Adonijah Sets Himself Up as King
1. Now king David was old and stricken in years; and they covered him with clothes, but he gat no heat.
1. "Le roi David était vieux, avancé en âge; on le couvrait de vêtements, et il ne pouvait se réchauffer."
1. "Ary Davida mpanjaka dia efa zokiolona sady nandroso fahanterana; ary norakofana fitafiana izy, fa tsy nahazo hafanana."
2. Wherefore his servants said unto him, Let there be sought for my lord the king a young virgin: and let her stand before the king, and let her cherish him, and let her lie in thy bosom, that my lord the king may get heat.
2. "Ses serviteurs lui dirent: Que l`on cherche pour mon seigneur le roi une jeune fille vierge; qu`elle se tienne devant le roi, qu`elle le soigne, et qu`elle couche dans son sein; et mon seigneur le roi se réchauffera."
2. Ka dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana tanora virijina ny mpanjaka tompoko, dia aoka hitoetra eto anatrehan' ny mpanjaka izy mba ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin' ny tratranao izy, mba hampahafàna ny mpanjaka tompoko.
3. So they sought for a fair damsel throughout all the coasts of Israel, and found Abishag a Shunammite, and brought her to the king.
3. On chercha dans tout le territoire d`Israël une fille jeune et belle, et on trouva Abischag, la Sunamite, que l`on conduisit auprès du roi.
3. Ary dia nitady zazavavy tsara tarehy eran' ny tanin' ny Isiraely rehetra izy ka nahita an' i Abisaga Sonemita, dia nentiny tany amin' ny mpanjaka.
4. And the damsel was very fair, and cherished the king, and ministered to him: but the king knew her not.
4. "Cette jeune fille était fort belle. Elle soigna le roi, et le servit; mais le roi ne la connut point."
4. "Ary tsara tarehy dia tsara tarehy razazavavy, dia tonga mpitaiza ny mpanjaka sady nanompo azy izy; nefa ny mpanjaka tsy nahalala azy."
5. Then Adonijah the son of Haggith exalted himself, saying, I will be king: and he prepared him chariots and horsemen, and fifty men to run before him.
5. Adonija, fils de Haggith, se laissa emporter par l`orgueil jusqu`à dire: C`est moi qui serai roi! Et il se procura un char et des cavaliers, et cinquante hommes qui couraient devant lui.
5. "Ary Adonia, zanakalahin' i Hagita, nanandratra ny tenany ka nanao hoe: Izaho no hanjaka; dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary dimampolo lahy ho mpihazakazaka eo alohany izy."
6. And his father had not displeased him at any time in saying, Why hast thou done so? and he also was a very goodly man; and his mother bare him after Absalom.
6. Son père ne lui avait de sa vie fait un reproche, en lui disant: Pourquoi agis-tu ainsi? Adonija était, en outre, très beau de figure, et il était né après Absalom.
6. Ary ny rainy tsy mbola nampalahelo azy na oviana na oviana ka niteny hoe: Nahoana ianao no manao toy izao? sady lehilahy tsara tarehy izy, ary izy no natera-dreniny nanarakaraka an' i Absaloma.
7. And he conferred with Joab the son of Zeruiah, and with Abiathar the priest: and they following Adonijah helped him.
7. "Il eut un entretien avec Joab, fils de Tseruja, et avec le sacrificateur Abiathar; et ils embrassèrent son parti."
7. "Ary efa niresaka tamin' i Joaba zanak' i Zeroia, sy Abiatara mpisorona izy; ka dia niandany tamin' i Adonia izy roa lahy ka nanampy azy."
8. But Zadok the priest, and Benaiah the son of Jehoiada, and Nathan the prophet, and Shimei, and Rei, and the mighty men which belonged to David, were not with Adonijah.
8. Mais le sacrificateur Tsadok, Benaja, fils de Jehojada, Nathan le prophète, Schimeï, Réï, et les vaillants hommes de David, ne furent point avec Adonija.
8. Fa Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak' i Joiada, sy Natana mpaminany sy Simey sy Rey ary ny lehilahy mahery izay an' i Davida kosa tsy mba niandany tamin' i Adonia.
9. And Adonijah slew sheep and oxen and fat cattle by the stone of Zoheleth, which is by Enrogel, and called all his brethren the king's sons, and all the men of Judah the king's servants:
9. "Adonija tua des brebis, des boeufs et des veaux gras, près de la pierre de Zohéleth, qui est à côté d`En Roguel; et il invita tous ses frères, fils du roi, et tous les hommes de Juda au service du roi."
9. "Ary Adonia namono ondry sy omby ary biby fiompy nafahy teo anilan' ny vato Zoheleta tanilan' i En-rogela ka nanasa ny rahalahiny rehetra, zanakalahin' ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra amin' ny Joda, mpanompon' ny mpanjaka;"
10. But Nathan the prophet, and Benaiah, and the mighty men, and Solomon his brother, he called not.
10. Mais il n`invita point Nathan le prophète, ni Benaja, ni les vaillants hommes, ni Salomon, son frère.
10. Fa Natana mpaminany sy Benaia sy ny lehilahy mahery ary Solomona rahalahiny no tsy mba nantsoiny.
11. Wherefore Nathan spake unto Bathsheba the mother of Solomon, saying, Hast thou not heard that Adonijah the son of Haggith doth reign, and David our lord knoweth it not?
11. Alors Nathan dit à Bath Schéba, mère de Salomon: N`as-tu pas appris qu`Adonija, fils de Haggith, est devenu roi, sans que notre seigneur David le sache?
11. Ary natana niteny tamin' i Batseba, renin' i Solomona, hoe: Moa tsy renao va fa efa manjaka Adonia, zanak' i Hagita, nefa tsy fantatr' i Davida tompontsika akory izany?
12. Now therefore come, let me, I pray thee, give thee counsel, that thou mayest save thine own life, and the life of thy son Solomon.
12. Viens donc maintenant, je te donnerai un conseil, afin que tu sauves ta vie et la vie de ton fils Salomon.
12. Koa noho izany, avia, masìna ianao, aoka aho hanoro hevitra anao mba hamonjenao ny ainao sy ny ain' i Solomona zanakao.
13. Go and get thee in unto king David, and say unto him, Didst not thou, my lord, O king, swear unto thine handmaid, saying, Assuredly Solomon thy son shall reign after me, and he shall sit upon my throne? why then doth Adonijah reign?
13. Va, entre chez le roi David, et dis-lui: O roi mon seigneur, n`as-tu pas juré à ta servante, en disant: Salomon, ton fils, régnera après moi, et il s`assiéra sur mon trône? Pourquoi donc Adonija règne-t-il?
13. Mandehana mankany amin' i Davida mpanjaka, ka lazao aminy hoe: Tsy nianiana tamiko mpanomponao va ianao, ry mpanjaka tompoko, nanao hoe: Solomona zanakao lahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin' ny sezafiandrianako? Koa nahoana no Adonia no manjaka?
14. Behold, while thou yet talkest there with the king, I also will come in after thee, and confirm thy words.
14. Et voici, pendant que tu parleras là avec le roi, j`entrerai moi-même après toi, et je compléterai tes paroles.
14. Ary raha mbola miteny amin' ny mpanjaka ianao, dia, indro, izaho koa hiditra manaraka anao ka hanamarina ny teninao.
15. And Bathsheba went in unto the king into the chamber: and the king was very old; and Abishag the Shunammite ministered unto the king.
15. "Bath Schéba se rendit dans la chambre du roi. Il était très vieux; et Abischag, la Sunamite, le servait."
15. "Ary Batseba dia nankao amin' ny mpanjaka tao amin' ny efitrano; ary efa tena antitra ny mpanjaka; ary Abisaga Sonemita nanompo azy."
16. And Bathsheba bowed, and did obeisance unto the king. And the king said, What wouldest thou?
16. Bath Schéba s`inclina et se prosterna devant le roi. Et le roi dit: Qu`as-tu?
16. Dia niondrika Batseba ka niankohoka teo anatrehan' ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: Inona no ilainao?
17. And she said unto him, My lord, thou swarest by the LORD thy God unto thine handmaid, saying, Assuredly Solomon thy son shall reign after me, and he shall sit upon my throne.
17. Elle lui répondit: Mon seigneur, tu as juré à ta servante par l`Éternel, ton Dieu, en disant: Salomon, ton fils, régnera après moi, et il s`assiéra sur mon trône.
17. Ary hoy ravehivavy taminy: Tompokolahy ô, Jehovah Andriamanitrao no nianiananao tamiko mpanompovavinao hoe: Solomona zanakao lahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin' ny sezafiandrianako.
18. And now, behold, Adonijah reigneth; and now, my lord the king, thou knowest it not:
18. Et maintenant voici, Adonija règne! Et tu ne le sais pas, ô roi mon seigneur!
18. Kanjo, indro, Adonia no manjaka ankehitriny ary tsy fantatrao izany, ry mpanjaka tompoko.
19. And he hath slain oxen and fat cattle and sheep in abundance, and hath called all the sons of the king, and Abiathar the priest, and Joab the captain of the host: but Solomon thy servant hath he not called.
19. "Il a tué des boeufs, des veaux gras et des brebis en quantité; et il a invité tous les fils du roi, le sacrificateur Abiathar, et Joab, chef de l`armée, mais il n`a point invité Salomon, ton serviteur."
19. Ary efa namono omby sy biby fiompy mifahy ary ondry betsaka izy ka efa niantso ny zanakalahin' ny mpanjaka rehetra sy Abiatara mpisorona ary Joaba, komandin' ny miaramila, fa i Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nantsoiny.
20. And thou, my lord, O king, the eyes of all Israel are upon thee, that thou shouldest tell them who shall sit on the throne of my lord the king after him.
20. O roi mon seigneur, tout Israël a les yeux sur toi, pour que tu lui fasses connaître qui s`assiéra sur le trône du roi mon seigneur après lui.
20. Ary ianao, ry mpanjaka tompoko ô, ny mason' ny Isiraely rehetra manandrandra anao hilazanao izay hipetraka eo amin' ny sezafiandriananao mpanjaka tompoko, handimby azy.
21. Otherwise it shall come to pass, when my lord the king shall sleep with his fathers, that I and my son Solomon shall be counted offenders.
21. Et lorsque le roi mon seigneur sera couché avec ses pères, il arrivera que moi et mon fils Salomon nous serons traités comme des coupables.
21. Raha tsy izany, dia izao no hiseho, rehefa lasa modimandry any amin' ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy Solomona zanako no hatao meloka.
22. And, lo, while she yet talked with the king, Nathan the prophet also came in.
22. Tandis qu`elle parlait encore avec le roi, voici, Nathan le prophète arriva.
22. Ary raha mbola niteny tamin' ny mpanjaka ravehivavy, dia, indro, niditra koa Natana mpaminany.
23. And they told the king, saying, Behold Nathan the prophet. And when he was come in before the king, he bowed himself before the king with his face to the ground.
23. On l`annonça au roi, en disant: Voici Nathan le prophète! Il entra en présence du roi, et se prosterna devant le roi, le visage contre terre.
23. Ary nisy nanambara tamin' ny mpanjaka hoe: Indro Natana mpaminany. Ary rehefa niditra teo anatrehan' ny mpanjaka izy dia niankohoka tamin' ny tany teo anatrehany.
24. And Nathan said, My lord, O king, hast thou said, Adonijah shall reign after me, and he shall sit upon my throne?
24. Et Nathan dit: O roi mon seigneur, c`est donc toi qui as dit: Adonija régnera après moi, et il s`assiéra sur mon trône!
24. Ary hoy Natana: Ry mpanjaka tompoko ô, fa angaha ianao efa niteny hoe: Adonia no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin' ny sezafiandrianako?
25. For he is gone down this day, and hath slain oxen and fat cattle and sheep in abundance, and hath called all the king's sons, and the captains of the host, and Abiathar the priest; and, behold, they eat and drink before him, and say, God save king Adonijah.
25. "Car il est descendu aujourd`hui, il a tué des boeufs, des veaux gras et des brebis en quantité; et il a invité tous les fils du roi, les chefs de l`armée, et le sacrificateur Abiathar. Et voici, ils mangent et boivent devant lui, et ils disent: Vive le roi Adonija!"
25. "Fa nidina izy androany ary namono omby sy biby fiompy mifahy sy ondry betsaka ka nantsoiny ny zanakalahin' ny mpanjaka rehetra sy ny komandin' ny miaramila sy Abiatara mpisorona; ary indreo mihinana sy misotro eo anatrehany ireo ka manao hoe: Ho ela velona anie Adonia mpanjaka!"
26. But me, even me thy servant, and Zadok the priest, and Benaiah the son of Jehoiada, and thy servant Solomon, hath he not called.
26. Mais il n`a invité ni moi qui suis ton serviteur, ni le sacrificateur Tsadok, ni Benaja, fils de Jehojada, ni Salomon, ton serviteur.
26. Fa izaho dia izaho mpanomponao sy Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak' i Joiada, ary Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nantsoiny.
27. Is this thing done by my lord the king, and thou hast not shewed it unto thy servant, who should sit on the throne of my lord the king after him?
27. Est-ce bien par ordre de mon seigneur le roi que cette chose a lieu, et sans que tu aies fait connaître à ton serviteur qui doit s`asseoir sur le trône du roi mon seigneur après lui?
27. Moa avy tamin' ny mpanjaka tompoko va no nahatonga izany zavatra izany, ka tsy mba nampahafantarinao ny mpanomponao izay hipetraka eo amin' ny sezafiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao?
David Makes Solomon King
28. Then king David answered and said, Call me Bathsheba. And she came into the king's presence, and stood before the king.
28. Le roi David répondit: Appelez-moi Bath Schéba. Elle entra, et se présenta devant le roi.
28. Ary namaly Davida mpanjaka ka nanao hoe: Antsoy hankaty amiko Batseba. Dia niditra nankeo anatrehan' ny mpanjaka izy ka ni-tsangana teo anatrehany.
29. And the king sware, and said, As the LORD liveth, that hath redeemed my soul out of all distress,
29. Et le roi jura, et dit: L`Éternel qui m`a délivré de toutes les détresses est vivant!
29. Ary ny mpanjaka nianiana ka nanao hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ny aiko tamin' ny fahoriana rehetra,
30. Even as I sware unto thee by the LORD God of Israel, saying, Assuredly Solomon thy son shall reign after me, and he shall sit upon my throne in my stead; even so will I certainly do this day.
30. Ainsi que je te l`ai juré par l`Éternel, le Dieu d`Israël, en disant: Salomon, ton fils, régnera après moi, et il s`assiéra sur mon trône à ma place, -ainsi ferai-je aujourd`hui.
30. Dia tahaka ilay nianianako tamin' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sady nilazako taminao hoe: Solomona zanakao lahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin' ny sezafiandrianako hisolo ahy, dia izany tokoa no hataoko anio.
31. Then Bathsheba bowed with her face to the earth, and did reverence to the king, and said, Let my lord king David live for ever.
31. Bath Schéba s`inclina le visage contre terre, et se prosterna devant le roi. Et elle dit: Vive à jamais mon seigneur le roi David!
31. Ary niondrika Batseba, dia niankohoka tamin' ny tany teo anatrehan' ny mpanjaka ka nanao hoe: Ho velona mandrakizay anie Davida mpanjaka tompoko.
32. And king David said, Call me Zadok the priest, and Nathan the prophet, and Benaiah the son of Jehoiada. And they came before the king.
32. Le roi David dit: Appelez-moi le sacrificateur Tsadok, Nathan le prophète, et Benaja, fils de Jehojada. Ils entrèrent en présence du roi.
32. Ary hoy Davida mpanjaka: Antsoy hankaty amiko Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany ary Benaia, zanak' i Joiada. Dia niditra nankeo anatrehan' ny mpanjaka izy ireo.
33. The king also said unto them, Take with you the servants of your lord, and cause Solomon my son to ride upon mine own mule, and bring him down to Gihon:
33. Et le roi leur dit: Prenez avec vous les serviteurs de votre maître, faites monter Salomon, mon fils, sur ma mule, et faites-le descendre à Guihon.
33. Ary hoy koa ny mpanjaka taminy: Ento miaraka aminareo ny mpanompon' ny tomponareo, ary ampitaingeno ny moleko i Solomona zanako lahy, ka ento midina any Gihona izy.
34. And let Zadok the priest and Nathan the prophet anoint him there king over Israel: and blow ye with the trumpet, and say, God save king Solomon.
34. Là, le sacrificateur Tsadok et Nathan le prophète l`oindront pour roi sur Israël. Vous sonnerez de la trompette, et vous direz: Vive le roi Salomon!
34. "Ary aoka Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy any ho mpanjakan' ny Isiraely; ary tsofinareo ny anjomara ka lazao hoe: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!"
35. Then ye shall come up after him, that he may come and sit upon my throne; for he shall be king in my stead: and I have appointed him to be ruler over Israel and over Judah.
35. "Vous monterez après lui; il viendra s`asseoir sur mon trône, et il régnera à ma place. C`est lui qui, par mon ordre, sera chef d`Israël et de Juda."
35. "Dia miakara manaraka azy ianareo, ary aoka izy hiditra ka hipetraka eo amin' ny sezafiandrianako; fa izy no ho mpanjaka hisolo ahy, satria izy no voatendriko ho mpanapaka ny Isiraely sy ny Joda."
36. And Benaiah the son of Jehoiada answered the king, and said, Amen: the LORD God of my lord the king say so too.
36. Benaja, fils de Jehojada, répondit au roi: Amen! Ainsi dise l`Éternel, le Dieu de mon seigneur le roi!
36. Ary Benaia, zanak' i Joiada, namaly ny mpanjaka hoe: Amena! Hiteny tahaka izany koa anie Jehovah, Andriamanitry ny mpanjaka tompoko.
37. As the LORD hath been with my lord the king, even so be he with Solomon, and make his throne greater than the throne of my lord king David.
37. Que l`Éternel soit avec Salomon comme il a été avec mon seigneur le roi, et qu`il élève son trône au-dessus du trône de mon seigneur le roi David!
37. Toy ny nomban' i Jehovah ny mpanjaka tompoko anie no mba hombany an' i Solomona koa, ary hataony be voninahitra mihoatra noho ny sezafiandrianan' i Davida mpanjaka tompoko anie ny sezafiandrianan' i Solomona.
38. So Zadok the priest, and Nathan the prophet, and Benaiah the son of Jehoiada, and the Cherethites, and the Pelethites, went down, and caused Solomon to ride upon king David's mule, and brought him to Gihon.
38. "Alors le sacrificateur Tsadok descendit avec Nathan le prophète, Benaja, fils de Jehojada, les Kéréthiens et les Péléthiens; ils firent monter Salomon sur la mule du roi David, et ils le menèrent à Guihon."
38. Dia nidina Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Benaia, zanak' i Joiada, ary ny Keretita sy ny Peretita ka nampitaingeniny ny molen' i Davida mpanjaka i Solomona, dia nitondra azy nankany Gihona ireo.
39. And Zadok the priest took an horn of oil out of the tabernacle, and anointed Solomon. And they blew the trumpet; and all the people said, God save king Solomon.
39. Le sacrificateur Tsadok prit la corne d`huile dans la tente, et il oignit Salomon. On sonna de la trompette, et tout le peuple dit: Vive le roi Salomon!
39. Ary Zadoka mpisorona naka ny tandroka misy diloilo avy tao amin' ny tabernakely ka nanosotra an' i Solomona. Ary notsofina ny anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
40. And all the people came up after him, and the people piped with pipes, and rejoiced with great joy, so that the earth rent with the sound of them.
40. "Tout le peuple monta après lui, et le peuple jouait de la flûte et se livrait à une grande joie; la terre s`ébranlait par leurs cris."
40. Dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra ary nitsoka sodina sady niravoravo tamim-pifaliana be, ka dia nitresaka ny tany noho ny feony.
41. And Adonijah and all the guests that were with him heard it as they had made an end of eating. And when Joab heard the sound of the trumpet, he said, Wherefore is this noise of the city being in an uproar?
41. Ce bruit fut entendu d`Adonija et de tous les conviés qui étaient avec lui, au moment où ils finissaient de manger. Joab, entendant le son de la trompette, dit: Pourquoi ce bruit de la ville en tumulte?
41. Ary Adonia sy ny olona nasaina rehetra teo aminy dia nandre izany rehefa nitsahatra nihinana izy ireo. Ary raha nahare ny feon' ny anjomara Joaba, dia hoy izy: Inona re izany tabataba ao an-tanàna mampihotakotaka izany?
42. And while he yet spake, behold, Jonathan the son of Abiathar the priest came; and Adonijah said unto him, Come in; for thou art a valiant man, and bringest good tidings.
42. Il parlait encore lorsque Jonathan, fils du sacrificateur Abiathar, arriva. Et Adonija dit: Approche, car tu es un vaillant homme, et tu apportes de bonnes nouvelles.
42. "Fa raha mbola niteny izy, indro, tonga Jonatana, zanak' i Abiatara mpisorona; ary hoy Adonia taminy: Mandrosoa; fa lehilahy mahery fo ianao, ka vaovao tsara no entinao."
43. And Jonathan answered and said to Adonijah, Verily our lord king David hath made Solomon king.
43. Oui! répondit Jonathan à Adonija, notre seigneur le roi David a fait Salomon roi.
43. Fa namaly Jonatana ka nanao tamin' i Adonia hoe: Davida mpanjakantsika dia efa nanao tokoa an' i Solomona ho mpanjaka.
44. And the king hath sent with him Zadok the priest, and Nathan the prophet, and Benaiah the son of Jehoiada, and the Cherethites, and the Pelethites, and they have caused him to ride upon the king's mule:
44. Il a envoyé avec lui le sacrificateur Tsadok, Nathan le prophète, Benaja, fils de Jehojada, les Kéréthiens et les Péléthiens, et ils l`ont fait monter sur la mule du roi.
44. Ary ny mpanjaka efa naniraka an' i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Benaia, zanak' i Joiada, ary ny Keretita sy ny Peletita, hiaraka aminy, ka nampitaingenin' ireo ny molen' ny mpanjaka izy.
45. And Zadok the priest and Nathan the prophet have anointed him king in Gihon: and they are come up from thence rejoicing, so that the city rang again. This is the noise that ye have heard.
45. Le sacrificateur Tsadok et Nathan le prophète l`ont oint pour roi à Guihon. De là ils sont remontés en se livrant à la joie, et la ville a été émue: c`est là le bruit que vous avez entendu.
45. "Ary Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany efa nanosotra azy tao Gihona ho mpanjaka; ary niakatra avy tao izy sady niravoravo, ka dia nihorika indray ny tanàna. Izany no tabataba efa renareo."
46. And also Solomon sitteth on the throne of the kingdom.
46. Salomon s`est même assis sur le trône royal.
46. Koa Solomona no mipetraka eo amin' ny sezafiandrianan' ny fanjakana.
47. And moreover the king's servants came to bless our lord king David, saying, God make the name of Solomon better than thy name, and make his throne greater than thy throne. And the king bowed himself upon the bed.
47. Et les serviteurs du roi sont venus pour bénir notre seigneur le roi David, en disant: Que ton Dieu rende le nom de Salomon plus célèbre que ton nom, et qu`il élève son trône au-dessus de ton trône! Et le roi s`est prosterné sur son lit.
47. Ary dia tonga koa ny mpanompon' ny mpanjaka hisaotra an' i Davida mpanjaka tompontsika hoe: Hataon' Andriamanitra ho tsara noho ny anaranao anie ny anaran' i Solomona, ary hataony ho be voninahitra mihoatra noho ny sezafiandriananao anie ny sezafiandrianany! Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka.
48. And also thus said the king, Blessed be the LORD God of Israel, which hath given one to sit on my throne this day, mine eyes even seeing it.
48. Voici encore ce qu`a dit le roi: Béni soit l`Éternel, le Dieu d`Israël, qui m`a donné aujourd`hui un successeur sur mon trône, et qui m`a permis de le voir!
48. Ary izao koa no nolazain' ny mpanjaka: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay nanome ny hipetraka eo amin' ny sezafiandrianako androany, sady hitan' ny masoko koa izany.
49. And all the guests that were with Adonijah were afraid, and rose up, and went every man his way.
49. "Tous les conviés d`Adonija furent saisis d`épouvante; ils se levèrent et s`en allèrent chacun de son côté."
49. Dia raiki-tahotra izay rehetra nasaina tao amin' i Adonia, ka dia niainga sady lasa nandeha tamin' ny nalehany avy.
50. And Adonijah feared because of Solomon, and arose, and went, and caught hold on the horns of the altar.
50. "Adonija eut peur de Salomon; il se leva aussi, s`en alla, et saisit les cornes de l`autel."
50. Ary Adonia natahotra noho ny amin' i Solomona, dia niainga ka lasa nangia ny tandroky ny alitara.
51. And it was told Solomon, saying, Behold, Adonijah feareth king Solomon: for, lo, he hath caught hold on the horns of the altar, saying, Let king Solomon swear unto me today that he will not slay his servant with the sword.
51. On vint dire à Salomon: Voici, Adonija a peur du roi Salomon, et il a saisi les cornes de l`autel, en disant: Que le roi Salomon me jure aujourd`hui qu`il ne fera point mourir son serviteur par l`épée!
51. Ary nambara tamin' i Solomona hoe: Indro Adonia matahotra an' i Solomona mpanjaka, ka, indro izy mangia ny tandroky ny alitara sady manao hoe: Aoka Solomona mpanjaka hianiana amiko aloha anio, fa tsy hamono ahy mpanompony amin' ny sabatra.
52. And Solomon said, If he will shew himself a worthy man, there shall not an hair of him fall to the earth: but if wickedness shall be found in him, he shall die.
52. "Salomon dit: S`il se montre un honnête homme, il ne tombera pas à terre un de ses cheveux; mais s`il se trouve en lui de la méchanceté, il mourra."
52. "Dia hoy Solomona: Raha hita fa lehilahy tsara fanahy izy, dia tsy hisy na dia ny singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin' ny tany; fa raha misy faharatsiana kosa aminy, dia ho faty izy."
53. So king Solomon sent, and they brought him down from the altar. And he came and bowed himself to king Solomon: and Solomon said unto him, Go to thine house.
53. Et le roi Salomon envoya des gens, qui le firent descendre de l`autel. Il vint se prosterner devant le roi Salomon, et Salomon lui dit: Va dans ta maison.
53. "Dia naniraka Solomona mpanjaka nampidina azy hiala tamin' ny alitara. Dia avy izy ka niankohoka teo anatrehan' i Solomona mpanjaka; ary dia hoy Solomona taminy: Modia any an-tranonao."