David Numbers the Fighting Men

1. And Satan stood up against Israel, and provoked David to number Israel.
1. Satan se leva contre Israël, et il excita David à faire le dénombrement d`Israël.
1. Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin' ny Isiraely ka nanome saina an' i Davida hanisa ny Isiraely.
2. And David said to Joab and to the rulers of the people, Go, number Israel from Beersheba even to Dan; and bring the number of them to me, that I may know it.
2. Et David dit à Joab et aux chefs du peuple: Allez, faites le dénombrement d`Israël, depuis Beer Schéba jusqu`à Dan, et rapportez-le-moi, afin que je sache à combien il s`élève.
2. "Dia hoy Davida tamin' i Joaba sy tamin' ny lehiben' ny vahoaka: Mandehana, isao ny Isiraely hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana; ary ento aty amiko ny isany mba ho fantatro."
3. And Joab answered, The LORD make his people an hundred times so many more as they be: but, my lord the king, are they not all my lord's servants? why then doth my lord require this thing? why will he be a cause of trespass to Israel?
3. Joab répondit: Que l`Éternel rende son peuple cent fois plus nombreux! O roi mon seigneur, ne sont-ils pas tous serviteurs de mon seigneur? Mais pourquoi mon seigneur demande-t-il cela? Pourquoi faire ainsi pécher Israël?
3. "Fa namaly Joaba hoe: Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon' ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan' ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana izy no dia hampahadiso ny Isiraely?"
4. Nevertheless the king's word prevailed against Joab. Wherefore Joab departed, and went throughout all Israel, and came to Jerusalem.
4. "Le roi persista dans l`ordre qu`il donnait à Joab. Et Joab partit, et parcourut tout Israël; puis il revint à Jérusalem."
4. "Nefa tsy azon' i Joaba nolavina ny tenin' ny mpanjaka; ka dia niainga izy ary nitety ny Isiraely rehetra ka dia tonga tany Jerosalema."
5. And Joab gave the sum of the number of the people unto David. And all they of Israel were a thousand thousand and an hundred thousand men that drew sword: and Judah was four hundred threescore and ten thousand men that drew sword.
5. Joab remit à David le rôle du dénombrement du peuple: il y avait dans tout Israël onze cent mille hommes tirant l`épée, et en Juda quatre cent soixante-dix mille hommes tirant l`épée.
5. Ary natolotr' i Joaba an' i Davida ny isan' ny olona, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy rehetra mahatan-tsabatra teo amin' ny Isiraely, ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin' ny Joda.
6. But Levi and Benjamin counted he not among them: for the king's word was abominable to Joab.
6. Il ne fit point parmi eux le dénombrement de Lévi et de Benjamin, car l`ordre du roi lui paraissait une abomination.
6. Fa ny Levy sy ny Benjamina tsy mba nisaina tamin' ireo fa fahavetavetana tamin' i Joaba ny tenin' ny mpanjaka,
7. And God was displeased with this thing; therefore he smote Israel.
7. Cet ordre déplut à Dieu, qui frappa Israël.
7. "Ary tsy sitrak' Andriamanitra izany zavatra izany; ka dia namely ny Isiraely Izy."
8. And David said unto God, I have sinned greatly, because I have done this thing: but now, I beseech thee, do away the iniquity of thy servant; for I have done very foolishly.
8. Et David dit à Dieu: J`ai commis un grand péché en faisant cela! Maintenant, daigne pardonner l`iniquité de ton serviteur, car j`ai complètement agi en insensé!
8. "Ary hoy Davida tamin' Andriamanitra: Efa nanota indrindra aho tamin' izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona Aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho."
9. And the LORD spake unto Gad, David's seer, saying,
9. L`Éternel adressa ainsi la parole à Gad, le voyant de David:
9. Ary Jehovah niteny tamin' i Gada, mpahitan' i Davida nanao hoe:
10. Go and tell David, saying, Thus saith the LORD, I offer thee three things: choose thee one of them, that I may do it unto thee.
10. "Va dire à David: Ainsi parle l`Éternel: Je te propose trois fléaux; choisis-en un, et je t`en frapperai."
10. "Mandehana, ka lazao amin' i Davida hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Zavatra telo loha no apetrako eo anoloanao; koa fidio izay iray hataoko aminao."
11. So Gad came to David, and said unto him, Thus saith the LORD, Choose thee
11. Gad alla vers David, et lui dit: Ainsi parle l`Éternel:
11. Ary Gada nankany amin' i Davida ka nanao taminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Mifidiana:
12. Either three years' famine; or three months to be destroyed before thy foes, while that the sword of thine enemies overtaketh thee; or else three days the sword of the LORD, even the pestilence, in the land, and the angel of the LORD destroying throughout all the coasts of Israel. Now therefore advise thyself what word I shall bring again to him that sent me.
12. Accepte, ou trois années de famine, ou trois mois pendant lesquels tu seras détruit par tes adversaires et atteint par l`épée de tes ennemis, ou trois jours pendant lesquels l`épée de l`Éternel et la peste seront dans le pays et l`ange de l`Éternel portera la destruction dans tout le territoire d`Israël. Vois maintenant ce que je dois répondre à celui qui m`envoie.
12. "Mosary telo taona; sa fandringanana eo anoloan' ny fahavalonao telo volana raha tratry ny sabatry ny fahavalonao ianao; sa ny sabatr' i Jehovah, dia areti-mandringana, no hamely ny tany hateloana, ka Ilay Anjelin' i Jehovah handringana eran' ny tanin' ny Isiraely rehetra. Koa hevero tsara ny valiny hoentiko any amin' Izay naniraka ahy."
13. And David said unto Gad, I am in a great strait: let me fall now into the hand of the LORD; for very great are his mercies: but let me not fall into the hand of man.
13. "David répondit à Gad: Je suis dans une grande angoisse! Oh! que je tombe entre les mains de l`Éternel, car ses compassions sont immenses; mais que je ne tombe pas entre les mains des hommes!"
13. "Ary hoy Davida tamin' i Gada: Poritra loatra aho! Aleoko ny ho azon'ny tanan' i Jehovah; fa lehibe indrindra ny famindrampony, fa aoka tsy ho azon' izay tanan' olona aho."
14. So the LORD sent pestilence upon Israel: and there fell of Israel seventy thousand men.
14. L`Éternel envoya la peste en Israël, et il tomba soixante-dix mille hommes d`Israël.
14. Dia nasian' i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana lehilahy fito alina.
15. And God sent an angel unto Jerusalem to destroy it: and as he was destroying, the LORD beheld, and he repented him of the evil, and said to the angel that destroyed, It is enough, stay now thine hand. And the angel of the LORD stood by the threshingfloor of Ornan the Jebusite.
15. "Dieu envoya un ange à Jérusalem pour la détruire; et comme il la détruisait, l`Éternel regarda et se repentit de ce mal, et il dit à l`ange qui détruisait: Assez! Retire maintenant ta main. L`ange de l`Éternel se tenait près de l`aire d`Ornan, le Jébusien."
15. "Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; ary raha ilay mbola teo am-pandravana iny Izy, dia nijery Jehovah ka nanenina ny amin' ny loza ary nanao tamin' Ilay anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin' i Jehovah nitsangana teo anilan' ny famoloan' i Ornana Jebosita."
16. And David lifted up his eyes, and saw the angel of the LORD stand between the earth and the heaven, having a drawn sword in his hand stretched out over Jerusalem. Then David and the elders of Israel, who were clothed in sackcloth, fell upon their faces.
16. David leva les yeux, et vit l`ange de l`Éternel se tenant entre la terre et le ciel et ayant à la main son épée nue tournée contre Jérusalem. Alors David et les anciens, couverts de sacs, tombèrent sur leur visage.
16. Ary nanopy ny masony Davida ka nahita Ilay Anjelin' i Jehovah nitsangana teo anelanelan' ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an' i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon' ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana.
17. And David said unto God, Is it not I that commanded the people to be numbered? even I it is that have sinned and done evil indeed; but as for these sheep, what have they done? let thine hand, I pray thee, O LORD my God, be on me, and on my father's house; but not on thy people, that they should be plagued.
17. "Et David dit à Dieu: N`est-ce pas moi qui ai ordonné le dénombrement du peuple? C`est moi qui ai péché et qui ai fait le mal; mais ces brebis, qu`ont-elles fait? Éternel, mon Dieu, que ta main soit donc sur moi et sur la maison de mon père, et qu`elle ne fasse point une plaie parmi ton peuple!"
17. "Ary hoy Davida tamin' Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota tokoa sy nanao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no nataony. Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny ankohonan' ny raiko, fa tsy ho amin' ny olonao no hasianao ny areti-mandringana."
18. Then the angel of the LORD commanded Gad to say to David, that David should go up, and set up an altar unto the LORD in the threshingfloor of Ornan the Jebusite.
18. L`ange de l`Éternel dit à Gad de parler à David, afin qu`il montât pour élever un autel à l`Éternel dans l`aire d`Ornan, le Jébusien.
18. Ary Ilay Anjelin' i Jehovah nandidy an' i Gada hilaza amin' i Davida, mba hiakatra Davida ka hanangana alitara ho an' i Jehovah ao amin' ny famoloan' i ornana Jebosita.
19. And David went up at the saying of Gad, which he spake in the name of the LORD.
19. David monta, selon la parole que Gad avait prononcée au nom de l`Éternel.
19. Koa dia niakatra Davida araka ny tenin' i Gada, izay nolazainy tamin' ny anaran' i Jehovah.
20. And Ornan turned back, and saw the angel; and his four sons with him hid themselves. Now Ornan was threshing wheat.
20. Ornan se retourna et vit l`ange, et ses quatre fils se cachèrent avec lui: il foulait alors du froment.
20. "Ary niherika Ornana, ka nahita Ilay Anjely; ary ny zanany efa-dahy teo aminy dia niery. Ary Ornana nively varimbazaha tamin' izay."
21. And as David came to Ornan, Ornan looked and saw David, and went out of the threshingfloor, and bowed himself to David with his face to the ground.
21. "Lorsque David arriva auprès d`Ornan, Ornan regarda, et il aperçut David; puis il sortit de l`aire, et se prosterna devant David, le visage contre terre."
21. Ary nony tonga teo amin' i Ornana i Davida dia nijery Ornana ka nahita an' i Davida, ary dia niala avy teo amin' ny famoloana izy ka niankohoka tamin' ny tany teo anatrehan' i Davida.
22. Then David said to Ornan, Grant me the place of this threshingfloor, that I may build an altar therein unto the LORD: thou shalt grant it me for the full price: that the plague may be stayed from the people.
22. "David dit à Ornan: Cède-moi l`emplacement de l`aire pour que j`y bâtisse un autel à l`Éternel; cède-le-moi contre sa valeur en argent, afin que la plaie se retire de dessus le peuple."
22. "Ary hoy Davida tamin' i Ornana: mba omeo ahy amin' izay tokom-bidiny ity toeran' ny famoloana ity hanorenako alitara ho an' i Jehovah eo; omeo ahy amin' ny vidiny feno mba hitsaharan' ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka."
23. And Ornan said unto David, Take it to thee, and let my lord the king do that which is good in his eyes: lo, I give thee the oxen also for burnt offerings, and the threshing instruments for wood, and the wheat for the meat offering; I give it all.
23. "Ornan répondit à David: Prends-le, et que mon seigneur le roi fasse ce qui lui semblera bon; vois, je donne les boeufs pour l`holocauste, les chars pour le bois, et le froment pour l`offrande, je donne tout cela."
23. "Fa hoy Ornana tamin' i Davida: Ento ary ho anao; ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay tsara eo imasony; indro, omeko anao koa ny omby ho fanatitra dorana, ary ny fivelezam-barimbazaha ho kitay ary ny vary tritika ho fanatitra hohanina; foiko avokoa izy rehetra."
24. And king David said to Ornan, Nay; but I will verily buy it for the full price: for I will not take that which is thine for the LORD, nor offer burnt offerings without cost.
24. Mais le roi David dit à Ornan: Non! je veux l`acheter contre sa valeur en argent, car je ne présenterai point à l`Éternel ce qui est à toi, et je n`offrirai point un holocauste qui ne me coûte rien.
24. "Fa hoy Davida mpanjaka tamin' i Ornana: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay vidiny feno; fa tsy haka izay anao ho an' i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin' izay zavatra azoko fotsiny."
25. So David gave to Ornan for the place six hundred shekels of gold by weight.
25. Et David donna à Ornan six cents sicles d`or pour l`emplacement.
25. Dia nomen' i Davida sekely volamena lanjan' eninjato Ornana ho vidin' ny tany.
26. And David built there an altar unto the LORD, and offered burnt offerings and peace offerings, and called upon the LORD; and he answered him from heaven by fire upon the altar of burnt offering.
26. David bâtit là un autel à l`Éternel, et il offrit des holocaustes et des sacrifices d`actions de grâces. Il invoqua l`Éternel, et l`Éternel lui répondit par le feu, qui descendit du ciel sur l`autel de l`holocauste.
26. Ary Davida nanorina alitara teo ho an' i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana, dia niantso an' i Jehovah izy ka novaliany tamin' ny afo avy tany an-danitra teo amin' ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
27. And the LORD commanded the angel; and he put up his sword again into the sheath thereof.
27. Alors l`Éternel parla à l`ange, qui remit son épée dans le fourreau.
27. Ary Jehovah nandidy Ilay Anjely, ka dia nampidiriny tamin' ny tranony ny sabany.
28. At that time when David saw that the LORD had answered him in the threshingfloor of Ornan the Jebusite, then he sacrificed there.
28. A cette époque-là, David, voyant que l`Éternel l`avait exaucé dans l`aire d`Ornan, le Jébusien, y offrait des sacrifices.
28. Tamin' izany fotoana izany, nony hitan' i Davida fa novalian' i Jehovah teo amin' ny famoloan' i Ornana Jebosita izy, dia nanao fanatitra teo izy.
29. For the tabernacle of the LORD, which Moses made in the wilderness, and the altar of the burnt offering, were at that season in the high place at Gibeon.
29. Mais le tabernacle de l`Éternel, construit par Moïse au désert, et l`autel des holocaustes, étaient alors sur le haut lieu de Gabaon.
29. "Fa ny tabernakelin' i Jehovah, izay nataon' i Mosesy tany an' efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin' ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay;"
30. But David could not go before it to enquire of God: for he was afraid because of the sword of the angel of the LORD.
30. David ne pouvait pas aller devant cet autel pour chercher Dieu, parce que l`épée de l`ange de l`Éternel lui avait causé de l`épouvante.
30. "Nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan' izany hanontany amin' Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr' Ilay Anjelin' i Jehovah."
<
>