The Book of the Law Found

1. Josiah was eight years old when he began to reign, and he reigned thirty and one years in Jerusalem. And his mother's name was Jedidah, the daughter of Adaiah of Boscath.
1. Josias avait huit ans lorsqu`il devint roi, et il régna trente et un ans à Jérusalem. Sa mère s`appelait Jedida, fille d`Adaja, de Botskath.
1. Valo taona Josia, fony vao nanjaka,ary iraika amby telopolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jedida, zanakavavin' i Adaia, avy any Bozkata.
2. And he did that which was right in the sight of the LORD, and walked in all the way of David his father, and turned not aside to the right hand or to the left.
2. "Il fit ce qui est droit aux yeux de l`Éternel, et il marcha dans toute la voie de David, son père; il ne s`en détourna ni à droite ni à gauche."
2. Ary nanao izay mahitsy eo imason' i Jehovah kosa izy ka nandeha tamin' izay rehetra nalehan' i Davida rainy, fa tsy mba nivily, na ho amin' ny ankavanana, na ho amin' ny ankavia.
3. And it came to pass in the eighteenth year of king Josiah, that the king sent Shaphan the son of Azaliah, the son of Meshullam, the scribe, to the house of the LORD, saying,
3. La dix-huitième année du roi Josias, le roi envoya dans la maison de l`Éternel Schaphan, le secrétaire, fils d`Atsalia, fils de Meschullam.
3. Ary izao no niseho, tamin' ny taona fahavalo ambin' ny folo nanjakan' i Josia mpanjaka, dia naniraka an' i Safana mpanoratra, zanak' i Azalia, zanak' i Mesolama izy ho any an-tranon' i Jehovah ka nanao hoe:
4. Go up to Hilkiah the high priest, that he may sum the silver which is brought into the house of the LORD, which the keepers of the door have gathered of the people:
4. Il lui dit: Monte vers Hilkija, le souverain sacrificateur, et qu`il amasse l`argent qui a été apporté dans la maison de l`Éternel et que ceux qui ont la garde du seuil ont recueilli du peuple.
4. "Miakara any amin' i Hilkia mpisoronabe hanisany ny volafotsy izay nampidirina ho ao an-tranon' i Jehovah, dia izay nangonin' ny mpiandry varavarana tamin' ny olona;"
5. And let them deliver it into the hand of the doers of the work, that have the oversight of the house of the LORD: and let them give it to the doers of the work which is in the house of the LORD, to repair the breaches of the house,
5. On remettra cet argent entre les mains de ceux qui sont chargés de faire exécuter l`ouvrage dans la maison de l`Éternel. Et ils l`emploieront pour ceux qui travaillent aux réparations de la maison de l`Éternel,
5. "Ary aoka hatolony ho eo an-tanan' ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin' ny tranon' i Jehovah izany; ary aoka homen' ireo ho an' ny mpiasa izay ao an-tranon' i Jehovah hanamboarany ny simba amin' ny trano,"
6. Unto carpenters, and builders, and masons, and to buy timber and hewn stone to repair the house.
6. pour les charpentiers, les manoeuvres et les maçons, pour les achats de bois et de pierres de taille nécessaires aux réparations de la maison.
6. Dia ho an' ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato ary ny mpipaika, dia hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba amin' ny trano.
7. Howbeit there was no reckoning made with them of the money that was delivered into their hand, because they dealt faithfully.
7. Mais on ne leur demandera pas de compte pour l`argent remis entre leurs mains, car ils agissent avec probité.
7. Kanefa tsy nampamoahina ny amin' ny vola natolotra teo an-tanany ireo, fa nahatoky izy.
8. And Hilkiah the high priest said unto Shaphan the scribe, I have found the book of the law in the house of the LORD. And Hilkiah gave the book to Shaphan, and he read it.
8. Alors Hilkija, le souverain sacrificateur, dit à Schaphan, le secrétaire: J`ai trouvé le livre de la loi dans la maison de l`Éternel. Et Hilkija donna le livre à Schaphan, et Schaphan le lut.
8. Dia hoy Hilkia mpisoronabe tamin' i Safana mpanoratra: Ny bokin' ny lalàna dia hitako tao an-tranon' i Jehovah. Dia natolotr' i Hilkia an' i Safana ny boky ka novakiny.
9. And Shaphan the scribe came to the king, and brought the king word again, and said, Thy servants have gathered the money that was found in the house, and have delivered it into the hand of them that do the work, that have the oversight of the house of the LORD.
9. Puis Schaphan, le secrétaire, alla rendre compte au roi, et dit: Tes serviteurs ont amassé l`argent qui se trouvait dans la maison, et l`ont remis entre les mains de ceux qui sont chargés de faire exécuter l`ouvrage dans la maison de l`Éternel.
9. Ary Safana mpanoratra tonga tany amin' ny mpanjaka ka nitondra valiny nanao hoe: Ny mpanomponao dia efa nanangona ny vola izay hita tao an-trano, ka efa nanolotra izany ho eo an-tanan' ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin' ny tranon' i Jehovah.
10. And Shaphan the scribe shewed the king, saying, Hilkiah the priest hath delivered me a book. And Shaphan read it before the king.
10. Schaphan, le secrétaire, dit encore au roi: Le sacrificateur Hilkija m`a donné un livre. Et Schaphan le lut devant le roi.
10. Ary Safana mpanoratra naneho tamin' ny mpanjaka nanao hoe: Misy boky nomen' i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin' i Safana teo anatrehan' ny mpanjaka izany.
11. And it came to pass, when the king had heard the words of the book of the law, that he rent his clothes.
11. Lorsque le roi entendit les paroles du livre de la loi, il déchira ses vêtements.
11. Ary izao no niseho, rehefa ren' ny mpanjaka ny teny tao amin' ny bokin' ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy.
12. And the king commanded Hilkiah the priest, and Ahikam the son of Shaphan, and Achbor the son of Michaiah, and Shaphan the scribe, and Asahiah a servant of the king's, saying,
12. Et le roi donna cet ordre au sacrificateur Hilkija, à Achikam, fils de Schaphan, à Acbor, fils de Michée, à Schaphan, le secrétaire, et à Asaja, serviteur du roi:
12. Ary ny mpanjaka nandidy an' i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak' i Safana, sy Akbora, zanak' i Mikaia sy Safana mpanoratra sy Asaia, mpanompon' ny mpanjaka hoe:
13. Go ye, enquire of the LORD for me, and for the people, and for all Judah, concerning the words of this book that is found: for great is the wrath of the LORD that is kindled against us, because our fathers have not hearkened unto the words of this book, to do according unto all that which is written concerning us.
13. "Allez, consultez l`Éternel pour moi, pour le peuple, et pour tout Juda, au sujet des paroles de ce livre qu`on a trouvé; car grande est la colère de l`Éternel, qui s`est enflammée contre nous, parce que nos pères n`ont point obéi aux paroles de ce livre et n`ont point mis en pratique tout ce qui nous y est prescrit."
13. "Mandehana ianareo, ka manontania amin' i Jehovah ho ahy sy ho an' ny vahoaka, mbamin' ny Joda rehetra ny amin' ny tenin' ity boky vao hita ity; fa mafy ny fahatezeran' i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan' ny razantsika ny tenin' ity boky ity hanao araka izay rehetra voasoratra momba antsika."
14. So Hilkiah the priest, and Ahikam, and Achbor, and Shaphan, and Asahiah, went unto Huldah the prophetess, the wife of Shallum the son of Tikvah, the son of Harhas, keeper of the wardrobe; (now she dwelt in Jerusalem in the college;) and they communed with her.
14. Le sacrificateur Hilkija, Achikam, Acbor, Schaphan et Asaja, allèrent auprès de la prophétesse Hulda, femme de Schallum, fils de Thikva, fils de Harhas, gardien des vêtements. Elle habitait à Jérusalem, dans l`autre quartier de la ville.
14. "Dia nandeha Hilkia sy Ahikama sy Akbora sy Safana ary Asaia ka nankany amin' ny Holda mpaminanivavy, vadin' i Saloma, zanak' i Tikva, zanak' i Harasa, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tao amin' ny trano fianarana tany Jerosalema ravehivavy); dia niresaka taminy izy ireo."
15. And she said unto them, Thus saith the LORD God of Israel, Tell the man that sent you to me,
15. Après qu`ils eurent parlé, elle leur dit: Ainsi parle l`Éternel, le Dieu d`Israël: Dites à l`homme qui vous a envoyés vers moi:
15. Ary hoy ravehivavy tamin' izy ireo: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin' ny lehilahy izay naniraka anareo ho aty amiko hoe:
16. Thus saith the LORD, Behold, I will bring evil upon this place, and upon the inhabitants thereof, even all the words of the book which the king of Judah hath read:
16. Ainsi parle l`Éternel: Voici, je vais faire venir des malheurs sur ce lieu et sur ses habitants, selon toutes les paroles du livre qu`a lu le roi de Juda.
16. "Izao no lazain' i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin' ity tanàna ity sy amin' ny mponina eto, dia araka izay rehetra lazain' ny boky novakin' ny mpanjakan' ny Joda;"
17. Because they have forsaken me, and have burned incense unto other gods, that they might provoke me to anger with all the works of their hands; therefore my wrath shall be kindled against this place, and shall not be quenched.
17. Parce qu`ils m`ont abandonné et qu`ils ont offert des parfums à d`autres dieux, afin de m`irriter par tous les ouvrages de leurs mains, ma colère s`est enflammée contre ce lieu, et elle ne s`éteindra point.
17. Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra tamin' izay andriamani-kafa ka nampahatezitra Ahy tamin' izay rehetra nataon' ny tanany, koa dia mirehitra amin' ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy azo vonoina.
18. But to the king of Judah which sent you to enquire of the LORD, thus shall ye say to him, Thus saith the LORD God of Israel, As touching the words which thou hast heard;
18. Mais vous direz au roi de Juda, qui vous a envoyés pour consulter l`Éternel: Ainsi parle l`Éternel, le Dieu d`Israël, au sujet des paroles que tu as entendues:
18. Fa ny amin' ny mpanjakan' ny Joda izay naniraka anareo hanontany amin' i Jehovah kosa anefa, dia izao no ambaraonareo aminy: Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin' ny teny izay renao:
19. Because thine heart was tender, and thou hast humbled thyself before the LORD, when thou heardest what I spake against this place, and against the inhabitants thereof, that they should become a desolation and a curse, and hast rent thy clothes, and wept before me; I also have heard thee, saith the LORD.
19. Parce que ton coeur a été touché, parce que tu t`es humilié devant l`Éternel en entendant ce que j`ai prononcé contre ce lieu et contre ses habitants, qui seront un objet d`épouvante et de malédiction, et parce que tu as déchiré tes vêtements et que tu as pleuré devant moi, moi aussi, j`ai entendu, dit l`Éternel.
19. Satria nalefaka ny fonao ka nanetry tena teo anatrehan' i Jehovah ianao, raha nandre izay nolazaiko ny amin' izay hanjo ity tanàna ity sy ny mponina eto, dia ny handravana azy sy ny hahatongavany ho fanozonana ka nandriatra ny fitafianao ianao sady nitomany teo anatrehako, dia Izaho kosa efa nihaino anao, hoy Jehovah.
20. Behold therefore, I will gather thee unto thy fathers, and thou shalt be gathered into thy grave in peace; and thine eyes shall not see all the evil which I will bring upon this place. And they brought the king word again.
20. C`est pourquoi, voici, je te recueillerai auprès de tes pères, tu seras recueilli en paix dans ton sépulcre, et tes yeux ne verront pas tous les malheurs que je ferai venir sur ce lieu. Ils rapportèrent au roi cette réponse.
20. "Koa, indro, hangoniko any amin' ny razanao ianao, ary ho voangona any amin' ny fasanao amin' ny fiadanana; ary ny masonao tsy mba hahita izay loza rehetra hoentiko mamely ity tanàna ity. Dia nitondra teny ho any amin' ny mpanjaka izy ireo."
<
>