Azariah King of Judah
1. In the twenty and seventh year of Jeroboam king of Israel began Azariah son of Amaziah king of Judah to reign.
1. La vingt-septième année de Jéroboam, roi d`Israël, Azaria, fils d`Amatsia, roi de Juda, régna.
1. Tamin' ny taona fahafito amby roapolo nanjakan' i Jeroboama, mpanjakan' ny Isiraely no vao nanomboka nanjaka Azaria, zanak' i Amazia, mpanjakan' ny Joda.
2. Sixteen years old was he when he began to reign, and he reigned two and fifty years in Jerusalem. And his mother's name was Jecholiah of Jerusalem.
2. Il avait seize ans lorsqu`il devint roi, et il régna cinquante-deux ans à Jérusalem. Sa mère s`appelait Jecolia, de Jérusalem.
2. Enina ambin' ny folo taona izy, fony vao nanjaka, ary roa amby dimampolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
3. And he did that which was right in the sight of the LORD, according to all that his father Amaziah had done;
3. Il fit ce qui est droit aux yeux de l`Éternel, entièrement comme avait fait Amatsia, son père.
3. "Ary nanao izay mahitsy eo imason' i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon' i Amazia rainy;"
4. Save that the high places were not removed: the people sacrificed and burnt incense still on the high places.
4. "Seulement, les hauts lieux ne disparurent point; le peuple offrait encore des sacrifices et des parfums sur les hauts lieux."
4. Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana, fa mbola nanao fanatitra sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin' ny fitoerana avo ihany ny olona.
5. And the LORD smote the king, so that he was a leper unto the day of his death, and dwelt in a several house. And Jotham the king's son was over the house, judging the people of the land.
5. L`Éternel frappa le roi, qui fut lépreux jusqu`au jour de sa mort et demeura dans une maison écartée. Et Jotham, fils du roi, était à la tête de la maison et jugeait le peuple du pays.
5. Ary Jehovah namely ny mpanjaka, ka dia boka mandra-pahafatiny izy ka nitoetra tao an-trano nitokana. Ary Jotama, zanakalahin' ny mpanjaka, no nanapaka tao an-dapa sy nitsara ny vahoaka tamin' ny tany.
6. And the rest of the acts of Azariah, and all that he did, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Judah?
6. Le reste des actions d`Azaria, et tout ce qu`il a fait, cela n`est-il pas écrit dans le livre des Chroniques des rois de Juda?
6. Ary ny asan' i Azaria sisa, mbamin' izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Joda va izany?
7. So Azariah slept with his fathers; and they buried him with his fathers in the city of David: and Jotham his son reigned in his stead.
7. Azaria se coucha avec ses pères, et on l`enterra avec ses pères dans la ville de David. Et Jotham, son fils, régna à sa place.
7. "Ary Azaria dia lasa nodimandry any amin' ny razany ka nalevina tao amin' ny razany tao an-Tanànan' i Davida izy; ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy."
Zechariah King of Israel
8. In the thirty and eighth year of Azariah king of Judah did Zachariah the son of Jeroboam reign over Israel in Samaria six months.
8. La trente-huitième année d`Azaria, roi de Juda, Zacharie, fils de Jéroboam, régna sur Israël à Samarie. Il régna six mois.
8. Tamin' ny taona fahavalo amby telopolo nanjakan' i Azaria, mpanjakan' ny Joda no nanjakan' i Zakaria, zanak' i Jeroboama tamin' ny Isiraely enim-bolana tao Samaria.
9. And he did that which was evil in the sight of the LORD, as his fathers had done: he departed not from the sins of Jeroboam the son of Nebat, who made Israel to sin.
9. "Il fit ce qui est mal aux yeux de l`Éternel, comme avaient fait ses pères; il ne se détourna point des péchés de Jéroboam, fils de Nebath, qui avait fait pécher Israël."
9. Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah tahaka ny efa nataon' ny razany izy, fa tsy niala tamin' ny fahotan' i Jeroboama, zanak' i Nebata izay nampanota ny Isiraely.
10. And Shallum the son of Jabesh conspired against him, and smote him before the people, and slew him, and reigned in his stead.
10. "Schallum, fils de Jabesch, conspira contre lui, le frappa devant le peuple, et le fit mourir; et il régna à sa place."
10. Ary Saloma, zanak' i Jabesy, nikomy taminy, dia namely azy teo anatrehan' ny olona ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
11. And the rest of the acts of Zachariah, behold, they are written in the book of the chronicles of the kings of Israel.
11. Le reste des actions de Zacharie, cela est écrit dans le livre des Chroniques des rois d`Israël.
11. Ary ny asan' i Zakaria sisa, indro, efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Isiraely izany.
12. This was the word of the LORD which he spake unto Jehu, saying, Thy sons shall sit on the throne of Israel unto the fourth generation. And so it came to pass.
12. Ainsi s`accomplit ce que l`Éternel avait déclaré à Jéhu, en disant: Tes fils jusqu`à la quatrième génération seront assis sur le trône d`Israël.
12. Izany no ilay tenin' i Jehovah nolazainy tamin' i Jeho hoe: Ny taranakao hatramin' ny zafindohalika dia hipetraka amin' ny sezafiandrianan' ny Isiraely, ka dia izany no niseho.
Shallum King of Israel
13. Shallum the son of Jabesh began to reign in the nine and thirtieth year of Uzziah king of Judah; and he reigned a full month in Samaria.
13. Schallum, fils de Jabesch, régna la trente-neuvième année d`Ozias, roi de Juda. Il régna pendant un mois à Samarie.
13. "Ary Saloma, zanak' i Jabesy, dia nanomboka nanjaka tamin' ny taona fahasivy amby telopolo nanjakan' i Ozia, mpanjakan' ny Joda; ary nanjaka iray volana mipaka tany Samaria izy."
14. For Menahem the son of Gadi went up from Tirzah, and came to Samaria, and smote Shallum the son of Jabesh in Samaria, and slew him, and reigned in his stead.
14. "Menahem, fils de Gadi, monta de Thirtsa et vint à Samarie, frappa dans Samarie Schallum, fils de Jabesch, et le fit mourir; et il régna à sa place."
14. Fa Menahema, zanak' i Gady, niakatra avy tany Tirza ka nankany Samaria, dia namely an' i Saloma, zanak' i Jabesy tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
15. And the rest of the acts of Shallum, and his conspiracy which he made, behold, they are written in the book of the chronicles of the kings of Israel.
15. Le reste des actions de Schallum, et la conspiration qu`il forma, cela est écrit dans le livre des Chroniques des rois d`Israël.
15. Ary ny asan' i Saloma sisa mbamin' ny fikomiana nataony, indro, fa efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Isiraely izany.
16. Then Menahem smote Tiphsah, and all that were therein, and the coasts thereof from Tirzah: because they opened not to him, therefore he smote it; and all the women therein that were with child he ripped up.
16. "Alors Menahem frappa Thiphsach et tous ceux qui y étaient, avec son territoire depuis Thirtsa; il la frappa parce qu`elle n`avait pas ouvert ses portes, et il fendit le ventre de toutes les femmes enceintes."
16. "Tamin' izany Menahema dia niala tany Tirza ka namely an' i Tifsa mbamin' izay rehetra tao hatramin' ny sisin-taniny; fa tsy namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary izay bevohoka rehetra tao dia notatahany."
Menahem King of Israel
17. In the nine and thirtieth year of Azariah king of Judah began Menahem the son of Gadi to reign over Israel, and reigned ten years in Samaria.
17. La trente-neuvième année d`Azaria, roi de Juda, Menahem, fils de Gadi, régna sur Israël. Il régna dix ans à Samarie.
17. Tamin' ny taona fahasivy amby telopolo nanjakan' i Azaria, mpanjakan' ny Joda no vao nanomboka nanjaka tamin' ny Isiraely i Menahema, zanak' i Gady ary nanjaka folo taona tao Samaria izy.
18. And he did that which was evil in the sight of the LORD: he departed not all his days from the sins of Jeroboam the son of Nebat, who made Israel to sin.
18. "Il fit ce qui est mal aux yeux de l`Éternel; il ne se détourna point, tant qu`il vécut, des péchés de Jéroboam, fils de Nebath, qui avait fait pécher Israël."
18. Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah izy, ary tamin' ny androny rehetra izy dia tsy niala tamin' ny fahotan' i Jeroboama, zanak' i Nebata, izay nampanota ny Isiraely.
19. And Pul the king of Assyria came against the land: and Menahem gave Pul a thousand talents of silver, that his hand might be with him to confirm the kingdom in his hand.
19. "Pul, roi d`Assyrie, vint dans le pays; et Menahem donna à Pul mille talents d`argent, pour qu`il aidât à affermir la royauté entre ses mains."
19. "Ary Pola, mpanjakan' i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema dia nanome an' i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tanan' i Menahema."
20. And Menahem exacted the money of Israel, even of all the mighty men of wealth, of each man fifty shekels of silver, to give to the king of Assyria. So the king of Assyria turned back, and stayed not there in the land.
20. "Menahem leva cet argent sur tous ceux d`Israël qui avaient de la richesse, afin de le donner au roi d`Assyrie; il les taxa chacun à cinquante sicles d`argent. Le roi d`Assyrie s`en retourna, et ne s`arrêta pas alors dans le pays."
20. Ary nampandoavin' i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin' ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimampolo avy isan' olona, homeny ny mpanjakan' i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan' i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin' ny tany.
21. And the rest of the acts of Menahem, and all that he did, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Israel?
21. Le reste des actions de Menahem, et tout ce qu`il a fait, cela n`est-il pas écrit dans le livre des Chroniques des rois d`Israël?
21. Ary ny asan' i Menahema sisa mbamin' izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Isiraely va izany?
22. And Menahem slept with his fathers; and Pekahiah his son reigned in his stead.
22. Menahem se coucha avec ses pères. Et Pekachia, son fils, régna à sa place.
22. "Ary lasa nodimandry any amin' ny razany Menahema; ary Pekahia zanany no nanjaka nandimby azy."
Pekahiah King of Israel
23. In the fiftieth year of Azariah king of Judah Pekahiah the son of Menahem began to reign over Israel in Samaria, and reigned two years.
23. La cinquantième année d`Azaria, roi de Juda, Pekachia, fils de Menahem, régna sur Israël à Samarie. Il régna deux ans.
23. Tamin' ny taona fahadimampolo nanjakan' i Azaria, mpanjakan' ny Joda no vao nanomboka nanjaka tamin' ny Isiraely tao Samaria i Pekahia, zanak' i Menahema, ary nanjaka roa taona izy.
24. And he did that which was evil in the sight of the LORD: he departed not from the sins of Jeroboam the son of Nebat, who made Israel to sin.
24. "Il fit ce qui est mal aux yeux de l`Éternel; il ne se détourna point des péchés de Jéroboam, fils de Nebath, qui avait fait pécher Israël."
24. Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah izy, fa tsy niala tamin' ny fahotana rehetra izay nataon' i Jeroboama, zanak' i Nebata, izay nampanota ny Isiraely.
25. But Pekah the son of Remaliah, a captain of his, conspired against him, and smote him in Samaria, in the palace of the king's house, with Argob and Arieh, and with him fifty men of the Gileadites: and he killed him, and reigned in his room.
25. "Pékach, fils de Remalia, son officier, conspira contre lui; il le frappa à Samarie, dans le palais de la maison du roi, de même qu`Argob et Arié; il avait avec lui cinquante hommes d`entre les fils des Galaadites. Il fit ainsi mourir Pekachia, et il régna à sa place."
25. "Fa Peka, zanak' i Remalia, lefiny, dia nikomy taminy ka namely an' i Pekahia mbamin' i Argoba sy Ana teo Samaria, tao amin' ny lapan' ny tranon' ny mpanjaka, ary teo amin' i Peka nisy olona dimampolo lahy tamin' ny taranak' i Gileada; koa namono azy izy, dia nanjaka nandimby azy."
26. And the rest of the acts of Pekahiah, and all that he did, behold, they are written in the book of the chronicles of the kings of Israel.
26. Le reste des actions de Pekachia, et tout ce qu`il a fait, cela est écrit dans le livre des Chroniques des rois d`Israël.
26. Ary ny asan' i Pekahia sisa mbamin' izay rehetra nataony, indro, efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Isiraely izany.
Pekah King of Israel
27. In the two and fiftieth year of Azariah king of Judah Pekah the son of Remaliah began to reign over Israel in Samaria, and reigned twenty years.
27. La cinquante-deuxième année d`Azaria, roi de Juda, Pékach, fils de Remalia, régna sur Israël à Samarie. Il régna vingt ans.
27. Tamin' ny taona faharoa amby dimampolo nanjakan' i Azaria, mpanjakan' ny Joda, no vao nanomboka nanjaka tamin' ny Isiraely tao Samaria, i Peka, zanak' i Remalia, ary nanjaka roapolo taona izy.
28. And he did that which was evil in the sight of the LORD: he departed not from the sins of Jeroboam the son of Nebat, who made Israel to sin.
28. "Il fit ce qui est mal aux yeux de l`Éternel; il ne se détourna point des péchés de Jéroboam, fils de Nebath, qui avait fait pécher Israël."
28. Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah izy, fa tsy niala tamin' ny fahotan' i Jeroboama, zanak' i Nebata, izay nampanota ny Isiraely.
29. In the days of Pekah king of Israel came Tiglathpileser king of Assyria, and took Ijon, and Abelbethmaachah, and Janoah, and Kedesh, and Hazor, and Gilead, and Galilee, all the land of Naphtali, and carried them captive to Assyria.
29. Du temps de Pékach, roi d`Israël, Tiglath Piléser, roi d`Assyrie, vint et prit Ijjon, Abel Beth Maaca, Janoach, Kédesch, Hatsor, Galaad et la Galilée, tout le pays de Nephthali, et il emmena captifs les habitants en Assyrie.
29. Tamin' ny andron' i Peka, mpanjakan' ny Isiraely dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan' i Asyria, ka nahafaka an' iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin' ny Naftaly rehetra ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy.
30. And Hoshea the son of Elah made a conspiracy against Pekah the son of Remaliah, and smote him, and slew him, and reigned in his stead, in the twentieth year of Jotham the son of Uzziah.
30. "Osée, fils d`Éla, forma une conspiration contre Pékach, fils de Remalia, le frappa et le fit mourir; et il régna à sa place, la vingtième année de Jotham, fils d`Ozias."
30. Ary Hosea, zanak' i Elaha, nikomy tamin' i Peka, zanak' i Remalia, dia namely azy ho faty ka nanjaka nandimby azy tamin' ny taona faharoapolo nanjakan' i Jotama, zanak' i Ozia.
31. And the rest of the acts of Pekah, and all that he did, behold, they are written in the book of the chronicles of the kings of Israel.
31. Le reste des actions de Pékach, et tout ce qu`il a fait, cela est écrit dans le livre des Chroniques des rois d`Israël.
31. Ary ny asan' i Peka sisa mbamin' izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Isiraely izany.
Jotham King of Judah
32. In the second year of Pekah the son of Remaliah king of Israel began Jotham the son of Uzziah king of Judah to reign.
32. La seconde année de Pékach, fils de Remalia, roi d`Israël, Jotham, fils d`Ozias, roi de Juda, régna.
32. Tamin' ny taona faharoa nanjakan' i Peka, zanak' i Remalia mpanjakan' ny Isiraely no vao nanomboka nanjaka Jotama, zanak' i Ozia, mpanjakan' ny Joda.
33. Five and twenty years old was he when he began to reign, and he reigned sixteen years in Jerusalem. And his mother's name was Jerusha, the daughter of Zadok.
33. Il avait vingt-cinq ans lorsqu`il devint roi, et il régna seize ans à Jérusalem. Sa mère s`appelait Jeruscha, fille de Tsadok.
33. Dimy amby roapolo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin' ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin' i Zadoka.
34. And he did that which was right in the sight of the LORD: he did according to all that his father Uzziah had done.
34. "Il fit ce qui est droit aux yeux de l`Éternel; il agit entièrement comme avait agi Ozias, son père."
34. "Ary nanao izay mahitsy eo imason' i Jehovah izy; tahaka izay rehetra nataon' i Ozia rainy no nataony."
35. Howbeit the high places were not removed: the people sacrificed and burned incense still in the high places. He built the higher gate of the house of the LORD.
35. "Seulement, les hauts lieux ne disparurent point; le peuple offrait encore des sacrifices et des parfums sur les hauts lieux. Jotham bâtit la porte supérieure de la maison de l`Éternel."
35. "Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola nanao fanatitra sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin' ny fitoerana avo ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin' ny tranon' i Jehovah."
36. Now the rest of the acts of Jotham, and all that he did, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Judah?
36. Le reste des actions de Jotham, et tout ce qu`il a fait, cela n`est-il pas écrit dans le livre des Chroniques des rois de Juda?
36. Ary ny asan' i Jotama sisa mbamin' izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny Mpanjakan' ny Joda va izany?
37. In those days the LORD began to send against Judah Rezin the king of Syria, and Pekah the son of Remaliah.
37. Dans ce temps-là, l`Éternel commença à envoyer contre Juda Retsin, roi de Syrie, et Pékach, fils de Remalia.
37. Tamin izany andro izany no vao nanomboka nampandehanan' i Jehovah an' i Rezina, mpanjakan' i Syria, sy Peka, zanak' i Remalia, hanafika an' i Joda.
38. And Jotham slept with his fathers, and was buried with his fathers in the city of David his father: and Ahaz his son reigned in his stead.
38. Jotham se coucha avec ses pères, et il fut enterré avec ses pères dans la ville de David, son père. Et Achaz, son fils, régna à sa place.
38. "Ary lasa nodimandry any amin' ny razany Jotama, dia nalevina tao amin' razany tao an-Tanànan' i Davida rainy izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy."