David's House and Family
1. Now Hiram king of Tyre sent messengers to David, and timber of cedars, with masons and carpenters, to build him an house.
1. Hiram, roi de Tyr, envoya des messagers à David, et du bois de cèdre, et des tailleurs de pierres et des charpentiers, pour lui bâtir une maison.
1. ARy Hirama mpanjakan' i Tyro nandefa iraka tany amin' i Davida sady nampanatitra hazo sedera niaraka tamin' ny tambato sy ny mpandrafitra hanao trano ho azy.
2. And David perceived that the LORD had confirmed him king over Israel, for his kingdom was lifted up on high, because of his people Israel.
2. David reconnut que l`Éternel l`affermissait comme roi d`Israël, et que son royaume était haut élevé, à cause de son peuple d`Israël.
2. Dia fantatr' i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan' ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin' ny Isiraely olony.
3. And David took more wives at Jerusalem: and David begat more sons and daughters.
3. David prit encore des femmes à Jérusalem, et il engendra encore des fils et des filles.
3. Ary Davida nampaka-bady hafa koa tany Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy maro Davida.
4. Now these are the names of his children which he had in Jerusalem; Shammua, and Shobab, Nathan, and Solomon,
4. Voici les noms de ceux qui lui naquirent à Jérusalem: Schammua, Schobab, Nathan, Salomon,
4. Ary izao no anaran' ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona,
5. And Ibhar, and Elishua, and Elpalet,
5. Jibhar, Élischua, Elphéleth,
5. Sy Jibara sy Elisoa sy Elipeleta,
6. And Nogah, and Nepheg, and Japhia,
6. Noga, Népheg, Japhia,
6. Sy Noga sy Nafega sy Jafia,
7. And Elishama, and Beeliada, and Eliphalet.
7. Élischama, Beéliada et Éliphéleth.
7. Sy Elisama sy Beliada ary Elifeleta.
David Defeats the Philistines
8. And when the Philistines heard that David was anointed king over all Israel, all the Philistines went up to seek David. And David heard of it, and went out against them.
8. Les Philistins apprirent que David avait été oint pour roi sur tout Israël, et ils montèrent tous à sa recherche. David, qui en fut informé, sortit au-devant d`eux.
8. Koa nony ren' ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan' ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren' i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy.
9. And the Philistines came and spread themselves in the valley of Rephaim.
9. Les Philistins arrivèrent, et se répandirent dans la vallée des Rephaïm.
9. Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin' ny Lohasahan' ny Refaïta.
10. And David enquired of God, saying, Shall I go up against the Philistines? And wilt thou deliver them into mine hand? And the LORD said unto him, Go up; for I will deliver them into thine hand.
10. David consulta Dieu, en disant: Monterai-je contre les Philistins, et les livreras-tu entre mes mains? Et l`Éternel lui dit: Monte, et je les livrerai entre tes mains.
10. Ary Davida nanontany tamin' Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy.
11. So they came up to Baalperazim; and David smote them there. Then David said, God hath broken in upon mine enemies by mine hand like the breaking forth of waters: therefore they called the name of that place Baalperazim.
11. Ils montèrent à Baal Peratsim, où David les battit. Puis il dit: Dieu a dispersé mes ennemis par ma main, comme des eaux qui s`écoulent. C`est pourquoi l`on a donné à ce lieu le nom de Baal Peratsim.
11. "Dia niakatra nankao Bala-Perazina Davida ka namely azy teo; dia hoy Davida: Ny tanako no namakian' Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran' izany tany izany hoe Bala-perazina."
12. And when they had left their gods there, David gave a commandment, and they were burned with fire.
12. Ils laissèrent là leurs dieux, qui furent brûlés au feu d`après l`ordre de David.
12. Ary raha nilaozan' ireny teo ireo andriamaniny, dia nanome baiko Davida, ka nodoroana tamin' ny afo ireny.
13. And the Philistines yet again spread themselves abroad in the valley.
13. Les Philistins se répandirent de nouveau dans la vallée.
13. Ary nihahakahaka indray teny ivelany teny an-dohasaha ny Filistina.
14. Therefore David enquired again of God; and God said unto him, Go not up after them; turn away from them, and come upon them over against the mulberry trees.
14. "David consulta encore Dieu. Et Dieu lui dit: Tu ne monteras pas après eux; détourne-toi d`eux, et tu arriveras sur eux vis-à-vis des mûriers."
14. "Dia nanontany tamin' Andriamanitra indray Davida; ary hoy Andriamanitra taminy: Aza miakatra hanenjika azy, fa mivilia azy, dia mandehana, ka tongava eo aminy manandrify ny voaroihazo."
15. And it shall be, when thou shalt hear a sound of going in the tops of the mulberry trees, that then thou shalt go out to battle: for God is gone forth before thee to smite the host of the Philistines.
15. Quand tu entendras un bruit de pas dans les cimes des mûriers, alors tu sortiras pour combattre, car c`est Dieu qui marche devant toi pour battre l`armée des Philistins.
15. "Ary izao no zavatra hisy, raha toa mahare fingadongadon' olona eny amin' ny tendron' ny voaroihazo ianao, dia miaingà amin' izay hiady; fa amin' izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan' ny Filistina."
16. David therefore did as God commanded him: and they smote the host of the Philistines from Gibeon even to Gazer.
16. David fit ce que Dieu lui avait ordonné, et l`armée des Philistins fut battue depuis Gabaon jusqu`à Guézer.
16. Ary dia nanao araka izay nandidian' Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan' ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy.
17. And the fame of David went out into all lands; and the LORD brought the fear of him upon all nations.
17. La renommée de David se répandit dans tous les pays, et l`Éternel le rendit redoutable à toutes les nations.
17. "Ary ny lazan' i Davida niely teny amin' ny tany rehetra; ary nataon' i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an' i Davida."