Gifts for Building the Temple
1. Furthermore David the king said unto all the congregation, Solomon my son, whom alone God hath chosen, is yet young and tender, and the work is great: for the palace is not for man, but for the LORD God.
1. Le roi David dit à toute l`assemblée: Mon fils Salomon, le seul que Dieu ait choisi, est jeune et d`un âge faible, et l`ouvrage est considérable, car ce palais n`est pas pour un homme, mais il est pour l`Éternel Dieu.
1. "ARY hoy koa Davida mpanjaka tamin' ny fiangonana rehetra: Solomona zanako, ilay hany nofidin' Andriamanitra, dia mbola zaza sy tanora fanahy; ary ny asa dia lehibe, fa tsy lapa ho an' olona, fa ho an' i Jehovah Andriamanitra."
2. Now I have prepared with all my might for the house of my God the gold for things to be made of gold, and the silver for things of silver, and the brass for things of brass, the iron for things of iron, and wood for things of wood; onyx stones, and stones to be set, glistering stones, and of divers colours, and all manner of precious stones, and marble stones in abundance.
2. J`ai mis toutes mes forces à préparer pour la maison de mon Dieu de l`or pour ce qui doit être d`or, de l`argent pour ce qui doit être d`argent, de l`airain pour ce qui doit être d`airain, du fer pour ce qui doit être de fer, et du bois pour ce qui doit être de bois, des pierres d`onyx et des pierres à enchâsser, des pierres brillantes et de diverses couleurs, toutes sortes de pierres précieuses, et du marbre blanc en quantité.
2. Ary tamin' ny heriko rehetra no nanomanako izay hanaovana ny trano ho an' Andriamanitro, dia ny volamena hanaovana ny zavatra amin' ny volamena, ary ny volafotsy hanaovana ny zavatra amin' ny volafotsy, ary ny varahina hanaovana ny zavatra amin' ny varahina, ary ny vy hanaovana ny zavatra amin' ny vy, ary ny hazo hanaovana ny zavatra amin' ny hazo, ary ny vato onyksa, sy ny vato halatsaka an-tranontranony sy vatosoa mamirapiratra samihafa loko, sy ny karazana vatosoa rehetra, ary vato marbra betsaka.
3. Moreover, because I have set my affection to the house of my God, I have of mine own proper good, of gold and silver, which I have given to the house of my God, over and above all that I have prepared for the holy house,
3. De plus, dans mon attachement pour la maison de mon Dieu, je donne à la maison de mon Dieu l`or et l`argent que je possède en propre, outre tout ce que j`ai préparé pour la maison du sanctuaire:
3. Ary koa, noho ny niraiketan' ny fitiavako tamin' ny tranon' Andriamanitro, dia avy amin’ny fananako manokana, dia volamena sy volafotsy, no nomeko ho an' ny tranon' Andriamanitro, ho fanampiny sy ankoatra izay rehetra nomaniko ho an' ny trano masina.
4. Even three thousand talents of gold, of the gold of Ophir, and seven thousand talents of refined silver, to overlay the walls of the houses withal:
4. trois mille talents d`or, d`or d`Ophir, et sept mille talents d`argent épuré, pour en revêtir les parois des bâtiments,
4. Dia talenta volamena telo arivo, volamena avy any Ofira, ary talenta volafotsy voadio fito arivo hapetaka amin' ny rindrin' ny isan' efitrano,
5. The gold for things of gold, and the silver for things of silver, and for all manner of work to be made by the hands of artificers. And who then is willing to consecrate his service this day unto the LORD?
5. l`or pour ce qui doit être d`or, et l`argent pour ce qui doit être d`argent, et pour tous les travaux qu`exécuteront les ouvriers. Qui veut encore présenter volontairement aujourd`hui ses offrandes à l`Éternel?
5. Ny volamena hanaovana ny zavatra amin' ny volamena ary ny volafotsy hanaovana ny zavatra amin' ny volafotsy sy ny asa samihafa karazana rehetra izay hataon' ny tanan' ny mpiasa mahay taozavatra. Iza àry no hanolo-tena an-tsitrapo anio hanao ny asa fanompoany ho an' i Jehovah?
6. Then the chief of the fathers and princes of the tribes of Israel, and the captains of thousands and of hundreds, with the rulers of the king's work, offered willingly,
6. Les chefs des maisons paternelles, les chefs des tribus d`Israël, les chefs de milliers et de centaines, et les intendants du roi firent volontairement des offrandes.
6. Dia samy nanolo-tena an-tsitrapo ny lohan' ny fianakaviana sy ny lehiben' ireo fokon' ny Isiraely sy ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, mbamin' ny mpitandrina ny raharahan' ny mpanjaka,
7. And gave for the service of the house of God of gold five thousand talents and ten thousand drams, and of silver ten thousand talents, and of brass eighteen thousand talents, and one hundred thousand talents of iron.
7. Ils donnèrent pour le service de la maison de Dieu cinq mille talents d`or, dix mille dariques, dix mille talents d`argent, dix-huit mille talents d`airain, et cent mille talents de fer.
7. Ka nanome izay hanaovana ny fanompoana amin' ny tranon' Andriamanitra, dia talenta volamena dimy arivo sy darika iray alina sy talenta volafotsy iray alina sy talenta varahina valo arivo amby iray alina ary talenta vy iray hetsy.
8. And they with whom precious stones were found gave them to the treasure of the house of the LORD, by the hand of Jehiel the Gershonite.
8. Ceux qui possédaient des pierres les livrèrent pour le trésor de la maison de l`Éternel entre les mains de Jehiel, le Guerschonite.
8. Ary izay nanana vatosoa dia nanome azy ho amin' ny rakitry ny tranon' i Jehovah, hotahirizin' i Jehiela Gersonita.
9. Then the people rejoiced, for that they offered willingly, because with perfect heart they offered willingly to the LORD: and David the king also rejoiced with great joy.
9. "Le peuple se réjouit de leurs offrandes volontaires, car c`était avec un coeur bien disposé qu`ils les faisaient à l`Éternel; et le roi David en eut aussi une grande joie."
9. "Dia faly ny vahoaka noho ny nanolorany an-tsitrapo, satria tamin' ny fony manontolo no nanolorany an-tsitrapo ho an' i Jehovah; ary Davida mpanjaka koa faly dia faly."
David's Prayer
10. Wherefore David blessed the LORD before all the congregation: and David said, Blessed be thou, LORD God of Israel our father, for ever and ever.
10. David bénit l`Éternel en présence de toute l`assemblée. Il dit: Béni sois-tu, d`éternité en éternité, Éternel, Dieu de notre père Israël.
10. Koa dia nisaotra an' i Jehovah teo anatrehan' ny fiangonana rehetra Davida ka nanao hoe: Isaorana mandrakizay, mandrakizay anie Ianao, Jehovah ô, Andriamanitr' Isiraely razanay.
11. Thine, O LORD, is the greatness, and the power, and the glory, and the victory, and the majesty: for all that is in the heaven and in the earth is thine; thine is the kingdom, O LORD, and thou art exalted as head above all.
11. "A toi, Éternel, la grandeur, la force et la magnificence, l`éternité et la gloire, car tout ce qui est au ciel et sur la terre t`appartient; à toi, Éternel, le règne, car tu t`élèves souverainement au-dessus de tout!"
11. "Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny fandresena ary ny fiandrianana; fa anao izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany; anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary asandratra ho Lohany ambonin' izy rehetra Ianao."
12. Both riches and honour come of thee, and thou reignest over all; and in thine hand is power and might; and in thine hand it is to make great, and to give strength unto all.
12. C`est de toi que viennent la richesse et la gloire, c`est toi qui domines sur tout, c`est dans ta main que sont la force et la puissance, et c`est ta main qui a le pouvoir d`agrandir et d`affermir toutes choses.
12. "Avy aminao ny harena sy ny voninahitra ary Ianao no manjaka amin' izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka ary eo an-tananao koa no mampahalehibe sy ny mampahatanjaka ny rehetra."
13. Now therefore, our God, we thank thee, and praise thy glorious name.
13. Maintenant, ô notre Dieu, nous te louons, et nous célébrons ton nom glorieux.
13. Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.
14. But who am I, and what is my people, that we should be able to offer so willingly after this sort? for all things come of thee, and of thine own have we given thee.
14. Car qui suis-je et qui est mon peuple, pour que nous puissions te faire volontairement ces offrandes? Tout vient de toi, et nous recevons de ta main ce que nous t`offrons.
14. Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay manolotra an-tsitrapo toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin' ny Anao ihany no nanomezanay Anao.
15. For we are strangers before thee, and sojourners, as were all our fathers: our days on the earth are as a shadow, and there is none abiding.
15. "Nous sommes devant toi des étrangers et des habitants, comme tous nos pères; nos jours sur la terre sont comme l`ombre, et il n`y a point d`espérance."
15. "Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay ety an-tany, ka tsy misy mitoetra!"
16. O LORD our God, all this store that we have prepared to build thee an house for thine holy name cometh of thine hand, and is all thine own.
16. Éternel, notre Dieu, c`est de ta main que viennent toutes ces richesses que nous avons préparées pour te bâtir une maison, à toi, à ton saint nom, et c`est à toi que tout appartient.
16. Ry Jehovah Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an' ny anaranao masina ireto dia avy tamin' ny tananao, ary Anao rahateo izy rehetra.
17. I know also, my God, that thou triest the heart, and hast pleasure in uprightness. As for me, in the uprightness of mine heart I have willingly offered all these things: and now have I seen with joy thy people, which are present here, to offer willingly unto thee.
17. "Je sais, ô mon Dieu, que tu sondes le coeur, et que tu aimes la droiture; aussi je t`ai fait toutes ces offrandes volontaires dans la droiture de mon coeur, et j`ai vu maintenant avec joie ton peuple qui se trouve ici t`offrir volontairement ses dons."
17. "Ary fantatro koa, ry Andriamanitro ô, fa Ianao no mamantatra ny fo sy mankasitraka ny fahitsiana. Raha ny amiko, dia tamin' ny hitsim-poko no nanolorako an-tsitrapo ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny, efa hitako tamin' ny fifaliana ny olonao, izay manatrika eto, manolotra an-tsitrapo ho Anao."
18. O LORD God of Abraham, Isaac, and of Israel, our fathers, keep this for ever in the imagination of the thoughts of the heart of thy people, and prepare their heart unto thee:
18. Éternel, Dieu d`Abraham, d`Isaac et d`Israël, nos pères, maintiens à toujours dans le coeur de ton peuple ces dispositions et ces pensées, et affermis son coeur en toi.
18. Jehovah ô, Andriamanitr' i Abrahama sy Isaka ary Isiraely razanay, tahirizo mandrakizay ao amin' ny fisainan' ny fieritreretan' ny fon' ny olonao izany, ary ampiomany ho Anao ny fony.
19. And give unto Solomon my son a perfect heart, to keep thy commandments, thy testimonies, and thy statutes, and to do all these things, and to build the palace, for the which I have made provision.
19. Donne à mon fils Salomon un coeur dévoué à l`observation de tes commandements, de tes préceptes et de tes lois, afin qu`il mette en pratique toutes ces choses, et qu`il bâtisse le palais pour lequel j`ai fait des préparatifs.
19. Ary omeo fo tanteraka Solomona zanako hitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao sy ny lalànao ka hanao izany rehetra izany sady hanorina ny lapa izay efa namoriako ny hanaovana azy.
20. And David said to all the congregation, Now bless the LORD your God. And all the congregation blessed the LORD God of their fathers, and bowed down their heads, and worshipped the LORD, and the king.
20. David dit à toute l`assemblée: Bénissez l`Éternel, votre Dieu! Et toute l`assemblée bénit l`Éternel, le Dieu de leurs pères. Ils s`inclinèrent et se prosternèrent devant l`Éternel et devant le roi.
20. Ary hoy Davida tamin' ny fiangonana rehetra : Ankehitriny, misaora an' i Jehovah Andriamanitrareo. Ary dia nisaotra an' i Jehovah Andriamanitry ny razany ny fiangonana rehetra, sady nanondrika ny lohany ka niankohoka teo anatrehan' i Jehovah sy ny mpanjaka.
Solomon Acknowledged as King
21. And they sacrificed sacrifices unto the LORD, and offered burnt offerings unto the LORD, on the morrow after that day, even a thousand bullocks, a thousand rams, and a thousand lambs, with their drink offerings, and sacrifices in abundance for all Israel:
21. Le lendemain de ce jour, ils offrirent en sacrifice et en holocauste à l`Éternel mille taureaux, mille béliers et mille agneaux, avec les libations ordinaires, et d`autres sacrifices en grand nombre pour tout Israël.
21. Ary nanatitra fanatitra ho an' i Jehovah izy sady nanolotra fanatitra dorana ho an' i Jehovah nony ampitson' iny, dia vantotr' ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak' ondry arivo mbamin' ny fanatitra aidina sy ny fanatitra marobe ho an' ny Isiraely rehetra.
22. And did eat and drink before the LORD on that day with great gladness. And they made Solomon the son of David king the second time, and anointed him unto the LORD to be the chief governor, and Zadok to be priest.
22. Ils mangèrent et burent ce jour-là devant l`Éternel avec une grande joie, ils proclamèrent roi pour la seconde fois Salomon, fils de David, ils l`oignirent devant l`Éternel comme chef, et ils oignirent Tsadok comme sacrificateur.
22. Ary nihinana sy nisotro tamin' ny fifaliana be teo anatrehan' i Jehovah ny olona tamin' izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak' i Davida, sady nohosorany ho an' i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka no mpisorona.
23. Then Solomon sat on the throne of the LORD as king instead of David his father, and prospered; and all Israel obeyed him.
23. Salomon s`assit sur le trône de l`Éternel, comme roi à la place de David, son père. Il prospéra, et tout Israël lui obéit.
23. Ary Solomona dia nipetraka tamin' ny sezafiandrianan' i Jehovah ho mpanjaka handimby an' i Davida rainy, sady nambinina izy, ka nanaiky azy ny Isiraely rehetra.
24. And all the princes, and the mighty men, and all the sons likewise of king David, submitted themselves unto Solomon the king.
24. Tous les chefs et les héros, et même tous les fils du roi David se soumirent au roi Salomon.
24. Ary ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery ary ny zanak' i Davida mpanjaka rehetra koa dia samy nanaiky an' i Solomona mpanjaka.
25. And the LORD magnified Solomon exceedingly in the sight of all Israel, and bestowed upon him such royal majesty as had not been on any king before him in Israel.
25. L`Éternel éleva au plus haut degré Salomon sous les yeux de tout Israël, et il rendit son règne plus éclatant que ne fut celui d`aucun roi d`Israël avant lui.
25. Ary Jehovah nanandratra an' i Solomona indrindra teo imason' ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin' ny Isiraely.
The Death of David
26. Thus David the son of Jesse reigned over all Israel.
26. David, fils d`Isaï, régna sur tout Israël.
26. Toy izany no nanjakan' i Davida zanak' i Jese, tamin' ny Isiraely rehetra.
27. And the time that he reigned over Israel was forty years; seven years reigned he in Hebron, and thirty and three years reigned he in Jerusalem.
27. Le temps qu`il régna sur Israël fut de quarante ans: à Hébron il régna sept ans, et à Jérusalem il régna trente-trois ans.
27. "Ary ny fotoana nanjakany tamin' ny Isiraely dia efapolo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona ary tany Jerosalema no nanjakany telo amby telopolo taona."
28. And he died in a good old age, full of days, riches, and honour: and Solomon his son reigned in his stead.
28. Il mourut dans une heureuse vieillesse, rassasié de jours, de richesse et de gloire. Et Salomon, son fils, régna à sa place.
28. "Ary maty izy rehefa tratrantitra tsara sady voky andro sy harena ary voninahitra; ary Solomona zanany no nanjaka nandimby azy."
29. Now the acts of David the king, first and last, behold, they are written in the book of Samuel the seer, and in the book of Nathan the prophet, and in the book of Gad the seer,
29. Les actions du roi David, les premières et les dernières, sont écrites dans le livre de Samuel le voyant, dans le livre de Nathan, le prophète, et dans le livre de Gad, le prophète,
29. Ary ny asan' i Davida mpanjaka, na ny voalohany, na ny farany, indro, efa voasoratra ao amin' ny bokin' i Samoela mpahita sy ao amin' ny bokin' i Natana mpaminany ary ao amin' ny bokin' i Gada mpahita izany,
30. With all his reign and his might, and the times that went over him, and over Israel, and over all the kingdoms of the countries.
30. avec tout son règne et tous ses exploits, et ce qui s`est passé de son temps, soit en Israël, soit dans tous les royaumes des autres pays.
30. Mbamin' ny nanjakany rehetra sy ny heriny, ary ireo fotoana nandalo taminy sy tamin' ny Isiraely ary tamin' ny fanjakana rehetra tamin' ny firenena.