1. Now the Spirit speaketh expressly, that in the latter times some shall depart from the faith, giving heed to seducing spirits, and doctrines of devils;
1. Mais l`Esprit dit expressément que, dans les derniers temps, quelques-uns abandonneront la foi, pour s`attacher à des esprits séducteurs et à des doctrines de démons,
1. "Fa ny Fanahy milaza marina fa amin’ny andro aoriana dia hiala amin’ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny devoly;"
2. Speaking lies in hypocrisy; having their conscience seared with a hot iron;
2. par l`hypocrisie de faux docteurs portant la marque de la flétrissure dans leur propre conscience,
2. "Milaza lainga amin’ny fihatsarambelatsihy ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany;"
3. Forbidding to marry, and commanding to abstain from meats, which God hath created to be received with thanksgiving of them which believe and know the truth.
3. prescrivant de ne pas se marier, et de s`abstenir d`aliments que Dieu a créés pour qu`ils soient pris avec actions de grâces par ceux qui sont fidèles et qui ont connu la vérité.
3. Izay mandrara tsy hanambady, ary mba hifadiana ny hanina izay noforonin’Andriamanitra horaisin’izay mino sy mahalala ny marina amin’ny fisaorana.
4. For every creature of God is good, and nothing to be refused, if it be received with thanksgiving:
4. Car tout ce que Dieu a créé est bon, et rien ne doit être rejeté, pourvu qu`on le prenne avec actions de grâces,
4. Ny zavatra rehetra noforonin’Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina raha raisina amin’ny fisaorana,
5. For it is sanctified by the word of God and prayer.
5. parce que tout est sanctifié par la parole de Dieu et par la prière.
5. Satria hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fivavahana izany,
6. If thou put the brethren in remembrance of these things, thou shalt be a good minister of Jesus Christ, nourished up in the words of faith and of good doctrine, whereunto thou hast attained.
6. En exposant ces choses au frères, tu seras un bon ministre de Jésus Christ, nourri des paroles de la foi et de la bonne doctrine que tu as exactement suivie.
6. Raha mampahatsiaro ny rahalahy ny amin’izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsaran’i Jesosy Kristy, tezaina amin’ny tenin’ny finoana sy ny foto-pampianarana tsara izay narahinao.
7. But refuse profane and old wives' fables, and exercise thyself rather unto godliness.
7. Repousse les contes profanes et absurdes.
7. Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.
8. For bodily exercise profiteth little: but godliness is profitable unto all things, having promise of the life that now is, and of that which is to come.
8. "Exerce-toi à la piété; car l`exercice corporel est utile à peu de chose, tandis que la piété est utile à tout, ayant la promesse de la vie présente et de celle qui est à venir."
8. "Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny tenifikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa."
9. This is a faithful saying and worthy of all acceptation.
9. C`est là une parole certaine et entièrement digne d`être reçue.
9. "Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra;"
10. For therefore we both labour and suffer reproach, because we trust in the living God, who is the Saviour of all men, specially of those that believe.
10. Nous travaillons, en effet, et nous combattons, parce que nous mettons notre espérance dans le Dieu vivant, qui est le Sauveur de tous les hommes, principalement des croyants.
10. Fa izany no ikelezanay aina sy iaretanay fanaratsiana, satria matoky an' Andriamanitra velona izahay, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.
11. These things command and teach.
11. Déclare ces choses, et enseigne-les.
11. Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro.
12. Let no man despise thy youth; but be thou an example of the believers, in word, in conversation, in charity, in spirit, in faith, in purity.
12. "Que personne ne méprise ta jeunesse; mais sois un modèle pour les fidèles, en parole, en conduite, en charité, en foi, en pureté."
12. "Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny fahatanoranao; fa aoka ho ohatra ny amin’ny mpino ianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny fanahy, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana."
13. Till I come, give attendance to reading, to exhortation, to doctrine.
13. Jusqu`à ce que je vienne, applique-toi à la lecture, à l`exhortation, à l`enseignement.
13. Mandra-piaviko, manokàna fotoana ho amin’ny famakian-teny, ny fananarana, ny foto-pampianarana.
14. Neglect not the gift that is in thee, which was given thee by prophecy, with the laying on of the hands of the presbytery.
14. Ne néglige pas le don qui est en toi, et qui t`a été donné par prophétie avec l`imposition des mains de l`assemblée des anciens.
14. Aza manao tsirambina ny fanomezana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana mbamin' ny fametrahan-tanan’ny loholona.
15. Meditate upon these things; give thyself wholly to them; that thy profiting may appear to all.
15. Occupe-toi de ces choses, donne-toi tout entier à elles, afin que tes progrès soient évidents pour tous.
15. "Saintsaino izany zavatra izany; dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny rehetra ny fandrosoanao."
16. Take heed unto thyself, and unto the doctrine; continue in them: for in doing this thou shalt both save thyself, and them that hear thee.
16. "Veille sur toi-même et sur ton enseignement; persévère dans ces choses, car, en agissant ainsi, tu te sauveras toi-même, et tu sauveras ceux qui t`écoutent."
16. "Tandremo ny tenanao sy ny foto-pampianarana, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao."