1. In his days Nebuchadnezzar king of Babylon came up, and Jehoiakim became his servant three years: then he turned and rebelled against him.
1. "De son temps, Nebucadnetsar, roi de Babylone, se mit en campagne. Jojakim lui fut assujetti pendant trois ans; mais il se révolta de nouveau contre lui."
1. Tamin' ny androny no niakaran' i Nebokadnezara, mpanjakan' i Babylona, ary nanoa azy telo taona Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy.
2. And the LORD sent against him bands of the Chaldees, and bands of the Syrians, and bands of the Moabites, and bands of the children of Ammon, and sent them against Judah to destroy it, according to the word of the LORD, which he spake by his servants the prophets.
2. "Alors l`Éternel envoya contre Jojakim des troupes de Chaldéens, des troupes de Syriens, des troupes de Moabites et des troupes d`Ammonites; il les envoya contre Juda pour le détruire, selon la parole que l`Éternel avait prononcée par ses serviteurs les prophètes."
2. "Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan' ny Kaldeana sy ny miaramilan' ny Syriana sy ny miaramilan' ny Moabita ary ny miaramilan' ny taranak' i Amona hiady aminy; dia nampandehaniny hiady amin' ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin' i Jehovah izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony."
3. Surely at the commandment of the LORD came this upon Judah, to remove them out of his sight, for the sins of Manasseh, according to all that he did;
3. Cela arriva uniquement sur l`ordre de l`Éternel, qui voulait ôter Juda de devant sa face, à cause de tous les péchés commis par Manassé,
3. "Dia araka ny tenin' i Jehovah tokoa no nahatongavan' izany tamin' ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan' i Manase araka izay rehetra nataony;"
4. And also for the innocent blood that he shed: for he filled Jerusalem with innocent blood; which the LORD would not pardon.
4. et à cause du sang innocent qu`avait répandu Manassé et dont il avait rempli Jérusalem. Aussi l`Éternel ne voulut-il point pardonner.
4. "Sy noho ny rà marina izay nalatsany koa; fa efa nofenoiny rà marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan' i Jehovah hamela ny helony."
5. Now the rest of the acts of Jehoiakim, and all that he did, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Judah?
5. Le reste des actions de Jojakim, et tout ce qu`il a fait, cela n`est-il pas écrit dans le livre des Chroniques des rois de Juda?
5. Ary ny asan' i Joiakima sisa mbamin' izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Joda va izany?
6. So Jehoiakim slept with his fathers: and Jehoiachin his son reigned in his stead.
6. Jojakin se coucha avec ses pères. Et Jojakin, son fils, régna à sa place.
6. Ary lasa nodimandry any amin' ny razany Joiakima ka Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
7. And the king of Egypt came not again any more out of his land: for the king of Babylon had taken from the river of Egypt unto the river Euphrates all that pertained to the king of Egypt.
7. Le roi d`Égypte ne sortit plus de son pays, car le roi de Babylone avait pris tout ce qui était au roi d`Égypte depuis le torrent d`Égypte jusqu`au fleuve de l`Euphrate.
7. "Ary ny mpanjakan' i Egypta tsy nivoaka avy tany amin' ny taniny intsony; fa lasan' ny mpanjakan' i Babylona izay rehetra an' ny mpanjakan' i Egypta hatramin' ny reniranon' i Egypta ka hatramin' ny ony Eofrata."
Jehoiachin King of Judah
8. Jehoiachin was eighteen years old when he began to reign, and he reigned in Jerusalem three months. And his mother's name was Nehushta, the daughter of Elnathan of Jerusalem.
8. Jojakin avait dix-huit ans lorsqu`il devint roi, et il régna trois mois à Jérusalem. Sa mère s`appelait Nehuschtha, fille d`Elnathan, de Jérusalem.
8. Valo ambin' ny folo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Nehosta, zanakavavin' i Elnatana, avy any Jerosalema.
9. And he did that which was evil in the sight of the LORD, according to all that his father had done.
9. Il fit ce qui est mal aux yeux de l`Éternel, entièrement comme avait fait son père.
9. Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon-drainy.
10. At that time the servants of Nebuchadnezzar king of Babylon came up against Jerusalem, and the city was besieged.
10. En ce temps-là, les serviteurs de Nebucadnetsar, roi de Babylone, montèrent contre Jérusalem, et la ville fut assiégée.
10. Tamin' izany fotoana izany no niakaran' ny mpanompon' i Nebokadnezara, mpanjakan' i Babylona hamely an' i Jerosalema, ary nataony fahirano ny tanàna.
11. And Nebuchadnezzar king of Babylon came against the city, and his servants did besiege it.
11. Nebucadnetsar, roi de Babylone, arriva devant la ville pendant que ses serviteurs l`assiégeaient.
11. Dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan' i Babylona, hamely ny tanàna, raha mbola nanao fahirano azy ny mpanompony.
12. And Jehoiachin the king of Judah went out to the king of Babylon, he, and his mother, and his servants, and his princes, and his officers: and the king of Babylon took him in the eighth year of his reign.
12. Alors Jojakin, roi de Juda, se rendit auprès du roi de Babylone, avec sa mère, ses serviteurs, ses chefs et ses eunuques. Et le roi de Babylone le fit prisonnier, la huitième année de son règne.
12. "Ary Joiakina, mpanjakan' ny Joda, nivoaka nankany amin' ny mpanjakan' i Babylona, dia izy sy ny reniny ary ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin' ny tandapany; ary nentin' ny mpanjakan' i Babylona izy tamin' ny taona fahavalo nanjakany."
13. And he carried out thence all the treasures of the house of the LORD, and the treasures of the king's house, and cut in pieces all the vessels of gold which Solomon king of Israel had made in the temple of the LORD, as the LORD had said.
13. "Il tira de là tous les trésors de la maison de l`Éternel et les trésors de la maison du roi; et il brisa tous les ustensiles d`or que Salomon, roi d`Israël, avait faits dans le temple de l`Éternel, comme l`Éternel l`avait prononcé."
13. Ary navoakan' i Nebokadnezara avy tao ny tahiry rehetra tao an-tranon' i Jehovah sy ny tahiry rehetra tao an-tranon' ny mpanjaka, dia nopotehiny ny fanaka volamena rehetra izay nataon'i Solomona mpanjakan' ny Isiraely tao amin' ny tempolin' i Jehovah, araka izay nolazain' i Jehovah.
14. And he carried away all Jerusalem, and all the princes, and all the mighty men of valour, even ten thousand captives, and all the craftsmen and smiths: none remained, save the poorest sort of the people of the land.
14. Il emmena en captivité tout Jérusalem, tous les chefs et tous les hommes vaillants, au nombre de dix mille exilés, avec tous les charpentiers et les serruriers: il ne resta que le peuple pauvre du pays.
14. Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery fo rehetra, dia babo iray alina mbamin' ny mahay taozavatra rehetra sy ny mpanefy, ka tsy nisy sisa tavela afa-tsy izay tompon-tany tena faraidiny.
15. And he carried away Jehoiachin to Babylon, and the king's mother, and the king's wives, and his officers, and the mighty of the land, those carried he into captivity from Jerusalem to Babylon.
15. "Il transporta Jojakin à Babylone; et il emmena captifs de Jérusalem à Babylone la mère du roi, les femmes du roi et ses eunuques, et les grands du pays,"
15. "Ary nitondra an' i Joiakina tany Babylona izy; ary ny renin' ny mpanjaka sy ny vadin' ny mpanjaka sy ny mpifehy ary ny lehilahy mahery amin' ny tany dia nentiny ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona."
16. And all the men of might, even seven thousand, and craftsmen and smiths a thousand, all that were strong and apt for war, even them the king of Babylon brought captive to Babylon.
16. tous les guerriers au nombre de sept mille, et les charpentiers et les serruriers au nombre de mille, tous hommes vaillants et propres à la guerre. Le roi de Babylone les emmena captifs à Babylone.
16. Ary ny lehilahy mahery rehetra, dia fito arivo, ary ny mahay taozavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia nentin' ny mpanjakan' i Babylona ho babo tany Babylona avokoa.
17. And the king of Babylon made Mattaniah his father's brother king in his stead, and changed his name to Zedekiah.
17. Et le roi de Babylone établit roi, à la place de Jojakin, Matthania, son oncle, dont il changea le nom en celui de Sédécias.
17. Ary Matania, rahalahin-drainy, no notendren' ny mpanjakan' i Babylona ho mpanjaka hisolo an' i Joiakina, ka novany hoe Zedekia ny anarany.
Zedekiah King of Judah
18. Zedekiah was twenty and one years old when he began to reign, and he reigned eleven years in Jerusalem. And his mother's name was Hamutal, the daughter of Jeremiah of Libnah.
18. Sédécias avait vingt et un ans lorsqu`il devint roi, et il régna onze ans à Jérusalem. Sa mère s`appelait Hamuthal, fille de Jérémie, de Libna.
18. Iraika amby roapolo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin' ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin' i Jeremia, avy any Libna.
19. And he did that which was evil in the sight of the LORD, according to all that Jehoiakim had done.
19. Il fit ce qui est mal aux yeux de l`Éternel, entièrement comme avait fait Jojakim.
19. Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon' i Joiakima.
20. For through the anger of the LORD it came to pass in Jerusalem and Judah, until he had cast them out from his presence, that Zedekiah rebelled against the king of Babylon.
20. Et cela arriva à cause de la colère de l`Éternel contre Jérusalem et contre Juda, qu`il voulait rejeter de devant sa face. Et Sédécias se révolta contre le roi de Babylone.
20. Fa ny fahatezeran' i Jehovah no nahatongavan' izany tamin' i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin' ny mpanjakan' i Babylona.