1. So they brought the ark of God, and set it in the midst of the tent that David had pitched for it: and they offered burnt sacrifices and peace offerings before God.
1. Après qu`on eut amené l`arche de Dieu, on la plaça au milieu de la tente que David avait dressée pour elle, et l`on offrit devant Dieu des holocaustes et des sacrifices d`actions de grâces.
1. "Ary nampiditra ny fiaran' Andriamanitra ny olona ka nametraka azy teo afovoan' ny lay izay naorin' i Davida ho azy; ary nanao fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan' Andriamanitra izy."
2. And when David had made an end of offering the burnt offerings and the peace offerings, he blessed the people in the name of the LORD.
2. Quand David eut achevé d`offrir les holocaustes et les sacrifices d`actions de grâces, il bénit le peuple au nom de l`Éternel.
2. Ary nony voatitr' i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana dia nitsodrano ny olona tamin' ny anaran' i Jehovah izy.
3. And he dealt to every one of Israel, both man and woman, to every one a loaf of bread, and a good piece of flesh, and a flagon of wine.
3. Puis il distribua à tous ceux d`Israël, hommes et femmes, à chacun un pain, une portion de viande et un gâteau de raisins.
3. Dia nizara mofo iray avy sy hena iray didy ary divay iray tavoara ho an' ny Isiraely rehetra na lahy na vavy izy.
4. And he appointed certain of the Levites to minister before the ark of the LORD, and to record, and to thank and praise the LORD God of Israel:
4. Il remit à des Lévites la charge de faire le service devant l`arche de l`Éternel, d`invoquer, de louer et de célébrer l`Éternel, le Dieu d`Israël.
4. Ary nanendry ny sasany tamin' ny Levita Davida hanao ny asa fanompoana eo anoloan' ny fiaran' i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
5. Asaph the chief, and next to him Zechariah, Jeiel, and Shemiramoth, and Jehiel, and Mattithiah, and Eliab, and Benaiah, and Obededom: and Jeiel with psalteries and with harps; but Asaph made a sound with cymbals;
5. "C`étaient: Asaph, le chef; Zacharie, le second après lui, Jeïel, Schemiramoth, Jehiel, Matthithia, Éliab, Benaja, Obed Édom et Jeïel. Ils avaient des instruments de musique, des luths et des harpes; et Asaph faisait retentir les cymbales."
5. "Asafa no lohany, ary Zakaria no manarakaraka, dia Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny harpa; fa asafa no nampaneno ny kipantsona;"
6. Benaiah also and Jahaziel the priests with trumpets continually before the ark of the covenant of God.
6. Les sacrificateurs Benaja et Jachaziel sonnaient continuellement des trompettes devant l`arche de l`alliance de Dieu.
6. Benaia sy Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan' ny fiaran' ny faneken' Andriamanitra.

David's Psalm of Thanks

7. Then on that day David delivered first this psalm to thank the LORD into the hand of Asaph and his brethren.
7. Ce fut en ce jour que David chargea pour la première fois Asaph et ses frères de célébrer les louanges de l`Éternel.
7. Tamin' izay andro izay no voalohany nanoloran' i Davida izao salamo izao ho eo an-tanan' i Asafa sy ny rahalahiny hisaorana an' i Jehovah.
8. Give thanks unto the LORD, call upon his name, make known his deeds among the people.
8. Louez l`Éternel, invoquez son nom! Faites connaître parmi les peuples ses hauts faits!
8. "Miderà an' i Jehovah, miantsoa ny anarany; ampahafantaro ny firenena ny asany."
9. Sing unto him, sing psalms unto him, talk ye of all his wondrous works.
9. Chantez, chantez en son honneur! Parlez de toutes ses merveilles!
9. "Mihirà ho Azy; mihirà salamo ho Azy, lazao ny asany mahagaga rehetra."
10. Glory ye in his holy name: let the heart of them rejoice that seek the LORD.
10. Glorifiez-vous de son saint nom! Que le coeur de ceux qui cherchent l`Éternel se réjouisse!
10. "Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; aoka hifaly ny fon' izay mitady an' i Jehovah."
11. Seek the LORD and his strength, seek his face continually.
11. Ayez recours à l`Éternel et à son appui, Cherchez continuellement sa face!
11. Mitadiava an' i Jehovah sy ny heriny, katsaho mandrakariva ny tavany.
12. Remember his marvellous works that he hath done, his wonders, and the judgments of his mouth;
12. Souvenez-vous des prodiges qu`il a faits, De ses miracles et des jugements de sa bouche,
12. Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran' ny vavany.
13. O ye seed of Israel his servant, ye children of Jacob, his chosen ones.
13. Race d`Israël, son serviteur, Enfants de Jacob, ses élus!
13. Ry taranak' Isiraely mpanompony, ianareo taranak' i Jakoba olom-boafidiny.
14. He is the LORD our God; his judgments are in all the earth.
14. "L`Éternel est notre Dieu; Ses jugements s`exercent sur toute la terre."
14. "Izy no Jehovah Andriamanitsika; manerana ny tany rehetra ny fitsarany."
15. Be ye mindful always of his covenant; the word which he commanded to a thousand generations;
15. Rappelez-vous à toujours son alliance, Ses promesses pour mille générations,
15. "Tsarovy mandrakariva ny fanekeny, dia ny teny voadidiny ho an' ny taranaka arivo mandimby;"
16. Even of the covenant which he made with Abraham, and of his oath unto Isaac;
16. "L`alliance qu`il a traitée avec Abraham, Et le serment qu`il a fait à Isaac;"
16. Dia ilay fanekena nataony tamin' i Abrahama sy ny fianianany tamin' Isaka.
17. And hath confirmed the same to Jacob for a law, and to Israel for an everlasting covenant,
17. Il l`a érigé pour Jacob en loi, Pour Israël en alliance éternelle,
17. Izay naorina ho lalàna ho an' i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an' Isiraely,
18. Saying, Unto thee will I give the land of Canaan, the lot of your inheritance;
18. Disant: Je te donnerai le pays de Canaan Comme l`héritage qui vous est échu.
18. Manao hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho anjara lovanao.
19. When ye were but few, even a few, and strangers in it.
19. Ils étaient alors peu nombreux, Très peu nombreux, et étrangers dans le pays,
19. Fa fony mbola olom-bitsy ianareo, eny, vitsy sady vahiny tao,
20. And when they went from nation to nation, and from one kingdom to another people;
20. "Et ils allaient d`une nation à l`autre Et d`un royaume vers un autre peuple;"
20. "Ary raha nifindrafindra avy tamin' ny firenena iray ho amin' ny firenena iray sy avy tamin' ny fanjakana iray ho amin' ny firenen-kafa;"
21. He suffered no man to do them wrong: yea, he reproved kings for their sakes,
21. Mais il ne permit à personne de les opprimer, Et il châtia des rois à cause d`eux:
21. "Dia tsy nisy navelany hanisy ratsy azy; eny nananatra mpanjaka izy noho ny amin' ireo,"
22. Saying, Touch not mine anointed, and do my prophets no harm.
22. Ne touchez pas à mes oints, Et ne faites pas de mal à mes prophètes!
22. Manao hoe: Aza manendry ny voahosotro, ary aza manisy ratsy ny mpaminaniko.
23. Sing unto the LORD, all the earth; shew forth from day to day his salvation.
23. "Chantez à l`Éternel, vous tous habitants de la terre! Annoncez de jour en jour son salut;"
23. "Mihirà ho an' i Jehovah, ry tany rehetra; lazao isan' andro isan' andro ny famonjeny."
24. Declare his glory among the heathen; his marvellous works among all nations.
24. Racontez parmi les nations sa gloire, Parmi tous les peuples ses merveilles!
24. "Ambarao any amin' ny jentilisa ny voninahiny; ary any amin' ny firenena rehetra ny asany mahagaga."
25. For great is the LORD, and greatly to be praised: he also is to be feared above all gods.
25. "Car l`Éternel est grand et très digne de louange, Il est redoutable par-dessus tous les dieux;"
25. "Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra; sady mahatahotra ambonin' ny andriamanitra rehetra koa izy."
26. For all the gods of the people are idols: but the LORD made the heavens.
26. Car tous les dieux des peuples sont des idoles, Et l`Éternel a fait les cieux.
26. "Fa ny andriamanitra rehetra an' ny firenena dia sampy; fa Jehovah no nanao ny lanitra."
27. Glory and honour are in his presence; strength and gladness are in his place.
27. La majesté et la splendeur sont devant sa face, La force et la joie sont dans sa demeure.
27. Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, hery sy hafaliana no ao amin' ny fitoerany.
28. Give unto the LORD, ye kindreds of the people, give unto the LORD glory and strength.
28. Familles des peuples, rendez à l`Éternel, Rendez à l`Éternel gloire et honneur!
28. Manomeza ho an' i Jehovah, ry fianakaviana amin' ny firenena, manomeza voninahitra sy hery ho an' i Jehovah.
29. Give unto the LORD the glory due unto his name: bring an offering, and come before him: worship the LORD in the beauty of holiness.
29. Rendez à l`Éternel gloire pour son nom! Apportez des offrandes et venez en sa présence, Prosternez-vous devant l`Éternel avec de saints ornements!
29. "Manomeza ho an' i Jehovah ny voninahitra sahaza ny anarany; mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; miankohofa eo anatrehan' i Jehovah amin' ny hatsaran' ny fahamasinana."
30. Fear before him, all the earth: the world also shall be stable, that it be not moved.
30. Tremblez devant lui, vous tous habitants de la terre! Le monde est affermi, il ne chancelle point.
30. "Matahora eo anatrehany, ry tany rehetra; izao rehetra izao koa ho voaorina ka tsy hihetsika."
31. Let the heavens be glad, and let the earth rejoice: and let men say among the nations, The LORD reigneth.
31. Que les cieux se réjouissent, et que la terre soit dans l`allégresse! Que l`on dise parmi les nations: L`Éternel règne!
31. "Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany; ary aoka holazaina any amin' ny firenena hoe: Jehovah no manjaka."
32. Let the sea roar, and the fulness thereof: let the fields rejoice, and all that is therein.
32. Que la mer retentisse avec tout ce qu`elle contient! Que la campagne s`égaie avec tout ce qu`elle renferme!
32. "Aoka hirondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy."
33. Then shall the trees of the wood sing out at the presence of the LORD, because he cometh to judge the earth.
33. Que les arbres des forêts poussent des cris de joie Devant l`Éternel! Car il vient pour juger la terre.
33. Dia hihoby eo anatrehan' i Jehovah ny hazo an' ala, fa avy hitsara ny tany Izy.
34. O give thanks unto the LORD; for he is good; for his mercy endureth for ever.
34. Louez l`Éternel, car il est bon, Car sa miséricorde dure à toujours!
34. Misaora an' i Jehovah, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony.
35. And say ye, Save us, O God of our salvation, and gather us together, and deliver us from the heathen, that we may give thanks to thy holy name, and glory in thy praise.
35. Dites: Sauve-nous, Dieu de notre salut, Rassemble-nous, et retire-nous du milieu des nations, Afin que nous célébrions ton saint nom Et que nous mettions notre gloire à te louer!
35. Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angony izahay, ka vonjeo tsy ho azon' ny jentilisa, mba hisaoranay ny anaranao masina, ka ho reharehanay ny fiderana Anao.
36. Blessed be the LORD God of Israel for ever and ever. And all the people said, Amen, and praised the LORD.
36. Béni soit l`Éternel, le Dieu d`Israël, D`éternité en éternité! Et que tout le peuple dise: Amen! Louez l`Éternel!
36. Isaorana mandrakizay mandrakizay anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. Ary ny olona rehetra nanao hoe: Amena sady nidera an' i Jehovah.
37. So he left there before the ark of the covenant of the LORD Asaph and his brethren, to minister before the ark continually, as every day's work required:
37. David laissa là, devant l`arche de l`alliance de l`Éternel, Asaph et ses frères, afin qu`ils fussent continuellement de service devant l`arche, remplissant leur tâche jour par jour.
37. "Koa Asafa sy ny rahalahiny dia navelan' i Davida teo anoloan' ny fiaran' ny faneken' i Jehovah hanao ny asa fanompoana eo mandrakariva araka ny raharaha tokony hatao isan' andro;"
38. And Obededom with their brethren, threescore and eight; Obededom also the son of Jeduthun and Hosah to be porters:
38. Il laissa Obed Édom et Hosa avec leurs frères, au nombre de soixante-huit, Obed Édom, fils de Jeduthun, et Hosa, comme portiers.
38. Ary Obed-edoma sy ny rahalahiny valo amby enimpolo sy Obed-edoma zanak' i Jedotana koa ary Hosa ho mpiandry varavarana.
39. And Zadok the priest, and his brethren the priests, before the tabernacle of the LORD in the high place that was at Gibeon,
39. Il établit le sacrificateur Tsadok et les sacrificateurs, ses frères, devant le tabernacle de l`Éternel, sur le haut lieu qui était à Gabaon,
39. Ary Zadoka mpisorona sy ireo mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan' ny tabernakelin' i Jehovah teo amin' ny fitoerana avo any Gibeona,
40. To offer burnt offerings unto the LORD upon the altar of the burnt offering continually morning and evening, and to do according to all that is written in the law of the LORD, which he commanded Israel;
40. pour qu`ils offrissent continuellement à l`Éternel des holocaustes, matin et soir, sur l`autel des holocaustes, et qu`ils accomplissent tout ce qui est écrit dans la loi de l`Éternel, imposée par l`Éternel à Israël.
40. Hanolotra fanatitra dorana ho an' i Jehovah marain-tsy hariva eo amin' ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin' ny lalàn' i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely.
41. And with them Heman and Jeduthun, and the rest that were chosen, who were expressed by name, to give thanks to the LORD, because his mercy endureth for ever;
41. Auprès d`eux étaient Héman et Jeduthun, et les autres qui avaient été choisis et désignés par leurs noms pour louer l`Éternel. Car sa miséricorde dure à toujours.
41. Ary niaraka tamin' ireo Hemana sy Jedotona ary ny sisa izay voafidy ka voatonona anarana hisaotra an' i Jehovah, satria maharitra mandrakizay ny famindrampony.
42. And with them Heman and Jeduthun with trumpets and cymbals for those that should make a sound, and with musical instruments of God. And the sons of Jeduthun were porters.
42. Auprès d`eux étaient Héman et Jeduthun, avec des trompettes et des cymbales pour ceux qui les faisaient retentir, et avec des instruments pour les cantiques en l`honneur de Dieu. Les fils de Jeduthun étaient portiers.
42. Ary niaraka tamin' ireo Hemana sy Jedotona mbamin' ny trompetra sy ny kipantsona ho an' izay tokony hampaneno azy, sy ny zava-manenon' Andriamanitra. Ary ny zanak' i Jedotona no mpiandry varavarana.
43. And all the people departed every man to his house: and David returned to bless his house.
43. Tout le peuple s`en alla chacun dans sa maison, et David s`en retourna pour bénir sa maison.
43. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra, ary Davida kosa niverina hitsodrano ny ankohonany.
<
>