1. But I determined this with myself, that I would not come again to you in heaviness.
1. Je résolus donc en moi-même de ne pas retourner chez vous dans la tristesse.
1. Fa ninia toy izao tato am-poko aho, dia ny tsy hankaty aminareo indray amin’alahelo.
2. For if I make you sorry, who is he then that maketh me glad, but the same which is made sorry by me?
2. Car si je vous attriste, qui peut me réjouir, sinon celui qui est attristé par moi?
2. Fa raha mampalahelo anareo aho, iza moa no mampifaly ahy, afa-tsy ilay nampalaheloviko ihany?
3. And I wrote this same unto you, lest, when I came, I should have sorrow from them of whom I ought to rejoice; having confidence in you all, that my joy is the joy of you all.
3. J`ai écrit comme je l`ai fait pour ne pas éprouver, à mon arrivée, de la tristesse de la part de ceux qui devaient me donner de la joie, ayant en vous tous cette confiance que ma joie est la vôtre à tous.
3. Ary nanoratra izany taminareo indrindra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahazo alahelo amin’izay tokony hifaliako, satria matoky anareo rehetra aho, fa ny fifaliako dia fifalianareo rehetra koa.
4. For out of much affliction and anguish of heart I wrote unto you with many tears; not that ye should be grieved, but that ye might know the love which I have more abundantly unto you.
4. C`est dans une grande affliction, le coeur angoissé, et avec beaucoup de larmes, que je vous ai écrit, non pas afin que vous fussiez attristés, mais afin que vous connussiez l`amour extrême que j`ai pour vous.
4. "Fa tamin’ny haben’ny fahoriana sy ny alahelon’ny foko no nanoratako taminareo tamin’ny ranomaso be; tsy ny ampalahelovana anareo, fa ny mba ahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo indrindra."
5. But if any have caused grief, he hath not grieved me, but in part: that I may not overcharge you all.
5. Si quelqu`un a été une cause de tristesse, ce n`est pas moi qu`il a attristé, c`est vous tous, du moins en partie, pour ne rien exagérer.
5. Fa raha nisy nahatonga alahelo, tsy izaho ihany no ampahaleloviny, fa ny sasany koa, raha tsy te-hilaza anareo rehetra aho.
6. Sufficient to such a man is this punishment, which was inflicted of many.
6. Il suffit pour cet homme du châtiment qui lui a été infligé par le plus grand nombre,
6. Ampy ho amin’izany olona izany ny famaizana izay fampijaliana nataon’ny maro,
7. So that contrariwise ye ought rather to forgive him, and comfort him, lest perhaps such a one should be swallowed up with overmuch sorrow.
7. en sorte que vous devez bien plutôt lui pardonner et le consoler, de peur qu`il ne soit accablé par une tristesse excessive.
7. Ka dia aleo mamela heloka sy mampionona azy kosa ianareo, fandrao dia atelin’ny alahelo be loatra izany olona izany.
8. Wherefore I beseech you that ye would confirm your love toward him.
8. "Je vous exhorte donc à faire acte de charité envers lui;"
8. Koa miangavy anareo aho mba hampiorenanareo ny fitiavanareo azy.
9. For to this end also did I write, that I might know the proof of you, whether ye be obedient in all things.
9. car je vous ai écrit aussi dans le but de connaître, en vous mettant à l`épreuve, si vous êtes obéissants en toutes choses.
9. Fa izany koa no nanoratako, mba ho fantatro izay porofo avy aminareo, na manaiky amin’ny zavatra rehetra ianareo, na tsia.
10. To whom ye forgive any thing, I forgive also: for if I forgave any thing, to whom I forgave it, for your sakes forgave I it in the person of Christ;
10. "Or, à qui vous pardonnez, je pardonne aussi; et ce que j`ai pardonné, si j`ai pardonné quelque chose, c`est à cause de vous, en présence de Christ,"
10. "Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa, raha nisy heloka navelako, dia noho ny aminareo no namelako heloka azy noho ny amin’i Kristy,"
11. Lest Satan should get an advantage of us: for we are not ignorant of his devices.
11. afin de ne pas laisser à Satan l`avantage sur nous, car nous n`ignorons pas ses desseins.
11. Fandrao hararaotin' i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.
12. Furthermore, when I came to Troas to preach Christ's gospel, and a door was opened unto me of the Lord,
12. "Au reste, lorsque je fus arrivé à Troas pour l`Évangile de Christ, quoique le Seigneur m`y eût ouvert une porte, je n`eus point de repos d`esprit, parce que je ne trouvai pas Tite, mon frère;"
12. Ankoatra izany, rehefa tonga tany Troasy hitory ny filazantsaran’i Kristy aho, ka namohan’ny Tompo varavarana,
13. I had no rest in my spirit, because I found not Titus my brother: but taking my leave of them, I went from thence into Macedonia.
13. c`est pourquoi, ayant pris congé d`eux, je partis pour la Macédoine.
13. "Dia tsy tafandry ny fanahiko, satria tsy nahita an’i Titosy rahalahiko aho; fa nanao veloma ny olona aho, dia niala teo nankany Masedonia."
14. Now thanks be unto God, which always causeth us to triumph in Christ, and maketh manifest the savour of his knowledge by us in every place.
14. Grâces soient rendues à Dieu, qui nous fait toujours triompher en Christ, et qui répand par nous en tout lieu l`odeur de sa connaissance!
14. Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin’i Kristy ho toy ny fanaon’izay avy nandresy, ka ampisehoany amin’ny alalanay ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny.
15. For we are unto God a sweet savour of Christ, in them that are saved, and in them that perish:
15. Nous sommes, en effet, pour Dieu la bonne odeur de Christ, parmi ceux qui sont sauvés et parmi ceux qui périssent:
15. Fa hanitr’i Kristy ho an’Andriamanitra izahay amin’izay voavonjy sy izay very:
16. To the one we are the savour of death unto death; and to the other the savour of life unto life. And who is sufficient for these things?
16. "aux uns, une odeur de mort, donnant la mort; aux autres, une odeur de vie, donnant la vie. -Et qui est suffisant pour ces choses? -"
16. "Amin’ny sasany dia hanitra avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fahafatesana; fa amin’ny sasany kosa dia hanitra avy amin’ny fiainana ho amin’ny fiainana. Koa iza moa no antonona ho amin’izany zavatra izany?"
17. For we are not as many, which corrupt the word of God: but as of sincerity, but as of God, in the sight of God speak we in Christ.
17. "Car nous ne falsifions point la parole de Dieu, comme font plusieurs; mais c`est avec sincérité, mais c`est de la part de Dieu, que nous parlons en Christ devant Dieu."
17. "Fa tsy mba toy ny maro izay manimba ny tenin’Andriamanitra izahay; fa toy ny amin’ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’Andriamanitra sady eo anatrehan’Andriamanitra no itenenanay ao amin’i Kristy."