Hezekiah's Illness

1. In those days was Hezekiah sick unto death. And the prophet Isaiah the son of Amoz came to him, and said unto him, Thus saith the LORD, Set thine house in order; for thou shalt die, and not live.
1. En ce temps-là, Ézéchias fut malade à la mort. Le prophète Ésaïe, fils d`Amots, vint auprès de lui, et lui dit: Ainsi parle l`Éternel: Donne tes ordres à ta maison, car tu vas mourir, et tu ne vivras plus.
1. Ary tamin' izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia. Ary Isaia mpaminany, zanak' i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao fa tsy ho velona.
2. Then he turned his face to the wall, and prayed unto the LORD, saying,
2. Ézéchias tourna son visage contre le mur, et fit cette prière à l`Éternel:
2. Dia nitodika nankany amin' ny rindrina izy ka nivavaka tamin' i Jehovah hoe:
3. I beseech thee, O LORD, remember now how I have walked before thee in truth and with a perfect heart, and have done that which is good in thy sight. And Hezekiah wept sore.
3. O Éternel! souviens-toi que j`ai marché devant ta face avec fidélité et intégrité de coeur, et que j`ai fait ce qui est bien à tes yeux! Et Ézéchias répandit d`abondantes larmes.
3. Mifona aminao aho, Jehovah ô, tsarovy ankehitriny ny nandehanako teo anatrehanao tamin' ny fahamarinana sy tamin' ny foko tanteraka ary ny nanaovako izay tsara teo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy Hezekia.
4. And it came to pass, afore Isaiah was gone out into the middle court, that the word of the LORD came to him, saying,
4. Ésaïe, qui était sorti, n`était pas encore dans la cour du milieu, lorsque la parole de l`Éternel lui fut adressée en ces termes:
4. Ary izao no niseho, raha tsy mbola tafavoaka ny kianja afovoany Isaia, dia tonga taminy ny tenin' i Jehovah nanao hoe:
5. Turn again, and tell Hezekiah the captain of my people, Thus saith the LORD, the God of David thy father, I have heard thy prayer, I have seen thy tears: behold, I will heal thee: on the third day thou shalt go up unto the house of the LORD.
5. "Retourne, et dis à Ézéchias, chef de mon peuple: Ainsi parle l`Éternel, le Dieu de David, ton père: J`ai entendu ta prière, j`ai vu tes larmes. Voici, je te guérirai; le troisième jour, tu monteras à la maison de l`Éternel."
5. Miverena, ka lazao amin' i Hezekia, mpanapaka ny oloko hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitr' i Davida rainao: Efa nohenoiko ny vavakao, ary efa hitako ny ranomasonao, indro, hahasitrana anao aho, ka rahafakampitso dia hiakatra ho ao an-tranon' i Jehovah ianao.
6. And I will add unto thy days fifteen years; and I will deliver thee and this city out of the hand of the king of Assyria; and I will defend this city for mine own sake, and for my servant David's sake.
6. "J`ajouterai à tes jours quinze années. Je te délivrerai, toi et cette ville, de la main du roi d`Assyrie; je protégerai cette ville, à cause de moi, et à cause de David, mon serviteur."
6. "Ary hampiako dimy ambin' ny folo taona ny andronao; sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin' ny tanan' ny mpanjakan' i Asyria Aho ary hiaro ity tanàna ity Aho noho ny amin' ny tenako sy noho ny amin' i Davida mpanompoko."
7. And Isaiah said, Take a lump of figs. And they took and laid it on the boil, and he recovered.
7. Ésaïe dit: Prenez une masse de figues. On la prit, et on l`appliqua sur l`ulcère. Et Ézéchias guérit.
7. Ary hoy Isaia: Makà ampempan' aviavy. Dia nalainy izany ka napetany tamin' ny vay, dia sitrana izy.
8. And Hezekiah said unto Isaiah, What shall be the sign that the LORD will heal me, and that I shall go up into the house of the LORD the third day?
8. Ézéchias avait dit à Ésaïe: A quel signe connaîtrai-je que l`Éternel me guérira, et que je monterai le troisième jour à la maison de l`Éternel?
8. Ary hoy Hezekia tamin' i Isaia: Inona no ho famantarana fa hositranin' i Jehovah aho ka hiakatra any an-tranon' i Jehovah rahafakampitso?
9. And Isaiah said, This sign shalt thou have of the LORD, that the LORD will do the thing that he hath spoken: shall the shadow go forward ten degrees, or go back ten degrees?
9. Et Ésaïe dit: Voici, de la part de l`Éternel, le signe auquel tu connaîtras que l`Éternel accomplira la parole qu`il a prononcée: L`ombre avancera-t-elle de dix degrés, ou reculera-t-elle de dix degrés?
9. Dia hoy Isaia: Izao no famantarana ho anao avy amin' i Jehovah hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy: handroso ambaratonga folo va ny aloka, sa hiverina ambaratonga folo?
10. And Hezekiah answered, It is a light thing for the shadow to go down ten degrees: nay, but let the shadow return backward ten degrees.
10. "Ézéchias répondit: C`est peu de chose que l`ombre avance de dix degrés; mais plutôt qu`elle recule de dix degrés."
10. "Ary Hezekia namaly hoe: Mora foana ny handrosoan' ny aloka ambaratonga folo; tsy izany, fa aoka ny aloka hiverina ambaratonga folo."
11. And Isaiah the prophet cried unto the LORD: and he brought the shadow ten degrees backward, by which it had gone down in the dial of Ahaz.
11. Alors Ésaïe, le prophète, invoqua l`Éternel, qui fit reculer l`ombre de dix degrés sur les degrés d`Achaz, où elle était descendue.
11. Ary nitaraina tamin' i Jehovah i Isaia mpaminany ka nampiverina ny aloka ambaratonga folo Jehovah, dia ilay nidinany teo amin' ny dialin' i Ahaza.

Envoys From Babylon

12. At that time Berodachbaladan, the son of Baladan, king of Babylon, sent letters and a present unto Hezekiah: for he had heard that Hezekiah had been sick.
12. En ce même temps, Berodac Baladan, fils de Baladan, roi de Babylone, envoya une lettre et un présent à Ézéchias, car il avait appris la maladie d`Ézéchias.
12. "Tamin' izany andro izany no nampitondran' i Berodaka-baladana, zanak' i Baladana, mpanjakan' i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an' i Hezekia; fa efa reny fa narary izy."
13. And Hezekiah hearkened unto them, and shewed them all the house of his precious things, the silver, and the gold, and the spices, and the precious ointment, and all the house of his armour, and all that was found in his treasures: there was nothing in his house, nor in all his dominion, that Hezekiah shewed them not.
13. Ézéchias donna audience aux envoyés, et il leur montra le lieu où étaient ses choses de prix, l`argent et l`or, les aromates et l`huile précieuse, son arsenal, et tout ce qui se trouvait dans ses trésors: il n`y eut rien qu`Ézéchias ne leur fît voir dans sa maison et dans tous ses domaines.
13. "Ary nihaino azy ireo Hezekia ka naneho azy ny trano rehetra fitahirizany ny zava-tsoany, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra sy menaka manitra sarobidy sy ny tranony rehetra fitahirizana ny fiadiany, mbamin' izay rehetra hita tao amin' ny firaketany; tsy nisy zavatra tsy nasehon' i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin' ny fanjakany rehetra."
14. Then came Isaiah the prophet unto king Hezekiah, and said unto him, What said these men? and from whence came they unto thee? And Hezekiah said, They are come from a far country, even from Babylon.
14. Ésaïe, le prophète, vint ensuite auprès du roi Ézéchias, et lui dit: Qu`ont dit ces gens-là, et d`où sont-ils venus vers toi? Ézéchias répondit: Ils sont venus d`un pays éloigné, de Babylone.
14. Dia tonga tany amin' i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain' ireo olona ireo? Ary avy taiza no niaviany ho aty aminao? Ary hoy Hezekia: avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
15. And he said, What have they seen in thine house? And Hezekiah answered, All the things that are in mine house have they seen: there is nothing among my treasures that I have not shewed them.
15. Ésaïe dit encore: Qu`ont-ils vu dans ta maison? Ézéchias répondit: Ils ont vu tout ce qui est dans ma maison: il n`y a rien dans mes trésors que je ne leur aie fait voir.
15. "Dia hoy izy: Ka inona avy no hitany tao an-tranonao? Dia namaly Hezekia hoe: Izay zavatra rehetra ato an-tranoko dia efa hitany avokoa; tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato amin' ny firaketako."
16. And Isaiah said unto Hezekiah, Hear the word of the LORD.
16. Alors Ésaïe dit à Ézéchias: Écoute la parole de l`Éternel!
16. Ary hoy Isaia tamin' i Hezekia: Henoy ary ny tenin' i Jehovah:
17. Behold, the days come, that all that is in thine house, and that which thy fathers have laid up in store unto this day, shall be carried into Babylon: nothing shall be left, saith the LORD.
17. "Voici, les temps viendront où l`on emportera à Babylone tout ce qui est dans ta maison et ce que tes pères ont amassé jusqu`à ce jour; il n`en restera rien, dit l`Éternel."
17. "Indro, avy ny andro, ka hoentina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rakitra notahirizin' ny razanao mandraka androany; tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah."
18. And of thy sons that shall issue from thee, which thou shalt beget, shall they take away; and they shall be eunuchs in the palace of the king of Babylon.
18. Et l`on prendra de tes fils, qui seront sortis de toi, que tu auras engendrés, pour en faire des eunuques dans le palais du roi de Babylone.
18. Ary avy amin' ny zanakao, dia ny avy amin' izay naterakao, dia hoentiny koa, ka ho ionoka ao an-dapan' ny mpanjakan' i Babylona izy.
19. Then said Hezekiah unto Isaiah, Good is the word of the LORD which thou hast spoken. And he said, Is it not good, if peace and truth be in my days?
19. Ézéchias répondit à Ésaïe: La parole de l`Éternel, que tu as prononcée, est bonne. Et il ajouta: N`y aura-t-il pas paix et sécurité pendant ma vie?
19. Dia hoy Hezekia tamin' Isaia: Tsara ny tenin' i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Tsy tsara va izany, raha misy fiadanana sy fahamarinana amin' ny androko?
20. And the rest of the acts of Hezekiah, and all his might, and how he made a pool, and a conduit, and brought water into the city, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Judah?
20. Le reste des actions d`Ézéchias, tous ses exploits, et comment il fit l`étang et l`aqueduc, et amena les eaux dans la ville, cela n`est-il pas écrit dans le livre des Chroniques des rois de Juda?
20. Ary ny asan' i Hezekia sisa sy ny heriny rehetra mbamin' ny nanaovany ny kamory sy ny lakan-drano nitarihany rano ho ao an-tanàna, tsy voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Joda va izany?
21. And Hezekiah slept with his fathers: and Manasseh his son reigned in his stead.
21. Ézéchias se coucha avec ses pères. Et Manassé, son fils, régna à sa place.
21. "Ary lasa nodimandry any amin' ny razany Hezekia; ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy."
<
>