1. My little children, these things write I unto you, that ye sin not. And if any man sin, we have an advocate with the Father, Jesus Christ the righteous:
1. Mes petits enfants, je vous écris ces choses, afin que vous ne péchiez point. Et si quelqu`un a péché, nous avons un avocat auprès du Père, Jésus Christ le juste.
1. "Rankiziko madinika, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay marina;"
2. And he is the propitiation for our sins: and not for ours only, but also for the sins of the whole world.
2. Il est lui-même une victime expiatoire pour nos péchés, non seulement pour les nôtres, mais aussi pour ceux du monde entier.
2. Ary Izy no fanatitra fampiononam-pahatezerana noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny fahotan’izao tontolo izao koa.
3. And hereby we do know that we know him, if we keep his commandments.
3. Si nous gardons ses commandements, par là nous savons que nous l`avons connu.
3. Ary izao no tena ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremantsika ny didiny.
4. He that saith, I know him, and keepeth not his commandments, is a liar, and the truth is not in him.
4. Celui qui dit: Je l`ai connu, et qui ne garde pas ses commandements, est un menteur, et la vérité n`est point en lui.
4. Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny.
5. But whoso keepeth his word, in him verily is the love of God perfected: hereby know we that we are in him.
5. Mais celui qui garde sa parole, l`amour de Dieu est véritablement parfait en lui: par là nous savons que nous sommes en lui.
5. "Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra; izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika."
6. He that saith he abideth in him ought himself also so to walk, even as he walked.
6. Celui qui dit qu`il demeure en lui doit marcher aussi comme il a marché lui-même.
6. Izay milaza fa mitoetra ao aminy Izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa.
7. Brethren, I write no new commandment unto you, but an old commandment which ye had from the beginning. The old commandment is the word which ye have heard from the beginning.
7. "Bien-aimés, ce n`est pas un commandement nouveau que je vous écris, mais un commandement ancien que vous avez eu dès le commencement; ce commandement ancien, c`est la parole que vous avez entendue."
7. Ry rahalahy, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatrany am-piandohana. Ny didy ela dia ilay teny efa renareo hatrany am-piandohana.
8. Again, a new commandment I write unto you, which thing is true in him and in you: because the darkness is past, and the true light now shineth.
8. Toutefois, c`est un commandement nouveau que je vous écris, ce qui est vrai en lui et en vous ,car les ténèbres se dissipent et la lumière véritable paraît déjà.
8. Ary koa, didy vaovao no soratako aminareo, dia zavatra marina eo aminy sy eo aminareo, satria miala ny maizina ary ny mazava marina no mahazava ankehitriny.
9. He that saith he is in the light, and hateth his brother, is in darkness even until now.
9. Celui qui dit qu`il est dans la lumière, et qui hait son frère, est encore dans les ténèbres.
9. Izay milaza fa ao amin’ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin’ny maizina ihany hatramin' izao.
10. He that loveth his brother abideth in the light, and there is none occasion of stumbling in him.
10. Celui qui aime son frère demeure dans la lumière, et aucune occasion de chute n`est en lui.
10. Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ny mazava, ka tsy misy zavatra mahatafintohina ao aminy.
11. But he that hateth his brother is in darkness, and walketh in darkness, and knoweth not whither he goeth, because that darkness hath blinded his eyes.
11. Mais celui qui hait son frère est dans les ténèbres, il marche dans les ténèbres, et il ne sait où il va, parce que les ténèbres ont aveuglé ses yeux.
11. Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin’ny maizina ary mandeha ao amin’ny maizina ka tsy mahalala izay alehany, satria ny maizina no efa nahajamba ny masony.
12. I write unto you, little children, because your sins are forgiven you for his name's sake.
12. Je vous écris, petits enfants, parce que vos péchés vous sont pardonnés à cause de son nom.
12. Manoratra aminareo ankizy madinika aho, satria voavela ny helokareo noho ny anarany.
13. I write unto you, fathers, because ye have known him that is from the beginning. I write unto you, young men, because ye have overcome the wicked one. I write unto you, little children, because ye have known the Father.
13. Je vous écris, pères, parce que vous avez connu celui qui est dès le commencement. Je vous écris, jeunes gens, parce que vous avez vaincu le malin. Je vous ai écrit, petits enfants, parce que vous avez connu le Père.
13. Manoratra aminareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin’ny fiandohana ianareo. Manoratra aminareo zatovo aho, satria efa naharesy ilay ratsy ianareo. Manoratra aminareo ankizy madinika aho, satria efa nahalala ny Ray ianareo.
14. I have written unto you, fathers, because ye have known him that is from the beginning. I have written unto you, young men, because ye are strong, and the word of God abideth in you, and ye have overcome the wicked one.
14. Je vous ai écrit, pères, parce que vous avez connu celui qui est dès le commencement. Je vous ai écrit, jeunes gens, parce que vous êtes forts, et que la parole de Dieu demeure en vous, et que vous avez vaincu le malin.
14. Nanoratra taminareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin’ny fiandohana ianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo.
15. Love not the world, neither the things that are in the world. If any man love the world, the love of the Father is not in him.
15. "N`aimez point le monde, ni les choses qui sont dans le monde. Si quelqu`un aime le monde, l`amour du Père n`est point en lui;"
15. Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.
16. For all that is in the world, the lust of the flesh, and the lust of the eyes, and the pride of life, is not of the Father, but is of the world.
16. car tout ce qui est dans le monde, la convoitise de la chair, la convoitise des yeux, et l`orgueil de la vie, ne vient point du Père, mais vient du monde.
16. Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, ny filàn’ny nofo, ary ny filàn’ny maso sy ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao.
17. And the world passeth away, and the lust thereof: but he that doeth the will of God abideth for ever.
17. "Et le monde passe, et sa convoitise aussi; mais celui qui fait la volonté de Dieu demeure éternellement."
17. Ary mandalo izao tontolo izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
18. Little children, it is the last time: and as ye have heard that antichrist shall come, even now are there many antichrists; whereby we know that it is the last time.
18. Petits enfants, c`est la dernière heure, et comme vous avez appris qu`un antéchrist vient, il y a maintenant plusieurs antéchrists: par là nous connaissons que c`est la dernière heure.
18. "Rankizy madinika, izao no fotoana farany; ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, na dia ankehitriny aza dia maro ny antikristy; koa izany no ahafantarantsika fa izao no fotoana farany."
19. They went out from us, but they were not of us; for if they had been of us, they would no doubt have continued with us: but they went out, that they might be made manifest that they were not all of us.
19. "Ils sont sortis du milieu de nous, mais ils n`étaient pas des nôtres; car s`ils eussent été des nôtres, ils seraient demeurés avec nous, mais cela est arrivé afin qu`il fût manifeste que tous ne sont pas des nôtres."
19. "Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tahiny namantsika izy, dia tsy isalasalana fa ho nitoetra tamintsika ihany; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra."
20. But ye have an unction from the Holy One, and ye know all things.
20. Pour vous, vous avez reçu l`onction de la part de celui qui est saint, et vous avez tous de la connaissance.
20. Fa manana hosotra avy amin’Ilay Masina ianareo, ary mahalala ny zavatra rehetra ianareo.
21. I have not written unto you because ye know not the truth, but because ye know it, and that no lie is of the truth.
21. Je vous ai écrit, non que vous ne connaissiez pas la vérité, mais parce que vous la connaissez, et parce qu`aucun mensonge ne vient de la vérité.
21. Tsy noho ny tsy ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo izany sy noho ny tsy fisiana lainga avy amin’ny marina.
22. Who is a liar but he that denieth that Jesus is the Christ? He is antichrist, that denieth the Father and the Son.
22. Qui est menteur, sinon celui qui nie que Jésus est le Christ? Celui-là est l`antéchrist, qui nie le Père et le Fils.
22. Iza no mpandainga afa-tsy ilay mandà an’i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka.
23. Whosoever denieth the Son, the same hath not the Father: he that acknowledgeth the Son hath the Father also.
23. "Quiconque nie le Fils n`a pas non plus le Père; quiconque confesse le Fils a aussi le Père."
23. "Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray; (fa) izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa."
24. Let that therefore abide in you, which ye have heard from the beginning. If that which ye have heard from the beginning shall remain in you, ye also shall continue in the Son, and in the Father.
24. Que ce que vous avez entendu dès le commencement demeure en vous. Si ce que vous avez entendu dès le commencement demeure en vous, vous demeurerez aussi dans le Fils et dans le Père.
24. Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatrany am-piandohana no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatrany am-piandohana, dia hitoetra ao amin’ny Zanaka sy ny Ray koa ianareo.
25. And this is the promise that he hath promised us, even eternal life.
25. Et la promesse qu`il nous a faite, c`est la vie éternelle.
25. Ary izao no tenifikasana izay nampanantenainy antsika, dia ny fiainana mandrakizay.
26. These things have I written unto you concerning them that seduce you.
26. Je vous ai écrit ces choses au sujet de ceux qui vous égarent.
26. Izany zavatra izany no nosoratako taminareo ny amin’izay mamitaka anareo.
27. But the anointing which ye have received of him abideth in you, and ye need not that any man teach you: but as the same anointing teacheth you of all things, and is truth, and is no lie, and even as it hath taught you, ye shall abide in him.
27. "Pour vous, l`onction que vous avez reçue de lui demeure en vous, et vous n`avez pas besoin qu`on vous enseigne; mais comme son onction vous enseigne toutes choses, et qu`elle est véritable et qu`elle n`est point un mensonge, demeurez en lui selon les enseignements qu`elle vous a donnés."
27. "Fa ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo; fa satria izany hosotra izany no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina fa tsy lainga izany, dia aoka hitoetra ao aminy ianareo, araka izay nampianariny anareo."
28. And now, little children, abide in him; that, when he shall appear, we may have confidence, and not be ashamed before him at his coming.
28. Et maintenant, petits enfants, demeurez en lui, afin que, lorsqu`il paraîtra, nous ayons de l`assurance, et qu`à son avènement nous ne soyons pas confus et éloignés de lui.
28. Ary ankehitriny, rankizy madinika, tomoera ao aminy, mba hananantsika fahatokiana, raha hiseho Izy, ka tsy ho menatra eo anatrehany amin’ny fiaviany.
29. If ye know that he is righteous, ye know that every one that doeth righteousness is born of him.
29. Si vous savez qu`il est juste, reconnaissez que quiconque pratique la justice est né de lui.
29. Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantatrareo fa izay rehetra manao ny marina no naterany.
<
>