1. And it was told Joab, Behold, the king weepeth and mourneth for Absalom.
1. On vint dire à Joab: Voici, le roi pleure et se lamente à cause d`Absalom.
1. Ary nambara tamin' i Joaba hoe: Indro, mitomany sy misaona an' i Absaloma ny mpanjaka.
2. And the victory that day was turned into mourning unto all the people: for the people heard say that day how the king was grieved for his son.
2. Et la victoire, ce jour-là, fut changée en deuil pour tout le peuple, car en ce jour le peuple entendait dire: Le roi est affligé à cause de son fils.
2. Ary ny fandresena androtrizay dia tonga fisaonana tamin' ny vahoaka rehetra, satria ren' ny olona tamin' izany andro izany fa nalahelo ny zanany ny mpanjaka.
3. And the people gat them by stealth that day into the city, as people being ashamed steal away when they flee in battle.
3. Ce même jour, le peuple rentra dans la ville à la dérobée, comme l`auraient fait des gens honteux d`avoir pris la fuite dans le combat.
3. Ka dia niakatra nisokosoko tao an-tanàna ny olona tamin' izany andro izany, toy ny fitsaitsaikan' ny olona menatra raha mandositra amin' ny ady.
4. But the king covered his face, and the king cried with a loud voice, O my son Absalom, O Absalom, my son, my son!
4. Le roi s`était couvert le visage, et il criait à haute voix: Mon fils Absalom! Absalom, mon fils, mon fils!
4. Fa ny mpanjaka nanarona ny tavany sady nidradradradra tamin' ny feo mafy hoe: Ry Absaloma, zanako, ry Absaloma, zanako, zanako ô!
5. And Joab came into the house to the king, and said, Thou hast shamed this day the faces of all thy servants, which this day have saved thy life, and the lives of thy sons and of thy daughters, and the lives of thy wives, and the lives of thy concubines;
5. Joab entra dans la chambre où était le roi, et dit: Tu couvres aujourd`hui de confusion la face de tous tes serviteurs, qui ont aujourd`hui sauvé ta vie, celle de tes fils et de tes filles, celle de tes femmes et de tes concubines.
5. "Ary niditra tao amin' ny mpanjaka tao an-trano Joaba ka nanao hoe: Efa nomenarinao androany ny mpanomponao rehetra izay namonjy ny ainao sy ny ain' ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy ary ny ain' ny vadinao sy ny vaditsindranonao;"
6. In that thou lovest thine enemies, and hatest thy friends. For thou hast declared this day, that thou regardest neither princes nor servants: for this day I perceive, that if Absalom had lived, and all we had died this day, then it had pleased thee well.
6. "Tu aimes ceux qui te haïssent et tu hais ceux qui t`aiment, car tu montres aujourd`hui qu`il n`y a pour toi ni chefs ni serviteurs; et je vois maintenant que, si Absalom vivait et que nous fussions tous morts en ce jour, cela serait agréable à tes yeux."
6. "Fa ny fahavalonao no tianao ary ny sakaizanao no halanao. Fa nambaranao androany fa tsinontsinona aminao ny andriandahinao sy ny mpanomponao; ary fantatro androany fa raha velona teo Absaloma ka izahay rehetra no maty androany, dia izany no sitrakao indrindra."
7. Now therefore arise, go forth, and speak comfortably unto thy servants: for I swear by the LORD, if thou go not forth, there will not tarry one with thee this night: and that will be worse unto thee than all the evil that befell thee from thy youth until now.
7. "Lève-toi donc, sors, et parle au coeur de tes serviteurs! Car je jure par l`Éternel que, si tu ne sors pas, il ne restera pas un homme avec toi cette nuit; et ce sera pour toi pire que tous les malheurs qui te sont arrivés depuis ta jeunesse jusqu`à présent."
7. "Koa mitsangàna ankehitriny, ka mivoaha ary manaova teny soa amin' ny mpanomponao, fa mianiana amin' i Jehovah aho, fa raha tsy mivoaka ianao, dia tsy hisy na dia iray akory aza hitoetra eto aminao anio alina; ka dia ho ratsy lavitra aminao izany noho ny fahoriana rehetra izay nanjo anao hatramin' ny fahazazanao ka mandraka ankehitriny."

David Returns to Jerusalem

8. Then the king arose, and sat in the gate. And they told unto all the people, saying, Behold, the king doth sit in the gate. And all the people came before the king: for Israel had fled every man to his tent.
8. Alors le roi se leva, et il s`assit à la porte. On fit dire à tout le peuple: Voici, le roi est assis à la porte. Et tout le peuple vint devant le roi. Cependant Israël s`était enfui, chacun dans sa tente.
8. "Dia niainga ny mpanjaka ka nipetraka teo am-bavahady. Ary nambara tamin' ny vahoaka rehetra hoe: Indro, mipetraka eo am-bavahady ny mpanjaka. Ary ny vahoaka rehetra dia nankeo anatrehan' ny mpanjaka; fa ny Isiraely rehetra samy efa nandositra ho any amin' ny lainy avy."
9. And all the people were at strife throughout all the tribes of Israel, saying, The king saved us out of the hand of our enemies, and he delivered us out of the hand of the Philistines; and now he is fled out of the land for Absalom.
9. "Et dans toutes les tribus d`Israël, tout le peuple était en contestation, disant: Le roi nous a délivrés de la main de nos ennemis, c`est lui qui nous a sauvés de la main des Philistins; et maintenant il a dû fuir du pays devant Absalom."
9. "Ary ny vahoaka rehetra tamin' ny fokon' ny Isiraely nifanditra hoe: ny mpanjaka namonjy antsika tamin' ny tanan' ny fahavalontsika, ary nanafaka antsika tamin' ny tanan' ny Filistina; ary ankehitriny izy dia nandositra niala tamin' ny tany noho ny amin' i Absaloma."
10. And Absalom, whom we anointed over us, is dead in battle. Now therefore why speak ye not a word of bringing the king back?
10. Or Absalom, que nous avions oint pour qu`il régnât sur nous, est mort dans la bataille: pourquoi ne parlez-vous pas de faire revenir le roi?
10. Ary Absaloma, izay nohosorantsika hanjaka amintsika, dia efa maty tamin' ny ady. Koa nahoana ianareo no tsy miteny akory ny amin' ny hampodiana ny mpanjaka?
11. And king David sent to Zadok and to Abiathar the priests, saying, Speak unto the elders of Judah, saying, Why are ye the last to bring the king back to his house? seeing the speech of all Israel is come to the king, even to his house.
11. De son côté, le roi David envoya dire aux sacrificateurs Tsadok et Abiathar: Parlez aux anciens de Juda, et dites-leur: Pourquoi seriez-vous les derniers à ramener le roi dans sa maison? -Car ce qui se disait dans tout Israël était parvenu jusqu`au roi.
11. Ary Davida mpanjaka naniraka tany amin' ny Zadoka sy Abiatara mpisorona ka nanao hoe: Ataovy amin' ny loholon' ny Joda hoe: Nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin' ny fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? fa ny tenin' ny Isiraely rehetra dia efa tonga tao amin' ny mpanjaka tao an-tranony.
12. Ye are my brethren, ye are my bones and my flesh: wherefore then are ye the last to bring back the king?
12. "Vous êtes mes frères, vous êtes mes os et ma chair; pourquoi seriez-vous les derniers à ramener le roi?"
12. "Ianareo no rahalahiko, sy taolako ary nofoko; koa nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin' ny fampodiana ny mpanjaka?"
13. And say ye to Amasa, Art thou not of my bone, and of my flesh? God do so to me, and more also, if thou be not captain of the host before me continually in the room of Joab.
13. Vous direz aussi à Amasa: N`es-tu pas mon os et ma chair? Que Dieu me traite dans toute sa rigueur, si tu ne deviens pas devant moi pour toujours chef de l`armée à la place de Joab!
13. Ary lazao amin' i Amasa hoe: Tsy taolako sy nofoko va ianao? Hataon' Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy ho komandin' ny miaramila eo anatrehako mandrakariva ho solon' i Joaba ianao.
14. And he bowed the heart of all the men of Judah, even as the heart of one man; so that they sent this word unto the king, Return thou, and all thy servants.
14. "David fléchit le coeur de tous ceux de Juda, comme s`ils n`eussent été qu`un seul homme; et ils envoyèrent dire au roi: Reviens, toi, et tous tes serviteurs."
14. "Ary dia nampitodika ny fon' ny lehilahy rehetra amin' ny Joda ho toy ny fon' ny olona iray izy; dia naniraka tany amin' ny mpanjaka izy nanao hoe: Modia ianao sy ny mpanomponao rehetra."
15. So the king returned, and came to Jordan. And Judah came to Gilgal, to go to meet the king, to conduct the king over Jordan.
15. "Le roi revint et arriva jusqu`au Jourdain; et Juda se rendit à Guilgal, afin d`aller à la rencontre du roi et de lui faire passer le Jourdain."
15. "Ary dia nody ny mpanjaka ka tonga tao Jordana; ary ny Joda tonga tao Gilgala hitsena ny mpanjaka mba hitondra azy hita an' i Jordana."
16. And Shimei the son of Gera, a Benjamite, which was of Bahurim, hasted and came down with the men of Judah to meet king David.
16. Schimeï, fils de Guéra, Benjamite, qui était de Bachurim, se hâta de descendre avec ceux de Juda à la rencontre du roi David.
16. Ary Simey, zanak' i Gera, Benjamita avy any Bahorima, dia nidodododo nidina niaraka tamin' ny lehilahy amin' ny Joda hitsena an' i Davida mpanjaka.
17. And there were a thousand men of Benjamin with him, and Ziba the servant of the house of Saul, and his fifteen sons and his twenty servants with him; and they went over Jordan before the king.
17. Il avait avec lui mille hommes de Benjamin, et Tsiba, serviteur de la maison de Saül, et les quinze fils et les vingt serviteurs de Tsiba. Ils passèrent le Jourdain à la vue du roi.
17. "Ary nisy Benjamita arivo lahy koa nanaraka azy, ary Ziba, mpanompon' ny taranak' i Saoly, mbamin' ny zanany lahy dimy ambin' ny folo sy ny mpanompony roapolo izay nanaraka azy; ary dia nita an' i Jordana teo alohan' ny mpanjaka izy ireo."
18. And there went over a ferry boat to carry over the king's household, and to do what he thought good. And Shimei the son of Gera fell down before the king, as he was come over Jordan;
18. "Le bateau, mis à la disposition du roi, faisait la traversée pour transporter sa maison; et au moment où le roi allait passer le Jourdain, Schimeï, fils de Guéra, se prosterna devant lui."
18. Ary lakana no navoivoy teo hampitana ny ankohonan' ny mpanjaka sy hanaovany izay heveriny fa tsara. Ary nony efa nita an' i Jordana ny mpanjaka, dia niankohoka teo anatrehany Simey, zanak' i Gera.
19. And said unto the king, Let not my lord impute iniquity unto me, neither do thou remember that which thy servant did perversely the day that my lord the king went out of Jerusalem, that the king should take it to his heart.
19. Et il dit au roi: Que mon seigneur ne tienne pas compte de mon iniquité, qu`il oublie que ton serviteur l`a offensé le jour où le roi mon seigneur sortait de Jérusalem, et que le roi n`y ait point égard!
19. Ary hoy izy tamin' ny mpanjaka: Aoka tsy hisain' ny tompoko heloka aho, ary aoka tsy hotsarovanao ny ratsy nataon' ny mpanomponao tamin' ny andro nivoahan' ny mpanjaka tompoko niala tany Jerosalema, ary aoka tsy ho raisin' ny mpanjaka am-po izany.
20. For thy servant doth know that I have sinned: therefore, behold, I am come the first this day of all the house of Joseph to go down to meet my lord the king.
20. Car ton serviteur reconnaît qu`il a péché. Et voici, je viens aujourd`hui le premier de toute la maison de Joseph à la rencontre du roi mon seigneur.
20. "Fa fantatro, izaho mpanomponao, fa nanota aho; noho izany, indro, izaho no avy voalohany androany amin' ny taranak' i Josefa rehetra ka nidina hitsena ny mpanjaka tompoko."
21. But Abishai the son of Zeruiah answered and said, Shall not Shimei be put to death for this, because he cursed the LORD's anointed?
21. Alors Abischaï, fils de Tseruja, prit la parole et dit: Schimeï ne doit-il pas mourir pour avoir maudit l`oint de l`Éternel?
21. Fa namaly Abisay, zanak' i Zeroia, ka nanao hoe: Tsy hovonoina va Simey noho izany, satria efa nanozona ny voahosotr' i Jehovah izy?
22. And David said, What have I to do with you, ye sons of Zeruiah, that ye should this day be adversaries unto me? shall there any man be put to death this day in Israel? for do not I know that I am this day king over Israel?
22. Mais David dit: Qu`ai-je affaire avec vous, fils de Tseruja, et pourquoi vous montrez-vous aujourd`hui mes adversaires? Aujourd`hui ferait-on mourir un homme en Israël? Ne sais-je donc pas que je règne aujourd`hui sur Israël?
22. Fa hoy Davida: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak' i Zeroia, no tonga mpanohitra ahy ianareo anio? Tokony hisy olona hatao maty va eto amin' ny isiraely anio? Fa moa tsy fantatro va fa izaho no mpanjakan' ny Isiraely anio?
23. Therefore the king said unto Shimei, Thou shalt not die. And the king sware unto him.
23. Et le roi dit à Schimeï: Tu ne mourras point! Et le roi le lui jura.
23. Ary dia hoy ny mpanjaka tamin' i Simey: Tsy ho faty ianao. Ary ny mpanjaka dia nianiana taminy.
24. And Mephibosheth the son of Saul came down to meet the king, and had neither dressed his feet, nor trimmed his beard, nor washed his clothes, from the day the king departed until the day he came again in peace.
24. Mephiboscheth, fils de Saül, descendit aussi à la rencontre du roi. Il n`avait point soigné ses pieds, ni fait sa barbe, ni lavé ses vêtements, depuis le jour où le roi s`en était allé jusqu`à celui où il revenait en paix.
24. Ary Mefiboseta, zanakalahin' i Saoly, nidina hitsena ny mpanjaka, ary tsy nanasa ny tongony, na namboatra ny volombavany, na nanasa ny fitafiany izy hatramin' ny andro nialan' ny mpanjaka ka hatramin' ny andro nahatongavany soa aman-tsara.
25. And it came to pass, when he was come to Jerusalem to meet the king, that the king said unto him, Wherefore wentest not thou with me, Mephibosheth?
25. Lorsqu`il se rendit au-devant du roi à Jérusalem, le roi lui dit: Pourquoi n`es-tu pas venu avec moi, Mephiboscheth?
25. Ary izao no niseho, nony efa tonga hitsena ny mpanjaka tao Jerosalema izy, dia hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no tsy mba nandeha niaraka tamiko ianao, ry Mefiboseta?
26. And he answered, My lord, O king, my servant deceived me: for thy servant said, I will saddle me an ass, that I may ride thereon, and go to the king; because thy servant is lame.
26. Et il répondit: O roi mon seigneur, mon serviteur m`a trompé, car ton serviteur, qui est boiteux, avait dit: Je ferai seller mon âne, je le monterai, et j`irai avec le roi.
26. "Dia namaly izy hoe: Ry mpanjaka tompoko ô, nofitahin' ny mpanompoko aho; fa hoy ny mpanomponao: Hanisy lasely ny boriky aho hitaingenako ka hankany amin' ny mpanjaka; fa malemy tongotra ny mpanomponao."
27. And he hath slandered thy servant unto my lord the king; but my lord the king is as an angel of God: do therefore what is good in thine eyes.
27. Et il a calomnié ton serviteur auprès de mon seigneur le roi. Mais mon seigneur le roi est comme un ange de Dieu. Fais ce qui te semblera bon.
27. "Nefa nendrikendrehiny tamin' ny mpanjaka tompoko izaho mpanomponao; fa ny mpanjaka tompoko dia toy Ilay Anjelin' Andriamanitra; koa ataovy izay tsara eo imasonao."
28. For all of my father's house were but dead men before my lord the king: yet didst thou set thy servant among them that did eat at thine own table. What right therefore have I yet to cry any more unto the king?
28. "Car tous ceux de la maison de mon père n`ont été que des gens dignes de mort devant le roi mon seigneur; et cependant tu as mis ton serviteur au nombre de ceux qui mangent à ta table. Quel droit puis-je encore avoir, et qu`ai-je à demander au roi?"
28. "Fa ny taranaky ny raiko rehetra dia samy olona tokony ho faty eo anatrehan' ny mpanjaka tompoko; nefa ianao nampitoetra ahy mpanomponao ho isan' izay mihinana amin' ny latabatrao. Koa inona no zo ananako mbola hitarainako amin' ny mpanjaka?"
29. And the king said unto him, Why speakest thou any more of thy matters? I have said, Thou and Ziba divide the land.
29. Le roi lui dit: A quoi bon toutes tes paroles? Je l`ai déclaré: Toi et Tsiba, vous partagerez les terres.
29. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no lazainao indray ny raharahanao? Nefa izaho efa nilaza hoe: Ianao sy Ziba no hizara ny tany.
30. And Mephibosheth said unto the king, Yea, let him take all, forasmuch as my lord the king is come again in peace unto his own house.
30. Et Mephiboscheth dit au roi: Qu`il prenne même le tout, puisque le roi mon seigneur rentre en paix dans sa maison.
30. Ary hoy Mefiboseta tamin' ny mpanjaka: Aoka dia ho azy avokoa izy rehetra, fa ianao mpanjaka tompoko efa tonga soa aman-tsara ao amin' ny tranonao indray.
31. And Barzillai the Gileadite came down from Rogelim, and went over Jordan with the king, to conduct him over Jordan.
31. Barzillaï, le Galaadite, descendit de Roguelim, et passa le Jourdain avec le roi, pour l`accompagner jusqu`au delà du Jourdain.
31. Ary Barzilay Gileadita nidina avy tany Rogelima, dia niara-nita an' i Jordana tamin' ny mpanjaka izy mba hanatitra azy hita an' i Jordana.
32. Now Barzillai was a very aged man, even fourscore years old: and he had provided the king of sustenance while he lay at Mahanaim; for he was a very great man.
32. Barzillaï était très vieux, âgé de quatre-vingts ans. Il avait entretenu le roi pendant son séjour à Mahanaïm, car c`était un homme fort riche.
32. "Ary Barzilay dia lehilahy antitra, efa valopolo taona; ary izy efa nanome hanina ny mpanjaka, raha nitoetra tany Mahanaima izy; fa mpanjatobe indrindra izy."
33. And the king said unto Barzillai, Come thou over with me, and I will feed thee with me in Jerusalem.
33. Le roi dit à Barzillaï: Viens avec moi, je te nourrirai chez moi à Jérusalem.
33. Ary hoy ny mpanjaka tamin' i Barzilay: Andeha hiara-mita amiko ianao hovelomiko any amiko any Jerosalema.
34. And Barzillai said unto the king, How long have I to live, that I should go up with the king unto Jerusalem?
34. Mais Barzillaï répondit au roi: Combien d`années vivrai-je encore, pour que je monte avec le roi à Jérusalem?
34. Fa hoy Barzilay tamin' ny mpanjaka: Hafiriana intsony moa no andro hahavelomako no hiara-miakatra amin' ny mpanjaka hankany Jerosalema aho?
35. I am this day fourscore years old: and can I discern between good and evil? can thy servant taste what I eat or what I drink? can I hear any more the voice of singing men and singing women? wherefore then should thy servant be yet a burden unto my lord the king?
35. Je suis aujourd`hui âgé de quatre-vingts ans. Puis-je connaître ce qui est bon et ce qui est mauvais? Ton serviteur peut-il savourer ce qu`il mange et ce qu`il boit? Puis-je encore entendre la voix des chanteurs et des chanteuses? Et pourquoi ton serviteur serait-il encore à charge à mon seigneur le roi?
35. "Valopolo taona aho ankehitriny ; ka mahalala izay soa sy ratsy intsony va aho? Mahatsiaro ny tsiron-javatra haniko sy sotroiko intsony va aho mpanomponao? Mahare ny feon' ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy intsony va aho? Koa nahoana ny mpanomponao no mbola ho enta-mavesatra amin' ny mpanjaka tompoko?"
36. Thy servant will go a little way over Jordan with the king: and why should the king recompense it me with such a reward?
36. Ton serviteur ira un peu au delà du Jourdain avec le roi. Pourquoi, d`ailleurs, le roi m`accorderait-il ce bienfait?
36. "Kely foana no handehanan' ny mpanomponao eo an-dafin' i Jordana hiaraka amin' ny mpanjaka; koa nahoana ny mpanjaka no dia hamaly fitia ahy loatra toy izany?"
37. Let thy servant, I pray thee, turn back again, that I may die in mine own city, and be buried by the grave of my father and of my mother. But behold thy servant Chimham; let him go over with my lord the king; and do to him what shall seem good unto thee.
37. "Que ton serviteur s`en retourne, et que je meure dans ma ville, près du sépulcre de mon père et de ma mère! Mais voici ton serviteur Kimham, qui passera avec le roi mon seigneur; fais pour lui ce que tu trouveras bon."
37. Trarantitra ianao, aoka aho mpanomponao hody ihany ka ho faty any amin' ny vohitro sy halevina ao akaikin' ny fasan' ikaky sy ineny. Fa indro, Kimama mpanomponao, aoka izy no hiaraka amin' ny mpanjaka tompoko, ary ataovy aminy izay heverinao fa tsara.
38. And the king answered, Chimham shall go over with me, and I will do to him that which shall seem good unto thee: and whatsoever thou shalt require of me, that will I do for thee.
38. "Le roi dit: Que Kimham passe avec moi, et je ferai pour lui ce qui te plaira; tout ce que tu désireras de moi, je te l`accorderai."
38. "Dia namaly ny mpanjaka: Handeha hiaraka amiko tokoa Kimama, ka hataoko aminy izay heverinao fa tsara; ary izay angatahinao amiko dia hataoko ho anao."
39. And all the people went over Jordan. And when the king was come over, the king kissed Barzillai, and blessed him; and he returned unto his own place.
39. Quand tout le peuple eut passé le Jourdain et que le roi l`eut aussi passé, le roi baisa Barzillaï et le bénit. Et Barzillaï retourna dans sa demeure.
39. Ary ny vahoaka rehetra nita an' i Jordana. Ary nony tafita ny mpanjaka, dia nohorohan' ny mpanjaka Barzilay sady notsofiny rano, ary dia lasa nody ho any amin' ny fonenany izy.
40. Then the king went on to Gilgal, and Chimham went on with him: and all the people of Judah conducted the king, and also half the people of Israel.
40. Le roi se dirigea vers Guilgal, et Kimham l`accompagna. Tout le peuple de Juda et la moitié du peuple d`Israël avaient fait passer le Jourdain au roi.
40. "Dia nandroso nankany Gilgala ny mpanjaka, ary Kimama niaraka taminy; ary ny lehilahy rehetra amin' ny Joda sy ny antsasaky ny lehilahy amin' ny Isiraely koa nanatitra ny mpanjaka."
41. And, behold, all the men of Israel came to the king, and said unto the king, Why have our brethren the men of Judah stolen thee away, and have brought the king, and his household, and all David's men with him, over Jordan?
41. Mais voici, tous les hommes d`Israël abordèrent le roi, et lui dirent: Pourquoi nos frères, les hommes de Juda, t`ont-ils enlevé, et ont-ils fait passer le Jourdain au roi, à sa maison, et à tous les gens de David?
41. Ary, indreo, ny lehilahy rehetra amin' ny Isiraely nankao amin' ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ny lehilahy amin' ny Joda, rahalahinay, no nangalatra anao ka nitondra ny mpanjaka sy ny ankohonany ary ny olon' i Davida rehetra teny aminy hita an' i Jordana?
42. And all the men of Judah answered the men of Israel, Because the king is near of kin to us: wherefore then be ye angry for this matter? have we eaten at all of the king's cost? or hath he given us any gift?
42. "Tous les hommes de Juda répondirent aux hommes d`Israël: C`est que le roi nous tient de plus près; et qu`y a-t-il là pour vous irriter? Avons-nous vécu aux dépens du roi? Nous a-t-il fait des présents?"
42. "Ary ny lehilahy rehetra amin' ny Joda dia namaly ny lehilahy amin' ny Isiraely hoe: Satria havanay akaiky ny mpanjaka; ka nahoana no ho tezitra amin' izany zavatra izany ianareo? Nandany ny mpanjaka va izahay? Sa nanome fanomezana anay akory va izy?"
43. And the men of Israel answered the men of Judah, and said, We have ten parts in the king, and we have also more right in David than ye: why then did ye despise us, that our advice should not be first had in bringing back our king? And the words of the men of Judah were fiercer than the words of the men of Israel.
43. Et les hommes d`Israël répondirent aux hommes de Juda: Le roi nous appartient dix fois autant, et David même plus qu`à vous. Pourquoi nous avez-vous méprisés? N`avons-nous pas été les premiers à proposer de faire revenir notre roi? Et les hommes de Juda parlèrent avec plus de violence que les hommes d`Israël.
43. "Ary ny lehilahy tamin' ny Isiraely kosa namaly ny lehilahy tamin' ny Joda hoe: Manana anjaram-polo amin' ny mpanjaka izahay; ary koa manan-jo bebe kokoa amin' i Davida mihoatra noho ianareo izahay. Koa nahoana ianareo no manao tsinontsinona anay, tsy izahay va no niteny talohanareo hampody ny mpanjakanay? Ary ny tenin' ny lehilahy tamin' ny Joda dia naherihery kokoa noho ny tenin' ny lehilahy tamin' ny Isiraely."
<
>