Hannah's Prayer
1. And Hannah prayed, and said, My heart rejoiceth in the LORD, mine horn is exalted in the LORD: my mouth is enlarged over mine enemies; because I rejoice in thy salvation.
1. "Anne pria, et dit: Mon coeur se réjouit en l`Éternel, Ma force a été relevée par l`Éternel; Ma bouche s`est ouverte contre mes ennemis, Car je me réjouis de ton secours."
1. "Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin' i Jehovah, ny tandroko voasandratra amin' i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin' ny famonjenao aho."
2. There is none holy as the LORD: for there is none beside thee: neither is there any rock like our God.
2. "Nul n`est saint comme l`Éternel; Il n`y a point d`autre Dieu que toi; Il n`y a point de rocher comme notre Dieu."
2. "Tsy misy masina tahaka an' i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Ianao; ary tsy misy vatolampy tahaka an' Andriamanitsika."
3. Talk no more so exceeding proudly; let not arrogancy come out of your mouth: for the LORD is a God of knowledge, and by him actions are weighed.
3. "Ne parlez plus avec tant de hauteur; Que l`arrogance ne sorte plus de votre bouche; Car l`Éternel est un Dieu qui sait tout, Et par lui sont pesées toutes les actions."
3. "Aza miteny avonavona intsony; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa."
4. The bows of the mighty men are broken, and they that stumbled are girded with strength.
4. L`arc des puissants est brisé, Et les faibles ont la force pour ceinture.
4. Tapaka ny tsipìkan' ny olo-mahery, ary izay tafintohina dia sikinana hery.
5. They that were full have hired out themselves for bread; and they that were hungry ceased: so that the barren hath born seven; and she that hath many children is waxed feeble.
5. "Ceux qui étaient rassasiés se louent pour du pain, Et ceux qui étaient affamés se reposent; Même la stérile enfante sept fois, Et celle qui avait beaucoup d`enfants est flétrie."
5. "Mikarama mofo ny voky, ary mianina kosa ny noana; ny momba miteraka fito, ary mihamalemy kosa ny maro anaka."
6. The LORD killeth, and maketh alive: he bringeth down to the grave, and bringeth up.
6. L`Éternel fait mourir et il fait vivre. Il fait descendre au séjour des morts et il en fait remonter.
6. "Jehovah no mahafaty sy mahavelona; Izy no mampidina ho any amin' ny fasana ary mampitsangana."
7. The LORD maketh poor, and maketh rich: he bringeth low, and lifteth up.
7. L`Éternel appauvrit et il enrichit, Il abaisse et il élève.
7. "Jehovah no mampahantra sy mampanankarena; Izy no mampietry sy mampisandratra."
8. He raiseth up the poor out of the dust, and lifteth up the beggar from the dunghill, to set them among princes, and to make them inherit the throne of glory: for the pillars of the earth are the LORD's, and he hath set the world upon them.
8. "De la poussière il retire le pauvre, Du fumier il relève l`indigent, Pour les faire asseoir avec les grands. Et il leur donne en partage un trône de gloire; Car à l`Éternel sont les colonnes de la terre, Et c`est sur elles qu`il a posé le monde."
8. "Izy no manangana ny mahantra ho afaka amin' ny vovoka, ary manandratra ny mpangataka hiala amin' ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin' ny mpanapaka ka hampandova azy ny sezafiandrianan' ny voninahitra; fa an' i Jehovah ny andrin' ny tany, eo amin' izany no nametrahany izao tontolo izao."
9. He will keep the feet of his saints, and the wicked shall be silent in darkness; for by strength shall no man prevail.
9. "Il gardera les pas de ses bien-aimés. Mais les méchants seront anéantis dans les ténèbres; Car l`homme ne triomphera point par la force."
9. "Hotandremany ny tongotry ny olo-masiny, fa ny ratsy fanahy kosa hangina any amin' ny maizina; fa tsy amin' ny hery no handresen' ny olona."
10. The adversaries of the LORD shall be broken to pieces; out of heaven shall he thunder upon them: the LORD shall judge the ends of the earth; and he shall give strength unto his king, and exalt the horn of his anointed.
10. "Les ennemis de l`Éternel trembleront; Du haut des cieux il lancera sur eux son tonnerre; L`Éternel jugera les extrémités de la terre. Il donnera la puissance à son roi, Et il relèvera la force de son oint."
10. "Ho torotoro ny fahavalon' i Jehovah; avy any an-danitra Izy no hampikotrokorana hamely azy. Hitsara ny vazan-tany Jehovah, ary hanome hery ny mpanjakany Izy, sy hanandratra ny tandroky ny voahosony."
11. And Elkanah went to Ramah to his house. And the child did minister unto the LORD before Eli the priest.
11. Elkana s`en alla dans sa maison à Rama, et l`enfant fut au service de l`Éternel devant le sacrificateur Éli.
11. "Ary Elkana nankany an-tranony tany Rama; fa ny zaza kosa nanao ny fanompoana an' i Jehovah teo anatrehan' i Ely mpisorona."
Elf's Wicked Sons
12. Now the sons of Eli were sons of Belial; they knew not the LORD.
12. Les fils d`Éli étaient des hommes pervers, ils ne connaissaient point l`Éternel.
12. "Ary ny zanakalahin' i Ely dia zanak' i Beliala; tsy nahalala an' i Jehovah izy ireo."
13. And the priests' custom with the people was, that, when any man offered sacrifice, the priest's servant came, while the flesh was in seething, with a fleshhook of three teeth in his hand;
13. Et voici quelle était la manière d`agir de ces sacrificateurs à l`égard du peuple. Lorsque quelqu`un offrait un sacrifice, le serviteur du sacrificateur arrivait au moment où l`on faisait cuire la chair. Tenant à la main une fourchette à trois dents,
13. Ary izao no fanaon' ny mpisorona tamin' ny olona: raha nisy nanolotra fanatitra dia avy ny mpanompon' ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana teny an-tanany, raha mbola nandrahoina ny hena.
14. And he struck it into the pan, or kettle, or caldron, or pot; all that the fleshhook brought up the priest took for himself. So they did in Shiloh unto all the Israelites that came thither.
14. "il piquait dans la chaudière, dans le chaudron, dans la marmite, ou dans le pot; et tout ce que la fourchette amenait, le sacrificateur le prenait pour lui. C`est ainsi qu`ils agissaient à l`égard de tous ceux d`Israël qui venaient là à Silo."
14. Dia natsindrony tao anatin' ny fanendasana ny fitrebika, na tao anatin' ny fahandroan-kena, na ny vilany, na ny vilanibe, ka izay rehetra azon' ny fitrebika dia nalain' ny mpisorona ho azy. Ary izany no fanaony tao Silo tamin' ny Isiraely rehetra izay tonga tao.
15. Also before they burnt the fat, the priest's servant came, and said to the man that sacrificed, Give flesh to roast for the priest; for he will not have sodden flesh of thee, but raw.
15. "Même avant qu`on fît brûler la graisse, le serviteur du sacrificateur arrivait et disait à celui qui offrait le sacrifice: Donne pour le sacrificateur de la chair à rôtir; il ne recevra de toi point de chair cuite, c`est de la chair crue qu`il veut."
15. Ary koa mialoha ny nandoroana ny sabora, dia avy ny mpanompon' ny mpisorona ka nanao tamin' izay lehilahy nanao ny fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho an' ny mpisorona, fa tsy haka hena masaka aminao izy, fa ny manta ihany.
16. And if any man said unto him, Let them not fail to burn the fat presently, and then take as much as thy soul desireth; then he would answer him, Nay; but thou shalt give it me now: and if not, I will take it by force.
16. Et si l`homme lui disait: Quand on aura brûlé la graisse, tu prendras ce qui te plaira, le serviteur répondait: Non! tu donneras maintenant, sinon je prends de force.
16. Ary raha nisy olona nanao taminy hoe: Aoka aloha hodorana ny sabora, dia amin' izay vao halaina izay sitraky ny fanahinao, dia novaliany hoe: Tsia, fa omeo izao ankehitriny izao ihany, fa raha tsy izany, dia halaiko an-keriny.
17. Wherefore the sin of the young men was very great before the LORD: for men abhorred the offering of the LORD.
17. Ces jeunes gens se rendaient coupables devant l`Éternel d`un très grand péché, parce qu`ils méprisaient les offrandes de l`Éternel.
17. Ka dia lehibe indrindra ny helok' ireo zatovo ireo teo anatrehan' i Jehovah, satria halan' ny olona ny fanatitra ho an' i Jehovah.
18. But Samuel ministered before the LORD, being a child, girded with a linen ephod.
18. Samuel faisait le service devant l`Éternel, et cet enfant était revêtu d`un éphod de lin.
18. Fa Samoela nanao ny asa fanompoana teo anatrehan' i Jehovah raha mbola zaza, ary nisalotra efoda hariry madinika izy.
19. Moreover his mother made him a little coat, and brought it to him from year to year, when she came up with her husband to offer the yearly sacrifice.
19. Sa mère lui faisait chaque année une petite robe, et la lui apportait en montant avec son mari pour offrir le sacrifice annuel.
19. Ary nanaovan-dreniny kapaoty kely izy, ka nentiny ho azy isan-taona isan-taona izany, raha niara-niakatra tamin' ny vadiny hanolotra ny fanatitra fanao isan-taona izy.
20. And Eli blessed Elkanah and his wife, and said, The LORD give thee seed of this woman for the loan which is lent to the LORD. And they went unto their own home.
20. Éli bénit Elkana et sa femme, en disant: Que l`Éternel te fasse avoir des enfants de cette femme, pour remplacer celui qu`elle a prêté à l`Éternel! Et ils s`en retournèrent chez eux.
20. Ary Ely nitsodrano an' i Elkana sy ny vadiny ka nanao hoe: Homen' i Jehovah taranaka amin' ity vehivavy ity anie ianao ho solon' ilay voatolotra ho an' i Jehovah. Dia lasa nody izy ireo.
21. And the LORD visited Hannah, so that she conceived, and bare three sons and two daughters. And the child Samuel grew before the LORD.
21. Lorsque l`Éternel eut visité Anne, elle devint enceinte, et elle enfanta trois fils et deux filles. Et le jeune Samuel grandissait auprès de l`Éternel.
21. Ary Jehovah namangy an' i Hana, ka dia nanana anaka izy, ary niteraka lahy telo sy vavy roa. Ary Samoela zaza nitombo teo anatrehan' i Jehovah.
22. Now Eli was very old, and heard all that his sons did unto all Israel; and how they lay with the women that assembled at the door of the tabernacle of the congregation.
22. "Éli était fort âgé et il apprit comment ses fils agissaient à l`égard de tout Israël; il apprit aussi qu`ils couchaient avec les femmes qui s`assemblaient à l`entrée de la tente d`assignation."
22. Ary efa antitra indrindra i Ely, ary nandre izay rehetra nataon' ny zanany lahy tamin' ny Isiraely rehetra izy, sy ny nandriany tamin' ireo vehivavy nanompo teo amin' ny varavaran' ny tranolay fihaonana.
23. And he said unto them, Why do ye such things? for I hear of your evil dealings by all this people.
23. Il leur dit: Pourquoi faites-vous de telles choses? car j`apprends de tout le peuple vos mauvaises actions.
23. Dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no manao izany zavatra izany? fa reko amin' izao olona rehetra izao ny ratsy ataonareo.
24. Nay, my sons; for it is no good report that I hear: ye make the LORD's people to transgress.
24. "Non, mes enfants, ce que j`entends dire n`est pas bon; vous faites pécher le peuple de l`Éternel."
24. "Tsia, anaka, fa tsy tsara ny tatitra reko; fa mampanota ny olon' i Jehovah ianareo."
25. If one man sin against another, the judge shall judge him: but if a man sin against the LORD, who shall intreat for him? Notwithstanding they hearkened not unto the voice of their father, because the LORD would slay them.
25. "Si un homme pèche contre un autre homme, Dieu le jugera; mais s`il pèche contre l`Éternel, qui intercédera pour lui? Et ils n`écoutèrent point la voix de leur père, car l`Éternel voulait les faire mourir."
25. "Raha misy olona manota amin' olona, dia ny mpitsara no hitsara azy; fa raha misy olona manota amin' i Jehovah kosa, iza no hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin-drainy izy ireo, satria sitrak' i Jehovah ny hahafaty azy."
26. And the child Samuel grew on, and was in favour both with the LORD, and also with men.
26. Le jeune Samuel continuait à grandir, et il était agréable à l`Éternel et aux hommes.
26. Ary Samoela zaza nitombo, sady tian' i Jehovah sy ny olona koa izy.
Prophecy Againt the House of Eli
27. And there came a man of God unto Eli, and said unto him, Thus saith the LORD, Did I plainly appear unto the house of thy father, when they were in Egypt in Pharaoh's house?
27. Un homme de Dieu vint auprès d`Éli, et lui dit: Ainsi parle l`Éternel: Ne me suis-je pas révélé à la maison de ton père, lorsqu`ils étaient en Égypte dans la maison de Pharaon?
27. Ary nisy lehilahin' Andriamanitra nankany amin' i Ely ka nanao taminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Tsy efa niseho tamin' ny ankohonan-drainao va Aho, raha mbola tany Egypta tao an-tranon' i Farao izy?
28. And did I choose him out of all the tribes of Israel to be my priest, to offer upon mine altar, to burn incense, to wear an ephod before me? and did I give unto the house of thy father all the offerings made by fire of the children of Israel?
28. Je l`ai choisie parmi toutes les tribus d`Israël pour être à mon service dans le sacerdoce, pour monter à mon autel, pour brûler le parfum, pour porter l`éphod devant moi, et j`ai donné à la maison de ton père tous les sacrifices consumés par le feu et offerts par les enfants d`Israël.
28. Ary efa nofidiko tamin' ny fokon' ny Isiraely rehetra ho mpisoroko izy, mba hanolotra fanatitra eo ambonin' ny alitarako,handoro ditin-kazo manitra ary hisalotra efoda eo anatrehako? Ary nomeko ho an' ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon' ny Zanak' Isiraely amin' ny afo.
29. Wherefore kick ye at my sacrifice and at mine offering, which I have commanded in my habitation; and honourest thy sons above me, to make yourselves fat with the chiefest of all the offerings of Israel my people?
29. Pourquoi foulez-vous aux pieds mes sacrifices et mes offrandes, que j`ai ordonné de faire dans ma demeure? Et d`où vient que tu honores tes fils plus que moi, afin de vous engraisser des prémices de toutes les offrandes d`Israël, mon peuple?
29. Nahoana no hitsahinareo ny fanatitro sy ny sorona ho ahy, izay nasaiko hatao ao amin' ny fonenako, ka ny zanakao no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, mba hanatavy anareo amin' izay tsara indrindra amin' ny fanatitra rehetra aterin' ny Isiraely oloko?
30. Wherefore the LORD God of Israel saith, I said indeed that thy house, and the house of thy father, should walk before me for ever: but now the LORD saith, Be it far from me; for them that honour me I will honour, and they that despise me shall be lightly esteemed.
30. C`est pourquoi voici ce que dit l`Éternel, le Dieu d`Israël: J`avais déclaré que ta maison et la maison de ton père marcheraient devant moi à perpétuité. Et maintenant, dit l`Éternel, loin de moi! Car j`honorerai celui qui m`honore, mais ceux qui me méprisent seront méprisés.
30. "Koa izany no anaovan' i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no omeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baràka."
31. Behold, the days come, that I will cut off thine arm, and the arm of thy father's house, that there shall not be an old man in thine house.
31. Voici, le temps arrive où je retrancherai ton bras et le bras de la maison de ton père, en sorte qu`il n`y aura plus de vieillard dans ta maison.
31. Indro, avy ny andro izay hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin' ny tarana-drainao, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin' ny taranakao.
32. And thou shalt see an enemy in my habitation, in all the wealth which God shall give Israel: and there shall not be an old man in thine house for ever.
32. "Tu verras un adversaire dans ma demeure, tandis qu`Israël sera comblé de biens par l`Éternel; et il n`y aura plus jamais de vieillard dans ta maison."
32. "Ary hahita fahavalo ao amin' ny fonenako ianao, amin' ny harena rehetra izay homen' i Jehovah ny Isiraely; ary tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin' ny taranakao mandrakizay."
33. And the man of thine, whom I shall not cut off from mine altar, shall be to consume thine eyes, and to grieve thine heart: and all the increase of thine house shall die in the flower of their age.
33. "Je laisserai subsister auprès de mon autel l`un des tiens, afin de consumer tes yeux et d`attrister ton âme; mais tous ceux de ta maison mourront dans la force de l`âge."
33. "Ary ny lehilahy amin' ny taranakao izay tsy hofongorako tsy ho eo anilan' ny alitarako, dia hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao; ary ny taranakao rehetra dia ho faty raha vao herotrerony."
34. And this shall be a sign unto thee, that shall come upon thy two sons, on Hophni and Phinehas; in one day they shall die both of them.
34. "Et tu auras pour signe ce qui arrivera à tes deux fils, Hophni et Phinées; ils mourront tous les deux le même jour."
34. "Ary izao no ho famantarana ho anao, izay hanjo ny zanakao roa lahy dia Hofinia sy Finehasa; ho faty indray andro izy mirahalahy."
35. And I will raise me up a faithful priest, that shall do according to that which is in mine heart and in my mind: and I will build him a sure house; and he shall walk before mine anointed for ever.
35. "Je m`établirai un sacrificateur fidèle, qui agira selon mon coeur et selon mon âme; je lui bâtirai une maison stable, et il marchera toujours devant mon oint."
35. "Ary hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy Aho, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary hampaharitra ny taranany Aho, ka handeha eo anatrehan' ny voahosotro mandrakizay izy."
36. And it shall come to pass, that every one that is left in thine house shall come and crouch to him for a piece of silver and a morsel of bread, and shall say, Put me, I pray thee, into one of the priests' offices, that I may eat a piece of bread.
36. Et quiconque restera de ta maison viendra se prosterner devant lui pour avoir une pièce d`argent et un morceau de pain, et dira: Attache-moi, je te prie, à l`une des fonctions du sacerdoce, afin que j`aie un morceau de pain à manger.
36. Ary izao no hiseho, izay sisa rehetra amin' ny taranakao dia ho avy ka hiankohoka eo anatrehany hangataka volafotsy kely sy sombi-mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho eo amin' ny raharahan' ny mpisorona aho, mba hahazoako hihinana sombi-mofo.