la trompette, et dit: Point de part pour nous avec David, point d`héritage pour nous avec le fils d`Isaï! Chacun à sa tente, Israël!
1. Ary sendra nisy lehilahy zanak' i Beliala teo, Seba no anarany, zanak' i Bikry, Benjamita, ary nitsoka anjomara izy sady niteny hoe: Tsy manana anjara amin' i Davida isika, na lova amin' ny zanak' i Jese: Samia mody any amin' ny lainy avy, ry Isiraely ô.
2. So every man of Israel went up from after David, and followed Sheba the son of Bichri: but the men of Judah clave unto their king, from Jordan even to Jerusalem.
2. Et tous les hommes d`Israël s`éloignèrent de David, et suivirent Schéba, fils de Bicri. Mais les hommes de Juda restèrent fidèles à leur roi, et l`accompagnèrent depuis le Jourdain jusqu`à Jérusalem.
2. "Ka dia samy niara-nandao an' i Davida ny lehilahy amin' ny Isiraely ka nanaraka an' i Seba, zanak' i Bikry; fa ny lehilahy tamin' ny Joda no nifikitra tamin' ny mpanjaka hatrany Jordana ka hatrany Jerosalema."
3. And David came to his house at Jerusalem; and the king took the ten women his concubines, whom he had left to keep the house, and put them in ward, and fed them, but went not in unto them. So they were shut up unto the day of their death, living in widowhood.
3. "David rentra dans sa maison à Jérusalem. Le roi prit les dix concubines qu`il avait laissées pour garder la maison, et il les mit dans un lieu où elles étaient séquestrées; il pourvut à leur entretien, mais il n`alla point vers elles. Et elles furent enfermées jusqu`au jour de leur mort, vivant dans un état de veuvage."
3. "Ary tonga tao an-tranony tany Jerosalema Davida; dia nalain' ny mpanjaka ny vaditsindranony folo vavy izay navelany hiandry trano tao, ka nataony tao an-trano fiambenana, ary nomeny fivelomana, fa tsy nandriany intsony. Ka dia nambenana tao mandra-pahafatiny ireo ka velona tsy nanambady intsony."
4. Then said the king to Amasa, Assemble me the men of Judah within three days, and be thou here present.
4. "Le roi dit à Amasa: Convoque-moi d`ici à trois jours les hommes de Juda; et toi, sois ici présent."
4. Ary hoy ny mpanjaka tamin' i Amasa: Vorio ny lehilahy amin' ny Joda ho eto amiko anatin' ny hateloana, ary aoka mba ho eto koa ny tenanao.
5. So Amasa went to assemble the men of Judah: but he tarried longer than the set time which he had appointed him.
5. "Amasa partit pour convoquer Juda; mais il tarda au delà du temps que le roi avait fixé."
5. Ary dia lasa Amasa namory ny lehilahy amin' ny Joda, fa nandiso ny fotoan' andro nomeny azy izy.
6. And David said to Abishai, Now shall Sheba the son of Bichri do us more harm than did Absalom: take thou thy lord's servants, and pursue after him, lest he get him fenced cities, and escape us.
6. David dit alors à Abischaï: Schéba, fils de Bicri, va maintenant nous faire plus de mal qu`Absalom. Prends toi-même les serviteurs de ton maître et poursuis-le, de peur qu`il ne trouve des villes fortes et ne se dérobe à nos yeux.
6. "Ary hoy Davida tamin' i Abisay: Ankehitriny izao dia Seba, zanak' i Bikry, no ahitantsika loza mihoatra noho Absaloma; koa ento ny mpanompon' ny tomponao, ka enjeho izy, fandrao mahazo tanàna mimanda ka tsy ho azontsika."
7. And there went out after him Joab's men, and the Cherethites, and the Pelethites, and all the mighty men: and they went out of Jerusalem, to pursue after Sheba the son of Bichri.
7. "Et Abischaï partit, suivi des gens de Joab, des Kéréthiens et des Péléthiens, et de tous les vaillants hommes; ils sortirent de Jérusalem, afin de poursuivre Schéba, fils de Bicri."
7. "Ary dia nivoaka hanenjika azy ny olon' i Joaba sy ny Keretita sy ny Peletita ary ny lehilahy mahery rehetra; dia nivoaka avy tany Jerosalema ireo hanenjika an' i Seba, zanak' i Bikry."
8. When they were at the great stone which is in Gibeon, Amasa went before them. And Joab's garment that he had put on was girded unto him, and upon it a girdle with a sword fastened upon his loins in the sheath thereof; and as he went forth it fell out.
8. "Lorsqu`ils furent près de la grande pierre qui est à Gabaon, Amasa arriva devant eux. Joab était ceint d`une épée par-dessus les habits dont il était revêtu; elle était attachée à ses reins dans le fourreau, d`où elle glissa, comme Joab s`avançait."
8. "Fa nony tonga tao amin' ilay vato lehibe tao Gibeona izy, dia avy Amasa nitsena azy. Ary ny akanjo fiadian' i Joaba, ilay niakanjoany, dia nofehezina taminy, ary teo amboniny teo am-balahany no nisy ny fehin-tsabany mbamin' ny tranony; ary nony nandeha izy, dia latsaka ny sabany."
9. And Joab said to Amasa, Art thou in health, my brother? And Joab took Amasa by the beard with the right hand to kiss him.
9. Joab dit à Amasa: Te portes-tu bien, mon frère? Et de la main droite il saisit la barbe d`Amasa pour le baiser.
9. Ary hoy Joaba tamin' i Amasa: Tsara ihany va ianao, ry rahalahy? Dia noraisin' i Joaba tamin' ny tanany ankavanana ny somotr' i Amasa horohany.
10. But Amasa took no heed to the sword that was in Joab's hand: so he smote him therewith in the fifth rib, and shed out his bowels to the ground, and struck him not again; and he died. So Joab and Abishai his brother pursued after Sheba the son of Bichri.
10. "Amasa ne prit point garde à l`épée qui était dans la main de Joab; et Joab l`en frappa au ventre et répandit ses entrailles à terre, sans lui porter un second coup. Et Amasa mourut. Joab et son frère Abischaï marchèrent à la poursuite de Schéba, fils de Bicri."
10. Fa Amasa tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tanan' i Joaba, kanjo nasiany teo amin' ny taolan-tehezany fahadimy izy, ka navarorany tamin' ny tany ny tsinainy, ary tsy nasiany intsony, fa dia maty. Ary Joaba sy Abisay rahalahiny nanenjika an' i Seba, zanak' i Bikry.
11. And one of Joab's men stood by him, and said, He that favoureth Joab, and he that is for David, let him go after Joab.
11. Un homme d`entre les gens de Joab resta près d`Amasa, et il disait: Qui veut de Joab et qui est pour David? Qu`il suive Joab!
11. Ary ny zatovon' i Joaba anankiray nijanona teo anilan' ny faty ka nanao hoe: Izay miandany amin' i Joaba sy Davida dia aoka hanaraka an' i Joaba.
12. And Amasa wallowed in blood in the midst of the highway. And when the man saw that all the people stood still, he removed Amasa out of the highway into the field, and cast a cloth upon him, when he saw that every one that came by him stood still.
12. "Amasa se roulait dans le sang au milieu de la route; et cet homme, ayant vu que tout le peuple s`arrêtait, poussa Amasa hors de la route dans un champ, et jeta sur lui un vêtement, lorsqu`il vit que tous ceux qui arrivaient près de lui s`arrêtaient."
12. Ary Amasa nihosin-drà teo anaty lalambe. Ary raha hitan-dralehilahy fa nijanona ny olona rehetra, dia nafindrany niala teo amin' ny lalambe ho any an-tsaha ny fatin' i Amasa ka nosaronany lamba, nony hitany fa nijanona izay rehetra mandalo azy.
13. When he was removed out of the highway, all the people went on after Joab, to pursue after Sheba the son of Bichri.
13. Quand il fut ôté de la route, chacun suivit Joab, afin de poursuivre Schéba, fils de Bicri.
13. Ary nony nafindrany niala teo amin' ny lalambe izy, dia nizotra nanaraka an' i Joaba ny olona rehetra hanenjika an' i Seba, zanak' i Bikry.
14. And he went through all the tribes of Israel unto Abel, and to Bethmaachah, and all the Berites: and they were gathered together, and went also after him.
14. Joab traversa toutes les tribus d`Israël dans la direction d`Abel Beth Maaca, et tous les hommes d`élite se rassemblèrent et le suivirent.
14. "Ary nandeha namaky ireo foko rehetra tamin' ny Isiraely izy, hatrany Abela sy Beti-maka sy ny an' ny Berita rehetra; ary nivory ireo, ka dia mba lasa nanaraka azy."
15. And they came and besieged him in Abel of Bethmaachah, and they cast up a bank against the city, and it stood in the trench: and all the people that were with Joab battered the wall, to throw it down.
15. Ils vinrent assiéger Schéba dans Abel Beth Maaca, et ils élevèrent contre la ville une terrasse qui atteignait le rempart. Tout le peuple qui était avec Joab sapait la muraille pour la faire tomber.
15. "Ary dia tonga izy ka nanao fahirano azy teo Abela any Beti-maka, ary nanandratra tovon-tany tandrifin' ny tanàna izy, ka teo ivelany manolotra ny manda no nitoerany; ary ny olona izay nomba an' i Joaba dia namely ny manda mba handrodanany azy."
16. Then cried a wise woman out of the city, Hear, hear; say, I pray you, unto Joab, Come near hither, that I may speak with thee.
16. Alors une femme habile se mit à crier de la ville: Écoutez, écoutez! Dites, je vous prie, à Joab: Approche jusqu`ici, je veux te parler!
16. Ary nisy vehivavy hendry tao an-tanàna niantso hoe: Mihainoa, mihainoa, masìna ianareo lazao amin' i Joaba hoe: Mankanesa aty mba hitenenako aminao.
17. And when he was come near unto her, the woman said, Art thou Joab? And he answered, I am he. Then she said unto him, Hear the words of thine handmaid. And he answered, I do hear.
17. Il s`approcha d`elle, et la femme dit: Es-tu Joab? Il répondit: Je le suis. Et elle lui dit: Écoute les paroles de ta servante. Il répondit: J`écoute.
17. "Ary nony efa mby teo akaikiny izy dia hoy ravehivavy: Ianao va no Joaba? Dia namaly izy hoe: Izaho no izy; ary hoy ravehivavy taminy: Henoy ny tenin' ny mpanompovavinao. Dia namaly izy hoe: Mihaino aho."
18. Then she spake, saying, They were wont to speak in old time, saying, They shall surely ask counsel at Abel: and so they ended the matter.
18. Et elle dit: Autrefois on avait coutume de dire: Que l`on consulte Abel! Et tout se terminait ainsi.
18. "Ary niteny ravehivavy nanao hoe: Izao no fitenin' ny olona taloha: Aoka hanadina ao Abela tokoa izy; ary araka izany no hahavitany ny raharaha."
19. I am one of them that are peaceable and faithful in Israel: thou seekest to destroy a city and a mother in Israel: why wilt thou swallow up the inheritance of the LORD?
19. "Je suis une des villes paisibles et fidèles en Israël; et tu cherches à faire périr une ville qui est une mère en Israël! Pourquoi détruirais-tu l`héritage de l`Éternel?"
19. "Izaho dia isan' ny tia fihavanana sady mahatoky eto amin' ny Isiraely; fa ianao kosa mitady handrava tanàna sy renivohitra eto amin' ny Isiraely, koa nahoana no hamongoranao ny lovan' i Jehovah?"
20. And Joab answered and said, Far be it, far be it from me, that I should swallow up or destroy.
20. Joab répondit: Loin, loin de moi la pensée de détruire et de ruiner!
20. Ary Joaba namaly hoe: Sanatria dia sanatria amiko ny handevona sy handringana.
21. The matter is not so: but a man of mount Ephraim, Sheba the son of Bichri by name, hath lifted up his hand against the king, even against David: deliver him only, and I will depart from the city. And the woman said unto Joab, Behold, his head shall be thrown to thee over the wall.
21. "La chose n`est pas ainsi. Mais un homme de la montagne d`Éphraïm, nommé Schéba, fils de Bicri, a levé la main contre le roi David; livrez-le, lui seul, et je m`éloignerai de la ville. La femme dit à Joab: Voici, sa tête te sera jetée par la muraille."
21. Tsy izany tsy akory, fa misy lehilahy avy any an-tendrombohitr' i Efraima, Seba no anarany, zanak' i Bikry, izay nanainga tanana hikomy amin' ny mpanjaka, dia Davida, koa izy ihany no atolory, dia hiala amin' ny tanàna aho. Ary hoy ravehivavy tamin' i Joaba: Indro ny lohany hatsipy eny aminao eny ankoatry ny manda.
22. Then the woman went unto all the people in her wisdom. And they cut off the head of Sheba the son of Bichri, and cast it out to Joab. And he blew a trumpet, and they retired from the city, every man to his tent. And Joab returned to Jerusalem unto the king.
22. "Et la femme alla vers tout le peuple avec sa sagesse; et ils coupèrent la tête à Schéba, fils de Bicri, et la jetèrent à Joab. Joab sonna de la trompette; on se dispersa loin de la ville, et chacun s`en alla dans sa tente. Et Joab retourna à Jérusalem, vers le roi."
22. Dia lasa nanatona ny olona rehetra tamin' ny fahendreny ravehivavy. Dia notapahin' ireo ny lohan' i Seba, zanak' i Bikry, ka natsipiny teny amin' i Joaba. Ary nitsoka ny anjomara Joaba, ka dia niala tamin' ny tanàna ny olona samy ho any amin' ny lainy avy. Ary Joaba niverina nankany Jerosalema ho any amin' ny mpanjaka.
23. Now Joab was over all the host of Israel: and Benaiah the son of Jehoiada was over the Cherethites and over the Pelethites:
23. "Joab commandait toute l`armée d`Israël; Benaja, fils de Jehojada, était à la tête des Kéréthiens et des Péléthiens;"
23. "Ary Joaba no komandin' ny miaramila rehetra tamin' ny Isiraely; ary Benaia, zanak' i Joiada, no mpifehy ny Keretita sy ny Peletita."
24. And Adoram was over the tribute: and Jehoshaphat the son of Ahilud was recorder:
24. "Adoram était préposé aux impôts; Josaphat, fils d`Achilud, était archiviste;"
24. "Ary Adorama no mpiadidy ny hetra, ary Josafata, zanak' i Ahiloda no mpitadidy ny raharaham-panjakana;"
25. And Sheva was scribe: and Zadok and Abiathar were the priests:
25. "Scheja était secrétaire; Tsadok et Abiathar étaient sacrificateurs;"
25. "Ary Seva no mpanoratra; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;"
26. And Ira also the Jairite was a chief ruler about David.
26. et Ira de Jaïr était ministre d`état de David.
26. Ary Ira Jairita kosa no lehiben' ny mpanapaka teo amin' i Davida.