Hezekiah King of Judah

1. Now it came to pass in the third year of Hoshea son of Elah king of Israel, that Hezekiah the son of Ahaz king of Judah began to reign.
1. La troisième année d`Osée, fils d`Éla, roi d`Israël, Ézéchias, fils d`Achaz, roi de Juda, régna.
1. Ary izao no niseho: tamin' ny taona fahatelo nanjakan' i Hosea, zanak' i Elaha, mpanjakan' ny Isiraely, no vao nanomboka nanjaka Hezekia, zanak' i Ahaza, mpanjakan' ny Joda.
2. Twenty and five years old was he when he began to reign; and he reigned twenty and nine years in Jerusalem. His mother's name also was Abi, the daughter of Zachariah.
2. Il avait vingt-cinq ans lorsqu`il devint roi, et il régna vingt-neuf ans à Jérusalem. Sa mère s`appelait Abi, fille de Zacharie.
2. Dimy amby roapolo taona izy, fony vao nanjaka, ary nanjaka sivy amby roapolo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Aby, zanakavavin' i Zakaria.
3. And he did that which was right in the sight of the LORD, according to all that David his father did.
3. Il fit ce qui est droit aux yeux de l`Éternel, entièrement comme avait fait David, son père.
3. Ary nanao izay mahitsy eo imason' i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon' i Davida rainy.
4. He removed the high places, and brake the images, and cut down the groves, and brake in pieces the brasen serpent that Moses had made: for unto those days the children of Israel did burn incense to it: and he called it Nehushtan.
4. Il fit disparaître les hauts lieux, brisa les statues, abattit les idoles, et mit en pièces le serpent d`airain que Moïse avait fait, car les enfants d`Israël avaient jusqu`alors brûlé des parfums devant lui: on l`appelait Nehuschtan.
4. "Izy no nandrava ny fitoerana avo sy namakivaky ny sarin-javatra sy nikapa ny Aseraha ary nanorotoro ny menarana varahina izay nataon' i Mosesy; fa hatramin' izany andro izany, ny Zanak' Isiraely dia efa nandoro ditin-kazo manitra ho an' izany; ary ny anarany dia nataony hoe: Nehostana."
5. He trusted in the LORD God of Israel; so that after him was none like him among all the kings of Judah, nor any that were before him.
5. "Il mit sa confiance en l`Éternel, le Dieu d`Israël; et parmi tous les rois de Juda qui vinrent après lui ou qui le précédèrent, il n`y en eut point de semblable à lui."
5. Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely no nitokiany, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin' izay rehetra mpanjakan' ny Joda tao aoriany, na izay teo alohany.
6. For he clave to the LORD, and departed not from following him, but kept his commandments, which the LORD commanded Moses.
6. Il fut attaché à l`Éternel, il ne se détourna point de lui, et il observa les commandements que l`Éternel avait prescrits à Moïse.
6. Fa nifikitra tamin' i Jehovah izy ka tsy niala tamin' ny fanarahana Azy, fa nitandrina ny didy izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy.
7. And the LORD was with him; and he prospered whithersoever he went forth: and he rebelled against the king of Assyria, and served him not.
7. Et l`Éternel fut avec Ézéchias, qui réussit dans toutes ses entreprises. Il se révolta contre le roi d`Assyrie, et ne lui fut plus assujetti.
7. "Ary Jehovah nomba azy, ka dia nambinina tamin' izay nalehany rehetra izy; ary niodina tamin' ny mpanjakan' i Asyria izy ka tsy nanompo azy."
8. He smote the Philistines, even unto Gaza, and the borders thereof, from the tower of the watchmen to the fenced city.
8. Il battit les Philistins jusqu`à Gaza, et ravagea leur territoire depuis les tours des gardes jusqu`aux villes fortes.
8. Izy no namely ny Filistina hatrany Gaza sy ny fari-taniny, hatramin' ny tilikambon' ny mpiambina ka hatramin' ny tanàna mimanda.
9. And it came to pass in the fourth year of king Hezekiah, which was the seventh year of Hoshea son of Elah king of Israel, that Shalmaneser king of Assyria came up against Samaria, and besieged it.
9. La quatrième année du roi Ézéchias, qui était la septième année d`Osée, fils d`Éla, roi d`Israël, Salmanasar, roi d`Assyrie, monta contre Samarie et l`assiégea.
9. Ary izao no niseho, tamin' ny taona fahefatra nanjakan' i Hezekia mpanjaka dia ny taona fahafito nanjakan' i Hosea, zanak' i Elaha, mpanjakan' ny Isiraely, no niakaran' i Salmanesera, mpanjakan' i Asyria, hamely an' i Samaria sy nanaovany fahirano azy.
10. And at the end of three years they took it: even in the sixth year of Hezekiah, that is the ninth year of Hoshea king of Israel, Samaria was taken.
10. Il la prit au bout de trois ans, la sixième année d`Ézéchias, qui était la neuvième année d`Osée, roi d`Israël: alors Samarie fut prise.
10. Ary nony tapitra ny telo taona, dia afak' ireo ny tanàna: dia tamin' ny taona fahenina nanjakan' i Hezekia, izay taona fahasivy nanjakan' i Hosea, mpanjakan' ny Isiraely, no nahafahana an' i Samaria.
11. And the king of Assyria did carry away Israel unto Assyria, and put them in Halah and in Habor by the river of Gozan, and in the cities of the Medes:
11. Le roi d`Assyrie emmena Israël captif en Assyrie, et il les établit à Chalach, et sur le Chabor, fleuve de Gozan, et dans les villes des Mèdes,
11. Ary ny mpanjakan' i Asyria nitondra ny Isiraely ho babo tany Asyria ka nametraka azy tao Hala sy tao Habora, teo amoron' i Gozana, ary teny amin' ny tanànan' ny Mediana,
12. Because they obeyed not the voice of the LORD their God, but transgressed his covenant, and all that Moses the servant of the LORD commanded, and would not hear them, nor do them.
12. parce qu`ils n`avaient point écouté la voix de l`Éternel, leur Dieu, et qu`ils avaient transgressé son alliance, parce qu`ils n`avaient ni écouté ni mis en pratique tout ce qu`avait ordonné Moïse, serviteur de l`Éternel.
12. Satria tsy nankatò ny feon' i Jehovah Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, dia izay rehetra nandidian' i Mosesy, mpanompon' i Jehovah ka tsy nihaino na nanatanteraka ireny.
13. Now in the fourteenth year of king Hezekiah did Sennacherib king of Assyria come up against all the fenced cities of Judah, and took them.
13. La quatorzième année du roi Ézéchias, Sanchérib, roi d`Assyrie, monta contre toutes les villes fortes de Juda, et s`en empara.
13. Ary tamin' ny taona fahefatra ambin' ny folo nanjakan' i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan' i Asyria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
14. And Hezekiah king of Judah sent to the king of Assyria to Lachish, saying, I have offended; return from me: that which thou puttest on me will I bear. And the king of Assyria appointed unto Hezekiah king of Judah three hundred talents of silver and thirty talents of gold.
14. Ézéchias, roi de Juda, envoya dire au roi d`Assyrie à Lakis: J`ai commis une faute! Éloigne-toi de moi. Ce que tu m`imposeras, je le supporterai. Et le roi d`Assyrie imposa à Ézéchias, roi de Juda, trois cents talents d`argent et trente talents d`or.
14. Ary Hezekia, mpanjakan' ny Joda, naniraka tany amin' ny mpanjakan' i Asyria tany Lakisy nanao hoe: Efa diso aho, ialao aho, fa izay hampitondrainao ahy dia hoentiko. Ary ny mpanjakan' i Asyria nampandoa an' i Hezekia, mpanjakan' ny Joda, talenta volafotsy telonjato sy talenta volamena telopolo.
15. And Hezekiah gave him all the silver that was found in the house of the LORD, and in the treasures of the king's house.
15. Ézéchias donna tout l`argent qui se trouvait dans la maison de l`Éternel et dans les trésors de la maison du roi.
15. Ary nomen' i Hezekia azy ny volafotsy rehetra izay hita tao an-tranon' i Jehovah sy tao amin' ny rakitry ny tranon' ny mpanjaka.
16. At that time did Hezekiah cut off the gold from the doors of the temple of the LORD, and from the pillars which Hezekiah king of Judah had overlaid, and gave it to the king of Assyria.
16. Ce fut alors qu`Ézéchias, roi de Juda, enleva, pour les livrer au roi d`Assyrie, les lames d`or dont il avait couvert les portes et les linteaux du temple de l`Éternel.
16. "Tamin' izany fotoana izany no nanendahan' i Hezekia ny volamena tamin' ny varavaran' ny tempolin' i Jehovah sy tamin' ny andry izay napetak' i Hezekia, mpanjakan' ny Joda; ary dia nomeny ho an' ny mpanjakan' i Asyria izany."

Sennacherib Threatens Jerusalem

17. And the king of Assyria sent Tartan and Rabsaris and Rabshakeh from Lachish to king Hezekiah with a great host against Jerusalem. And they went up and came to Jerusalem. And when they were come up, they came and stood by the conduit of the upper pool, which is in the highway of the fuller's field.
17. Le roi d`Assyrie envoya de Lakis à Jérusalem, vers le roi Ézéchias, Tharthan, Rab Saris et Rabschaké avec une puissante armée. Ils montèrent, et ils arrivèrent à Jérusalem. Lorsqu`ils furent montés et arrivés, ils s`arrêtèrent à l`aqueduc de l`étang supérieur, sur le chemin du champ du foulon.
17. "Ary ny mpanjakan' i Asyria naniraka an' i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin' ny miaramila betsaka avy tao Lakisy hankany Jerosalema ho any amin' i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana teo anilan' ny lakan-drano amin' ny kamory ambony, teo an-dalambe mankamin' ny sahan' ny mpamotsy lamba."
18. And when they had called to the king, there came out to them Eliakim the son of Hilkiah, which was over the household, and Shebna the scribe, and Joah the son of Asaph the recorder.
18. "Ils appelèrent le roi; et Éliakim, fils de Hilkija, chef de la maison du roi, se rendit auprès d`eux, avec Schebna, le secrétaire, et Joach, fils d`Asaph, l`archiviste."
18. Ary nony efa niantso ny mpanjaka izy, dia nivoaka ho eo aminy Eliakima, zanak' i Hilkia, izay lehiben' ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak' i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana.
19. And Rabshakeh said unto them, Speak ye now to Hezekiah, Thus saith the great king, the king of Assyria, What confidence is this wherein thou trustest?
19. Rabschaké leur dit: Dites à Ézéchias: Ainsi parle le grand roi, le roi d`Assyrie: Quelle est cette confiance, sur laquelle tu t`appuies?
19. Dia hoy Rabsake tamin' ireo: Andeha, lazao amin' i Hezekia hoe: Izao no lazain' ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan' i Asyria: Inona izato itokianao?
20. Thou sayest, (but they are but vain words,) I have counsel and strength for the war. Now on whom dost thou trust, that thou rebellest against me?
20. Tu as dit: Il faut pour la guerre de la prudence et de la force. Mais ce ne sont que des paroles en l`air. En qui donc as-tu placé ta confiance, pour t`être révolté contre moi?
20. Hoy ianao (nefa teny foana izany): Manana saina sy hery hiady aho. Koa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?
21. Now, behold, thou trustest upon the staff of this bruised reed, even upon Egypt, on which if a man lean, it will go into his hand, and pierce it: so is Pharaoh king of Egypt unto all that trust on him.
21. Voici, tu l`as placée dans l`Égypte, tu as pris pour soutien ce roseau cassé, qui pénètre et perce la main de quiconque s`appuie dessus: tel est Pharaon, roi d`Égypte, pour tous ceux qui se confient en lui.
21. "Fa, indro, matoky io tehina volotara torotoro io ianao, dia Egypta, nefa raha itehenan' olona iny, dia manindrona ny tanany miboroaka; tahaka izany Farao, mpanjakan' i Egypta, amin' izay rehetra matoky azy."
22. But if ye say unto me, We trust in the LORD our God: is not that he, whose high places and whose altars Hezekiah hath taken away, and hath said to Judah and Jerusalem, Ye shall worship before this altar in Jerusalem?
22. Peut-être me direz-vous: C`est en l`Éternel, notre Dieu, que nous nous confions. Mais n`est-ce pas lui dont Ézéchias a fait disparaître les hauts lieux et les autels, en disant à Juda et à Jérusalem: Vous vous prosternerez devant cet autel à Jérusalem?
22. Ary raha hoy ianareo amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay! Moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman' alitara izay noravan' i Hezekia, izay nilaza tamin' ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan' ity alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo?
23. Now therefore, I pray thee, give pledges to my lord the king of Assyria, and I will deliver thee two thousand horses, if thou be able on thy part to set riders upon them.
23. Maintenant, fais une convention avec mon maître, le roi d`Assyrie, et je te donnerai deux mille chevaux, si tu peux fournir des cavaliers pour les monter.
23. Koa noho izany, masìna ianao, omeo olona hatao antoka ny tompoko, mpanjakan' i Asyria, dia homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.
24. How then wilt thou turn away the face of one captain of the least of my master's servants, and put thy trust on Egypt for chariots and for horsemen?
24. Comment repousserais-tu un seul chef d`entre les moindres serviteurs de mon maître? Tu mets ta confiance dans l`Égypte pour les chars et pour les cavaliers.
24. Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin' ny mpanompon' ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza?
25. Am I now come up without the LORD against this place to destroy it? The LORD said to me, Go up against this land, and destroy it.
25. D`ailleurs, est-ce sans la volonté de l`Éternel que je suis monté contre ce lieu, pour le détruire? L`Éternel m`a dit: Monte contre ce pays, et détruis-le.
25. Moa ve miakatra tsy miaraka amin' i Jehovah aho handringana ity tany ity? Jehovah no niteny tamiko: Miakara hamely ity tany ity ka ravao izany.
26. Then said Eliakim the son of Hilkiah, and Shebna, and Joah, unto Rabshakeh, Speak, I pray thee, to thy servants in the Syrian language; for we understand it: and talk not with us in the Jews' language in the ears of the people that are on the wall.
26. "Éliakim, fils de Hilkija, Schebna et Joach, dirent à Rabschaké: Parle à tes serviteurs en araméen, car nous le comprenons; et ne nous parle pas en langue judaïque, aux oreilles du peuple qui est sur la muraille."
26. "Dia hoy Eliakima, zanak' i Hilkia sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana no ataovy aminay mpanomponao fa azonay izany; fa aza manao teny Jiosy aminay fa ren' ny olona eny ambonin' ny manda."
27. But Rabshakeh said unto them, Hath my master sent me to thy master, and to thee, to speak these words? hath he not sent me to the men which sit on the wall, that they may eat their own dung, and drink their own piss with you?
27. Rabschaké leur répondit: Est-ce à ton maître et à toi que mon maître m`a envoyé dire ces paroles? N`est-ce pas à ces hommes assis sur la muraille pour manger leurs excréments et pour boire leur urine avec vous?
27. Fa hoy Rabsake taminy: Moa ho amin' ny tomponao sy ianao akory va no nanirahan' ny tompoko ahy hilaza izao teny izao, fa tsy ho amin' ny olona izay mipetraka eny ambonin' ny manda, hihinanany izay tsy fihinany sy hisotroany izay tsy fisotrony miaraka aminareo?
28. Then Rabshakeh stood and cried with a loud voice in the Jews' language, and spake, saying, Hear the word of the great king, the king of Assyria:
28. Alors Rabschaké, s`étant avancé, cria à haute voix en langue judaïque, et dit: Écoutez la parole du grand roi, du roi d`Assyrie!
28. Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin' ny feo mahery tamin' ny teny Jiosy sady nanambara hoe: Henoy ny tenin' ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan' i Asyria:
29. Thus saith the king, Let not Hezekiah deceive you: for he shall not be able to deliver you out of his hand:
29. Ainsi parle le roi: Qu`Ézéchias ne vous abuse point, car il ne pourra vous délivrer de ma main.
29. Izao no lazain' ny mpanjaka: aza mety hofitahin' i Hezekia ianareo, fa tsy hahavonjy anareo amin' ny tanako izy tsy akory.
30. Neither let Hezekiah make you trust in the LORD, saying, The LORD will surely deliver us, and this city shall not be delivered into the hand of the king of Assyria.
30. Qu`Ézéchias ne vous amène point à vous confier en l`Éternel, en disant: L`Éternel nous délivrera, et cette ville ne sera pas livrée entre les mains du roi d`Assyrie.
30. "Aza mety hampahatokian' i Hezekia an' i Jehovah ianareo amin' ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tanan' ny mpanjakan' i Asyria tsy akory ity tanàna ity."
31. Hearken not to Hezekiah: for thus saith the king of Assyria, Make an agreement with me by a present, and come out to me, and then eat ye every man of his own vine, and every one of his fig tree, and drink ye every one the waters of his cistern:
31. "N`écoutez point Ézéchias; car ainsi parle le roi d`Assyrie: Faites la paix avec moi, rendez-vous à moi, et chacun de vous mangera de sa vigne et de son figuier, et chacun boira de l`eau de sa citerne,"
31. "Aza mihaino an' i Hezekia; fa izao no lazain' ny mpanjakan' i Asyria: manaova fanekena amiko amin' ny alalan' ny fanomezana ka mivoaha ho ety amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin' ny lavaka famorian-dranony avy ianareo,"
32. Until I come and take you away to a land like your own land, a land of corn and wine, a land of bread and vineyards, a land of oil olive and of honey, that ye may live, and not die: and hearken not unto Hezekiah, when he persuadeth you, saying, The LORD will deliver us.
32. "jusqu`à ce que je vienne, et que je vous emmène dans un pays comme le vôtre, dans un pays de blé et de vin, un pays de pain et de vignes, un pays d`oliviers à huile et de miel, et vous vivrez et vous ne mourrez point. N`écoutez donc point Ézéchias; car il pourrait vous séduire en disant: L`Éternel nous délivrera."
32. "Mandra-piaviko hitondra anareo ho any amin' ny tany tahaka ny taninareo, dia tany misy varimbazaha sy divay, tany misy mofo sy tanimboaloboka, tany misy diloilon' oliva sy tantely, mba ho velona ianareo fa tsy ho faty; ary aza mihaino an' i Hezekia, raha mandresy lahatra anareo izy, manao hoe: Jehovah no hamonjy antsika."
33. Hath any of the gods of the nations delivered at all his land out of the hand of the king of Assyria?
33. Les dieux des nations ont-ils délivré chacun son pays de la main du roi d`Assyrie?
33. Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin' ny mpanjakan' i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena?
34. Where are the gods of Hamath, and of Arpad? where are the gods of Sepharvaim, Hena, and Ivah? have they delivered Samaria out of mine hand?
34. Où sont les dieux de Hamath et d`Arpad? Où sont les dieux de Sepharvaïm, d`Héna et d`Ivva? Ont-ils délivré Samarie de ma main?
34. Aiza ny andriamanitr' i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ireo andriamanitr' i Sefarvaima sy Hena ary Iva? Nahavonjy an' i Samaria tamin' ny tanako va ireo andriamaniny?
35. Who are they among all the gods of the countries, that have delivered their country out of mine hand, that the LORD should deliver Jerusalem out of mine hand?
35. Parmi tous les dieux de ces pays, quels sont ceux qui ont délivré leur pays de ma main, pour que l`Éternel délivre Jérusalem de ma main?
35. Iza moa amin' ny andriamanitra rehetra amin' ny tany no efa nahavonjy ny taniny tamin' ny tanako, koa aiza no hahavonjen' i Jehovah an' i Jerosalema amin' ny tanako?
36. But the people held their peace, and answered him not a word: for the king's commandment was, saying, Answer him not.
36. "Le peuple se tut, et ne lui répondit pas un mot; car le roi avait donné cet ordre: Vous ne lui répondrez pas."
36. Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka dia efa nandidy hoe: aza misy mamaly azy.
37. Then came Eliakim the son of Hilkiah, which was over the household, and Shebna the scribe, and Joah the son of Asaph the recorder, to Hezekiah with their clothes rent, and told him the words of Rabshakeh.
37. Et Éliakim, fils de Hilkija, chef de la maison du roi, Schebna, le secrétaire, et Joach, fils d`Asaph, l`archiviste, vinrent auprès d`Ézéchias, les vêtements déchirés, et lui rapportèrent les paroles de Rabschaké.
37. Ary Eliakima, zanak' i Hilkia, izay lehiben' ny tao an-dapa sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak' i Asafa, dia niditra nankao amin' i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy ireo.
<
>