David and Bathsheba

1. And it came to pass, after the year was expired, at the time when kings go forth to battle, that David sent Joab, and his servants with him, and all Israel; and they destroyed the children of Ammon, and besieged Rabbah. But David tarried still at Jerusalem.
1. L`année suivante, au temps où les rois se mettaient en campagne, David envoya Joab, avec ses serviteurs et tout Israël, pour détruire les fils d`Ammon et pour assiéger Rabba. Mais David resta à Jérusalem.
1. "Ary izao no niseho, rehefa niherina ny taona, ka mby amin' ny fotoana fandehanan' ny mpanjaka hiady, dia naniraka an' i Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra i Davida; ary nandringana ny taranak' i Amona ireo sady nanao fahirano an' i Raba; fa Davida mbola nijanona tany Jerosalema."
2. And it came to pass in an eveningtide, that David arose from off his bed, and walked upon the roof of the king's house: and from the roof he saw a woman washing herself; and the woman was very beautiful to look upon.
2. "Un soir, David se leva de sa couche; et, comme il se promenait sur le toit de la maison royale, il aperçut de là une femme qui se baignait, et qui était très belle de figure."
2. "Ary izao no niseho, nony harivariva dia niala avy tao am-pandriany i Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon-tranon' ny mpanjaka; ary avy eo an-tampon-trano izy no nahatazana vehivavy nisasa; ary ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery."
3. And David sent and enquired after the woman. And one said, Is not this Bathsheba, the daughter of Eliam, the wife of Uriah the Hittite?
3. David fit demander qui était cette femme, et on lui dit: N`est-ce pas Bath Schéba, fille d`Éliam, femme d`Urie, le Héthien?
3. Ary naniraka hanontany ny amin-dravehivavy Davida. Ary nisy nanao hoe: Tsy io va no Batseba, zanakavavin' i Eliama, sady vadin' i Oria Hetita?
4. And David sent messengers, and took her; and she came in unto him, and he lay with her; for she was purified from her uncleanness: and she returned unto her house.
4. Et David envoya des gens pour la chercher. Elle vint vers lui, et il coucha avec elle. Après s`être purifiée de sa souillure, elle retourna dans sa maison.
4. "Ary Davida nandefa iraka ka naka azy; dia tonga teo aminy izy ka nandriany. Ary ravehivavy nanamasina ny tenany ho afaka tamin' ny halotoany, dia nody tany an-tranony."
5. And the woman conceived, and sent and told David, and said, I am with child.
5. Cette femme devint enceinte, et elle fit dire à David: Je suis enceinte.
5. Ary nanana anaka ravehivavy ka naniraka hilaza tamin' i Davida hoe: Manana anaka aho.
6. And David sent to Joab, saying, Send me Uriah the Hittite. And Joab sent Uriah to David.
6. Alors David expédia cet ordre à Joab: Envoie-moi Urie, le Héthien. Et Joab envoya Urie à David.
6. Ary Davida naniraka tany amin' i Joaba nanao hoe: Asaovy mankaty amiko kely Oria Hetita. Dia nasain' i Joaba nankany amin' i Davida i Oria.
7. And when Uriah was come unto him, David demanded of him how Joab did, and how the people did, and how the war prospered.
7. Urie se rendit auprès de David, qui l`interrogea sur l`état de Joab, sur l`état du peuple, et sur l`état de la guerre.
7. Ary nony tonga teo aminy Oria, dia nanontanian' i Davida izy ny amin' i Joaba, sy ny olona ary ny fandroson' ny ady.
8. And David said to Uriah, Go down to thy house, and wash thy feet. And Uriah departed out of the king's house, and there followed him a mess of meat from the king.
8. Puis David dit à Urie: Descends dans ta maison, et lave tes pieds. Urie sortit de la maison royale, et il fut suivi d`un présent du roi.
8. Ary hoy Davida tamin' i Oria: Andeha àry mody, ka sasao ny tongotrao. Ary niala avy tao an-tranon' ny mpanjaka Oria, ka dia nampanarahina nahandro avy tao amin' ny mpanjaka izy.
9. But Uriah slept at the door of the king's house with all the servants of his lord, and went not down to his house.
9. Mais Urie se coucha à la porte de la maison royale, avec tous les serviteurs de son maître, et il ne descendit point dans sa maison.
9. Nefa nandry teo am-baravaran' ny tranon' ny mpanjaka Oria, niaraka tamin' ny mpanompon' ny tompony rehetra, fa tsy nidina nody tany an-tranony.
10. And when they had told David, saying, Uriah went not down unto his house, David said unto Uriah, Camest thou not from thy journey? why then didst thou not go down unto thine house?
10. On en informa David, et on lui dit: Urie n`est pas descendu dans sa maison. Et David dit à Urie: N`arrives-tu pas de voyage? Pourquoi n`es-tu pas descendu dans ta maison?
10. Ary rehefa nambara tamin' i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony i Oria, dia hoy Davida tamin' i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? Koa nahoana ianao no tsy nidina nody tany an-tranonao?
11. And Uriah said unto David, The ark, and Israel, and Judah, abide in tents; and my lord Joab, and the servants of my lord, are encamped in the open fields; shall I then go into mine house, to eat and to drink, and to lie with my wife? as thou livest, and as thy soul liveth, I will not do this thing.
11. Urie répondit à David: L`arche et Israël et Juda habitent sous des tentes, mon seigneur Joab et les serviteurs de mon seigneur campent en rase campagne, et moi j`entrerais dans ma maison pour manger et boire et pour coucher avec ma femme! Aussi vrai que tu es vivant et que ton âme est vivante, je ne ferai point cela.
11. "Fa hoy Oria tamin' i Davida: Ny fiara sy ny Isiraely ary ny Joda mitoetra amin' ny tranolay; ary Joaba tompoko sy ny mpanompon' ny tompoko mitoby any an-tsaha; ka izaho kosa va hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin' ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, tsy hanao izany aho."
12. And David said to Uriah, Tarry here to day also, and to morrow I will let thee depart. So Uriah abode in Jerusalem that day, and the morrow.
12. David dit à Urie: Reste ici encore aujourd`hui, et demain je te renverrai. Et Urie resta à Jérusalem ce jour-là et le lendemain.
12. Ary hoy Davida tamin' i Oria: Mitoera ihany àry aty anio, fa rahampitso dia halefako ianao. Dia nitoetra tany Jerosalema androtrizay sy ny ampitson' iny i Oria.
13. And when David had called him, he did eat and drink before him; and he made him drunk: and at even he went out to lie on his bed with the servants of his lord, but went not down to his house.
13. "David l`invita à manger et à boire en sa présence, et il l`enivra; et le soir, Urie sortit pour se mettre sur sa couche, avec les serviteurs de son maître, mais il ne descendit point dans sa maison."
13. "Ary rehefa nantsoin' i Davida izy, dia nihinana sy nisotro teo anatrehany, ka nomamoiny; ary nony hariva dia nivoaka izy ka nandry teo amin' ny fandriany niaraka tamin' ny mpanompon' ny tompony, fa tsy nody tany an-tranony."
14. And it came to pass in the morning, that David wrote a letter to Joab, and sent it by the hand of Uriah.
14. Le lendemain matin, David écrivit une lettre à Joab, et l`envoya par la main d`Urie.
14. Ary izao no niseho, nony maraina, Davida dia nanoratra taratasy ho any amin' i Joaba ka nampitondra izany an-tanana an' i Oria.
15. And he wrote in the letter, saying, Set ye Uriah in the forefront of the hottest battle, and retire ye from him, that he may be smitten, and die.
15. Il écrivit dans cette lettre: Placez Urie au plus fort du combat, et retirez-vous de lui, afin qu`il soit frappé et qu`il meure.
15. "Ary izao no nosoratany tao amin' ny taratasy manao hoe: Arosoinareo eo anoloan' ny ady mafy i Oria; dia ilaozy izy mba ho voa ka ho faty."
16. And it came to pass, when Joab observed the city, that he assigned Uriah unto a place where he knew that valiant men were.
16. Joab, en assiégeant la ville, plaça Urie à l`endroit qu`il savait défendu par de vaillants soldats.
16. Ary izao no niseho, rehefa nandinika ny tanàna Joaba, dia nanendry an' i Oria ho eo amin' ny toerana izay fantany fa misy ireo lehilahy mahery fo.
17. And the men of the city went out, and fought with Joab: and there fell some of the people of the servants of David; and Uriah the Hittite died also.
17. "Les hommes de la ville firent une sortie et se battirent contre Joab; plusieurs tombèrent parmi le peuple, parmi les serviteurs de David, et Urie, le Héthien, fut aussi tué."
17. "Ary ny lehilahy tao an-tanàna nivoaka hiady amin' i Joaba, ka lavo ny sasany tamin' ny mpanompon' i Davida; ary maty koa Oria Hetita."
18. Then Joab sent and told David all the things concerning the war;
18. Joab envoya un messager pour faire rapport à David de tout ce qui s`était passé dans le combat.
18. "Ary Joaba naniraka hilaza amin' i Davida ny zavatra rehetra mikasika ny ady;"
19. And charged the messenger, saying, When thou hast made an end of telling the matters of the war unto the king,
19. Il donna cet ordre au messager: Quand tu auras achevé de raconter au roi tous les détails du combat,
19. Sady nandidy ilay iraka hoe : Rehefa vita ny filazànao amin' ny mpanjaka ny toetry ny ady,
20. And if so be that the king's wrath arise, and he say unto thee, Wherefore approached ye so nigh unto the city when ye did fight? knew ye not that they would shoot from the wall?
20. peut-être se mettra-t-il en fureur et te dira-t-il: Pourquoi vous êtes vous approchés de la ville pour combattre? Ne savez-vous pas qu`on lance des traits du haut de la muraille?
20. Koa raha tezitra ny mpanjaka ka manao aminao hoe: Nahoana no nanakaiky ny tanàna toy izany ianareo raha niady? Tsy fantatrareo va fa hitifitra avy eo amin' ny manda izy?
21. Who smote Abimelech the son of Jerubbesheth? did not a woman cast a piece of a millstone upon him from the wall, that he died in Thebez? why went ye nigh the wall? then say thou, Thy servant Uriah the Hittite is dead also.
21. Qui a tué Abimélec, fils de Jerubbéscheth? n`est-ce pas une femme qui lança sur lui du haut de la muraille un morceau de meule de moulin, et n`en est-il pas mort à Thébets? Pourquoi vous êtes-vous approchés de la muraille? Alors tu diras: Ton serviteur Urie, le Héthien, est mort aussi.
21. Iza no namely an' i Abimeleka, zanak' i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy va no nanjera ny ila-vato fikosohambarimbazaha taminy avy teo amin' ny manda, ka dia maty tao Tebeza izy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? Dia lazao hoe: Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.
22. So the messenger went, and came and shewed David all that Joab had sent him for.
22. Le messager partit: et, à son arrivée, il fit rapport à David de tout ce que Joab lui avait ordonné.
22. Ary nandeha ilay iraka, dia tonga ka nanambara tamin' i Davida izay rehetra nanirahan' i Joaba azy.
23. And the messenger said unto David, Surely the men prevailed against us, and came out unto us into the field, and we were upon them even unto the entering of the gate.
23. "Le messager dit à David: Ces gens ont eu sur nous l`avantage; ils avaient fait une sortie contre nous dans les champs, et nous les avons repoussés jusqu`à l`entrée de la porte;"
23. Ary hoy ny iraka tamin' i Davida: Nahery noho izahay tokoa izy ireo, ka nivoaka ho eo aminay tany an-tsaha ary dia nenjehinay hatreo anoloan' ny vavahady kosa izy ireo.
24. And the shooters shot from off the wall upon thy servants; and some of the king's servants be dead, and thy servant Uriah the Hittite is dead also.
24. les archers ont tiré du haut de la muraille sur tes serviteurs, et plusieurs des serviteurs du roi ont été tués, et ton serviteur Urie, le Héthien, est mort aussi.
24. "Ary ny mpitifitra teo amin' ny manda nitifitra ny mpanomponao; ary nahafatesana ny mpanompon' ny mpanjaka, ary Oria Hetita mpanomponao mba maty koa."
25. Then David said unto the messenger, Thus shalt thou say unto Joab, Let not this thing displease thee, for the sword devoureth one as well as another: make thy battle more strong against the city, and overthrow it: and encourage thou him.
25. "David dit au messager: Voici ce que tu diras à Joab: Ne sois point peiné de cette affaire, car l`épée dévore tantôt l`un, tantôt l`autre; attaque vigoureusement la ville, et renverse-la. Et toi, encourage-le!"
25. Dia hoy Davida tamin' ny iraka: izao no holazainao amin' i Joaba: Aza malahelo amin' izany ianao, fa ny sabatra tsy mifidy hasiana, herezo ihany ny adinao amin' ny tanàna, ka ravao izy, ary ampaherezonao Joaba.
26. And when the wife of Uriah heard that Uriah her husband was dead, she mourned for her husband.
26. La femme d`Urie apprit que son mari était mort, et elle pleura son mari.
26. Ary nony ren' ny vadin' i Oria fa maty ny vadiny, dia nisaona ny vadiny izy.
27. And when the mourning was past, David sent and fetched her to his house, and she became his wife, and bare him a son. But the thing that David had done displeased the LORD.
27. Quand le deuil fut passé, David l`envoya chercher et la recueillit dans sa maison. Elle devint sa femme, et lui enfanta un fils. Ce que David avait fait déplut à l`Éternel.
27. Ary rehefa afa-tsaona izy, dia nampanalain' i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak' i Jehovah ny zavatra efa nataon' i Davida.
<
>