The LORD Calls Samuel
1. And the child Samuel ministered unto the LORD before Eli. And the word of the LORD was precious in those days; there was no open vision.
1. Le jeune Samuel était au service de l`Éternel devant Éli. La parole de l`Éternel était rare en ce temps-là, les visions n`étaient pas fréquentes.
1. Ary Samoela zaza nanao asa fanompoana ho an' i Jehovah teo anatrehan' i Ely. Ary sarobidy ny tenin' i Jehovah tamin' izany andro izany, fa tsy nisy fahitana niseho loatra.
2. And it came to pass at that time, when Eli was laid down in his place, and his eyes began to wax dim, that he could not see;
2. En ce même temps, Éli, qui commençait à avoir les yeux troubles et ne pouvait plus voir, était couché à sa place,
2. Ary izao no niseho tamin' izany andro izany, raha nandry tao amin' ny fandriany Ely, efa pahina ny masony ka tsy nahita izy.
3. And ere the lamp of God went out in the temple of the LORD, where the ark of God was, and Samuel was laid down to sleep;
3. la lampe de Dieu n`était pas encore éteinte, et Samuel était couché dans le temple de l`Éternel, où était l`arche de Dieu.
3. "Ary tsy mbola maty ny jiron' Andriamanitra tao an-tranon' i Jehovah, izay nisy ny fiaran' Andriamanitra, ary Samoela efa nandry hatory;"
4. That the LORD called Samuel: and he answered, Here am I.
4. Alors l`Éternel appela Samuel. Il répondit: Me voici!
4. Dia niantso an' i Samoela Jehovah, ary namaly izy hoe: Inty aho.
5. And he ran unto Eli, and said, Here am I; for thou calledst me. And he said, I called not; lie down again. And he went and lay down.
5. "Et il courut vers Éli, et dit: Me voici, car tu m`as appelé. Éli répondit: Je n`ai point appelé; retourne te coucher. Et il alla se coucher."
5. Dia nihazakazaka nankeo amin' i Ely izy ka nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy Ely: Tsy niantso aho, andeha mandry indray. Dia lasa nandry izy.
6. And the LORD called yet again, Samuel. And Samuel arose and went to Eli, and said, Here am I; for thou didst call me. And he answered, I called not, my son; lie down again.
6. L`Éternel appela de nouveau Samuel. Et Samuel se leva, alla vers Éli, et dit: Me voici, car tu m`as appelé. Éli répondit: Je n`ai point appelé, mon fils, retourne te coucher.
6. "Ary Jehovah mbola niantso an' i Samoela indray. Dia nifoha Samoela ka nankao amin' i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy tokoa ianao. Fa namaly izy hoe: Tsy niantso aho, anaka; andeha mandry indray."
7. Now Samuel did not yet know the LORD, neither was the word of the LORD yet revealed unto him.
7. Samuel ne connaissait pas encore l`Éternel, et la parole de l`Éternel ne lui avait pas encore été révélée.
7. Ary Samoela tsy mbola nahalala an' i Jehovah, sady tsy mbola nanehoana ny tenin' i Jehovah izy.
8. And the LORD called Samuel again the third time. And he arose and went to Eli, and said, Here am I; for thou didst call me. And Eli perceived that the LORD had called the child.
8. L`Éternel appela de nouveau Samuel, pour la troisième fois. Et Samuel se leva, alla vers Éli, et dit: Me voici, car tu m`as appelé. Éli comprit que c`était l`Éternel qui appelait l`enfant,
8. Ary Jehovah niantso an' i Samoela indray fanintelony. Dia nifoha izy ka nankao amin' i Ely ka nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy tokoa ianao. Dia fantatr' i Ely fa Jehovah no niantso ny zaza.
9. Therefore Eli said unto Samuel, Go, lie down: and it shall be, if he call thee, that thou shalt say, Speak, LORD; for thy servant heareth. So Samuel went and lay down in his place.
9. "et il dit à Samuel: Va, couche-toi; et si l`on t`appelle, tu diras: Parle, Éternel, car ton serviteur écoute. Et Samuel alla se coucher à sa place."
9. "Ary hoy Ely tamin' i Samoela: Andeha mandry ihany; ary raha tàhiny miantso anao Izy, dia lazao hoe: Mitenena, Jehovah ô, fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry teo amin' ny fitoerany."
10. And the LORD came, and stood, and called as at other times, Samuel, Samuel. Then Samuel answered, Speak; for thy servant heareth.
10. L`Éternel vint et se présenta, et il appela comme les autres fois: Samuel, Samuel! Et Samuel répondit: Parle, car ton serviteur écoute.
10. Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo aloha ihany hoe: Ry Samoela! ry Samoela! Dia namaly Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao.
11. And the LORD said to Samuel, Behold, I will do a thing in Israel, at which both the ears of every one that heareth it shall tingle.
11. Alors l`Éternel dit à Samuel: Voici, je vais faire en Israël une chose qui étourdira les oreilles de quiconque l`entendra.
11. Ary hoy Jehovah tamin' i Samoela: Indro, hanao zavatra eo amin' ny Isiraely Aho, ka izay rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
12. In that day I will perform against Eli all things which I have spoken concerning his house: when I begin, I will also make an end.
12. "En ce jour j`accomplirai sur Éli tout ce que j`ai prononcé contre sa maison; je commencerai et j`achèverai."
12. "Amin' izany andro izany dia hotanterahiko amin' i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny amin' ny ankohonany; rehefa manomboka Aho, dia hamarana ihany koa."
13. For I have told him that I will judge his house for ever for the iniquity which he knoweth; because his sons made themselves vile, and he restrained them not.
13. Je lui ai déclaré que je veux punir sa maison à perpétuité, à cause du crime dont il a connaissance, et par lequel ses fils se sont rendus méprisables, sans qu`il les ait réprimés.
13. Fa efa nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho an' ny tenany, nefa tsy nosakanany.
14. And therefore I have sworn unto the house of Eli, that the iniquity of Eli's house shall not be purged with sacrifice nor offering for ever.
14. C`est pourquoi je jure à la maison d`Éli que jamais le crime de la maison d`Éli ne sera expié, ni par des sacrifices ni par des offrandes.
14. Koa izany no nianianako tamin' ny ankohonan' i Ely fa tsy hisy sorona na fanatitra hahafaka ny helony mandrakizay.
15. And Samuel lay until the morning, and opened the doors of the house of the LORD. And Samuel feared to shew Eli the vision.
15. Samuel resta couché jusqu`au matin, puis il ouvrit les portes de la maison de l`Éternel. Samuel craignait de raconter la vision à Éli.
15. Ary nandry Samoela mandra-pahamarainan' ny andro, dia namoha ny varavaran' ny tranon' i Jehovah. Ary natahotra i Samoela ny hilaza ny fahitana tamin' i Ely.
16. Then Eli called Samuel, and said, Samuel, my son. And he answered, Here am I.
16. Mais Éli appela Samuel, et dit: Samuel, mon fils! Il répondit: Me voici!
16. Fa Ely niantso an' i Samoela ka nanao hoe: Ry Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho.
17. And he said, What is the thing that the LORD hath said unto thee? I pray thee hide it not from me: God do so to thee, and more also, if thou hide any thing from me of all the things that he said unto thee.
17. Et Éli dit: Quelle est la parole que t`a adressée l`Éternel? Ne me cache rien. Que Dieu te traite dans toute sa rigueur, si tu me caches quelque chose de tout ce qu`il t`a dit!
17. "Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain' i Jehovah taminao? Masìna ianao, aza afeninao ahy; hataon' Andriamanitra aminao anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha misy afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao."
18. And Samuel told him every whit, and hid nothing from him. And he said, It is the LORD: let him do what seemeth him good.
18. Samuel lui raconta tout, sans lui rien cacher. Et Éli dit: C`est l`Éternel, qu`il fasse ce qui lui semblera bon!
18. Dia nambaran' i Samoela azy avokoa ny zavatra rehetra, ka tsy nisy nafeniny azy. Dia hoy Ely: Izy no Jehovah, aoka Izy hanao izay sitraky ny fony.
19. And Samuel grew, and the LORD was with him, and did let none of his words fall to the ground.
19. Samuel grandissait. L`Éternel était avec lui, et il ne laissa tomber à terre aucune de ses paroles.
19. Ary nitombo Samoela, sady nomba azy Jehovah, ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny.
20. And all Israel from Dan even to Beersheba knew that Samuel was established to be a prophet of the LORD.
20. Tout Israël, depuis Dan jusqu`à Beer Schéba, reconnut que Samuel était établi prophète de l`Éternel.
20. Ary ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba dia nahalala fa efa voamarina ho mpaminanin' i Jehovah tokoa Samoela.
21. And the LORD appeared again in Shiloh: for the LORD revealed himself to Samuel in Shiloh by the word of the LORD.
21. "L`Éternel continuait à apparaître dans Silo; car l`Éternel se révélait à Samuel, dans Silo, par la parole de l`Éternel."
21. "Dia niseho tao Silo indray Jehovah; fa niseho tamin' i Samoela tao Silo Jehovah tamin' ny tenin' i Jehovah."