The LORD Appears to Solomon

1. And it came to pass, when Solomon had finished the building of the house of the LORD, and the king's house, and all Solomon's desire which he was pleased to do,
1. Lorsque Salomon eut achevé de bâtir la maison de l`Éternel, la maison du roi, et tout ce qu`il lui plut de faire,
1. Ary izao no niseho, rehefa vitan' i Solomona ny fanorenana ny tranon' i Jehovah sy ny tranon' ny mpanjaka ary izay rehetra nirin' i Solomona hatao,
2. That the LORD appeared to Solomon the second time, as he had appeared unto him at Gibeon.
2. l`Éternel apparut à Salomon une seconde fois, comme il lui était apparu à Gabaon.
2. Dia niseho fanindroany tamin' i Solomona Jehovah tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibeona.
3. And the LORD said unto him, I have heard thy prayer and thy supplication, that thou hast made before me: I have hallowed this house, which thou hast built, to put my name there for ever; and mine eyes and mine heart shall be there perpetually.
3. Et l`Éternel lui dit: J`exauce ta prière et ta supplication que tu m`as adressées, je sanctifie cette maison que tu as bâtie pour y mettre à jamais mon nom, et j`aurai toujours là mes yeux et mon coeur.
3. "Ary hoy Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao sy ny fifonanao izay nataonao teo anatrehako; efa nohamasiniko ity trano izay naorinao ity, mba hampitoerana ny anarako ao mandrakizay; ary ho ao mandrakariva ny masoko sy ny foko."
4. And if thou wilt walk before me, as David thy father walked, in integrity of heart, and in uprightness, to do according to all that I have commanded thee, and wilt keep my statutes and my judgments:
4. Et toi, si tu marches en ma présence comme a marché David, ton père, avec sincérité de coeur et avec droiture, faisant tout ce que je t`ai commandé, si tu observes mes lois et mes ordonnances,
4. Ary raha handeha eo anatrehako ianao tahaka ny nandehanan' i Davida rainao tamin' ny fahitsian' ny fo sy ny fahamarinana ka hanao araka izay rehetra nandidiako anao ary hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,
5. Then I will establish the throne of thy kingdom upon Israel for ever, as I promised to David thy father, saying, There shall not fail thee a man upon the throne of Israel.
5. j`établirai pour toujours le trône de ton royaume en Israël, comme je l`ai déclaré à David, ton père, en disant: Tu ne manqueras jamais d`un successeur sur le trône d`Israël.
5. Dia hampitoeriko mandrakizay amin' ny Isiraely ny sezafiandrianan' ny fanjakanao araka ilay nampanantenaiko an' i Davida rainao manao hoe: Tsy ho diso olona avy aminao ny sezafiandrianan' ny Isiraely.
6. But if ye shall at all turn from following me, ye or your children, and will not keep my commandments and my statutes which I have set before you, but go and serve other gods, and worship them:
6. Mais si vous vous détournez de moi, vous et vos fils, si vous n`observez pas mes commandements, mes lois que je vous ai prescrites, et si vous allez servir d`autres dieux et vous prosterner devant eux,
6. Fa raha miala amin' ny fanarahana Ahy tokoa ianareo, dia ianareo sy ny zanakareo, ka tsy hitandrina ny lalàko sy ny didiko izay nataoko teo anoloanareo, fa mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany,
7. Then will I cut off Israel out of the land which I have given them; and this house, which I have hallowed for my name, will I cast out of my sight; and Israel shall be a proverb and a byword among all people:
7. j`exterminerai Israël du pays que je lui ai donné, je rejetterai loin de moi la maison que j`ai consacrée à mon nom, et Israël sera un sujet de sarcasme et de raillerie parmi tous les peuples.
7. "Dia hofongorako tsy ho amin' ny tany izay nomeko azy ny Isiraely; ary ity trano izay nohamasiniko ho an' ny anarako ity dia hofongorako tsy ho eo imasoko; ary ny Isiraely ho tonga ohabolana sy ambentinteny any amin' ny firenena rehetra;"
8. And at this house, which is high, every one that passeth by it shall be astonished, and shall hiss; and they shall say, Why hath the LORD done thus unto this land, and to this house?
8. Et si haut placée qu`ait été cette maison, quiconque passera près d`elle sera dans l`étonnement et sifflera. On dira: Pourquoi l`Éternel a-t-il ainsi traité ce pays et cette maison?
8. Ary ny amin' ity trano ity, na dia avo aza, dia hitalanjonan' izay rehetra mandalo sady hihisitrisirany ka hanaovany hoe: Nahoana re no dia nataon' i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?
9. And they shall answer, Because they forsook the LORD their God, who brought forth their fathers out of the land of Egypt, and have taken hold upon other gods, and have worshipped them, and served them: therefore hath the LORD brought upon them all this evil.
9. "Et l`on répondra: Parce qu`ils ont abandonné l`Éternel, leur Dieu, qui a fait sortir leurs pères du pays d`Égypte, parce qu`ils se sont attachés à d`autres dieux, se sont prosternés devant eux et les ont servis; voilà pourquoi l`Éternel a fait venir sur eux tous ces maux."
9. Ary hisy hamaly hoe: satria ny olona nahafoy an' i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra ny razany nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, ary nikikitra tamin' andriamani-kafa sy niankohoka teo anatrehany ka nanompo azy, dia izany no nampidiran' i Jehovah izao loza rehetra izao taminy.

Solomon's Other Activities

10. And it came to pass at the end of twenty years, when Solomon had built the two houses, the house of the LORD, and the king's house,
10. Au bout de vingt ans, Salomon avait bâti les deux maisons, la maison de l`Éternel et la maison du roi.
10. Ary izao no niseho, nony afaka ny roapolo taona nanorenan' i Solomona ny trano roa, dia ny tranon' i Jehovah sy ny tranon' ny mpanjaka,
11. (Now Hiram the king of Tyre had furnished Solomon with cedar trees and fir trees, and with gold, according to all his desire,) that then king Solomon gave Hiram twenty cities in the land of Galilee.
11. Alors, comme Hiram, roi de Tyr, avait fourni à Salomon des bois de cèdre et des bois de cyprès, et de l`or, autant qu`il en voulut, le roi Salomon donna à Hiram vingt villes dans le pays de Galilée.
11. (Hirama, mpanjakan' i Tyro, nanome an' i Solomona hazo sedera sy hazo kypreso ary volamena, araka izay rehetra niriny), dia nomen' i Solomona tanàna roapolo tany amin' ny tany Galilia kosa Hirama.
12. And Hiram came out from Tyre to see the cities which Solomon had given him; and they pleased him not.
12. Hiram sortit de Tyr, pour voir les villes que lui donnait Salomon. Mais elles ne lui plurent point,
12. Ary Hirama nivoaka avy tany Tyro hizaha ny tanàna izay nomen' i Solomona azy, ka tsy tiany izany.
13. And he said, What cities are these which thou hast given me, my brother? And he called them the land of Cabul unto this day.
13. et il dit: Quelles villes m`as-tu données là, mon frère? Et il les appela pays de Cabul, nom qu`elles ont conservé jusqu`à ce jour.
13. Dia hoy izy: Tanàna inona àry ireo nomenao ahy ireo, ry rahalahiko? Ary ireny dia natao hoe: tanin' i Kabola mandraka androany.
14. And Hiram sent to the king sixscore talents of gold.
14. Hiram avait envoyé au roi cent vingt talents d`or.
14. Ary Hirama nampanatitra talenta volamena roapolo amby zato ho an' ny mpanjaka.
15. And this is the reason of the levy which king Solomon raised; for to build the house of the LORD, and his own house, and Millo, and the wall of Jerusalem, and Hazor, and Megiddo, and Gezer.
15. Voici ce qui concerne les hommes de corvée que leva le roi Salomon pour bâtir la maison de l`Éternel et sa propre maison, Millo, et le mur de Jérusalem, Hatsor, Meguiddo et Guézer.
15. Ary izao no anton' ny hetra izay nampanaovin' i solomona mpanjaka: mba hanorenana ny tranon' i Jehovah sy ny tranony ary Milo sy ny mandan' i Jerosalema sy Hazora sy Megido ary Gazera.
16. For Pharaoh king of Egypt had gone up, and taken Gezer, and burnt it with fire, and slain the Canaanites that dwelt in the city, and given it for a present unto his daughter, Solomon's wife.
16. Pharaon, roi d`Égypte, était venu s`emparer de Guézer, l`avait incendiée, et avait tué les Cananéens qui habitaient dans la ville. Puis il l`avait donnée pour dot à sa fille, femme de Salomon.
16. Fa Farao, mpanjakan' i Egypta efa niakatra, dia nahafaka an' i Gazera ka nandoro azy tamin' ny afo, ary ny Kananita izay nitoetra tao dia novonoiny, ary ny tanàna dia nomeny ho fanomezana ho an' ny zanany vavy vadin' i Solomona.
17. And Solomon built Gezer, and Bethhoron the nether,
17. Et Salomon bâtit Guézer, Beth Horon la basse,
17. Ary Solomona nanorina an' i Gazera sy Beti-horona ambany,
18. And Baalath, and Tadmor in the wilderness, in the land,
18. Baalath, et Thadmor, au désert dans le pays,
18. Sy Baleta sy Tadmora any an' efitra, amin' ny tany Hamata,
19. And all the cities of store that Solomon had, and cities for his chariots, and cities for his horsemen, and that which Solomon desired to build in Jerusalem, and in Lebanon, and in all the land of his dominion.
19. toutes les villes servant de magasins et lui appartenant, les villes pour les chars, les villes pour la cavalerie, et tout ce qu`il plut à Salomon de bâtir à Jérusalem, au Liban, et dans tout le pays dont il était le souverain.
19. Ary ny tanàna fitehirizana rehetra izay nananan' i Solomona sy ny tanàna fitoeran' ny kalesiny sy ny tanàna fitoeran' ny mpitaingin-tsoavaliny sy izay tian' i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin' ny tany nanjakany rehetra.
20. And all the people that were left of the Amorites, Hittites, Perizzites, Hivites, and Jebusites, which were not of the children of Israel,
20. Tout le peuple qui était resté des Amoréens, des Héthiens, des Phéréziens, des Héviens et des Jébusiens, ne faisant point partie des enfants d`Israël,
20. Ary ny olona sisa rehetra tamin' ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan' ny Zanak' Isiraely,
21. Their children that were left after them in the land, whom the children of Israel also were not able utterly to destroy, upon those did Solomon levy a tribute of bondservice unto this day.
21. leurs descendants qui étaient restés après eux dans le pays et que les enfants d`Israël n`avaient pu dévouer par interdit, Salomon les leva comme esclaves de corvée, ce qu`ils ont été jusqu`à ce jour.
21. Dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin' ny tany izay tsy azon' ny Isiraely naringana avokoa, tamin' ireny no nampandoavin' i Solomona hetra sy nampanaoviny fanompoana mandraka androany,
22. But of the children of Israel did Solomon make no bondmen: but they were men of war, and his servants, and his princes, and his captains, and rulers of his chariots, and his horsemen.
22. "Mais Salomon n`employa point comme esclaves les enfants d`Israël; car ils étaient des hommes de guerre, ses serviteurs, ses chefs, ses officiers, les commandants de ses chars et de sa cavalerie."
22. Fa ny avy tamin' ny Zanak' Isiraely dia tsy mba nataon' i Solomona ho andevo, fa ireo no miaramila sy mpanompony sy komandiny sy mpifehiny ary komandin' ny kalesiny sy mpitaingin-tsoavaliny.
23. These were the chief of the officers that were over Solomon's work, five hundred and fifty, which bare rule over the people that wrought in the work.
23. Les chefs préposés par Salomon sur les travaux étaient au nombre de cinq cent cinquante, chargés de surveiller les ouvriers.
23. Izao no lehiben' ny manamboninahitra nifehy ny asan' i Solomona: dimam-polo amby dimanjato lahy no mpifehy ny olona manao ny asa.
24. But Pharaoh's daughter came up out of the city of David unto her house which Solomon had built for her: then did he build Millo.
24. La fille de Pharaon monta de la cité de David dans sa maison que Salomon lui avait construite. Ce fut alors qu`il bâtit Millo.
24. "Fa rehefa niakatra avy tany an-tanànan' i Davida ny zanakavavin' i Farao hankany amin' ny tranony izay nataon' i Solomona ho azy; dia nanorina an' i Milo izy."
25. And three times in a year did Solomon offer burnt offerings and peace offerings upon the altar which he built unto the LORD, and he burnt incense upon the altar that was before the LORD. So he finished the house.
25. Salomon offrit trois fois dans l`année des holocaustes et des sacrifices d`actions de grâces sur l`autel qu`il avait bâti à l`Éternel, et il brûla des parfums sur celui qui était devant l`Éternel. Et il acheva la maison.
25. Ary intelo isan-taona no nanateran' i Solomona fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo ambonin' ny alitara izay naorina ho an' i Jehovah, sady nandoro ditin-kazo manitra teo ambonin' ny alitara teo anatrehan' i Jehovah Izy. Dia vitany ny trano.
26. And king Solomon made a navy of ships in Eziongeber, which is beside Eloth, on the shore of the Red sea, in the land of Edom.
26. Le roi Salomon construisit des navires à Etsjon Guéber, près d`Éloth, sur les bords de la mer Rouge, dans le pays d`Édom.
26. Ary Solomona mpanjaka nanao sambo tao Ezion-gebera, izay ao anilan' i Elota, ao amoron' ny Ranomasina Mena, amin' ny tany Edoma.
27. And Hiram sent in the navy his servants, shipmen that had knowledge of the sea, with the servants of Solomon.
27. Et Hiram envoya sur ces navires, auprès des serviteurs de Salomon, ses propres serviteurs, des matelots connaissant la mer.
27. Ary Hirama nampandeha ny mpanompony tamin' ny sambo, dia tantsambo izay nahay ranomasina hiaraka amin' ny mpanompon' i Solomona.
28. And they came to Ophir, and fetched from thence gold, four hundred and twenty talents, and brought it to king Solomon.
28. Ils allèrent à Ophir, et ils y prirent de l`or, quatre cent vingt talents, qu`ils apportèrent au roi Salomon.
28. Ary nankany Ofira ireo, dia naka volamena talenta roapolo amby efajato, ka nentiny tany amin' i Solomona mpanjaka izany.
<
>