God's Promise to David
1. Now it came to pass, as David sat in his house, that David said to Nathan the prophet, Lo, I dwell in an house of cedars, but the ark of the covenant of the LORD remaineth under curtains.
1. Lorsque David fut établi dans sa maison, il dit à Nathan le prophète: Voici, j`habite dans une maison de cèdre, et l`arche de l`alliance de l`Éternel est sous une tente.
1. Ary izao no niseho, raha nipetraka tao an-tranony Davida, dia nanao tamin' i Natana mpaminany hoe: Indro, izaho dia mitoetra amin' ny trano sedera, nefa ny fiaran' ny faneken' i Jehovah kosa mitoetra anaty lay.
2. Then Nathan said unto David, Do all that is in thine heart; for God is with thee.
2. Nathan répondit à David: Fais tout ce que tu as dans le coeur, car Dieu est avec toi.
2. Ary hoy Natana tamin' i Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao.
3. And it came to pass the same night, that the word of God came to Nathan, saying,
3. La nuit suivante, la parole de Dieu fut adressée à Nathan:
3. Ary izao no niseho, tamin' iny alina iny ihany dia tonga tamin' i Natana ny tenin' Andriamanitra nanao hoe:
4. Go and tell David my servant, Thus saith the LORD, Thou shalt not build me an house to dwell in:
4. Va dire à mon serviteur David: Ainsi parle l`Éternel: Ce ne sera pas toi qui me bâtiras une maison pour que j`en fasse ma demeure.
4. Andeha, lazao amin' i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Tsy ianao no hanao trano hitoerako,
5. For I have not dwelt in an house since the day that I brought up Israel unto this day; but have gone from tent to tent, and from one tabernacle to another.
5. "Car je n`ai point habité dans une maison depuis le jour où j`ai fait monter Israël jusqu`à ce jour; mais j`ai été de tente en tente et de demeure en demeure."
5. Fa tsy mbola nitoetra an-trano aho hatramin' ny andro nitondrako ny Zanak' Isiraely niakatra ka mandraka androany, fa nifindrafindra tamin' ny lay iray ho amin' ny iray Aho, ary tamin' ny tabernakely iray ho amin' ny anankiray.
6. Wheresoever I have walked with all Israel, spake I a word to any of the judges of Israel, whom I commanded to feed my people, saying, Why have ye not built me an house of cedars?
6. Partout où j`ai marché avec tout Israël, ai-je dit un mot à quelqu`un des juges d`Israël à qui j`avais ordonné de paître mon peuple, ai-je dit: Pourquoi ne me bâtissez-vous pas une maison de cèdre?
6. Ary teny amin' izay nandehandehanako niaraka tamin' ny Isiraely rehetra, moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran' ny Isiraely izay nodidiako hiandry ny oloko ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy nanorina trano sedera ho Ahy ianareo?
7. Now therefore thus shalt thou say unto my servant David, Thus saith the LORD of hosts, I took thee from the sheepcote, even from following the sheep, that thou shouldest be ruler over my people Israel:
7. "Maintenant tu diras à mon serviteur David: Ainsi parle l`Éternel des armées: Je t`ai pris au pâturage, derrière les brebis, pour que tu fusses chef de mon peuple d`Israël;"
7. "Koa izao no lazao amin' i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain' i Jehovah, tompon' ny maro: Izaho no naka anao tany an-tsaha fiandrasan' ondry, dia tany am-piandrasan' ondry mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko;"
8. And I have been with thee whithersoever thou hast walked, and have cut off all thine enemies from before thee, and have made thee a name like the name of the great men that are in the earth.
8. "j`ai été avec toi partout où tu as marché, j`ai exterminé tous tes ennemis devant toi, et j`ai rendu ton nom semblable au nom des grands qui sont sur la terre;"
8. Ary nomba anao tamin' izay rehetra nalehanao Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary nomeko anarana tahaka ny anaran' ny olo-malaza ambonin' ny tany ianao.
9. Also I will ordain a place for my people Israel, and will plant them, and they shall dwell in their place, and shall be moved no more; neither shall the children of wickedness waste them any more, as at the beginning,
9. j`ai donné une demeure à mon peuple d`Israël, et je l`ai planté pour qu`il y soit fixé et ne soit plus agité, pour que les méchants ne le détruisent plus comme auparavant
9. Ary hanendry toerana ho an' ny Isiraely oloko koa Aho, ka hamboly azy, dia honina eo amin' ny toerany izy, ka tsy hafindra intsony ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny tany aloha,
10. And since the time that I commanded judges to be over my people Israel. Moreover I will subdue all thine enemies. Furthermore I tell thee that the LORD will build thee an house.
10. et comme à l`époque où j`avais établi des juges sur mon peuple d`Israël. J`ai humilié tous tes ennemis. Et je t`annonce que l`Éternel te bâtira une maison.
10. Sy hatramin' ny fotoana izay nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ankoatra izany dia haetriko ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao fa hanorina trano ho anao Jehovah.
11. And it shall come to pass, when thy days be expired that thou must go to be with thy fathers, that I will raise up thy seed after thee, which shall be of thy sons; and I will establish his kingdom.
11. Quand tes jours seront accomplis et que tu iras auprès de tes pères, j`élèverai ta postérité après toi, l`un de tes fils, et j`affermirai son règne.
11. Ary izao no hiseho, rehefa tapitra ny andronao, ka tsy maintsy ho any amin' ny razanao ianao, dia hatsangako ny taranakao mandimby anao, izay isan' ny terakao ary hampitoetra ny fanjakany Aho.
12. He shall build me an house, and I will stablish his throne for ever.
12. Ce sera lui qui me bâtira une maison, et j`affermirai pour toujours son trône.
12. Dia izy no hanorina trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny sezafiandrianany ho mandrakizay.
13. I will be his father, and he shall be my son: and I will not take my mercy away from him, as I took it from him that was before thee:
13. "Je serai pour lui un père, et il sera pour moi un fils; et je ne lui retirerai point ma grâce, comme je l`ai retirée à celui qui t`a précédé."
13. "Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ary tsy hanaisotra ny famindrampoko aminy aho, tahaka ny nanesorako izany tamin' ilay nodiasanao;"
14. But I will settle him in mine house and in my kingdom for ever: and his throne shall be established for evermore.
14. Je l`établirai pour toujours dans ma maison et dans mon royaume, et son trône sera pour toujours affermi.
14. "Fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin' ny fanjakako mandrakizay izy; ary hampitoerina mandrakizay ny sezafiandrianany."
15. According to all these words, and according to all this vision, so did Nathan speak unto David.
15. Nathan rapporta à David toutes ces paroles et toute cette vision.
15. Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana izao no nolazain' i Natana tamin' i Davida.
David's Prayer
16. And David the king came and sat before the LORD, and said, Who am I, O LORD God, and what is mine house, that thou hast brought me hitherto?
16. Et le roi David alla se présenter devant l`Éternel, et dit: Qui suis-je, Éternel Dieu, et quelle est ma maison, pour que tu m`aies fait parvenir où je suis?
16. Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan' i Jehovah, dia nanao hoe: zinona moa aho, Jehovah Andriamanitra ô? Ary zinona moa ny ankohonako, no nentinao ambaraka ankehitriny aho?
17. And yet this was a small thing in thine eyes, O God; for thou hast also spoken of thy servant's house for a great while to come, and hast regarded me according to the estate of a man of high degree, O LORD God.
17. C`est peu de chose à tes yeux, ô Dieu! Tu parles de la maison de ton serviteur pour les temps à venir. Et tu daignes porter les regards sur moi à la manière des hommes, toi qui es élevé, Éternel Dieu!
17. "Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany eo imasonao Andriamanitra ô; fa efa voalazanao koa ny amin' ny taranaky ny mpanomponao hatramin' ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny toetry ny olona ambony Ianao, Jehovah Andriamanitra ô!"
18. What can David speak more to thee for the honour of thy servant? for thou knowest thy servant.
18. Que pourrait te dire encore David sur la gloire accordée à ton serviteur? Tu connais ton serviteur.
18. "Inona intsony no holazain' i Davida aminao ny amin' ny voninahitry ny mpanomponao? fa Ianao no mahalala ny mpanomponao;"
19. O LORD, for thy servant's sake, and according to thine own heart, hast thou done all this greatness, in making known all these great things.
19. O Éternel! c`est à cause de ton serviteur, et selon ton coeur, que tu as fait toutes ces grandes choses, pour les lui révéler.
19. Jehovah ô, noho ny amin' ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe rehetra io, mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo.
20. O LORD, there is none like thee, neither is there any God beside thee, according to all that we have heard with our ears.
20. O Éternel! nul n`est semblable à toi et il n`y a point d`autre Dieu que toi, d`après tout ce que nous avons entendu de nos oreilles.
20. Jehovah ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren' ny sofinay.
21. And what one nation in the earth is like thy people Israel, whom God went to redeem to be his own people, to make thee a name of greatness and terribleness, by driving out nations from before thy people, whom thou hast redeemed out of Egypt?
21. Est-il sur la terre une seule nation qui soit comme ton peuple d`Israël, que Dieu est venu racheter pour en former son peuple, pour te faire un nom et pour accomplir des miracles et des prodiges, en chassant des nations devant ton peuple que tu as racheté d`Égypte?
21. Ary aiza moa no misy firenena ety an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan' Andriamanitra havotana ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin' ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan' ny olonao, izay navotanao avy tany Egypta?
22. For thy people Israel didst thou make thine own people for ever; and thou, LORD, becamest their God.
22. "Tu as établi ton peuple d`Israël, pour qu`il fût ton peuple à toujours; et toi, Éternel, tu es devenu son Dieu."
22. Fa ny Isiraely olonao nofidinao ho olonao mandrakizay, ary Ianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.
23. Therefore now, LORD, let the thing that thou hast spoken concerning thy servant and concerning his house be established for ever, and do as thou hast said.
23. Maintenant, ô Éternel! que la parole que tu as prononcée sur ton serviteur et sur sa maison subsiste éternellement, et agis selon ta parole!
23. Ary ankehitriny, Jehovah ô, ilay zavatra nolazainao ny amin' ny mpanomponao sy ny ankohonany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.
24. Let it even be established, that thy name may be magnified for ever, saying, The LORD of hosts is the God of Israel, even a God to Israel: and let the house of David thy servant be established before thee.
24. Qu`elle subsiste, afin que ton nom soit à jamais glorifié et que l`on dise: L`Éternel des armées, le Dieu d`Israël, est un Dieu pour Israël! Et que la maison de David, ton serviteur, soit affermie devant toi!
24. "Dia aoka hampitoerina izany, mba hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao manao hoe: Jehovah, Tompon' ny maro, no Andriamanitry ny Isiraely, eny, Andriamanitra amin' ny Isiraely; ary aoka ny ankohonan' i Davida mpanomponao hampitoerina eo anatrehanao."
25. For thou, O my God, hast told thy servant that thou wilt build him an house: therefore thy servant hath found in his heart to pray before thee.
25. Car toi-même, ô mon Dieu, tu as révélé à ton serviteur que tu lui bâtirais une maison. C`est pourquoi ton serviteur a osé prier devant toi.
25. "Fa Ianao, Andriamanitro ô, efa nilaza tamin' ny mpanomponao fa hanao trano ho azy; koa izany no nampahasahy ny fon' ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao."
26. And now, LORD, thou art God, and hast promised this goodness unto thy servant:
26. Maintenant, ô Éternel! tu es Dieu, et tu as annoncé cette grâce à ton serviteur.
26. "Ary ankehitriny, Jehovah ô, Andriamanitra Ianao, ary efa nampanantena izany fahatsarana izany ho an' ny mpanomponao;"
27. Now therefore let it please thee to bless the house of thy servant, that it may be before thee for ever: for thou blessest, O LORD, and it shall be blessed for ever.
27. Veuille donc bénir la maison de ton serviteur, afin qu`elle subsiste à toujours devant toi! Car ce que tu bénis, ô Éternel! est béni pour l`éternité.
27. "Koa dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny ankohonan' ny mpanomponao mba ho eo anatrehanao mandrakizay izy; fa izay tahianao, Jehovah ô, dia voatahy mandrakizay."