David's Victories
1. Now after this it came to pass, that David smote the Philistines, and subdued them, and took Gath and her towns out of the hand of the Philistines.
1. Après cela, David battit les Philistins et les humilia, et il enleva de la main des Philistins Gath et les villes de son ressort.
1. Ary nony afaka izany, dia izao no niseho, namely ny Filistina Davida ka nampietry azy, ary Gata sy ny zana-bohiny dia nesoriny teo an-tanan' ny Filistina.
2. And he smote Moab; and the Moabites became David's servants, and brought gifts.
2. Il battit les Moabites, et les Moabites furent assujettis à David et lui payèrent un tribut.
2. Ary namely an' i Moaba izy, dia tonga mpanompon' i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.
3. And David smote Hadarezer king of Zobah unto Hamath, as he went to stablish his dominion by the river Euphrates.
3. David battit Hadarézer, roi de Tsoba, vers Hamath, lorsqu`il alla établir sa domination sur le fleuve de l`Euphrate.
3. Dia resin' i Davida Hadarezera, mpanjakan' i Zoba, akaikin' i Hamata raha nandeha hampiorina ny fanjakany teo amoron' ny ony Eofrata izy.
4. And David took from him a thousand chariots, and seven thousand horsemen, and twenty thousand footmen: David also houghed all the chariot horses, but reserved of them an hundred chariots.
4. "David lui prit mille chars, sept mille cavaliers, et vingt mille hommes de pied; il coupa les jarrets à tous les chevaux de trait, et ne conserva que cent attelages."
4. "Ary Davida nahazo babo kalesy arivo taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin' i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin' ny kalesy zato ihany no navelany."
5. And when the Syrians of Damascus came to help Hadarezer king of Zobah, David slew of the Syrians two and twenty thousand men.
5. Les Syriens de Damas vinrent au secours d`Hadarézer, roi de Tsoba, et David battit vingt-deux mille Syriens.
5. Ary nony tonga ny Syriana avy any Damaskosy hanampy an' i Hadarezera, mpanjakan' i Zoba, dia nahafatesan' i Davida olona roa arivo sy roa alina ny Syriana.
6. Then David put garrisons in Syriadamascus; and the Syrians became David's servants, and brought gifts. Thus the LORD preserved David whithersoever he went.
6. David mit des garnisons dans la Syrie de Damas. Et les Syriens furent assujettis à David, et lui payèrent un tribut. L`Éternel protégeait David partout où il allait.
6. "Ary nisy miaramila mpiandry tany napetrak' i Davida tany Syria-Damaskosy; dia tonga mpanompon' i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Toy izany no nitehirizan' i Jehovah an' i Davida tamin' izay rehetra nalehany."
7. And David took the shields of gold that were on the servants of Hadarezer, and brought them to Jerusalem.
7. Et David prit les boucliers d`or qu`avaient les serviteurs d`Hadarézer, et les apporta à Jérusalem.
7. Ary nalain' i Davida ny ampinga volamena teny amin' ny mpanompon' i Hadarezera ka nentiny nankany Jerosalema.
8. Likewise from Tibhath, and from Chun, cities of Hadarezer, brought David very much brass, wherewith Solomon made the brasen sea, and the pillars, and the vessels of brass.
8. David prit encore une grande quantité d`airain à Thibchath et à Cun, villes d`Hadarézer. Salomon en fit la mer d`airain, les colonnes et les ustensiles d`airain.
8. Ary avy tao Tibata sy Kona koa tanànan' i Hadarezera, no nahazoan' i Davida varahina be dia be, ary izany no nanaovan' i Solomona ny tavin-drano lehibe, sy ny andry ary ny fanaka varahina.
9. Now when Tou king of Hamath heard how David had smitten all the host of Hadarezer king of Zobah;
9. Thohu, roi de Hamath, apprit que David avait battu toute l`armée d`Hadarézer, roi de Tsoba,
9. Ary nony ren' i Toy, mpanjakan' i Hamata, fa Davida efa naharesy ny miaramila rehetra an' i Hadarezera, mpanjakan' i Zoba,
10. He sent Hadoram his son to king David, to enquire of his welfare, and to congratulate him, because he had fought against Hadarezer, and smitten him; (for Hadarezer had war with Tou;) and with him all manner of vessels of gold and silver and brass.
10. et il envoya Hadoram, son fils, vers le roi David, pour le saluer, et pour le féliciter d`avoir attaqué Hadarézer et de l`avoir battu. Car Thohu était en guerre avec Hadarézer. Il envoya aussi toutes sortes de vases d`or, d`argent et d`airain.
10. Dia naniraka an' i Hadorama zanany hankany amin' i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin' i Hadarezera sy ny nahareseny azy (fa Hadarezera dia nanana ady tamin' i Toy), sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy.
11. Them also king David dedicated unto the LORD, with the silver and the gold that he brought from all these nations; from Edom, and from Moab, and from the children of Ammon, and from the Philistines, and from Amalek.
11. Le roi David les consacra à l`Éternel, avec l`argent et l`or qu`il avait pris sur toutes les nations, sur Édom, sur Moab, sur les fils d`Ammon, sur les Philistins et sur Amalek.
11. Dia nohamasinin' i Davida mpanjaka ho an' i Jehovah koa izany mbamin' ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tamin' ny firenena rehetra, dia avy tany Edoma sy Moaba sy ny taranak' i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita.
12. Moreover Abishai the son of Zeruiah slew of the Edomites in the valley of salt eighteen thousand.
12. Abischaï, fils de Tseruja, battit dans la vallée du sel dix-huit mille Édomites.
12. Ary Abisay, zanak' i zeroia, naharesy ny Edomita teo amin' ny Lohasahan-tsira, dia lehilahy valo arivo sy iray alina.
13. And he put garrisons in Edom; and all the Edomites became David's servants. Thus the LORD preserved David whithersoever he went.
13. Il mit des garnisons dans Édom, et tout Édom fut assujetti à David. L`Éternel protégeait David partout où il allait.
13. "Ary nametraka miaramila mpiandry tany tany Edoma izy; dia tonga mpanompon' i Davida ny Edomita rehetra. Toy izany no niarovan' i Jehovah an' i Davida teny amin' izay rehetra nalehany."
David's Officials
14. So David reigned over all Israel, and executed judgment and justice among all his people.
14. David régna sur tout Israël, et il faisait droit et justice à tout son peuple.
14. Ary Davida nanjaka tamin' ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin' ny fahamarinana.
15. And Joab the son of Zeruiah was over the host; and Jehoshaphat the son of Ahilud, recorder.
15. "Joab, fils de Tseruja, commandait l`armée; Josaphat, fils d`Achilud, était archiviste;"
15. "Ary Joaba, zanak' i Zeroia no komandin' ny miaramila; ary Josafata, zanak' i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana."
16. And Zadok the son of Ahitub, and Abimelech the son of Abiathar, were the priests; and Shavsha was scribe;
16. "Tsadok, fils d`Achithub, et Abimélec, fils d`Abiathar, étaient sacrificateurs; Schavscha était secrétaire;"
16. "Ary Zadoka, zanak' i Ahitoba sy Abimeleka, zanak' i Abiatara, no mpisorona; ary Saosa, no mpanoratra."
17. And Benaiah the son of Jehoiada was over the Cherethites and the Pelethites; and the sons of David were chief about the king.
17. "Benaja, fils de Jehojada, était chef des Kéréthiens et des Péléthiens; et les fils de David étaient les premiers auprès du roi."
17. "Ary Benaia, zanak' i Joiada, no mpifehy ny Keretita sy ny Peletita; ary ny zanak' i Davida no lehibe teo akaikin' ny mpanjaka."