Ben-Hada Attacks Samaria
1. And Benhadad the king of Syria gathered all his host together: and there were thirty and two kings with him, and horses, and chariots; and he went up and besieged Samaria, and warred against it.
1. "Ben Hadad, roi de Syrie, rassembla toute son armée; il avait avec lui trente-deux rois, des chevaux et des chars. Il monta, mit le siège devant Samarie et l`attaqua."
1. "Ary Beni-hadada, mpanjakan' i Syria, namory ny miaramilany rehetra, ary mpanjaka roa amby telopolo mbamin' ny soavaly sy kalesy no niaraka taminy; dia niakatra izy ka nanao fahirano an' i Samaria ary niady taminy."
2. And he sent messengers to Ahab king of Israel into the city, and said unto him, Thus saith Benhadad,
2. Il envoya dans la ville des messagers à Achab, roi d`Israël,
2. Ary nandefa iraka ho any amin' i Ahaba mpanjakan' ny Isiraely, tany an-tanàna izy hanao aminy hoe: Izao no lazain' i Beni-hadada:
3. Thy silver and thy gold is mine; thy wives also and thy children, even the goodliest, are mine.
3. et lui fit dire: Ainsi parle Ben Hadad: Ton argent et ton or sont à moi, tes femmes et tes plus beaux enfants sont à moi.
3. "Ny volafotsinao sy ny volamenanao dia ahy; ary ny vadinao aman-janakao, na dia ny tsara tarehy indrindra aza, dia ahy."
4. And the king of Israel answered and said, My lord, O king, according to thy saying, I am thine, and all that I have.
4. Le roi d`Israël répondit: Roi, mon seigneur, comme tu le dis, je suis à toi avec tout ce que j`ai.
4. Ary ny mpanjakan' ny Isiraely namaly ka nanao hoe: Araka ny teninao, ry mpanjaka tompoko, dia anao aho sy izay rehetra ananako.
5. And the messengers came again, and said, Thus speaketh Benhadad, saying, Although I have sent unto thee, saying, Thou shalt deliver me thy silver, and thy gold, and thy wives, and thy children;
5. Les messagers retournèrent, et dirent: Ainsi parle Ben Hadad: Je t`ai fait dire: Tu me livreras ton argent et ton or, tes femmes et tes enfants.
5. "Dia niverina indray ny iraka ka nanao hoe: izao no tenin' i Beni-hadada: Satria efa naniraka taty aminao aho nanao hoe: Atolory ahy ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ny vady aman-janakao;"
6. Yet I will send my servants unto thee to morrow about this time, and they shall search thine house, and the houses of thy servants; and it shall be, that whatsoever is pleasant in thine eyes, they shall put it in their hand, and take it away.
6. "J`enverrai donc demain, à cette heure, mes serviteurs chez toi; ils fouilleront ta maison et les maisons de tes serviteurs, ils mettront la main sur tout ce que tu as de précieux, et ils l`emporteront."
6. "Dia haniraka ny mpanompoko ho aty aminao aho rahampitso toy izao ka hisava ny tranonao izy, sy ny tranon' ny mpanomponao; ary izao no hitranga, horaisin' ny tanany sy hoentiny avokoa izay rehetra mahafinaritra ny masonao na inona na inona."
7. Then the king of Israel called all the elders of the land, and said, Mark, I pray you, and see how this man seeketh mischief: for he sent unto me for my wives, and for my children, and for my silver, and for my gold; and I denied him not.
7. "Le roi d`Israël appela tous les anciens du pays, et il dit: Sentez bien et comprenez que cet homme nous veut du mal; car il m`a envoyé demander mes femmes et mes enfants, mon argent et mon or, et je ne lui avais pas refusé!"
7. "Ary ny mpanjakan' ny Isiraely nampaka ny loholona rehetra amin' ny tany ka nanao hoe: Masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila sotasota mihitsy ilehiny; fa efa naniraka taty amiko izy haka ny vadiko aman-janako mbamin' ny volafotsiko sy ny volamenako ka tsy nolaviko."
8. And all the elders and all the people said unto him, Hearken not unto him, nor consent.
8. Tous les anciens et tout le peuple dirent à Achab: Ne l`écoute pas et ne consens pas.
8. Ary hoy ny loholona sy ny vahoaka rehetra taminy: Aza mihaino na manaiky.
9. Wherefore he said unto the messengers of Benhadad, Tell my lord the king, All that thou didst send for to thy servant at the first I will do: but this thing I may not do. And the messengers departed, and brought him word again.
9. "Et il dit aux messagers de Ben Hadad: Dites à mon seigneur le roi: Je ferai tout ce que tu as envoyé demander à ton serviteur la première fois; mais pour cette chose, je ne puis pas la faire. Les messagers s`en allèrent, et lui portèrent la réponse."
9. Ka dia hoy Ahaba tamin' ny irak' i Beni-hadada: Lazao amin' ny mpanjaka tompoko hoe: izay rehetra nanirahanao tany amiko mpanomponao tamin' ny voalohany dia hataoko, fa izao zavatra izao kosa dia tsy azoko ekena. Dia lasa ireo iraka ka nitondra teny niverina tany amin' i Beni-hadada indray.
10. And Benhadad sent unto him, and said, The gods do so unto me, and more also, if the dust of Samaria shall suffice for handfuls for all the people that follow me.
10. Ben Hadad envoya dire à Achab: Que les dieux me traitent dans toute leur rigueur, si la poussière de Samarie suffit pour remplir le creux de la main de tout le peuple qui me suit!
10. Ary Beni-hadada naniraka tany aminy ka nanao hoe: Hataon' ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha ho ampy eran-tanan' ila akory ny vovok' i Samaria amin' ny isan' olona manaraka ahy.
11. And the king of Israel answered and said, Tell him, Let not him that girdeth on his harness boast himself as he that putteth it off.
11. Et le roi d`Israël répondit: Que celui qui revêt une armure ne se glorifie pas comme celui qui la dépose!
11. Ary ny mpanjakan' ny Isiraely namaly ka nanao hoe: Lazao aminy, fa aoka izay vao misikina tsy mba hirehareha tahaka ny efa mamaha.
12. And it came to pass, when Ben-hadad heard this message, as he was drinking, he and the kings in the pavilions, that he said unto his servants, Set yourselves in array. And they set themselves in array against the city.
12. Lorsque Ben Hadad reçut cette réponse, il était à boire avec les rois sous les tentes, et il dit à ses serviteurs: Faites vos préparatifs! Et ils firent leurs préparatifs contre la ville.
12. Ary izao no niseho, rehefa ren' i Beni-hadada izany teny izany, raha mbola nisotro tao an-day izy sy ireo mpanjaka ireo, dia hoy izy tamin' ny mpanompony: milahara ianareo. Ary dia nilahatra hamely ny tanàna izy.
Ahab Defeats Ben-Hada
13. And, behold, there came a prophet unto Ahab king of Israel, saying, Thus saith the LORD, Hast thou seen all this great multitude? behold, I will deliver it into thine hand this day; and thou shalt know that I am the LORD.
13. Mais voici, un prophète s`approcha d`Achab, roi d`Israël, et il dit: Ainsi parle l`Éternel: Vois-tu toute cette grande multitude? Je vais la livrer aujourd`hui entre tes mains, et tu sauras que je suis l`Éternel.
13. "Ary, indro, nisy mpaminany nanatona an' i Ahaba, mpanjakan' ny Isiraely, ka nanao hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Hitanao va ireo olona marobe rehetra ireo? Indro, hatolotro eo an-tananao ireo anio; dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah."
14. And Ahab said, By whom? And he said, Thus saith the LORD, Even by the young men of the princes of the provinces. Then he said, Who shall order the battle? And he answered, Thou.
14. Achab dit: Par qui? Et il répondit: Ainsi parle l`Éternel: Par les serviteurs des chefs des provinces. Achab dit: Qui engagera le combat? Et il répondit: Toi.
14. Ary hoy Ahaba: amin' iza? ary hoy izy: Izao no lazain' i Jehovah: Amin' ny zatovon' ny komandin' ny fanapahana isan-tokony.Dia hoy izy: Iza àry no handahatra ny ady? Dia namaly izy hoe: Ianao.
15. Then he numbered the young men of the princes of the provinces, and they were two hundred and thirty two: and after them he numbered all the people, even all the children of Israel, being seven thousand.
15. "Alors Achab passa en revue les serviteurs des chefs des provinces, et il s`en trouva deux cent trente-deux; et après eux, il passa en revue tout le peuple, tous les enfants d`Israël, et ils étaient sept mille."
15. "Ary nanisa ny zatovon' ny komandin' ny fanapahana isan-tokony izy, ka roa amby telopolo amby roanjato no isany; ary manarakaraka izany, dia nanisa ny olona rehetra izy, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, ka fito arivo no isany."
16. And they went out at noon. But Benhadad was drinking himself drunk in the pavilions, he and the kings, the thirty and two kings that helped him.
16. Ils firent une sortie à midi. Ben Hadad buvait et s`enivrait sous les tentes avec les trente-deux rois, ses auxiliaires.
16. Ary nivoaka izy ireo nony mitataovovonana ny andro. Fa Beni-hadada nisotro ho mamo tao an-day, dia izy sy ireo mpanjaka roa amby telopolo izay nanampy azy.
17. And the young men of the princes of the provinces went out first; and Benhadad sent out, and they told him, saying, There are men come out of Samaria.
17. Les serviteurs des chefs des provinces sortirent les premiers. Ben Hadad s`informa, et on lui fit ce rapport: Des hommes sont sortis de Samarie.
17. "Ary ny zatovon' ny komandin' ny fanapahana isan-tokony nivoaka voalohany; ary Beni-hadada naniraka, ka dia nilazana hoe: Misy olona efa nivoaka avy any Samaria."
18. And he said, Whether they be come out for peace, take them alive; or whether they be come out for war, take them alive.
18. "Il dit: S`ils sortent pour la paix, saisissez-les vivants; et s`ils sortent pour le combat, saisissez-les vivants."
18. Ary hoy izy:Ataovy sambo-belona izy, na ho avy hihavana, na ho avy hiady.
19. So these young men of the princes of the provinces came out of the city, and the army which followed them.
19. Lorsque les serviteurs des chefs des provinces et l`armée qui les suivait furent sortis de la ville,
19. Dia nivoaka avy tao an-tanàna ireo zatovon' ny komandin' ny fanapahana isan-tokony ireo sy ny miaramila izay nanaraka azy.
20. And they slew every one his man: and the Syrians fled; and Israel pursued them: and Benhadad the king of Syria escaped on an horse with the horsemen.
20. chacun frappa son homme, et les Syriens prirent la fuite. Israël les poursuivit. Ben Hadad, roi de Syrie, se sauva sur un cheval, avec des cavaliers.
20. "Ary samy nahafaty olona iray avy izy rehetra; dia vaky nandositra ny Syriana, ka nenjehin' ny Isiraely; ary Beni-hadada mpanjakan' i Syria, nandositra an-tsoavaly mbamin' ireo mpitaingin-tsoavaly."
21. And the king of Israel went out, and smote the horses and chariots, and slew the Syrians with a great slaughter.
21. Le roi d`Israël sortit, frappa les chevaux et les chars, et fit éprouver aux Syriens une grande défaite.
21. Ary ny mpanjakan' ny Isiraely nivoaka, dia namely ny an-tsoavaly sy ny kalesy, ka nahafatesana be dia be ny Syriana.
22. And the prophet came to the king of Israel, and said unto him, Go, strengthen thyself, and mark, and see what thou doest: for at the return of the year the king of Syria will come up against thee.
22. "Alors le prophète s`approcha du roi d`Israël, et lui dit: Va, fortifie toi, examine et vois ce que tu as à faire; car, au retour de l`année, le roi de Syrie montera contre toi."
22. "Ary ilay mpaminany nankany amin' ny mpanjakan' ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Mandehana, ary mampahereza ny tenanao, ka fantaro sy izahao izay ataonao; fa raha miherina ny taona, dia hiakatra indray ny mpanjakan' i Syria hiady aminao."
23. And the servants of the king of Syria said unto him, Their gods are gods of the hills; therefore they were stronger than we; but let us fight against them in the plain, and surely we shall be stronger than they.
23. "Les serviteurs du roi de Syrie lui dirent: Leur dieu est un dieu de montagnes; c`est pourquoi ils ont été plus forts que nous. Mais combattons-les dans la plaine, et l`on verra si nous ne serons pas plus forts qu`eux."
23. "Ary hoy ny mpanompon' ny mpanjakan' i Syria taminy: Andriamanitry ny havoana ny Andriamanitr' izy ireo, koa izany no nahareseny antsika; fa aoka ange isika hiady aminy eny an-tany lemaka raha tsy hahery tokoa noho izy isika."
24. And do this thing, Take the kings away, every man out of his place, and put captains in their rooms:
24. "Fais encore ceci: ôte chacun des rois de son poste, et remplace-les par des chefs;"
24. "Koa izao zavatra izao no ataovy: Esory ny mpanjaka samy hiala amin' ny toerany avy, ka asio mpanapaka hisolo azy;"
25. And number thee an army, like the army that thou hast lost, horse for horse, and chariot for chariot: and we will fight against them in the plain, and surely we shall be stronger than they. And he hearkened unto their voice, and did so.
25. et forme-toi une armée pareille à celle que tu as perdue, avec autant de chevaux et autant de chars. Puis nous les combattrons dans la plaine, et l`on verra si nous ne serons pas plus forts qu`eux. Il les écouta, et fit ainsi.
25. "Ary ianao kosa dia manisà miaramila ho anao tahaka ny miaramilanao izay maty teo, soavaly ho solon' ny soavaly sy kalesy ho solon' ny kalesy; ary hiady aminy eny an-tany lemaka isika, ka dia hahery noho izy tokoa. Ary nanaiky ny tenin' ireo izy, ka dia nataony izany."
26. And it came to pass at the return of the year, that Benhadad numbered the Syrians, and went up to Aphek, to fight against Israel.
26. L`année suivante, Ben Hadad passa les Syriens en revue, et monta vers Aphek pour combattre Israël.
26. Ary izao no niseho, rehefa niherina ny taona, dia nanisa ny Syriana Beni-hadada ka niakatra nankany Afeka hiady amin' ny Isiraely.
27. And the children of Israel were numbered, and were all present, and went against them: and the children of Israel pitched before them like two little flocks of kids; but the Syrians filled the country.
27. "Les enfants d`Israël furent aussi passés en revue; ils reçurent des vivres, et ils marchèrent à la rencontre des Syriens. Ils campèrent vis-à-vis d`eux, semblables à deux petits troupeaux de chèvres, tandis que les Syriens remplissaient le pays."
27. "Ary ny Zanak' Isiraely rehetra kosa dia nisaina, ary dia teo avokoa, ary dia lasa niady taminy; ary ny Zanak' Isiraely nitoby tandrifiny toy ny zanak' osy andiany roa kely; fa ny Syriana kosa nanenika ny tany."
28. And there came a man of God, and spake unto the king of Israel, and said, Thus saith the LORD, Because the Syrians have said, The LORD is God of the hills, but he is not God of the valleys, therefore will I deliver all this great multitude into thine hand, and ye shall know that I am the LORD.
28. L`homme de Dieu s`approcha, et dit au roi d`Israël: Ainsi parle l`Éternel: Parce que les Syriens ont dit: L`Éternel est un dieu des montagnes et non un dieu des vallées, je livrerai toute cette grande multitude entre tes mains, et vous saurez que je suis l`Éternel.
28. Ary nanatona ilay lehilahin' Andriamanitra ka nilaza tamin' ny mpanjakan' ny Isiraely hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Satria ny Syriana nilaza hoe: Jehovah dia Andriamanitry ny havoana ihany, fa tsy mba Andriamanitry ny lohasaha, dia hatolotro eo an-tananao ireo olona marobe rehetra ireo, ka dia ho fantatrao fa izaho no Jehovah.
29. And they pitched one over against the other seven days. And so it was, that in the seventh day the battle was joined: and the children of Israel slew of the Syrians an hundred thousand footmen in one day.
29. Ils campèrent sept jours en face les uns des autres. Le septième jour, le combat s`engagea, et les enfants d`Israël tuèrent aux Syriens cent mille hommes de pied en un jour.
29. "Dia nitoby mifanandrify hafitoana izy roa tonta; ary izao no zava-nisy, tamin' ny andro fahafito, dia raikitra ny ady; ary ny Zanak' Isiraely nahafaty ny miaramila an-tongotra iray hetsy tamin' ny Syriana indray andro."
30. But the rest fled to Aphek, into the city; and there a wall fell upon twenty and seven thousand of the men that were left. And Benhadad fled, and came into the city, into an inner chamber.
30. Le reste s`enfuit à la ville d`Aphek, et la muraille tomba sur vingt-sept mille hommes qui restaient. Ben Hadad s`était réfugié dans la ville, où il allait de chambre en chambre.
30. "Fa ny sisa dia nandositra nankany an-tanàna Afeka; nefa nianjeran' ny manda ireny olona sisa ireny, ary fito arivo amby roa alina no isany. Ary Beni-hadada nandositra nankany an-tanàna ka niditra tao amin' ny efitrano anatiny."
31. And his servants said unto him, Behold now, we have heard that the kings of the house of Israel are merciful kings: let us, I pray thee, put sackcloth on our loins, and ropes upon our heads, and go out to the king of Israel: peradventure he will save thy life.
31. "Ses serviteurs lui dirent: Voici, nous avons appris que les rois de la maison d`Israël sont des rois miséricordieux; nous allons mettre des sacs sur nos reins et des cordes à nos têtes, et nous sortirons vers le roi d`Israël: peut-être qu`il te laissera la vie."
31. "Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, ankehitriny, efa renay fa mpanjaka mamindrafo ireo mpanjakan' ny taranak' Isiraely. Koa masìna ianao, avelao hosikinanay lamba fisaonana ny valahanay, ary hasianay mahazaka ny lohanay, dia hankany amin' ny mpanjakan' ny Isiraely izahay; angamba hovelominy ny ainao."
32. So they girded sackcloth on their loins, and put ropes on their heads, and came to the king of Israel, and said, Thy servant Benhadad saith, I pray thee, let me live. And he said, Is he yet alive? he is my brother.
32. Ils se mirent des sacs autour des reins et des cordes autour de la tête, et ils allèrent auprès du roi d`Israël. Ils dirent: Ton serviteur Ben Hadad dit: Laisse-moi la vie! Achab répondit: Est-il encore vivant? Il est mon frère.
32. Dia nosikinany lamba fisaonana ny valahany, ary nasiany mahazaka ny lohany, dia nankany amin' ny mpanjakan' ny Isiraely izy ka nanao hoe: Izao no fitenin' i Beni-hadada mpanomponao: Avelao mba ho velona ny aiko.Ary hoy izy: Moa mbola velona ihany va izy? Rahalahiko izy.
33. Now the men did diligently observe whether any thing would come from him, and did hastily catch it: and they said, Thy brother Benhadad. Then he said, Go ye, bring him. Then Benhadad came forth to him; and he caused him to come up into the chariot.
33. Ces hommes tirèrent de là un bon augure, et ils se hâtèrent de le prendre au mot et de dire: Ben Hadad est ton frère! Et il dit: Allez, amenez-le. Ben Hadad vint vers lui, et Achab le fit monter sur son char.
33. Ary nozahan' ireo lehilahy ireo tsara raha hisy zavatra haloaky ny vavany, dia nosamboriny faingana ka hoy izy ireo: Beni-hadada rahalahinao hoe?Dia hoy Ahaba: Mandehana, alao izy.Ary Beni-hadada nankany aminy, dia nasainy niakatra ho eo amin' ny kalesiny.
34. And Ben-hadad said unto him, The cities, which my father took from thy father, I will restore; and thou shalt make streets for thee in Damascus, as my father made in Samaria. Then said Ahab, I will send thee away with this covenant. So he made a covenant with him, and sent him away.
34. "Ben Hadad lui dit: Je te rendrai les villes que mon père a prises à ton père; et tu établiras pour toi des rues à Damas, comme mon père en avait établies à Samarie. Et moi, reprit Achab, je te laisserai aller, en faisant une alliance. Il fit alliance avec lui, et le laissa aller."
34. "Ary hoy Beni-hadada taminy: Ny tanàna izay nalain' ny raiko tamin' ny rainao dia hampodiko; ary manaova lalambe ho anao any Damaskosy, tahaka ny nataon' ny raiko tany Samaria.Ary hoy Ahaba: Halefako ianao amin' izany fanekena izany. Dia nanao fanekena taminy izy ka nandefa azy."
A pRophet Condemns Ahab
35. And a certain man of the sons of the prophets said unto his neighbour in the word of the LORD, Smite me, I pray thee. And the man refused to smite him.
35. L`un des fils des prophètes dit à son compagnon, d`après l`ordre de l`Éternel: Frappe-moi, je te prie! Mais cet homme refusa de le frapper.
35. Ary nisy lehilahy anankiray, zanaky ny mpaminany, niteny tamin' ny namany araka ny tenin' i Jehovah ka nanao hoe: Masìna ianao, asio aho. Fa tsy nety namely azy ilay lehilahy.
36. Then said he unto him, Because thou hast not obeyed the voice of the LORD, behold, as soon as thou art departed from me, a lion shall slay thee. And as soon as he was departed from him, a lion found him, and slew him.
36. Alors il lui dit: Parce que tu n`as pas obéi à la voix de l`Éternel, voici, quand tu m`auras quitté, le lion te frappera. Et quand il l`eut quitté, le lion le rencontra et le frappa.
36. Dia hoy izy taminy: Satria ianao tsy nankatò ny feon' i Jehovah, indro, fa raha vao miala amiko eto ianao, dia hisy liona hamono anao. Ary raha vao niala teo aminy izy, dia hitan' ny liona ka novonoiny.
37. Then he found another man, and said, Smite me, I pray thee. And the man smote him, so that in smiting he wounded him.
37. Il trouva un autre homme, et il dit: Frappe-moi, je te prie! Cet homme le frappa et le blessa.
37. Ary nahita lehilahy hafa indray ralehilahy ka nanao hoe: Masìna ianao, asio aho.Ary ilay lehilahy namely azy, dia voa izy ka naratra.
38. So the prophet departed, and waited for the king by the way, and disguised himself with ashes upon his face.
38. Le prophète alla se placer sur le chemin du roi, et il se déguisa avec un bandeau sur les yeux.
38. Dia lasa ilay mpaminany ka niandry ny mpanjaka teny an-dalana, ary nody ho olon-kafa tamin' ny nanisiany lavenona teo amin' ny tavany.
39. And as the king passed by, he cried unto the king: and he said, Thy servant went out into the midst of the battle; and, behold, a man turned aside, and brought a man unto me, and said, Keep this man: if by any means he be missing, then shall thy life be for his life, or else thou shalt pay a talent of silver.
39. "Lorsque le roi passa, il cria vers lui, et dit: Ton serviteur était au milieu du combat; et voici, un homme s`approche et m`amène un homme, en disant: Garde cet homme; s`il vient à manquer, ta vie répondra de sa vie, ou tu paieras un talent d`argent!"
39. "Ary nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina taminy ilay mpaminany ka nanao hoe: Izaho mpanomponao nankany anatin' ny ady; ary, indro, nisy lehilahy anankiray nivily ka nitondra lehilahy tany amiko sady nanao hoe: Hazòny ity lehilahy ity; fa raha tàhiny lasa izy, dia ny ainao no hisolo ny ainy, na handoa talenta volafotsy iray ianao."
40. And as thy servant was busy here and there, he was gone. And the king of Israel said unto him, So shall thy judgment be; thyself hast decided it.
40. "Et pendant que ton serviteur agissait çà et là, l`homme a disparu. Le roi d`Israël lui dit: C`est là ton jugement; tu l`as prononcé toi-même."
40. "Kanjo nony sahirana tetsy sy teroa ny mpanomponao, dia lasa izy.Ary hoy ny mpanjakan' ny Isiraely taminy: Ho tahaka izany no hitsaràna anao; ny tenanao no nanapaka izany."
41. And he hasted, and took the ashes away from his face; and the king of Israel discerned him that he was of the prophets.
41. Aussitôt le prophète ôta le bandeau de dessus ses yeux, et le roi d`Israël le reconnut pour l`un des prophètes.
41. "Ary nesoriny haingana ilay lavenona teo amin' ny tavany; ka dia fantatry ny mpanjakan' ny Isiraely fa isan' ny mpaminany izy."
42. And he said unto him, Thus saith the LORD, Because thou hast let go out of thy hand a man whom I appointed to utter destruction, therefore thy life shall go for his life, and thy people for his people.
42. Il dit alors au roi: Ainsi parle l`Éternel: Parce que tu as laissé échapper de tes mains l`homme que j`avais dévoué par interdit, ta vie répondra de sa vie, et ton peuple de son peuple.
42. Dia hoy izy taminy: Izao no lazain' i Jehovah: Satria nalefanao niala teo an-tananao ny lehilahy izay nasaiko novonoina tokoa, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny olonao no hisolo ny olony.
43. And the king of Israel went to his house heavy and displeased, and came to Samaria.
43. Le roi d`Israël s`en alla chez lui, triste et irrité, et il arriva à Samarie.
43. Ary ny mpanjakan' ny Isiraely nandeha ho any an-tranony sady nalahelo no sosotra, dia tonga tany Samaria.