Absalom Returns to Jerusalem

1. Now Joab the son of Zeruiah perceived that the king's heart was toward Absalom.
1. Joab, fils de Tseruja, s`aperçut que le coeur du roi était porté pour Absalom.
1. Ary Joaba, zanak' i Zeroia, nahalala fa ny fon' ny mpanjaka nalahelo an' i Absaloma ihany.
2. And Joab sent to Tekoah, and fetched thence a wise woman, and said unto her, I pray thee, feign thyself to be a mourner, and put on now mourning apparel, and anoint not thyself with oil, but be as a woman that had a long time mourned for the dead:
2. "Il envoya chercher à Tekoa une femme habile, et il lui dit: Montre-toi désolée, et revêts des habits de deuil; ne t`oins pas d`huile, et sois comme une femme qui depuis longtemps pleure un mort."
2. "Koa naniraka tany Tekoa nampaka vehivavy hendry tany Joaba ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, modia misaona, ka miakanjoa akanjo fisaonana, ary aza mihoso-diloilo ianao, fa manaova tahaka ny vehivavy efa nisaona ela ny maty;"
3. And come to the king, and speak on this manner unto him. So Joab put the words in her mouth.
3. Tu iras ainsi vers le roi, et tu lui parleras de cette manière. Et Joab lui mit dans la bouche ce qu`elle devait dire.
3. Dia mankanesa ao amin' ny mpanjaka, ka lazao aminy araka izao. Dia nomen' i Joaba teny izy.
4. And when the woman of Tekoah spake to the king, she fell on her face to the ground, and did obeisance, and said, Help, O king.
4. La femme de Tekoa alla parler au roi. Elle tomba la face contre terre et se prosterna, et elle dit: O roi, sauve-moi!
4. Ary nony niteny tamin' ny mpanjaka ravehivavy avy any Tekoa, dia niankohoka tamin' ny tany izy ary nitsaoka ka nanao hoe: Vonjeo, ry mpanjaka ô.
5. And the king said unto her, What aileth thee? And she answered, I am indeed a widow woman, and mine husband is dead.
5. Le roi lui dit: Qu`as-tu? Elle répondit: Oui, je suis veuve, mon mari est mort!
5. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Inona no manjo anao? Dia namaly ravehivavy: Vehivavy mpitondratena tokoa aho, fa maty ny vadiko.
6. And thy handmaid had two sons, and they two strove together in the field, and there was none to part them, but the one smote the other, and slew him.
6. "Ta servante avait deux fils; il se sont tous deux querellés dans les champs, et il n`y avait personne pour les séparer; l`un a frappé l`autre, et l`a tué."
6. Ary izaho mpanompovavinao nanan-janaka roa lahy, ary nifanditra tany an-tsaha izy mirahalahy, ka tsy nisy nampisaraka azy, ary ny anankiray namely ny rahalahiny ka nahafaty azy.
7. And, behold, the whole family is risen against thine handmaid, and they said, Deliver him that smote his brother, that we may kill him, for the life of his brother whom he slew; and we will destroy the heir also: and so they shall quench my coal which is left, and shall not leave to my husband neither name nor remainder upon the earth.
7. "Et voici, toute la famille s`est levée contre ta servante, en disant: Livre le meurtrier de son frère! Nous voulons le faire mourir, pour la vie de son frère qu`il a tué; nous voulons détruire même l`héritier! Ils éteindraient ainsi le tison qui me reste, pour ne laisser à mon mari ni nom ni survivant sur la face de la terre."
7. "Ary, indreo, ny mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka nanao hoe: Atolory ilay namely ny rahalahiny, fa hataonay maty izy noho ny amin' ny ain' ny rahalahiny izay novonoiny, mba hovonoinay koa na dia mpandova aza; ka dia hovonoiny ny vainafoko sisa, ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an' ny vadiko ety ambonin' ny tany."
8. And the king said unto the woman, Go to thine house, and I will give charge concerning thee.
8. Le roi dit à la femme: Va dans ta maison. Je donnerai des ordres à ton sujet.
8. Ary hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy: Modia ianao, fa izaho no handidy ny amin' izany.
9. And the woman of Tekoah said unto the king, My lord, O king, the iniquity be on me, and on my father's house: and the king and his throne be guiltless.
9. "La femme de Tekoa dit au roi: C`est sur moi, ô roi mon seigneur, et sur la maison de mon père, que le châtiment va tomber; le roi et son trône n`auront pas à en souffrir."
9. "Ary hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin' ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko sy ho amin' ny ankohonan' ny raiko ny heloka; fa ny mpanjaka sy ny sezafiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny."
10. And the king said, Whosoever saith ought unto thee, bring him to me, and he shall not touch thee any more.
10. Le roi dit: Si quelqu`un parle contre toi, amène-le-moi, et il ne lui arrivera plus de te toucher.
10. Dia hoy ny mpanjaka: Na iza na iza no manisy teny anao, ento ety amiko, dia tsy haninona anao intsony izy.
11. Then said she, I pray thee, let the king remember the LORD thy God, that thou wouldest not suffer the revengers of blood to destroy any more, lest they destroy my son. And he said, As the LORD liveth, there shall not one hair of thy son fall to the earth.
11. Elle dit: Que le roi se souvienne de l`Éternel, ton Dieu, afin que le vengeur du sang n`augmente pas la ruine, et qu`on ne détruise pas mon fils! Et il dit: L`Éternel est vivant! il ne tombera pas à terre un cheveu de ton fils.
11. Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, ry mpanjaka ô, aoka ianao hahatsiaro an' i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ny mpamaly rà tsy hamono intsony, fandrao mamono ny zanako izy. Dia hoy ny mpanjaka: Raha velona koa Jehovah, tsy hisy ho latsaka amin' ny tany na dia singam-bolo iray akory aza amin' ny zanakao.
12. Then the woman said, Let thine handmaid, I pray thee, speak one word unto my lord the king. And he said, Say on.
12. La femme dit: Permets que ta servante dise un mot à mon seigneur le roi. Et il dit: Parle!
12. Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, aoka ny mpanompovavinao hanao teny indraim-bava monja amin' ny mpanjaka tompoko. Ary hoy ny mpanjaka: lazao ary.
13. And the woman said, Wherefore then hast thou thought such a thing against the people of God? for the king doth speak this thing as one which is faulty, in that the king doth not fetch home again his banished.
13. La femme dit: Pourquoi penses-tu de la sorte à l`égard du peuple de Dieu, puisqu`il résulte des paroles mêmes du roi que le roi est comme coupable en ne rappelant pas celui qu`il a proscrit?
13. Dia hoy ravehivavy: Nahoana ianao no nihevitra toy izany hamely ny olon' Andriamanitra? fa amin' ny itenenan' ny mpanjaka izany zavatra izany, dia toa mahavoa ny tenany ihany izy noho ny tsy fampodian' ny mpanjaka ilay noroahiny.
14. For we must needs die, and are as water spilt on the ground, which cannot be gathered up again; neither doth God respect any person: yet doth he devise means, that his banished be not expelled from him.
14. "Il nous faut certainement mourir, et nous serons comme des eaux répandues à terre et qui ne se rassemblent plus; Dieu n`ôte pas la vie, mais il désire que le fugitif ne reste pas banni de sa présence."
14. "Fa tsy maintsy maty isika ka ho tahaka ny rano raraka amin' ny tany, izay tsy azo raofina intsony; ary Andriamanitra tsy mizaha tavan' olona, fa mihevitra izay fomba tsy hanariany ilay noroahiny."
15. Now therefore that I am come to speak of this thing unto my lord the king, it is because the people have made me afraid: and thy handmaid said, I will now speak unto the king; it may be that the king will perform the request of his handmaid.
15. "Maintenant, si je suis venu dire ces choses au roi mon seigneur, c`est que le peuple m`a effrayée. Et ta servante a dit: Je veux parler au roi; peut-être le roi fera-t-il ce que dira sa servante."
15. "Fa izaho no tonga hilaza izany zavatra izany amin' ny mpanjaka tompoko, dia satria ny olona no nampitahotra ahy; ary hoy aho mpanompovavinao: mba holazaiko amin' ny mpanjaka izany; fa angamba ny mpanjaka hanao izay angatahin' ny mpanompovaviny."
16. For the king will hear, to deliver his handmaid out of the hand of the man that would destroy me and my son together out of the inheritance of God.
16. Oui, le roi écoutera sa servante, pour la délivrer de la main de ceux qui cherchent à nous exterminer, moi et mon fils, de l`héritage de Dieu.
16. Fa hihaino ny mpanjaka ka hanafaka ny mpanompovaviny amin' ny tanan' ny lehilahy izay ta-hamongotra ahy mbamin' ny zanako hiala amin' ny lova nomen' Andriamanitra.
17. Then thine handmaid said, The word of my lord the king shall now be comfortable: for as an angel of God, so is my lord the king to discern good and bad: therefore the LORD thy God will be with thee.
17. Ta servante a dit: Que la parole de mon seigneur le roi me donne le repos. Car mon seigneur le roi est comme un ange de Dieu, prêt à entendre le bien et le mal. Et que l`Éternel, ton Dieu, soit avec toi!
17. "Dia hoy ny mpanompovavinao: Hahazoako fiononana anie ny tenin' ny mpanjaka tompoko; fa tahaka Ilay Anjelin' Andriamanitra ny mpanjaka tompoko ka mamantatra izay soa sy izay ratsy; koa Jehovah Andriamanitrao anie ho aminao."
18. Then the king answered and said unto the woman, Hide not from me, I pray thee, the thing that I shall ask thee. And the woman said, Let my lord the king now speak.
18. Le roi répondit, et dit à la femme: Ne me cache pas ce que je vais te demander. Et la femme dit: Que mon seigneur le roi parle!
18. Ary ny mpanjaka namaly ka niteny tamin-dravehivavy hoe: Aza dia afenina ahy izay zavatra hanontaniako anao. Dia hoy ravehivavy: Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko.
19. And the king said, Is not the hand of Joab with thee in all this? And the woman answered and said, As thy soul liveth, my lord the king, none can turn to the right hand or to the left from ought that my lord the king hath spoken: for thy servant Joab, he bade me, and he put all these words in the mouth of thine handmaid:
19. Le roi dit alors: La main de Joab n`est-elle pas avec toi dans tout ceci? Et la femme répondit: Aussi vrai que ton âme est vivante, ô roi mon seigneur, il n`y a rien à droite ni à gauche de tout ce que dit mon seigneur le roi. C`est, en effet, ton serviteur Joab qui m`a donné des ordres, et qui a mis dans la bouche de ta servante toutes ces paroles.
19. "Ary hoy ny mpanjaka: Moa tsy ny tanan' i Joaba va no aminao amin' izany rehetra izany? Dia namaly ravehivavy ka nanao hoe : Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy mivily izay rehetra nolazain' ny mpanjaka tompoko na ho amin' ny ankavanana na ho amin' ny ankavia; fa Joaba mpanomponao tokoa no nandidy ahy sy nanome izany teny rehetra izany tao am-bavan' ny mpanompovavinao."
20. To fetch about this form of speech hath thy servant Joab done this thing: and my lord is wise, according to the wisdom of an angel of God, to know all things that are in the earth.
20. C`est pour donner à la chose une autre tournure que ton serviteur Joab a fait cela. Mais mon seigneur est aussi sage qu`un ange de Dieu, pour connaître tout ce qui se passe sur la terre.
20. "Ny hampiova tarehy ny teny no nanaovan' i Joaba mpanomponao izany zavatra izany; fa hendry tahaka ny fahendren' Ilay Anjelin' i Andriamanitra ny tompoko ka mahalala ny zavatra rehetra ety ambonin' ny tany."
21. And the king said unto Joab, Behold now, I have done this thing: go therefore, bring the young man Absalom again.
21. "Le roi dit à Joab: Voici, je veux bien faire cela; va donc, ramène le jeune homme Absalom."
21. "Ary hoy ny mpanjaka tamin' i Joaba: Indro, fa efa nekeko izany zavatra izany; koa andeha, alao hody Absaloma zatovo."
22. And Joab fell to the ground on his face, and bowed himself, and thanked the king: and Joab said, To day thy servant knoweth that I have found grace in thy sight, my lord, O king, in that the king hath fulfilled the request of his servant.
22. Joab tomba la face contre terre et se prosterna, et il bénit le roi. Puis il dit: Ton serviteur connaît aujourd`hui que j`ai trouvé grâce à tes yeux, ô roi mon seigneur, puisque le roi agit selon la parole de son serviteur.
22. "Dia niankohoka tamin' ny tany i Joaba ka nitsaoka sy nisaotra ny mpanjaka; ary hoy Joaba: Anio no ahafantaran' ny mpanomponao fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, tamin' ny nanaovan' ny mpanjaka araka ny nangatahin' ny mpanompony."
23. So Joab arose and went to Geshur, and brought Absalom to Jerusalem.
23. Et Joab se leva et partit pour Gueschur, et il ramena Absalom à Jérusalem.
23. Dia niainga Joaba nankany Gesora, ka nentiny nankany Jerosalema i Absaloma.
24. And the king said, Let him turn to his own house, and let him not see my face. So Absalom returned to his own house, and saw not the king's face.
24. Mais le roi dit: Qu`il se retire dans sa maison, et qu`il ne voie point ma face. Et Absalom se retira dans sa maison, et il ne vit point la face du roi.
24. Ary hoy ny mpanjaka: Aoka hody any an-tranony izy, fa aza avela hahita ny tavako. Ary Absaloma nankany an-tranony, ka dia tsy nahita ny tavan' ny mpanjaka.
25. But in all Israel there was none to be so much praised as Absalom for his beauty: from the sole of his foot even to the crown of his head there was no blemish in him.
25. "Il n`y avait pas un homme dans tout Israël aussi renommé qu`Absalom pour sa beauté; depuis la plante du pied jusqu`au sommet de la tête, il n`y avait point en lui de défaut."
25. Ary tsy nisy lehilahy tsara tarehy noderaina fatratra tahaka an' i Absaloma teo amin' ny Isiraely rehetra, fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy tsiny izy.
26. And when he polled his head, (for it was at every year's end that he polled it: because the hair was heavy on him, therefore he polled it:) he weighed the hair of his head at two hundred shekels after the king's weight.
26. Lorsqu`il se rasait la tête, -c`était chaque année qu`il se la rasait, parce que sa chevelure lui pesait, -le poids des cheveux de sa tête était de deux cents sicles, poids du roi.
26. "Ary raha nanaratra ny lohany izy (fa isaky ny faran' ny taona no nanaratany azy; fa navesatra taminy ny volony ka noharatany), dia nolanjainy ny volondohany, ka sekely roanjato no lanjany, araka ny fandanjàn' ny mpanjaka."
27. And unto Absalom there were born three sons, and one daughter, whose name was Tamar: she was a woman of a fair countenance.
27. Il naquit à Absalom trois fils, et une fille nommée Tamar, qui était une femme belle de figure.
27. Ary Absaloma niteraka zanaka telo mirahalahy sy vavy iray, atao hoe Tamara, ary vehivavy tsara tarehy izy.
28. So Absalom dwelt two full years in Jerusalem, and saw not the king's face.
28. Absalom demeura deux ans à Jérusalem, sans voir la face du roi.
28. Ary Absaloma nitoetra roa taona ngarangidina tany Jerosalema, nefa tsy mbola nahita ny tavan' ny mpanjaka ihany izy.
29. Therefore Absalom sent for Joab, to have sent him to the king; but he would not come to him: and when he sent again the second time, he would not come.
29. "Il fit demander Joab, pour l`envoyer vers le roi; mais Joab ne voulut point venir auprès de lui. Il le fit demander une seconde fois; et Joab ne voulut point venir."
29. "Noho izany, i Absaloma dia naniraka tany amin' i Joaba, mba hanirahany azy ho any amin' ny mpanjaka, fa tsy nety nankany aminy izy; ary raha naniraka fanindroany indray Absaloma, dia mbola tsy nety nankany ihany Joaba."
30. Therefore he said unto his servants, See, Joab's field is near mine, and he hath barley there; go and set it on fire. And Absalom's servants set the field on fire.
30. "Absalom dit alors à ses serviteurs: Voyez, le champ de Joab est à côté du mien; il y a de l`orge; allez et mettez-y le feu. Et les serviteurs d`Absalom mirent le feu au champ."
30. "Koa dia hoy izy tamin' ny mpanompony: Hitanareo fa ny sahan' i Joaba dia mifanolotra amin' ny ahy, ary manana vary hordea ao izy; andeha doroy amin' ny afo izany. ary ny mpanompon' i Absaloma dia nandoro ny saha tamin' ny afo."
31. Then Joab arose, and came to Absalom unto his house, and said unto him, Wherefore have thy servants set my field on fire?
31. Joab se leva et se rendit auprès d`Absalom, dans sa maison. Il lui dit: Pourquoi tes serviteurs ont-ils mis le feu au champ qui m`appartient?
31. Ary Joaba niainga nankany amin' i Absaloma tao an-tranony ka nanao hoe: Nahoana ny mpanomponao no nandoro ny sahako tamin' ny afo?
32. And Absalom answered Joab, Behold, I sent unto thee, saying, Come hither, that I may send thee to the king, to say, Wherefore am I come from Geshur? it had been good for me to have been there still: now therefore let me see the king's face; and if there be any iniquity in me, let him kill me.
32. "Absalom répondit à Joab: Voici, je t`ai fait dire: Viens ici, et je t`enverrai vers le roi, afin que tu lui dises: Pourquoi suis-je revenu de Gueschur? Il vaudrait mieux pour moi que j`y fusse encore. Je désire maintenant voir la face du roi; et s`il y a quelque crime en moi, qu`il me fasse mourir."
32. Fa namaly an' i Joaba i Absaloma hoe: Indro, naniraka tany aminao aho nanao hoe: Mankanesa aty mba hirahiko ho any amin' ny mpanjaka hanao hoe: Nahoana no niala tany Gesora aho? Tsara amiko raha nitoetra tany ihany mandraka ankehitriny. Koa ankehitriny, aoka re mba hahita ny tavan' ny mpanjaka aho, ka raha manan-keloka aho, dia aoka hovonoiny.
33. So Joab came to the king, and told him: and when he had called for Absalom, he came to the king, and bowed himself on his face to the ground before the king: and the king kissed Absalom.
33. Joab alla vers le roi, et lui rapporta cela. Et le roi appela Absalom, qui vint auprès de lui et se prosterna la face contre terre en sa présence. Le roi baisa Absalom.
33. "Ary nankany amin' ny mpanjaka i Joaba ka nanambara izany taminy; ary rehefa nampanalaina i Absaloma, dia nankeo amin' ny mpanjaka izy ka niondrika tamin' ny tany teo anatrehan' ny mpanjaka; ary dia nanoroka an' i Absaloma ny mpanjaka."
<
>