Israel Rebels Against Rehoboam
1. And Rehoboam went to Shechem: for all Israel were come to Shechem to make him king.
1. Roboam se rendit à Sichem, car tout Israël était venu à Sichem pour le faire roi.
1. Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan' ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.
2. And it came to pass, when Jeroboam the son of Nebat, who was yet in Egypt, heard of it, (for he was fled from the presence of king Solomon, and Jeroboam dwelt in Egypt;)
2. Lorsque Jéroboam, fils de Nebath, eut des nouvelles, il était encore en Égypte, où il s`était enfui loin du roi Salomon, et c`était en Égypte qu`il demeurait.
2. "Ary izao no niseho, raha nandre izany Jeroboama zanak' i Nebata, izay mbola tany Egypta, (fa nandositra niala teo anatrehan' i Solomona mpanjaka izy ka nitoetra tany Egypta);"
3. That they sent and called him. And Jeroboam and all the congregation of Israel came, and spake unto Rehoboam, saying,
3. On l`envoya appeler. Alors Jéroboam et toute l`assemblée d`Israël vinrent à Roboam et lui parlèrent ainsi:
3. Ka dia naniraka naka azy ny olona. Dia tonga i Jeroboama sy ny fiangonan' ny Isiraely rehetra ka niteny tamin-dRehoboama hoe:
4. Thy father made our yoke grievous: now therefore make thou the grievous service of thy father, and his heavy yoke which he put upon us, lighter, and we will serve thee.
4. "Ton père a rendu notre joug dur; toi maintenant, allège cette rude servitude et le joug pesant que nous a imposé ton père. Et nous te servirons."
4. Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay: fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.
5. And he said unto them, Depart yet for three days, then come again to me. And the people departed.
5. Il leur dit: Allez, et revenez vers moi dans trois jours. Et le peuple s`en alla.
5. Fa hoy kosa izy taminy: Mandehana aloha, ka raha afaka hateloana, dia mankanesa aty amiko indray. Dia lasa ny olona.
6. And king Rehoboam consulted with the old men, that stood before Solomon his father while he yet lived, and said, How do ye advise that I may answer this people?
6. Le roi Roboam consulta les vieillards qui avaient été auprès de Salomon, son père, pendant sa vie, et il dit: Que conseillez-vous de répondre à ce peuple?
6. Ary Rehoboama mpanjaka naka hevitra tamin' ny zokiolona izay nitoetra teo anatrehan' i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly izao vahoaka izao?
7. And they spake unto him, saying, If thou wilt be a servant unto this people this day, and wilt serve them, and answer them, and speak good words to them, then they will be thy servants for ever.
7. Et voici ce qu`ils lui dirent: Si aujourd`hui tu rends service à ce peuple, si tu leur cèdes, et si tu leur réponds par des paroles bienveillantes, ils seront pour toujours tes serviteurs.
7. Dia niteny taminy ireo nanao hoe: Raha mety ho mpanompon' izao vahoaka izao ianao anio ka hanompo azy sy hamaly azy ary hanao teny soa aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.
8. But he forsook the counsel of the old men, which they had given him, and consulted with the young men that were grown up with him, and which stood before him:
8. Mais Roboam laissa le conseil que lui donnaient les vieillards, et il consulta les jeunes gens qui avaient grandi avec lui et qui l`entouraient.
8. Nefa nolavin-dRehoboama ny hevitra nomen' ireo zokiolona azy, dia naka hevitra tamin' ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy,
9. And he said unto them, What counsel give ye that we may answer this people, who have spoken to me, saying, Make the yoke which thy father did put upon us lighter?
9. Il leur dit: Que conseillez-vous de répondre à ce peuple qui me tient ce langage: Allège le joug que nous a imposé ton père?
9. Ka nanao taminy hoe: Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay efa niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay?
10. And the young men that were grown up with him spake unto him, saying, Thus shalt thou speak unto this people that spake unto thee, saying, Thy father made our yoke heavy, but make thou it lighter unto us; thus shalt thou say unto them, My little finger shall be thicker than my father's loins.
10. Et voici ce que lui dirent les jeunes gens qui avaient grandi avec lui: Tu parleras ainsi à ce peuple qui t`a tenu ce langage: Ton père a rendu notre joug pesant, et toi, allège-le-nous! tu leur parleras ainsi: Mon petit doigt est plus gros que les reins de mon père.
10. "Ary ireo tovolahy indray nihira taminy dia niteny taminy hoe: izao no lazao amin' izao vahoaka izao, izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano aminay izany; izao no lazao aminy: Ny ankihikeliko dia ho lehibe noho ny valahan' ny raiko;"
11. And now whereas my father did lade you with a heavy yoke, I will add to your yoke: my father hath chastised you with whips, but I will chastise you with scorpions.
11. "Maintenant, mon père vous a chargés d`un joug pesant, et moi je vous le rendrai plus pesant; mon père vous a châtiés avec des fouets, et moi je vous châtierai avec des scorpions."
11. "Koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga hoentinareo; kotopia no namaizan' ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo."
12. So Jeroboam and all the people came to Rehoboam the third day, as the king had appointed, saying, Come to me again the third day.
12. Jéroboam et tout le peuple vinrent à Roboam le troisième jour, suivant ce qu`avait dit le roi: Revenez vers moi dans trois jours.
12. Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra nankany amin' i Rehoboama tamin' ny andro fahatelo, araka izay efa notendren' ny mpanjaka nanao hoe: Mankanesa aty amiko indray amin' ny andro fahatelo.
13. And the king answered the people roughly, and forsook the old men's counsel that they gave him;
13. Le roi répondit durement au peuple. Il laissa le conseil que lui avaient donné les vieillards,
13. Ary ny mpanjaka namaly mahery ny olona ka nandà ny saina nomen' ireo zokiolona azy,
14. And spake to them after the counsel of the young men, saying, My father made your yoke heavy, and I will add to your yoke: my father also chastised you with whips, but I will chastise you with scorpions.
14. "et il leur parla ainsi d`après le conseil des jeunes gens: Mon père a rendu votre joug pesant, et moi je vous le rendrai plus pesant; mon père vous a châtiés avec des fouets, et moi je vous châtierai avec des scorpions."
14. Ka niteny taminy araka ny hevitra nomen' ireo tovolahy hoe: Ny raiko dia nampitondra zioga mavesatra anareo, fa izaho kosa mainka hanampy ny zioga hoentinareo, kotopia no namaizan' ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
15. Wherefore the king hearkened not unto the people; for the cause was from the LORD, that he might perform his saying, which the LORD spake by Ahijah the Shilonite unto Jeroboam the son of Nebat.
15. "Ainsi le roi n`écouta point le peuple; car cela fut dirigé par l`Éternel, en vue de l`accomplissement de la parole que l`Éternel avait dite par Achija de Silo à Jéroboam, fils de Nebath."
15. "Koa dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka; fa avy tamin' i Jehovah izany zavatra izany hahatanteraka ny teny izay nampilazain' i Jehovah an' i Ahia Silonita tamin' i Jeroboama, zanak' i Nebata."
16. So when all Israel saw that the king hearkened not unto them, the people answered the king, saying, What portion have we in David? neither have we inheritance in the son of Jesse: to your tents, O Israel: now see to thine own house, David. So Israel departed unto their tents.
16. Lorsque tout Israël vit que le roi ne l`écoutait pas, le peuple répondit au roi: Quelle part avons-nous avec David? Nous n`avons point d`héritage avec le fils d`Isaï! A tes tentes, Israël! Maintenant, pourvois à ta maison, David! Et Israël s`en alla dans ses tentes.
16. "Ary nony hitan' ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin' i Davida? Tsy manana lova amin' ny zanak' i Jese izahay; samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely."
17. But as for the children of Israel which dwelt in the cities of Judah, Rehoboam reigned over them.
17. Les enfants d`Israël qui habitaient les villes de Juda furent les seuls sur qui régna Roboam.
17. Fa ny Zanak' Isiraely izay nonina tany an-tanànan' ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.
18. Then king Rehoboam sent Adoram, who was over the tribute; and all Israel stoned him with stones, that he died. Therefore king Rehoboam made speed to get him up to his chariot, to flee to Jerusalem.
18. Alors le roi Roboam envoya Adoram, qui était préposé aux impôts. Mais Adoram fut lapidé par tout Israël, et il mourut. Et le roi Roboam se hâta de monter sur un char, pour s`enfuir à Jérusalem.
18. Ary dia naniraka an' i Adorama, izay nanapaka ny hetra Rehoboama mpanjaka, nefa ny Isiraely rehetra nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin' ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
19. So Israel rebelled against the house of David unto this day.
19. C`est ainsi qu`Israël s`est détaché de la maison de David jusqu`à ce jour.
19. Ka dia niodina tamin' ny taranak' i Davida ny Isiraely mandraka androany.
20. And it came to pass, when all Israel heard that Jeroboam was come again, that they sent and called him unto the congregation, and made him king over all Israel: there was none that followed the house of David, but the tribe of Judah only.
20. Tout Israël ayant appris que Jéroboam était de retour, ils l`envoyèrent appeler dans l`assemblée, et ils le firent roi sur tout Israël. La tribu de Juda fut la seule qui suivit la maison de David.
20. "Ary izao no niseho, rehefa ren' ny Isiraely rehetra fa efa tafaverina indray Jeroboama, dia naniraka nampiantso azy ho ao amin' ny fiangonana izy, ka nampanjaka azy tamin' ny Isiraely rehetra; dia tsy nisy nanaraka ny ankohonan' i Davida, afa-tsy ny fokon' i Joda ihany."
21. And when Rehoboam was come to Jerusalem, he assembled all the house of Judah, with the tribe of Benjamin, an hundred and fourscore thousand chosen men, which were warriors, to fight against the house of Israel, to bring the kingdom again to Rehoboam the son of Solomon.
21. Roboam, arrivé à Jérusalem, rassembla toute la maison de Juda et la tribu de Benjamin, cent quatre-vingt mille hommes d`élite propres à la guerre, pour qu`ils combattissent contre la maison d`Israël afin de la ramener sous la domination de Roboam, fils de Salomon.
21. Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak' i Joda rehetra mbamin' ny fokon' i Benjamina, dia lehilahy voafantina valo alina amby iray hetsy izay miaramila hiady amin' ny taranak' Isiraely hampody ny fanjakana indray ho amin-dRehoboama, zanak' i Solomona.
22. But the word of God came unto Shemaiah the man of God, saying,
22. Mais la parole de Dieu fut ainsi adressée à Schemaeja, homme de Dieu:
22. Kanjo tonga tamin' i Semaia, lehilahin' Andriamanitra kosa ny tenin' Andriamanitra nanao hoe:
23. Speak unto Rehoboam, the son of Solomon, king of Judah, and unto all the house of Judah and Benjamin, and to the remnant of the people, saying,
23. Parle à Roboam, fils de Salomon, roi de Juda, et à toute la maison de Juda et de Benjamin, et au reste du peuple.
23. Mitenena amin-dRehoboama, zanak' i Solomona, mpanjakan' ny Joda, sy amin' ny taranak' i Joda sy Benjamina rehetra ary amin' ny vahoaka sisa hoe:
24. Thus saith the LORD, Ye shall not go up, nor fight against your brethren the children of Israel: return every man to his house; for this thing is from me. They hearkened therefore to the word of the LORD, and returned to depart, according to the word of the LORD.
24. Et dis-leur: Ainsi parle l`Éternel: Ne montez point, et ne faites pas la guerre à vos frères, les enfants d`Israël! Que chacun de vous retourne dans sa maison, car c`est de par moi que cette chose est arrivée. Ils obéirent à la parole de l`Éternel, et ils s`en retournèrent, selon la parole de l`Éternel.
24. "Izao no lazain' i Jehovah : Aza mandeha hiady amin' ny Zanak' Isiraely rahalahinareo; fa samia mody any an-tranony avy ianareo; fa avy amiko izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin' i Jehovah ny olona ka dia samy lasa nody araka ny tenin' i Jehovah."
Golden Calves at Bethel and Dan
25. Then Jeroboam built Shechem in mount Ephraim, and dwelt therein; and went out from thence, and built Penuel.
25. "Jéroboam bâtit Sichem sur la montagne d`Éphraïm, et il y demeura; puis il en sortit, et bâtit Penuel."
25. "Ary Jeroboama dia nanorina an' i Sekema any amin' ny tendrombohitr' i Efraima ka nonina tao; ary raha avy tao izy, dia nanorina an' i Penoela."
26. And Jeroboam said in his heart, Now shall the kingdom return to the house of David:
26. Jéroboam dit en son coeur: Le royaume pourrait bien maintenant retourner à la maison de David.
26. "Ary Jeroboama nanao anakampo hoe: Izao ny fanjakana dia hody amin' ny taranak' i Davida ihany;"
27. If this people go up to do sacrifice in the house of the LORD at Jerusalem, then shall the heart of this people turn again unto their lord, even unto Rehoboam king of Judah, and they shall kill me, and go again to Rehoboam king of Judah.
27. Si ce peuple monte à Jérusalem pour faire des sacrifices dans la maison de l`Éternel, le coeur de ce peuple retournera à son seigneur, à Roboam, roi de Juda, et ils me tueront et retourneront à Roboam, roi de Juda.
27. Raha miakatra hanao fanatitra ao an-tranon' i Jehovah any Jerosalema izao vahoaka izao, dia hody amin' ny tompony indray ny fony, dia amin-dRehoboama, mpanjakan' ny Joda, ary dia hamono ahy izy, ka hiverina any amin-dRehoboama, mpanjakan' ny Joda indray.
28. Whereupon the king took counsel, and made two calves of gold, and said unto them, It is too much for you to go up to Jerusalem: behold thy gods, O Israel, which brought thee up out of the land of Egypt.
28. "Après s`être consulté, le roi fit deux veaux d`or, et il dit au peuple: Assez longtemps vous êtes montés à Jérusalem; Israël! voici ton Dieu, qui t`a fait sortir du pays d`Égypte."
28. "Dia naka hevitra ny mpanjaka ka nanao ombilahy kely volamena roa, ary nanao taminy hoe: Manasatra anareo loatra ny hiakatra any Jerosalema; Ry Isiraely ô, indro ny andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta."
29. And he set the one in Bethel, and the other put he in Dan.
29. Il plaça l`un de ces veaux à Béthel, et il mit l`autre à Dan.
29. Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana.
30. And this thing became a sin: for the people went to worship before the one, even unto Dan.
30. Ce fut là une occasion de péché. Le peuple alla devant l`un des veaux jusqu`à Dan.
30. "Ary izany zavatra izany dia tonga fahotana; fa ny olona dia nandeha hivavaka teo anatrehan' ny anankiray amin' ireo hatrany Dana."
31. And he made an house of high places, and made priests of the lowest of the people, which were not of the sons of Levi.
31. Jéroboam fit une maison de hauts lieux, et il créa des sacrificateurs pris parmi tout le peuple et n`appartenant point aux fils de Lévi.
31. Ary nanao trano teny amin' ny fitoerana avo izy sady nanendry mpisorona avy amin' ny olona ambany indrindra izay tsy avy tamin' ny taranak' i Levy.
32. And Jeroboam ordained a feast in the eighth month, on the fifteenth day of the month, like unto the feast that is in Judah, and he offered upon the altar. So did he in Bethel, sacrificing unto the calves that he had made: and he placed in Bethel the priests of the high places which he had made.
32. Il établit une fête au huitième mois, le quinzième jour du mois, comme la fête qui se célébrait en Juda, et il offrit des sacrifices sur l`autel. Voici ce qu`il fit à Béthel afin que l`on sacrifiât aux veaux qu`il avait faits. Il plaça à Béthel les prêtres des hauts lieux qu`il avait élevés.
32. "Ary Jeroboama nanendry andro firavoravoana tamin' ny andro fahadimy ambin' ny folo tamin' ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin' ny Joda, ka nanao fanatitra teo ambony alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa nanao fanatitra ho an' ireo ombilahy kely nataony izy; ary nampitoerina tao Betela ireo mpisorona amin' ny fitoerana avo izay nataony."
33. So he offered upon the altar which he had made in Bethel the fifteenth day of the eighth month, even in the month which he had devised of his own heart; and ordained a feast unto the children of Israel: and he offered upon the altar, and burnt incense.
33. Et il monta sur l`autel qu`il avait fait à Béthel, le quinzième jour du huitième mois, mois qu`il avait choisi de son gré. Il fit une fête pour les enfants d`Israël, et il monta sur l`autel pour brûler des parfums.
33. "Koa nanolotra fanatitra teo ambonin' ny alitara izay nataony tao Betela izy tamin' ny andro fahadimy ambin' ny folo tamin' ny volana fahavalo, volana izay notendreny araka ny sitrapony ihany; ary nanao andro firavoravoana ho an' ny Zanak' Isiraely izy sady nanao fanatitra teo ambony alitara no nandoro ditin-kazo manitra."