Josiah Renews the Covenant
1. And the king sent, and they gathered unto him all the elders of Judah and of Jerusalem.
1. Le roi Josias fit assembler auprès de lui tous les anciens de Juda et de Jérusalem.
1. Ary naniraka ny mpanjaka, ka novorina teo aminy ny loholona rehetra an’i Joda sy Jerosalema.
2. And the king went up into the house of the LORD, and all the men of Judah and all the inhabitants of Jerusalem with him, and the priests, and the prophets, and all the people, both small and great: and he read in their ears all the words of the book of the covenant which was found in the house of the LORD.
2. Puis il monta à la maison de l`Éternel, avec tous les hommes de Juda et tous les habitants de Jérusalem, les sacrificateurs, les prophètes, et tout le peuple, depuis le plus petit jusqu`au plus grand. Il lut devant eux toutes les paroles du livre de l`alliance, qu`on avait trouvé dans la maison de l`Éternel.
2. Dia niakatra ho ao an-tranon' i Jehovah ny mpanjaka ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin' ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin' ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe, ary novakiny ho ren' ny sofiny ny teny rehetra amin' ny bokin' ny fanekena izay hita tao an-tranon' i Jehovah.
3. And the king stood by a pillar, and made a covenant before the LORD, to walk after the LORD, and to keep his commandments and his testimonies and his statutes with all their heart and all their soul, to perform the words of this covenant that were written in this book. And all the people stood to the covenant.
3. Le roi se tenait sur l`estrade, et il traita alliance devant l`Éternel, s`engageant à suivre l`Éternel, et à observer ses ordonnances, ses préceptes et ses lois, de tout son coeur et de toute son âme, afin de mettre en pratique les paroles de cette alliance, écrites dans ce livre. Et tout le peuple entra dans l`alliance.
3. Ary ny mpanjaka nitsangana teo anilan' ny andry dia nanao fanekena teo anatrehan' i Jehovah, hanaraka an' i Jehovah sy hitandrina ny didiny sy ny teni-vavolombelony sy ny fitsipiny amin' ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hanatanteraka ny tenin' ny fanekena izay voasoratra ao amin' ity boky ity. Ary ny olona rehetra dia nanaiky ny fanekena.
4. And the king commanded Hilkiah the high priest, and the priests of the second order, and the keepers of the door, to bring forth out of the temple of the LORD all the vessels that were made for Baal, and for the grove, and for all the host of heaven: and he burned them without Jerusalem in the fields of Kidron, and carried the ashes of them unto Bethel.
4. "Le roi ordonna à Hilkija, le souverain sacrificateur, aux sacrificateurs du second ordre, et à ceux qui gardaient le seuil, de sortir du temple de l`Éternel tous les ustensiles qui avaient été faits pour Baal, pour Astarté, et pour toute l`armée des cieux; et il les brûla hors de Jérusalem, dans les champs du Cédron, et en fit porter la poussière à Béthel."
4. Ary ny mpanjaka nandidy an' i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an' i Bala sy Astarta ary ho an' izay rehetra eny amin' ny lanitra hiala amin' ny tempolin' i Jehovah, ka nodorany tany ivelan' i Jerosalema teny amin' ny sahan' i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny lavenony.
5. And he put down the idolatrous priests, whom the kings of Judah had ordained to burn incense in the high places in the cities of Judah, and in the places round about Jerusalem; them also that burned incense unto Baal, to the sun, and to the moon, and to the planets, and to all the host of heaven.
5. Il chassa les prêtres des idoles, établis par les rois de Juda pour brûler des parfums sur les hauts lieux dans les villes de Juda et aux environs de Jérusalem, et ceux qui offraient des parfums à Baal, au soleil, à la lune, au zodiaque et à toute l`armée des cieux.
5. Ary natsahany koa ny mpisoron-tsampy, izay notendren' ny mpanjakan' ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin' ny fitoerana avo tany amin' ny tanànan' ny Joda sy tamin' ny manodidina an' i Jerosalema sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an' i Bala, ho an' ny masoandro, ary ho an' ny volana sy ny planeta ary ho an' izay rehetra eny amin' ny lanitra.
6. And he brought out the grove from the house of the LORD, without Jerusalem, unto the brook Kidron, and burned it at the brook Kidron, and stamped it small to powder, and cast the powder thereof upon the graves of the children of the people.
6. "Il sortit de la maison de l`Éternel l`idole d`Astarté, qu`il transporta hors de Jérusalem vers le torrent de Cédron; il la brûla au torrent de Cédron et la réduisit en poussière, et il en jeta la poussière sur les sépulcres des enfants du peuple."
6. Ary ny Aseraha navoakany niala avy tao an-tranon' i Jehovah ho any ivelan' i Jerosalema ho eo amin' ny reniranokelin' i Kidrona, ary nodorany teo amin' ny reniranokelin' i Kidrona ho vovoka, ary ny vovony nafafiny teny ambonin' ny fasan' ny zana-bahoaka.
7. And he brake down the houses of the sodomites, that were by the house of the LORD, where the women wove hangings for the grove.
7. Il abattit les maisons des prostitués qui étaient dans la maison de l`Éternel, et où les femmes tissaient des tentes pour Astarté.
7. Ary noravany ny tranon'ny sodomita, izay teo anilan' ny tranon' i Jehovah, dia ireo izay nanenoman' ny vehivavy lay ho an' i Astarta.
8. And he brought all the priests out of the cities of Judah, and defiled the high places where the priests had burned incense, from Geba to Beersheba, and brake down the high places of the gates that were in the entering in of the gate of Joshua the governor of the city, which were on a man's left hand at the gate of the city.
8. "Il fit venir tous les prêtres des villes de Juda; il souilla les hauts lieux où les prêtres brûlaient des parfums, depuis Guéba jusqu`à Beer Schéba; et il renversa les hauts lieux des portes, celui qui était à l`entrée de la porte de Josué, chef de la ville, et celui qui était à gauche de la porte de la ville."
8. Ary nampaka ny mpisorona rehetra avy tamin' ny tanànan' ny Joda izy, dia nolotoiny ny fitoerana avo, izay nandoroan' ny mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba, ary noravany ny fitoerana avo tao akaikin' ny vavahady, dia ilay teo anoloan' ny tanàna sy ilay teo ankavia raha miditra amin' ny vavahadin' ny tanàna.
9. Nevertheless the priests of the high places came not up to the altar of the LORD in Jerusalem, but they did eat of the unleavened bread among their brethren.
9. Toutefois les prêtres des hauts lieux ne montaient pas à l`autel de l`Éternel à Jérusalem, mais ils mangeaient des pains sans levain au milieu de leurs frères.
9. "Fa ny mpisorona tamin' ny fitoerana avo dia tsy navela hanatitra teo ambonin' ny alitaran' i Jehovah any Jerosalema; nefa nahazo niara-nihinana mofo tsy misy lalivay tamin' ny rahalahiny izy."
10. And he defiled Topheth, which is in the valley of the children of Hinnom, that no man might make his son or his daughter to pass through the fire to Molech.
10. Le roi souilla Topheth dans la vallée des fils de Hinnom, afin que personne ne fît plus passer son fils ou sa fille par le feu en l`honneur de Moloc.
10. Ary nolotoiny koa Tofeta, izay eo amin' ny lohasahan' ny taranak' i Hinoma, mba tsy hisy hampandeha ny zanany lahy na ny zanany vavy hamaky ny afo ho an' i Moloka intsony.
11. And he took away the horses that the kings of Judah had given to the sun, at the entering in of the house of the LORD, by the chamber of Nathanmelech the chamberlain, which was in the suburbs, and burned the chariots of the sun with fire.
11. "Il fit disparaître de l`entrée de la maison de l`Éternel les chevaux que les rois de Juda avaient consacrés au soleil, près de la chambre de l`eunuque Nethan Mélec, qui demeurait dans le faubourg; et il brûla au feu les chars du soleil."
11. "Ary ny soavaly izay nomen' ny mpanjakan' ny Joda ho an' ny masoandro ka nataony teo amin' ny fidirana ho ao an-tranon' i Jehovah, teo akaikin' ny efitranon' i Natanameleka ionoka, izay teo an-kianja dia nesoriny; ary ny kalesin' ny masoandro dia nodorany tamin' ny afo."
12. And the altars that were on the top of the upper chamber of Ahaz, which the kings of Judah had made, and the altars which Manasseh had made in the two courts of the house of the LORD, did the king beat down, and brake them down from thence, and cast the dust of them into the brook Kidron.
12. "Le roi démolit les autels qui étaient sur le toit de la chambre haute d`Achaz et que les rois de Juda avaient faits, et les autels qu`avait faits Manassé dans les deux parvis de la maison de l`Éternel; après les avoir brisés et enlevés de là, il en jeta la poussière dans le torrent de Cédron."
12. Ary ireo alitara teo an-tampon-trano ambony amin' ny tranon' i Ahaza, izay nataon' ireo mpanjakan' ny Joda sy ny alitara izay nataon' i Manase tao anatin' ny kianja roa amin' ny tranon' i Jehovah, dia noravan' ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany amin' ny reniranokelin' i Kidrona ny vovony.
13. And the high places that were before Jerusalem, which were on the right hand of the mount of corruption, which Solomon the king of Israel had builded for Ashtoreth the abomination of the Zidonians, and for Chemosh the abomination of the Moabites, and for Milcom the abomination of the children of Ammon, did the king defile.
13. Le roi souilla les hauts lieux qui étaient en face de Jérusalem, sur la droite de la montagne de perdition, et que Salomon, roi d`Israël, avait bâtis à Astarté, l`abomination des Sidoniens, à Kemosch, l`abomination de Moab, et à Milcom, l`abomination des fils d`Ammon.
13. Ary nolotoin' ny mpanjaka ireo fitoerana avo izay teo anoloan' i Jerosalema, teo amin' ny ankavanan' ny tendrombohitra ahitan-doza, dia izay nataon' i Solomona, mpanjakan' ny Isiraely, ho an' i Astarta, fahavetavetan' ny Sidoniana sy ho an' i Kemosy, fahavetavetan' ny Moabita, ary ho an' i Milkoma, fahavetavetan' ny taranak' i Amona.
14. And he brake in pieces the images, and cut down the groves, and filled their places with the bones of men.
14. Il brisa les statues et abattit les idoles, et il remplit d`ossements d`hommes la place qu`elles occupaient.
14. Dia notorotoroiny ny sarin-javatra sady nokapainy koa ny Aseraha, ka nofenoiny taolan' olona ny toerany.
15. Moreover the altar that was at Bethel, and the high place which Jeroboam the son of Nebat, who made Israel to sin, had made, both that altar and the high place he brake down, and burned the high place, and stamped it small to powder, and burned the grove.
15. "Il renversa aussi l`autel qui était à Béthel, et le haut lieu qu`avait fait Jéroboam, fils de Nebath, qui avait fait pécher Israël; il brûla le haut lieu et le réduisit en poussière, et il brûla l`idole."
15. Ary koa ny alitara izay tao Betela sy ny fitoerana avo izay nataon' i Jeroboama, zanak' i Nebata, ilay nampanota ny Isiraely, dia noravany koa, dia izany alitara izany sy ny fitoerana avo ary nodorany ny fitoerana avo ka notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny Aseraha.
16. And as Josiah turned himself, he spied the sepulchres that were there in the mount, and sent, and took the bones out of the sepulchres, and burned them upon the altar, and polluted it, according to the word of the LORD which the man of God proclaimed, who proclaimed these words.
16. Josias, s`étant tourné et ayant vu les sépulcres qui étaient là dans la montagne, envoya prendre les ossements des sépulcres, et il les brûla sur l`autel et le souilla, selon la parole de l`Éternel prononcée par l`homme de Dieu qui avait annoncé ces choses.
16. Ary raha nitodika Josia dia nahatazana ny fasana teny an-tendrombohitra, ka naniraka naka ny taolana avy tao am-pasana, ary nodorany teo ambonin' ny alitara izany ka nolotoiny ny alitara araka ny tenin' i Jehovah, izay nambaran' ny lehilahin' Andriamanitra, izay nilaza izany teny izany.
17. Then he said, What title is that that I see? And the men of the city told him, It is the sepulchre of the man of God, which came from Judah, and proclaimed these things that thou hast done against the altar of Bethel.
17. Il dit: Quel est ce monument que je vois? Les gens de la ville lui répondirent: C`est le sépulcre de l`homme de Dieu, qui est venu de Juda, et qui a crié contre l`autel de Béthel ces choses que tu as accomplies.
17. Dia hoy izy: Tsangambaton' iza itsy hitako itsy? Ary hoy ny mponina tao an-tanàna taminy: Fasan' ilay lehilahin' Andriamanitra izay avy tany Joda io, dia ilay nitory izao zavatra nataonao tamin' ny alitara eto Betela izao.
18. And he said, Let him alone; let no man move his bones. So they let his bones alone, with the bones of the prophet that came out of Samaria.
18. "Et il dit: Laissez-le; que personne ne remue ses os! On conserva ainsi ses os avec les os du prophète qui était venu de Samarie."
18. "Ary hoy izy: Aoka itsy; aza misy manetsika ny taolany akory. Dia tsy nokasihiny ny taolany sy ny taolan' ilay mpaminany avy tany Samaria."
19. And all the houses also of the high places that were in the cities of Samaria, which the kings of Israel had made to provoke the Lord to anger, Josiah took away, and did to them according to all the acts that he had done in Bethel.
19. "Josias fit encore disparaître toutes les maisons des hauts lieux, qui étaient dans les villes de Samarie, et qu`avaient faites les rois d`Israël pour irriter l`Éternel; il fit à leur égard entièrement comme il avait fait à Béthel."
19. Ary ny trano rehetra tamin' ny fitoerana avo, izay teny amin' ny tanànan' i Samaria, izay nataon' ireo mpanjakan' ny Isiraely ka nampahatezitra an' i Jehovah, dia noravan' i Josia araka izay rehetra efa nataony tany Betela.
20. And he slew all the priests of the high places that were there upon the altars, and burned men's bones upon them, and returned to Jerusalem.
20. Il immola sur les autels tous les prêtres des hauts lieux, qui étaient là, et il y brûla des ossements d`hommes. Puis il retourna à Jérusalem.
20. Ary novonoiny ny mpisorona rehetra an' ny fitoerana avo, dia izay teo amin' ny alitara, sady nandoro taolan' olona teo izy, dia niverina nankany Jerosalema.
21. And the king commanded all the people, saying, Keep the passover unto the LORD your God, as it is written in the book of this covenant.
21. Le roi donna cet ordre à tout le peuple: Célébrez la Pâque en l`honneur de l`Éternel, votre Dieu, comme il est écrit dans ce livre de l`alliance.
21. Ary ny mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra nanao hoe: Tandremo ny Paskan' i Jehovah Andriamanitrareo, araka ny voasoratra ao amin' ny bokin' ity fanekena ity.
22. Surely there was not holden such a passover from the days of the judges that judged Israel, nor in all the days of the kings of Israel, nor of the kings of Judah;
22. Aucune Pâque pareille à celle-ci n`avait été célébrée depuis le temps où les juges jugeaient Israël et pendant tous les jours des rois d`Israël et des rois de Juda.
22. "Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany hatramin' ny andron' ny mpitsara izay nitsara ny Isiraely, na tamin' ny andro rehetra nanjakan' ny mpanjakan' ny Isiraely sy ny mpanjakan' ny Joda;"
23. But in the eighteenth year of king Josiah, wherein this passover was holden to the LORD in Jerusalem.
23. Ce fut la dix-huitième année du roi Josias qu`on célébra cette Pâque en l`honneur de l`Éternel à Jérusalem.
23. Fa tamin' ny taona fahavalo ambin' ny folo nanjakan' i Josia mpanjaka no nitandremany izany Paska izany ho an' i Jehovah tany Jerosalema.
24. Moreover the workers with familiar spirits, and the wizards, and the images, and the idols, and all the abominations that were spied in the land of Judah and in Jerusalem, did Josiah put away, that he might perform the words of the law which were written in the book that Hilkiah the priest found in the house of the LORD.
24. De plus, Josias fit disparaître ceux qui évoquaient les esprits et ceux qui prédisaient l`avenir, et les théraphim, et les idoles, et toutes les abominations qui se voyaient dans le pays de Juda et à Jérusalem, afin de mettre en pratique les paroles de la loi, écrites dans le livre que le sacrificateur Hilkija avait trouvé dans la maison de l`Éternel.
24. Ary ny nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana sy ny sarin-javatra sy ny sampy ary ny fahavetavetana rehetra izay hita tany amin' ny tanin' ny Joda sy tany Jerosalema, dia nesorin' i Josia, mba hahatanterahany ny tenin' ny lalàna izay voasoratra ao amin' ny boky hitan' i Hilkia mpisorona tao an-tranon' i Jehovah.
25. And like unto him was there no king before him, that turned to the LORD with all his heart, and with all his soul, and with all his might, according to all the law of Moses; neither after him arose there any like him.
25. "Avant Josias, il n`y eut point de roi qui, comme lui, revînt à l`Éternel de tout son coeur, de toute son âme et de toute sa force, selon toute la loi de Moïse; et après lui, il n`en a point paru de semblable."
25. "Ary tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin' i Jehovah tamin' ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalàn' i Mosesy rehetra; sady tsy nisy tahaka azy intsony niseho tao aoriany."
26. Notwithstanding the LORD turned not from the fierceness of his great wrath, wherewith his anger was kindled against Judah, because of all the provocations that Manasseh had provoked him withal.
26. Toutefois l`Éternel ne se désista point de l`ardeur de sa grande colère dont il était enflammé contre Juda, à cause de tout ce qu`avait fait Manassé pour l`irriter.
26. Nefa Jehovah tsy nitsahatra tamin' ny firehetan' ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana nirehitra tamin' ny Joda noho ny fampahatezerana rehetra izay nampahatezeran' i Manase Azy.
27. And the LORD said, I will remove Judah also out of my sight, as I have removed Israel, and will cast off this city Jerusalem which I have chosen, and the house of which I said, My name shall be there.
27. Et l`Éternel dit: J`ôterai aussi Juda de devant ma face comme j`ai ôté Israël, et je rejetterai cette ville de Jérusalem que j`avais choisie, et la maison de laquelle j`avais dit: Là sera mon nom.
27. Dia hoy Jehovah: Hoesoriko koa ny Joda hiala eo imasoko, tahaka ny nanesorako ny Isiraely, ary holaviko ity tanàna Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko hoe: Ho ao ny anarako.
28. Now the rest of the acts of Josiah, and all that he did, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Judah?
28. Le reste des actions de Josias, et tout ce qu`il a fait, cela n`est-il pas écrit dans le livre des Chroniques des rois de Juda?
28. Ary ny asan' i Josia sisa mbamin' izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Joda va izany?
29. In his days Pharaohnechoh king of Egypt went up against the king of Assyria to the river Euphrates: and king Josiah went against him; and he slew him at Megiddo, when he had seen him.
29. "De son temps, Pharaon Néco, roi d`Égypte, monta contre le roi d`Assyrie, vers le fleuve de l`Euphrate. Le roi Josias marcha à sa rencontre; et Pharaon le tua à Meguiddo, dès qu`il le vit."
29. "Tamin' ny androny no niakaran' i Farao-Neko, mpanjakan' i Egypta, hankany amoron' ny ony Eofrata hiady amin' ny mpanjakan' i Asyria; ary Josia mpanjaka dia nandeha hiady amin' i Farao. Kanjo nony hitany, dia matiny tao Megido izy."
30. And his servants carried him in a chariot dead from Megiddo, and brought him to Jerusalem, and buried him in his own sepulchre. And the people of the land took Jehoahaz the son of Josiah, and anointed him, and made him king in his father's stead.
30. "Ses serviteurs l`emportèrent mort sur un char; ils l`amenèrent de Meguiddo à Jérusalem, et ils l`enterrèrent dans son sépulcre. Et le peuple du pays prit Joachaz, fils de Josias; ils l`oignirent, et le firent roi à la place de son père."
30. Ary ny fatiny dia napetraky ny mpanompony tao anaty kalesy ka nentiny niala tao Megido ho any Jerosalema, dia naleviny tao amin' ny fasany. Ary nalain' ny vahoaka Joahaza zanak' i Josia, dia nohosorany ka nampanjakainy handimby an-drainy.
Jehoahaz King of Judah
31. Jehoahaz was twenty and three years old when he began to reign; and he reigned three months in Jerusalem. And his mother's name was Hamutal, the daughter of Jeremiah of Libnah.
31. Joachaz avait vingt-trois ans lorsqu`il devint roi, et il régna trois mois à Jérusalem. Sa mère s`appelait Hamuthal, fille de Jérémie, de Libna.
31. Telo amby roapolo taona Joahaza, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin' i Jeremia avy any Libna.
32. And he did that which was evil in the sight of the LORD, according to all that his fathers had done.
32. Il fit ce qui est mal aux yeux de l`Éternel, entièrement comme avaient fait ses pères.
32. Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon' ny razany.
33. And Pharaohnechoh put him in bands at Riblah in the land of Hamath, that he might not reign in Jerusalem; and put the land to a tribute of an hundred talents of silver, and a talent of gold.
33. "Pharaon Néco l`enchaîna à Ribla, dans le pays de Hamath, pour qu`il ne régnât plus à Jérusalem; et il mit sur le pays une contribution de cent talents d`argent et d`un talent d`or."
33. Ary nafatotr' i Farao-Neko tao Ribla any amin' ny tany Hamata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema, sady nampadoaviny hetra talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
34. And Pharaohnechoh made Eliakim the son of Josiah king in the room of Josiah his father, and turned his name to Jehoiakim, and took Jehoahaz away: and he came to Egypt, and died there.
34. Et Pharaon Néco établit roi Éliakim, fils de Josias, à la place de Josias, son père, et il changea son nom en celui de Jojakim. Il prit Joachaz, qui alla en Égypte et y mourut.
34. "Ary Farao-Neko nanendry an' i Eliakima, zanak' i Josia, ho mpanjaka hisolo an' i Josia rainy; ary ny anarany novany ho Joiakima, fa Joahaza kosa dia nentiny ho any Egypta ka maty tany."
35. And Jehoiakim gave the silver and the gold to Pharaoh; but he taxed the land to give the money according to the commandment of Pharaoh: he exacted the silver and the gold of the people of the land, of every one according to his taxation, to give it unto Pharaohnechoh.
35. "Jojakim donna à Pharaon l`argent et l`or; mais il taxa le pays pour fournir cet argent, d`après l`ordre de Pharaon; il détermina la part de chacun et exigea du peuple du pays l`argent et l`or qu`il devait livrer à Pharaon Néco."
35. "Ary ny volafotsy sy ny volamena dia nomen' i Joiakima an' i Farao; kanefa nampandoa hetra ny tany izy mba hanomezana ny vola araka ny didin' i Farao; ary nampandoa volafotsy sy volamena ny tompon-tany izy araka ny hetrany avy, mba homena an' i Farao-Neko."
Jehoiakim King of Judah
36. Jehoiakim was twenty and five years old when he began to reign; and he reigned eleven years in Jerusalem. And his mother's name was Zebudah, the daughter of Pedaiah of Rumah.
36. Jojakim avait vingt-cinq ans lorsqu`il devint roi, et il régna onze ans à Jérusalem. Sa mère s`appelait Zebudda, fille de Pedaja, de Ruma.
36. Dimy amby roapolo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary nanjaka iraika ambin' ny folo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Zebida, zanakavavin' i Pedaia, avy any Romaha.
37. And he did that which was evil in the sight of the LORD, according to all that his fathers had done.
37. Il fit ce qui est mal aux yeux de l`Éternel, entièrement comme avaient fait ses pères.
37. Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon' ny razany.