David Becomes King Over Israel
1. Then all Israel gathered themselves to David unto Hebron, saying, Behold, we are thy bone and thy flesh.
1. Tout Israël s`assembla auprès de David à Hébron, en disant: Voici, nous sommes tes os et ta chair.
1. Ary dia nivory teo amin' i Davida tao Hebrona ny Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao.
2. And moreover in time past, even when Saul was king, thou wast he that leddest out and broughtest in Israel: and the LORD thy God said unto thee, Thou shalt feed my people Israel, and thou shalt be ruler over my people Israel.
2. Autrefois déjà, même lorsque Saül était roi, c`était toi qui conduisais et qui ramenais Israël. L`Éternel, ton Dieu, t`a dit: Tu paîtras mon peuple d`Israël, et tu seras le chef de mon peuple d`Israël.
2. "Ankoatra izany, hatry ny fahiny ihany koa, fony Saoly mbola nanjaka aza, dia ianao ihany no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary hoy Jehovah Andriamanitrao taminao: Ianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka ny Isiraely oloko."
3. Therefore came all the elders of Israel to the king to Hebron; and David made a covenant with them in Hebron before the LORD; and they anointed David king over Israel, according to the word of the LORD by Samuel.
3. Ainsi tous les anciens d`Israël vinrent auprès du roi à Hébron, et David fit alliance avec eux à Hébron, devant l`Éternel. Ils oignirent David pour roi sur Israël, selon la parole de l`Éternel, prononcée par Samuel.
3. "Koa tonga tao amin' ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon' ny Isiraely rehetra; ary Davida nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan' i Jehovah; ary dia nanosotra an' i Davida ho mpanjakan' ny Isiraely izy araka ny tenin' i Jehovah izay nampilazainy an' i Samoela."
David Conquers Jerusalem
4. And David and all Israel went to Jerusalem, which is Jebus; where the Jebusites were, the inhabitants of the land.
4. David marcha avec tout Israël sur Jérusalem, qui est Jebus. Là étaient les Jébusiens, habitants du pays.
4. Ary Davida sy ny Isiraely rehetra nankany Jerosalema, Jebosa izany, izay nisy ny Jebosita, tompon-tany.
5. And the inhabitants of Jebus said to David, Thou shalt not come hither. Nevertheless David took the castle of Zion, which is the city of David.
5. Les habitants de Jebus dirent à David: Tu n`entreras point ici. Mais David s`empara de la forteresse de Sion: c`est la cité de David.
5. Ary hoy ny mponina tao Jebosa tamin' i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao, kanjo afak' i Davida ihany ny batery fiarovan' i Ziona, izay tanànan' i Davida.
6. And David said, Whosoever smiteth the Jebusites first shall be chief and captain. So Joab the son of Zeruiah went first up, and was chief.
6. David avait dit: Quiconque battra le premier les Jébusiens sera chef et prince. Joab, fils de Tseruja, monta le premier, et il devint chef.
6. Ary hoy Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho komandy. Ary Joaba, zanak' i Zeroia, no niakatra voalohany, ka dia izy no lohany.
7. And David dwelt in the castle; therefore they called it the city of David.
7. "David s`établit dans la forteresse; c`est pourquoi on l`appela cité de David."
7. Dia nitoetra tao anatin' ny batery fiarovana Davida, ka izany no nanaovany ny anarany hoe Tanànan' i Davida.
8. And he built the city round about, even from Millo round about: and Joab repaired the rest of the city.
8. "Il fit tout autour de la ville des constructions, depuis Millo et aux environs; et Joab répara le reste de la ville."
8. "Ary nanorina ny tanàna manodidina izy, dia hatrany Milo no manodidina; ary Joaba namboatra ny sisa tamin' ny tanàna."
9. So David waxed greater and greater: for the LORD of hosts was with him.
9. David devenait de plus en plus grand, et l`Éternel des armées était avec lui.
9. "Koa dia nandroso nihalehibe Davida; fa Jehovah, Tompon' ny maro, no nomba azy."
David's Mighty Men
10. These also are the chief of the mighty men whom David had, who strengthened themselves with him in his kingdom, and with all Israel, to make him king, according to the word of the LORD concerning Israel.
10. Voici les chefs des vaillants hommes qui étaient au service de David, et qui l`aidèrent avec tout Israël à assurer sa domination, afin de l`établir roi, selon la parole de l`Éternel au sujet d`Israël.
10. Ary izao koa no lohan' ny lehilahy maherin' i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin' ny fanjakany, mbamin' ny Isiraely rehetra, hampanjaka azy araka ny tenin' i Jehovah ny amin' ny Isiraely.
11. And this is the number of the mighty men whom David had; Jashobeam, an Hachmonite, the chief of the captains: he lifted up his spear against three hundred slain by him at one time.
11. Voici, d`après leur nombre, les vaillants hommes qui étaient au service de David. Jaschobeam, fils de Hacmoni, l`un des principaux officiers. Il brandit sa lance sur trois cents hommes, qu`il fit périr en une seule fois.
11. Dia izao no isan' ny lehilahy maherin' i Davida: Jasobeama, Hakmonita, lehiben'ny mpanafika malaza: izy no namely telonjato lahy tamin' ny lefona ka naharingana azy tamin' ny ady indray mandeha monja.
12. And after him was Eleazar the son of Dodo, the Ahohite, who was one of the three mighties.
12. Après lui, Éléazar, fils de Dodo, l`Achochite, l`un des trois guerriers.
12. Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak' i Dodo Ahohita, anankiray amin' izy telo lahy mahery.
13. He was with David at Pasdammim, and there the Philistines were gathered together to battle, where was a parcel of ground full of barley; and the people fled from before the Philistines.
13. "Il était avec David à Pas Dammim, où les Philistins s`étaient rassemblés pour combattre. Il y avait là une pièce de terre remplie d`orge; et le peuple fuyait devant les Philistins."
13. Izy dia teo amin' i Davida tao Pasadamima, raha vory teo ny Filistina hiady, ary ny tany nisy vary hordea maniry, ary ny olona nandositra ny Filistina.
14. And they set themselves in the midst of that parcel, and delivered it, and slew the Philistines; and the LORD saved them by a great deliverance.
14. Ils se placèrent au milieu du champ, le protégèrent, et battirent les Philistins. Et l`Éternel opéra une grande délivrance.
14. "Fa nijanona teo afovoan' io tany io kosa ireo ka nahazo izany ary namono ny Filistina; dia namonjy azy ireo Jehovah tamin' ny fanafahana lehibe."
15. Now three of the thirty captains went down to the rock to David, into the cave of Adullam; and the host of the Philistines encamped in the valley of Rephaim.
15. Trois des trente chefs descendirent auprès de David sur le rocher dans la caverne d`Adullam, lorsque le camp des Philistins était dressé dans la vallée des Rephaïm.
15. Ary nisy telo lahy amin' ny kapiteny telopolo nidina nankeo amin' ny vatolampy ho any amin' i Davida, tamin' ny zohin' i Adolama ary ny miaramilan' ny Filistina nitoby teo amin' ny Lohasahan' ny Refaïta.
16. And David was then in the hold, and the Philistines' garrison was then at Bethlehem.
16. David était alors dans la forteresse, et il y avait un poste de Philistins à Bethléhem.
16. Ary Davida dia tao amin' ny batery fiarovana tamin' izay, ary ny miaramilan' ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
17. And David longed, and said, Oh that one would give me drink of the water of the well of Bethlehem, that is at the gate!
17. David eut un désir, et il dit: Qui me fera boire de l`eau de la citerne qui est à la porte de Bethléhem?
17. Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin' ny fantsakana, ilay ao akaikin' ny vavahady!
18. And the three brake through the host of the Philistines, and drew water out of the well of Bethlehem, that was by the gate, and took it, and brought it to David: but David would not drink of it, but poured it out to the LORD,
18. "Alors les trois hommes passèrent au travers du camp des Philistins, et puisèrent de l`eau de la citerne qui est à la porte de Bethléhem. Ils l`apportèrent et la présentèrent à David; mais David ne voulut pas la boire, et il la répandit devant l`Éternel."
18. Ary izy telo lahy ireo namaky teo amin' ny miaramilan' ny Filistina ka nanovo rano avy tao amin' ny fantsakana tao Betlehema, izay teo akaikin' ny vavahady, dia nentiny ho any amin' i Davida izany. Kanjo tsy nety nisotro Davida, fa naidiny ho an' i Jehovah izany.
19. And said, My God forbid it me, that I should do this thing: shall I drink the blood of these men that have put their lives in jeopardy? for with the jeopardy of their lives they brought it. Therefore he would not drink it. These things did these three mightiest.
19. Il dit: Que mon Dieu me garde de faire cela! Boirais-je le sang de ces hommes qui sont allés au péril de leur vie? Car c`est au péril de leur vie qu`ils l`ont apportée. Et il ne voulut pas la boire. Voilà ce que firent ces trois vaillants hommes.
19. "Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan' Andriamanitro ny hanao izany; moa hisotro ny ràn' ireto olona nanao vy very ny ainy ireto va aho? fa nanao vy very ny ainy izy ireo tamin' ny nitondrany izany. ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon' ireo telo lahy mahery indrindra ireo."
20. And Abishai the brother of Joab, he was chief of the three: for lifting up his spear against three hundred, he slew them, and had a name among the three.
20. "Abischaï, frère de Joab, était le chef des trois. Il brandit sa lance sur trois cents hommes, et les tua; et il eut du renom parmi les trois."
20. "Ary Abisay, rahalahin' i Joaba, no lehibe tamin' izy telo lahy; fa izy koa namely telonjato lahy tamin' ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin' izy telo lahy."
21. Of the three, he was more honourable than the two; for he was their captain: howbeit he attained not to the first three.
21. "Il était le plus considéré des trois de la seconde série, et il fut leur chef; mais il n`égala pas les trois premiers."
21. "Tamin' izy telo lahy dia izy no nanana voninahitra mihoatra noho izy roa lahy, fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby azy telo lahy teo aloha izy."
22. Benaiah the son of Jehoiada, the son of a valiant man of Kabzeel, who had done many acts; he slew two lionlike men of Moab: also he went down and slew a lion in a pit in a snowy day.
22. Benaja, fils de Jehojada, fils d`un homme de Kabtseel, rempli de valeur et célèbre par ses exploits. Il frappa les deux lions de Moab. Il descendit au milieu d`une citerne, où il frappa un lion, un jour de neige.
22. "Ary Benaia, zanak' i Joiada, zanaky ny lehilahy mahery tany Kabzela, izay nahavita asa marobe, izy no nahafaty ny roa lahy toa liona avy any Moaba; ary izy koa no nidina namono ny liona tao anatin' ny lavaka fantsakana tamin' ilay andron' ny orampanala iny."
23. And he slew an Egyptian, a man of great stature, five cubits high; and in the Egyptian's hand was a spear like a weaver's beam; and he went down to him with a staff, and plucked the spear out of the Egyptian's hand, and slew him with his own spear.
23. "Il frappa un Égyptien d`une stature de cinq coudées et ayant à la main une lance comme une ensouple de tisserand; il descendit contre lui avec un bâton, arracha la lance de la main de l`Égyptien, et s`en servit pour le tuer."
23. "Ary izy no namono ilay Egyptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, ary teny an-tanan' ilay Egyptiana dia nisy lefona tahaka ny voditenon' ny mpanenona; nefa namorotsahan' i Benaia tamin' ny tehiny ihany izy, dia nosarihiny ny lefona teny an-tanan' ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy."
24. These things did Benaiah the son of Jehoiada, and had the name among the three mighties.
24. "Voilà ce que fit Benaja, fils de Jehojada; et il eut du renom parmi les trois vaillants hommes."
24. Izany zavatra izany no nataon' i Benaia, zanak' i Joiada, ary tamin' izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
25. Behold, he was honourable among the thirty, but attained not to the first three: and David set him over his guard.
25. "Il était le plus considéré des trente; mais il n`égala pas les trois premiers. David l`admit dans son conseil secret."
25. "Indro, fa be voninahitra tamin' ny telopolo lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo aloha; ary nanao azy ho tonian' ny mpiambina azy Davida."
26. Also the valiant men of the armies were, Asahel the brother of Joab, Elhanan the son of Dodo of Bethlehem,
26. Hommes vaillants de l`armée: Asaël, frère de Joab. Elchanan, fils de Dodo, de Bethléhem.
26. Ary ny lehilahy maherin' ny tafika koa dia Asahela, rahalahin' i Joaba, sy Elenana, zanak' i Dodo, avy any Betlehema,
27. Shammoth the Harorite, Helez the Pelonite,
27. Schammoth, d`Haror. Hélets, de Palon.
27. Sy Samota Harorita sy Haleza Pelonita,
28. Ira the son of Ikkesh the Tekoite, Abiezer the Antothite,
28. Ira, fils d`Ikkesch, de Tekoa. Abiézer, d`Anathoth.
28. Sy Ira, zanak' Ikesy Tekoita, sy Abiezera Anatotita,
29. Sibbecai the Hushathite, Ilai the Ahohite,
29. Sibbecaï, le Huschatite. Ilaï, d`Achoach.
29. Sy Sibekay, Hosatita sy Ely Ahohita,
30. Maharai the Netophathite, Heled the son of Baanah the Netophathite,
30. Maharaï, de Nethopha. Héled, fils de Baana, de Nethopha.
30. Sy Maharay Netofatita sy Heleda, zanak' i Bana Netofatita,
31. Ithai the son of Ribai of Gibeah, that pertained to the children of Benjamin, Benaiah the Pirathonite,
31. Ithaï, fils de Ribaï, de Guibea des fils de Benjamin. Benaja, de Pirathon.
31. Sy Itahy, zanak' i Ribay avy any Gibean' ny taranak' i Benjamina, sy Benaia Pïratonita,
32. Hurai of the brooks of Gaash, Abiel the Arbathite,
32. Huraï, de Nachalé Gaasch. Abiel, d`Araba.
32. Sy Horay any amin' ny lohasahandriak' i Gasy, sy Abiela Arbatita,
33. Azmaveth the Baharumite, Eliahba the Shaalbonite,
33. Azmaveth, de Bacharum. Éliachba, de Schaalbon.
33. Sy Azmaveta Baharomita sy Eliaba Salbonita,
34. The sons of Hashem the Gizonite, Jonathan the son of Shage the Hararite,
34. Bené Haschem, de Guizon. Jonathan, fils de Schagué, d`Harar.
34. Sy ny zanak' i Hasema Gizonita sy Jonatana, zanak' i Sage Hararita,
35. Ahiam the son of Sacar the Hararite, Eliphal the son of Ur,
35. Achiam, fils de Sacar, d`Harar. Éliphal, fils d`Ur.
35. Sy Ahiama, zanak' i Sakara Hararita, sy Elifala, zanak' i Ora,
36. Hepher the Mecherathite, Ahijah the Pelonite,
36. Hépher, de Mekéra. Achija, de Palon.
36. Sy Hefera Mekeratita sy Ahia Pelonita,
37. Hezro the Carmelite, Naarai the son of Ezbai,
37. Hetsro, de Carmel. Naaraï, fils d`Ezbaï.
37. Sy Hezro Karmelita sy Naray, zanak' i Ezbay,
38. Joel the brother of Nathan, Mibhar the son of Haggeri,
38. Joël, frère de Nathan. Mibchar, fils d`Hagri.
38. Sy Joela, rahalahin' i Natana, sy Mibara, zanak' i Hagry,
39. Zelek the Ammonite, Naharai the Berothite, the armourbearer of Joab the son of Zeruiah,
39. Tsélek, l`Ammonite. Nachraï, de Béroth, qui portait les armes de Joab, fils de Tseruja.
39. Sy Zaleka Amonita sy Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian' i Joaba, zanak' i Zeroia,
40. Ira the Ithrite, Gareb the Ithrite,
40. Ira, de Jéther. Gareb, de Jéther.
40. Sy Ira Jitrita sy Gareba Jitrita,
41. Uriah the Hittite, Zabad the son of Ahlai,
41. Urie, le Héthien. Zabad, fils d`Achlaï.
41. Sy Oria Hetita sy Zabada, zanak' i Ahelay,
42. Adina the son of Shiza the Reubenite, a captain of the Reubenites, and thirty with him,
42. Adina, fils de Schiza, le Rubénite, chef des Rubénites, et trente avec lui.
42. Sy Adina, zanak' i Siza Robenita, mpifehy ny Robenita, ary ny namany telopolo lahy koa,
43. Hanan the son of Maachah, and Joshaphat the Mithnite,
43. Hanan, fils de Maaca. Josaphat, de Mithni.
43. Sy Hanana, zanak' i Maka, sy Josafata Mitnita,
44. Uzzia the Ashterathite, Shama and Jehiel the sons of Hothan the Aroerite,
44. Ozias, d`Aschtharoth. Schama et Jehiel, fils de Hotham, d`Aroër.
44. Sy Ozia Astartita ary Sama sy Jeiela, zanak' i Hotama Aroerita,
45. Jediael the son of Shimri, and Joha his brother, the Tizite,
45. Jediaël, fils de Schimri. Jocha, son frère, le Thitsite.
45. Sy Jediaela, zanak' i Simry, sy Joha Tizita rahalahiny,
46. Eliel the Mahavite, and Jeribai, and Joshaviah, the sons of Elnaam, and Ithmah the Moabite,
46. Éliel, de Machavim, Jeribaï et Joschavia, fils d`Elnaam. Jithma, le Moabite.
46. Sy Eliala Mahavita sy Jeribay sy Josavia, zanak' i Elnama, sy Jitma Moabita,
47. Eliel, and Obed, and Jasiel the Mesobaite.
47. Éliel, Obed et Jaasiel Metsobaja.
47. Sy Eliala sy Obeda ary Jasiela Mezobaita.