Elijah and Obadiah

1. And it came to pass after many days, that the word of the LORD came to Elijah in the third year, saying, Go, shew thyself unto Ahab; and I will send rain upon the earth.
1. Bien des jours s`écoulèrent, et la parole de l`Éternel fut ainsi adressée à Élie, dans la troisième année: Va, présente-toi devant Achab, et je ferai tomber de la pluie sur la face du sol.
1. Ary izao no niseho, rehefa afaka andro maro, dia tonga tamin' i Elia ny tenin' i Jehovah tamin' ny taona fahatelo nanao hoe: Mandehana, misehoa amin' i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin' ny tany Aho.
2. And Elijah went to shew himself unto Ahab. And there was a sore famine in Samaria.
2. Et Élie alla, pour se présenter devant Achab. La famine était grande à Samarie.
2. Dia niainga Elia hiseho amin' i Ahaba. Ary nisy mosary mafy tany Samaria.
3. And Ahab called Obadiah, which was the governor of his house. (Now Obadiah feared the LORD greatly:
3. "Et Achab fit appeler Abdias, chef de sa maison. -Or Abdias craignait beaucoup l`Éternel;"
3. Ary Ahaba niantso an' i Obadia, izay lehiben' ny tao an-dapany (Obadia dia natahotra an' i Jehovah tokoa,
4. For it was so, when Jezebel cut off the prophets of the LORD, that Obadiah took an hundred prophets, and hid them by fifty in a cave, and fed them with bread and water.)
4. et lorsque Jézabel extermina les prophètes de l`Éternel, Abdias prit cent prophètes qu`il cacha cinquante par cinquante dans une caverne, et il les avait nourris de pain et d`eau. -
4. Fa izao no zava-nisy, nony naringan' i Jezebela ny mpaminanin' i Jehovah, dia nalain' i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimampolo avy no nataony tao an-johy iray, ary novelominy mofo sy rano ireo).
5. And Ahab said unto Obadiah, Go into the land, unto all fountains of water, and unto all brooks: peradventure we may find grass to save the horses and mules alive, that we lose not all the beasts.
5. "Achab dit à Abdias: Va par le pays vers toutes les sources d`eau et vers tous les torrents; peut-être se trouvera-t-il de l`herbe, et nous conserverons la vie aux chevaux et aux mulets, et nous n`aurons pas besoin d`abattre du bétail."
5. "Ary hoy Ahaba tamin' i Obadia: Andeha mitety ny tany, dia hatrany amin' ny loharano rehetra sy hatrany amin' ny renirano kely rehetra; angamba hahita ahitra hamelomana ny soavaly sy ny mole isika, mba tsy ho verintsika ny biby rehetra."
6. So they divided the land between them to pass throughout it: Ahab went one way by himself, and Obadiah went another way by himself.
6. "Ils se partagèrent le pays pour le parcourir; Achab alla seul par un chemin, et Abdias alla seul par un autre chemin."
6. Dia nizara lalana izy, ka Ahaba nandeha tamin' ny lalana iray, ary Obadia kosa nandeha tamin' ny lalana iray.
7. And as Obadiah was in the way, behold, Elijah met him: and he knew him, and fell on his face, and said, Art thou that my lord Elijah?
7. Comme Abdias était en route, voici, Élie le rencontra. Abdias, l`ayant reconnu, tomba sur son visage, et dit: Est-ce toi, mon seigneur Élie?
7. "Ary raha teny an-dalana Obadia, dia, indro, Elia nifanena taminy; ary nahalala azy izy, dia niankohoka ka nanao hoe: Ianao va ity, ry Elia tompoko?"
8. And he answered him, I am: go, tell thy lord, Behold, Elijah is here.
8. "Il lui répondit: C`est moi; va, dis à ton maître: Voici Élie!"
8. Ary izy namaly azy hoe: Eny, izaho ity, andeha, lazao amin' ny tomponao hoe: Indro, eto Elia.
9. And he said, What have I sinned, that thou wouldest deliver thy servant into the hand of Ahab, to slay me?
9. Et Abdias dit: Quel péché ai-je commis, pour que tu livres ton serviteur entre les mains d`Achab, qui me fera mourir?
9. Fa hoy Obadia: Inona no heloko, no anoloranao ny mpanomponao ho eo an-tanan' i Ahaba hamonoany ahy?
10. As the LORD thy God liveth, there is no nation or kingdom, whither my lord hath not sent to seek thee: and when they said, He is not there; he took an oath of the kingdom and nation, that they found thee not.
10. "L`Éternel est vivant! il n`est ni nation ni royaume où mon maître n`ait envoyé pour te chercher; et quand on disait que tu n`y étais pas, il faisait jurer le royaume et la nation que l`on ne t`avait pas trouvé."
10. "Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, dia tsy misy firenena, na fanjakana izay tsy nanirahan' ny tompoko hitady anao; ary raha hoy ny olona: Tsy ato izy, dia nampianianiny izany firenena sy fanjakana izany raha tsy nahita anao izy."
11. And now thou sayest, Go, tell thy lord, Behold, Elijah is here.
11. Et maintenant tu dis: Va, dis à ton maître: Voici Élie!
11. Ary hoy ianao ankehitriny: Andeha lazao amin' ny tomponao hoe: Indro, eto Elia.
12. And it shall come to pass, as soon as I am gone from thee, that the Spirit of the LORD shall carry thee whither I know not; and so when I come and tell Ahab, and he cannot find thee, he shall slay me: but I thy servant fear the LORD from my youth.
12. "Puis, lorsque je t`aurai quitté l`esprit de l`Éternel te transportera je ne sais où; et j`irai informer Achab, qui ne te trouvera pas, et qui me tuera. Cependant ton serviteur craint l`Éternel dès sa jeunesse."
12. "Ary izao no hiseho, raha vantany vao miala aminao aho, dia hoentin' ny Fanahin' i Jehovah any amin' izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin' i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao, dia hovonoiny aho; kanefa izaho mpanomponao dia natahotra an' i Jehovah hatramin' ny fahazazako."
13. Was it not told my lord what I did when Jezebel slew the prophets of the LORD, how I hid an hundred men of the LORD's prophets by fifty in a cave, and fed them with bread and water?
13. N`a-t-on pas dit à mon seigneur ce que j`ai fait quand Jézabel tua les prophètes de l`Éternel? J`ai caché cent prophètes de l`Éternel, cinquante par cinquante dans une caverne, et je les ai nourris de pain et d`eau.
13. Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin' ilay namonoan' i Jezebela ny mpaminanin' i Jehovah, dia ny nanafenako ny mpaminanin' i Jehovah zato lahy, ka dimampolo avy no nataoko tao an-johy iray, ary novelomiko tamin' ny mofo sy rano ireo?
14. And now thou sayest, Go, tell thy lord, Behold, Elijah is here: and he shall slay me.
14. Et maintenant tu dis: Va, dis à ton maître: Voici Élie! Il me tuera.
14. Nefa hoy ianao ankehitriny: Andeha lazao amin' ny tomponao hoe: Indro, eto Elia, dia hamono ahy Ahaba.
15. And Elijah said, As the LORD of hosts liveth, before whom I stand, I will surely shew myself unto him to day.
15. Mais Élie dit: L`Éternel des armées, dont je suis le serviteur, est vivant! aujourd`hui je me présenterai devant Achab.
15. Fa hoy Elia: Raha velona koa Jehovah, Tompon' ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, dia hiseho aminy tokoa aho anio.

Elijah on Mount Carmel

16. So Obadiah went to meet Ahab, and told him: and Ahab went to meet Elijah.
16. Abdias, étant allé à la rencontre d`Achab, l`informa de la chose. Et Achab se rendit au-devant d`Élie.
16. "Dia lasa Obadia nitsena an' i Ahaba ka nilaza taminy; ary Ahaba nandeha hitsena an' i Elia."
17. And it came to pass, when Ahab saw Elijah, that Ahab said unto him, Art thou he that troubleth Israel?
17. A peine Achab aperçut-il Élie qu`il lui dit: Est-ce toi, qui jettes le trouble en Israël?
17. Ary izao no niseho, nony hitan' i Ahaba i Elia, dia hoy izy taminy: Tsy ianao va no mampidi-doza amin' ny Isiraely?
18. And he answered, I have not troubled Israel; but thou, and thy father's house, in that ye have forsaken the commandments of the LORD, and thou hast followed Baalim.
18. "Élie répondit: Je ne trouble point Israël; c`est toi, au contraire, et la maison de ton père, puisque vous avez abandonné les commandements de l`Éternel et que tu es allé après les Baals."
18. Ary Elia namaly hoe: Tsy izaho no nampidi-doza tamin' ny Isiraely, fa ianao sy ny ankohonan-drainao, tamin' ny nandavanareo ny didin' i Jehovah sy ny nanarahanao an' ireo Bala.
19. Now therefore send, and gather to me all Israel unto mount Carmel, and the prophets of Baal four hundred and fifty, and the prophets of the groves four hundred, which eat at Jezebel's table.
19. Fais maintenant rassembler tout Israël auprès de moi, à la montagne du Carmel, et aussi les quatre cent cinquante prophètes de Baal et les quatre cents prophètes d`Astarté qui mangent à la table de Jézabel.
19. Ary ankehitriny maniraha hamory ny Isiraely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitr' i Karmela, ary ny mpaminanin' i Bala dimampolo amby efajato sy ny mpaminanin' i Aseraha efajato, izay mihinana eo amin' ny latabatr' i Jezebela.
20. So Ahab sent unto all the children of Israel, and gathered the prophets together unto mount Carmel.
20. Achab envoya des messagers vers tous les enfants d`Israël, et il rassembla les prophètes à la montagne du Carmel.
20. Dia naniraka tany amin' ny Zanak' Isiraely rehetra Ahaba ka namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela.
21. And Elijah came unto all the people, and said, How long halt ye between two opinions? if the LORD be God, follow him: but if Baal, then follow him. And the people answered him not a word.
21. "Alors Élie s`approcha de tout le peuple, et dit: Jusqu`à quand clocherez-vous des deux côtés? Si l`Éternel est Dieu, allez après lui; si c`est Baal, allez après lui! Le peuple ne lui répondit rien."
21. "Ary dia nankeo amin' ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, dia manaraha azy; fa raha Bala kosa dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly teny azy akory."
22. Then said Elijah unto the people, I, even I only, remain a prophet of the LORD; but Baal's prophets are four hundred and fifty men.
22. Et Élie dit au peuple: Je suis resté seul des prophètes de l`Éternel, et il y a quatre cent cinquante prophètes de Baal.
22. "Dia hoy Elia tamin' ny olona: Izaho dia izaho irery ihany no sisa amin' ny mpaminanin' i Jehovah; fa ny mpaminanin' i Bala kosa dia dimampolo amby efajato lahy."
23. Let them therefore give us two bullocks; and let them choose one bullock for themselves, and cut it in pieces, and lay it on wood, and put no fire under: and I will dress the other bullock, and lay it on wood, and put no fire under:
23. "Que l`on nous donne deux taureaux; qu`ils choisissent pour eux l`un des taureaux, qu`ils le coupent par morceaux, et qu`ils le placent sur le bois, sans y mettre le feu; et moi, je préparerai l`autre taureau, et je le placerai sur le bois, sans y mettre le feu."
23. "Koa aoka ireo no hanome vantotr' ombilahy roa ho antsika; ary aoka izy no hifidy ny iray ho azy, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin' ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo ao; ary izaho kosa hamboatra ny vantotr' ombilahy iray ka hametraka azy eo ambonin' ny kitay hazo ary tsy hasiana afo ao."
24. And call ye on the name of your gods, and I will call on the name of the LORD: and the God that answereth by fire, let him be God. And all the people answered and said, It is well spoken.
24. "Puis invoquez le nom de votre dieu; et moi, j`invoquerai le nom de l`Éternel. Le dieu qui répondra par le feu, c`est celui-là qui sera Dieu. Et tout le peuple répondit, en disant: C`est bien!"
24. "Ary miantsoa ny anaran' ny andriamanitrareo ianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran' i Jehovah; koa Izay Andriamanitra mamaly amin' ny afo, dia aoka Izy no ho Andriamanitra. Ary ny olona rehetra namaly hoe: Marina izany teny izany."
25. And Elijah said unto the prophets of Baal, Choose you one bullock for yourselves, and dress it first; for ye are many; and call on the name of your gods, but put no fire under.
25. "Élie dit aux prophètes de Baal: Choisissez pour vous l`un des taureaux, préparez-le les premiers, car vous êtes les plus nombreux, et invoquez le nom de votre dieu; mais ne mettez pas le feu."
25. "Ary hoy Elia tamin' ireo mpaminanin' i Bala: Mifidiana vantotr' ombilahy iray ho anareo, ka dia manamboara aloha ianareo, satria ianareo no maro; ary miantsoa ny anaran' ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo ao."
26. And they took the bullock which was given them, and they dressed it, and called on the name of Baal from morning even until noon, saying, O Baal, hear us. But there was no voice, nor any that answered. And they leaped upon the altar which was made.
26. "Ils prirent le taureau qu`on leur donna, et le préparèrent; et ils invoquèrent le nom de Baal, depuis le matin jusqu`à midi, en disant: Baal réponds nous! Mais il n`y eut ni voix ni réponse. Et ils sautaient devant l`autel qu`ils avaient fait."
26. Dia naka ny vantotr' ombilahy izay nomena azy ireo ka namboatra izany, dia niantso ny anaran' i Bala hatramin' ny maraina ka mandra-pitataovovonan' ny andro izy nanao hoe: Ry Bala ô, henoy izahay! Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka teo amin' ny alitara izay natao izy ireo.
27. And it came to pass at noon, that Elijah mocked them, and said, Cry aloud: for he is a god; either he is talking, or he is pursuing, or he is in a journey, or peradventure he sleepeth, and must be awaked.
27. "A midi, Élie se moqua d`eux, et dit: Criez à haute voix, puisqu`il est dieu; il pense à quelque chose, ou il est occupé, ou il est en voyage; peut-être qu`il dort, et il se réveillera."
27. "Ary izao no niseho, nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angamba izy ka tsy maintsy hofohazina."
28. And they cried aloud, and cut themselves after their manner with knives and lancets, till the blood gushed out upon them.
28. Et ils crièrent à haute voix, et ils se firent, selon leur coutume, des incisions avec des épées et avec des lances, jusqu`à ce que le sang coulât sur eux.
28. Dia niantso mafy ireo sady nitetika ny tenany araka ny fanaony tamin' ny antsy sy ny lefona mandra-pahaloa-drà tamin' ny tenany.
29. And it came to pass, when midday was past, and they prophesied until the time of the offering of the evening sacrifice, that there was neither voice, nor any to answer, nor any that regarded.
29. Lorsque midi fut passé, ils prophétisèrent jusqu`au moment de la présentation de l`offrande. Mais il n`y eut ni voix, ni réponse, ni signe d`attention.
29. Ary izao no niseho, na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin' ny fotoan' ny fanatitra hariva, nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino akory.
30. And Elijah said unto all the people, Come near unto me. And all the people came near unto him. And he repaired the altar of the LORD that was broken down.
30. Élie dit alors à tout le peuple: Approchez-vous de moi! Tout le peuple s`approcha de lui. Et Élie rétablit l`autel de l`Éternel, qui avait été renversé.
30. Ary hoy Elia tamin' ny olona rehetra: Manatòna ahy. Dia nanatona azy ny olona rehetra. Ary Elia namboatra ny alitaran' i Jehovah izay efa rava,
31. And Elijah took twelve stones, according to the number of the tribes of the sons of Jacob, unto whom the word of the LORD came, saying, Israel shall be thy name:
31. "Il prit douze pierres d`après le nombre des tribus des fils de Jacob, auquel l`Éternel avait dit: Israël sera ton nom;"
31. "Ary naka vato roa ambin' ny folo Elia, araka ny isan' ny fokon' ny zanak' i Jakoba, izay nahatonga ilay tenin' i Jehovah hoe: Isiraely no ho anaranao;"
32. And with the stones he built an altar in the name of the LORD: and he made a trench about the altar, as great as would contain two measures of seed.
32. et il bâtit avec ces pierres un autel au nom de l`Éternel. Il fit autour de l`autel un fossé de la capacité de deux mesures de semence.
32. "Ary tamin' izany vato izany no nanorenany alitara ho an' ny anaran' i Jehovah; ary nanao hady kely manodidina ny alitara izy, izay mahalany voan-javatra indroan' ny famarana."
33. And he put the wood in order, and cut the bullock in pieces, and laid him on the wood, and said, Fill four barrels with water, and pour it on the burnt sacrifice, and on the wood.
33. Il arrangea le bois, coupa le taureau par morceaux, et le plaça sur le bois.
33. Ary nandahatra ny kitay hazo izy dia nandrasa ny vantotr' ombilahy ka nametraka azy teo ambonin' ny kitay hazo, dia nanao hoe: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin' ny fanatitra dorana sy amin' ny kitay hazo.
34. And he said, Do it the second time. And they did it the second time. And he said, Do it the third time. And they did it the third time.
34. Puis il dit: Remplissez d`eau quatre cruches, et versez-les sur l`holocauste et sur le bois. Il dit: Faites-le une seconde fois. Et ils le firent une seconde fois. Il dit: Faites-le une troisième fois. Et ils le firent une troisième fois.
34. Ary hoy izy: Ataovy fanindroany indray izany, dia nataony fanindroany indray.Ary hoy koa izy: Ataovy fanintelony indray, dia nataony fanintelony indray izany.
35. And the water ran round about the altar; and he filled the trench also with water.
35. L`eau coula autour de l`autel, et l`on remplit aussi d`eau le fossé.
35. "Ary ny rano nikorotsaka nanodidina ny alitara; ka nofenoiny rano koa ny hady kely."
36. And it came to pass at the time of the offering of the evening sacrifice, that Elijah the prophet came near, and said, LORD God of Abraham, Isaac, and of Israel, let it be known this day that thou art God in Israel, and that I am thy servant, and that I have done all these things at thy word.
36. Au moment de la présentation de l`offrande, Élie, le prophète, s`avança et dit: Éternel, Dieu d`Abraham, d`Isaac et d`Israël! que l`on sache aujourd`hui que tu es Dieu en Israël, que je suis ton serviteur, et que j`ai fait toutes ces choses par ta parole!
36. Ary izao no niseho, nony tamin' ny fotoan' ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô, Andriamanitr' i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Ianao no Andriamanitra amin' ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra rehetra izao.
37. Hear me, O LORD, hear me, that this people may know that thou art the LORD God, and that thou hast turned their heart back again.
37. Réponds-moi, Éternel, réponds-moi, afin que ce peuple reconnaisse que c`est toi, Éternel, qui es Dieu, et que c`est toi qui ramènes leur coeur!
37. Mihainoa ahy Jehovah ô, mihainoa ahy, mba hahafantaran' ireto olona ireto fa Ianao no Jehovah Andriamanitra, ary Ianao no mampiverina ny fony indray.
38. Then the fire of the LORD fell, and consumed the burnt sacrifice, and the wood, and the stones, and the dust, and licked up the water that was in the trench.
38. Et le feu de l`Éternel tomba, et il consuma l`holocauste, le bois, les pierres et la terre, et il absorba l`eau qui était dans le fossé.
38. Dia latsaka ny afon' i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin' ny hady kely.
39. And when all the people saw it, they fell on their faces: and they said, The LORD, he is the God; the LORD, he is the God.
39. Quand tout le peuple vit cela, ils tombèrent sur leur visage et dirent: C`est l`Éternel qui est Dieu! C`est l`Éternel qui est Dieu!
39. "Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra."
40. And Elijah said unto them, Take the prophets of Baal; let not one of them escape. And they took them: and Elijah brought them down to the brook Kishon, and slew them there.
40. "Saisissez les prophètes de Baal, leur dit Élie; qu`aucun d`eux n`échappe! Et ils les saisirent. Élie les fit descendre au torrent de Kison, où il les égorgea."
40. "Ary hoy Elia taminy: Sambory ny mpaminanin' i Bala; aza avela hisy afa-mandositra na dia iray aza. Dia nosamborin' ny olona ireo; ary nentin' i Elia ho eo amin' ny ony Kisona ireny ka dia novonoiny teo."
41. And Elijah said unto Ahab, Get thee up, eat and drink; for there is a sound of abundance of rain.
41. "Et Élie dit à Achab: Monte, mange et bois; car il se fait un bruit qui annonce la pluie."
41. Ary hoy Elia tamin' i Ahaba: Miakara hihinana sy hisotro fa misy feon' ny ranonorana misasasa be izany.
42. So Ahab went up to eat and to drink. And Elijah went up to the top of Carmel; and he cast himself down upon the earth, and put his face between his knees,
42. "Achab monta pour manger et pour boire. Mais Élie monta au sommet du Carmel; et, se penchant contre terre, il mit son visage entre ses genoux,"
42. Dia niakatra hihinana sy hisotro Ahaba. Fa Elia kosa niakatra ho eo an-tampon' i Karmela, dia niankohoka tamin' ny tany, ary ny lohany nataony teo anelanelan' ny lohaliny.
43. And said to his servant, Go up now, look toward the sea. And he went up, and looked, and said, There is nothing. And he said, Go again seven times.
43. et dit à son serviteur: Monte, regarde du côté de la mer. Le serviteur monta, il regarda, et dit: Il n`y a rien. Élie dit sept fois: Retourne.
43. Ary hoy izy tamin' ny mpanompony: Miakara kely, ka tazano ny ranomasina. Dia niakatra izy ka nitazana, dia nanao hoe: Tsy misy na inona na inona. Ary hoy izy: Mandehana indray impito.
44. And it came to pass at the seventh time, that he said, Behold, there ariseth a little cloud out of the sea, like a man's hand. And he said, Go up, say unto Ahab, Prepare thy chariot, and get thee down, that the rain stop thee not.
44. A la septième fois, il dit: Voici un petit nuage qui s`élève de la mer, et qui est comme la paume de la main d`un homme. Élie dit: Monte, et dis à Achab: Attelle et descends, afin que la pluie ne t`arrête pas.
44. Ary izao no niseho, nony fanimpitony, dia hoy izy: Misy rahona kely ohatra ny tanan' olona miakatra avy amin' ny ranomasina. Dia hoy izy: Miakara, ka lazao amin' i Ahaba hoe: Amboary ny kalesinao ka midìna, fandrao voasakan' ny ranonorana ianao.
45. And it came to pass in the mean while, that the heaven was black with clouds and wind, and there was a great rain. And Ahab rode, and went to Jezreel.
45. En peu d`instants, le ciel s`obscurcit par les nuages, le vent s`établit, et il y eut une forte pluie. Achab monta sur son char, et partit pour Jizreel.
45. Ary izao no niseho, tanelanelan' izany dia maintin' ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, ka nisy ranonorana be. Ary Ahaba nitaingina kalesy ka nankany Jezirela.
46. And the hand of the LORD was on Elijah; and he girded up his loins, and ran before Ahab to the entrance of Jezreel.
46. Et la main de l`Éternel fut sur Élie, qui se ceignit les reins et courut devant Achab jusqu`à l`entrée de Jizreel.
46. Ary ny tanan' i Jehovah dia tao amin' i Elia, dia nisikina izy ka nihazakazaka teo alohan' i Ahaba mandra-pahatongany tany Jezirela.
<
>